Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Lehibe Lavitra Noho ny Eritreritra Rehetra ny Fiadanan’Andriamanitra’

‘Lehibe Lavitra Noho ny Eritreritra Rehetra ny Fiadanan’Andriamanitra’

“Ny fiadanan’Andriamanitra izay lehibe lavitra noho ny eritreritra rehetra no hiambina ny fonareo.”—FIL. 4:7.

HIRA: 112, 58

1, 2. Inona no nanjo an’i Paoly sy Silasy tany Filipy? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

NIGADRA tany Filipy ny misionera roa lahy atao hoe Paoly sy Silasy. Tokotokony ho misasakalina tamin’izay. Natao tao amin’ny efitra anatiny indrindra amin’ny fonja izy ireo, ary nogejaina tamin’ny boloky hazo ny tongony. Mbola nanaintaina ny lamosin’izy ireo, satria vao avy nokapohina ry zareo. (Asa. 16:23, 24) Fa inona no nitranga talohan’izay? Tsy nisy resaka fa tonga dia nitaritarika azy ireo teny an-tsena ny vahoaka. Notsaraina maimaika teo izy roa lahy, ary nokapohina mafy tamin’ny hazo rehefa avy nendahana ny akanjony. (Asa. 16:16-22) Tena tsy rariny àry ny nanjo azy ireo. Nanana zom-pirenena romanina i Paoly, ary tokony ho natao tsara ny fitsarana azy. *

2 Alao sary an-tsaina i Paoly, nipetraka tao anaty haizina sady nisaintsaina an’izay nitranga. Nieritreritra an’ireo olona tao Filipy angamba izy. Tsy hoatran’ny tanàna maro efa nandehanany ny tanànan’izy ireo. Tsy nisy synagoga tao, satria angamba latsaky ny folo ny lehilahy jiosy. Rehefa ampy folo mantsy ny lehilahy jiosy vao azo asiana synagoga ny tanàna. Voatery nankeny amoron’ny renirano iray tany ivelan’ny tanàna àry ny Jiosy tao rehefa hivavaka. (Asa. 16:13, 14) Nirehareha be ny mponin’i Filipy hoe nanana zom-pirenena romanina. (Asa. 16:21) Izany angamba no nahatonga azy ireo tsy hieritreritra hoe mety hanana zom-pirenena romanina koa ny Jiosy hafa toa an-dry Paoly sy Silasy. Na inona na inona anefa noeritreretin’izy ireo, dia tsy rariny foana ny nanagadran’izy ireo azy roa lahy.

3. Nahoana i Paoly no mety ho niady saina rehefa nogadraina? Ahoana anefa no niatrehany an’izany?

3 Nieritreritra an’izay nitranga nandritra ny volana vitsivitsy talohan’izay koa angamba i Paoly. Tany Azia Minora, teny ampitan’ny Ranomasina Égée, izy tamin’izay. Niezaka nitory tany amin’ny toerana samy hafa izy, nefa nisakana azy foana ny fanahy masina. Hoatran’ny hoe any an-toeran-kafa izy no tian’izy io hitory. (Asa. 16:6, 7) Aiza anefa? Nahita fahitana izy tamin’izy tany Troasy, ary nisy niteny taminy tamin’izay hoe: “Miampità mankatỳ Makedonia.” Nazava be tamin’i Paoly àry hoe izay no sitrapon’i Jehovah, ka nankatò avy hatrany izy. (Vakio ny Asan’ny Apostoly 16:8-10.) Vao tonga kelikely tany Makedonia anefa izy, dia nigadra! Nety ho niasa saina àry i Paoly hoe: “Fa maninona no avelan’i Jehovah hitranga amiko izao? Rahoviana aho no ho afaka ato?” Na izany aza, dia faly foana izy sady nanana finoana matanjaka. “Nivavaka sy nihira fiderana ho an’Andriamanitra” izy sy Silasy. (Asa. 16:25) Nahazo ny fiadanan’Andriamanitra izy ireo, ka tony sy nilamin-tsaina.

4, 5. a) Inona no mety hitovizantsika amin’i Paoly? b) Inona no zavatra tsy nampoizina nitranga tamin-dry Paoly?

4 Efa nisy zavatra nanjo anao ve mitovitovy amin’ny nanjo an’i Paoly? Angamba ianao nivavaka mba hampian’i Jehovah hanapa-kevitra, dia nino ianao hoe nanaraka ny tari-dalan’ny fanahy masina. Tsy nampoizinao anefa fa lasa nanana olana be ianao, na nisy zavatra hafa nitranga ka voatery nanova be ny fiainanao ianao. (Mpito. 9:11) Lasa saina angamba ianao tatỳ aoriana hoe fa naninona ireny no navelan’i Jehovah hitranga. Inona àry no hanampy anao hiaritra sady hatoky tanteraka an’i Jehovah? Andao hiverenantsika kely ny tantaran’i Paoly sy Silasy.

5 Mbola teo am-pihirana iny mihitsy izy roa lahy no nisy zavatra tsy nampoizina nitranga. Nihovotrovotra be tampoka ny tany, dia nidanadana ny varavaran’ny fonja. Nivaha koa ny fatoran’ny voafonja rehetra. Saika hamono tena ilay mpiambina, fa nosakanan’i Paoly. Natao batisa izy sy ny fianakaviany avy eo. Naniraka olona hanafaka an’i Paoly sy Silasy ny manam-pahefana ny ampitso vao maraina, ary nasain’izy ireo niala tsimoramora tao an-tanàna izy roa lahy. Tonga saina anefa izy ireo hoe nanao fahadisoana lehibe, rehefa fantany hoe manana zom-pirenena romanina i Paoly sy Silasy. Ry zareo mihitsy àry no namoaka azy roa lahy. Izy roa lahy kosa tsy nanaiky raha tsy nanao veloma an’i Lydia, anabavy vao avy natao batisa. Nanararaotra nampahery an’ireo mpiara-manompo koa izy ireo. (Asa. 16:26-40) Niova tao anatin’ny indray mipy maso tokoa ny zava-drehetra!

“LEHIBE LAVITRA NOHO NY ERITRERITRA REHETRA”

6. Inona no hodinihintsika ato?

6 Hitantsika avy amin’ilay fitantarana teo fa mahavita zavatra tsy ampoizina i Jehovah, ka tsy tokony hanahy be isika rehefa manana olana. Tena niaiky an’izany i Paoly, ary hitantsika avy amin’izay nosoratany ho an’ny Kristianina tany Filipy izany. Andao hodinihintsika izay nolazainy ao amin’ny Filipianina 4:6, 7. (Vakio.) Hijery tantara hafa isika avy eo ka hahita fa efa nanao zavatra tsy nampoizina koa i Jehovah taloha. Horesahintsika amin’ny farany hoe nahoana no manampy antsika hiaritra sy hatoky an’i Jehovah foana “ny fiadanan’Andriamanitra.”

7. Inona no lesona nampitain’i Paoly tamin’ny Kristianina tany Filipy, ary inona no ianarantsika avy amin’izany?

7 Azo inoana fa nahatsiaro an’izay nanjo an’i Paoly ny Kristianina tany Filipy rehefa namaky ny taratasiny. Tadidin’izy ireo koa hoe tena tsy nampoizin-dry zareo ny zavatra nataon’i Jehovah. Inona no lesona tian’i Paoly hianaran’izy ireo avy tamin’izany? Tsy tokony hanahy izy ireo, fa tokony hivavaka mba hahazo ny fiadanan’Andriamanitra. Nilaza i Paoly hoe ‘lehibe lavitra noho ny eritreritra rehetra ny fiadanan’Andriamanitra.’ Misy mpandika teny mandika an’izany hoe “mihoatra lavitra noho izay nofinofisintsika”, na hoe “tsara lavitra noho izay kasain’ny olombelona hatao.” Te hilaza àry i Paoly hoe tsara lavitra noho izay mety hoeritreretintsika io fiadanana io. Na hoatran’ny hoe tsy misy vahaolana aza ny olana mahazo antsika, dia i Jehovah mahita vahaolana sady mahavita zavatra tsy ampoizina.—Vakio ny 2 Petera 2:9.

8, 9. a) Nahoana no azo lazaina hoe nisy vokany tsara ny tsy rariny nanjo an’i Paoly? b) Nahoana ny Kristianina tany Filipy no nino ny tenin’i Paoly?

8 Azo inoana fa nampahery an’ireo Kristianina tany Filipy ny taratasin’i Paoly. Hitan’izy ireo hoe marina ny zavatra nosoratany, rehefa jerena ny zavatra nataon’i Jehovah tao anatin’ny folo taona, taorian’ny nigadran’i Paoly sy Silasy. Marina fa navelan’i Jehovah hiharan’ny tsy rariny izy roa lahy. Lasa afaka “niaro ny vaovao tsara sy nanamafy orina azy io araka ny lalàna” anefa izy ireo. (Fil. 1:7) Azo antoka hoe tsy sahy nanenjika an’ilay fiangonana vaovao tany Filipy ny manam-pahefana. Noho i Paoly nampahafantatra ny tenany hoe Romanina koa angamba, dia nety ho afaka nijanona tany i Lioka dokotera rehefa lasa izy sy Silasy. Afaka nanampy an’ireo olona vao lasa Kristianina àry i Lioka.

9 Fantatry ny Kristianina tany Filipy fa zavatra tena niainan’i Paoly no noresahiny tao amin’ilay taratasiny, fa tsy zavatra noeritreretiny fotsiny. Niaritra ny mafy mantsy izy, ary mbola teo am-pigadrana tao amin’ny trano iray tany Roma izy no nanoratra an’ilay taratasy. Nasehony foana anefa hoe nanana “ny fiadanan’Andriamanitra” izy.—Fil. 1:12-14; 4:7, 11, 22.

“AZA MANAHY NA AMIN’INONA NA AMIN’INONA”

10, 11. Inona no tokony hataontsika rehefa misy olana mampanahy be antsika, ary inona no azontsika antenaina?

10 Inona no hanampy antsika tsy hanahy na amin’inona na amin’inona, fa hanana “ny fiadanan’Andriamanitra”? Nilaza i Paoly ao amin’ilay taratasiny ho an’ny Filipianina hoe ny vavaka no fanafodin’ny fanahiana. Isaky ny mitebiteby àry isika dia mila mivavaka. (Vakio ny 1 Petera 5:6, 7.) Rehefa mivavaka amin’i Jehovah ianao, dia aza misalasala mihitsy hoe hikarakara anao izy. Aza hadinoina koa ny “fisaorana.” Tadidio ny fitahiana efa azonao, ka misaora an’i Jehovah. Vao mainka ianao hatoky azy raha mitadidy foana hoe afaka ‘manao mihoatra noho izay rehetra angatahinao na eritreretinao’ izy. “Mihoatra lavitra noho izany mihitsy aza” no vitany.—Efes. 3:20.

11 Mety tsy hampoizintsika ny zavatra hataon’i Jehovah ho antsika, hoatran’ny nataony tamin’i Paoly sy Silasy. Mety tsy hiavaka be ilay izy, nefa azo antoka hoe izay ilaintsika foana no hataony. (1 Kor. 10:13) Tsy midika akory izany hoe hipetra-potsiny isika, dia hiandry an’i Jehovah hanitsy an’izay tsy mety na hamaha ny olana mahazo antsika. Mila manao zavatra mifanaraka amin’ny vavaka nataontsika isika. (Rom. 12:11) Ho hitan’i Jehovah amin’izay hoe tena irintsika ilay zavatra nangatahintsika, ka hotahiny isika. Tadidio koa fa mahavita mihoatra noho izay angatahantsika sy antenaintsika na kasaintsika hatao i Jehovah. Manao zavatra tsy ampoizintsika mihitsy aza izy indraindray. Handinika fitantarana hafa ao amin’ny Baiboly isika, mba hahatonga antsika hatoky kokoa hoe mahavita an’izany izy.

ZAVATRA TSY NAMPOIZINA NATAON’I JEHOVAH

12. a) Inona no nataon’i Hezekia rehefa nandrahona an-dry zareo i Sankeriba? b) Inona no ianarantsika avy amin’izay nataon’i Jehovah?

12 Resahin’ny Baiboly fa efa imbetsaka i Jehovah no nanao zavatra tsy nampoizina. Izany, ohatra, no nitranga tamin’ny andron’i Hezekia Mpanjaka. Nanafika sy nandresy ny tanàna tao Joda i Sankeriba mpanjakan’i Asyria tamin’izay. (2 Mpanj. 18:1-3, 13) I Jerosalema sisa no tsy notafihiny. Inona no nataon’i Hezekia rehefa nitady hanafika an’i Jerosalema ny Asyrianina? Nivavaka tamin’i Jehovah izy, ary nangataka torohevitra tamin’i Isaia mpaminany. (2 Mpanj. 19:5, 15-20) Malina koa izy ka naloany ny vola notakin’i Sankeriba taminy. (2 Mpanj. 18:14, 15) Nanao izay azony natao izy tatỳ aoriana mba ho vonona hiatrika fahirano elaela ny tanàna. (2 Tan. 32:2-4) Inona anefa no nitranga? Naniraka anjely iray hamono ny miaramilan’i Sankeriba i Jehovah, ka 185 000 no maty tao anatin’ny iray alina. Tsy nampoizin’i Hezekia mihitsy izany.—2 Mpanj. 19:35.

Inona no ianarantsika avy amin’izay nitranga tamin’i Josefa? (Gen. 41:42) (Fehintsoratra 13)

13. a) Inona no ianarantsika avy amin’izay nitranga tamin’i Josefa? b) Inona no zavatra tsy nampoizina nitranga tamin’i Saraha?

13 Diniho koa ny tantaran’i Josefa zanak’i Jakoba. Nigadra tany Ejipta izy tamin’izy mbola ankizilahy. Azo antoka fa tsy tonga tao an-tsainy mihitsy hoe ho lasa manam-pahefana faharoa nanarakaraka an’i Farao izy. Tsy nampoiziny koa angamba hoe hampiasain’i Jehovah hanavotra ny fianakaviany amin’ny mosary izy. (Gen. 40:15; 41:39-43; 50:20) Azo inoana fa mihoatra lavitra noho izay nantenain’i Josefa ny nataon’i Jehovah. Eritrereto koa i Saraha, beben’ny dadan’i Josefa. Tsy nanan-janaka izy, dia ny zanaky ny mpanompovaviny no natsangany ho zanany. Nanantena ve izy hoe hataon’i Jehovah izay hahatonga azy hiteraka, na dia efa antitra aza izy? Mihoatra lavitra noho izay nantenainy no nitranga satria niteraka an’i Isaka izy.—Gen. 21:1-3, 6, 7.

14. Inona no atokisantsika?

14 Marina fa tsy manantena isika hoe hanao fahagagana i Jehovah dia hanala ny olana rehetra mahazo antsika, alohan’ny hahatongavan’ny tontolo vaovao. Tsy mangataka azy hanao zavatra miavaka be ho antsika koa isika. Nahavita zavatra mahavariana anefa izy fahiny mba hanampiana ny mpanompony tsy mivadika, ary fantatsika fa tsy niova izy. (Vakio ny Isaia 43:10-13.) Matoky azy àry isika. Mino isika fa vitany daholo izay rehetra ilaina mba hanomezana hery antsika hahafahantsika manao ny sitrapony. (2 Kor. 4:7-9) Inona àry no ianarantsika avy amin’ny tantaran’i Hezekia sy Josefa ary Saraha? Raha tsy mivadika amin’i Jehovah isika, dia hanampy antsika izy mba handresy olana hoatran’ny hoe tsy ho voavaha mihitsy.

Raha tsy mivadika amin’i Jehovah isika, dia hanampy antsika izy mba handresy olana hoatran’ny hoe tsy ho voavaha mihitsy

15. Inona no tokony hataontsika raha te hanana “ny fiadanan’Andriamanitra” foana isika? Nahoana isika no afaka manao izany?

15 Inona no hanampy antsika hanana “ny fiadanan’Andriamanitra” rehefa miatrika olana isika? Mila mifandray tsara amin’i Jehovah foana isika. ‘Amin’ny alalan’i Kristy Jesosy’ ihany no ahafahantsika mifandray aminy. Nanolotra ny ainy ho vidim-panavotana ho antsika mantsy izy. Anisan’ny zavatra miavaka nataon’i Jehovah izany. Lasa afaka mamela ny helotsika izy noho ny vidim-panavotana. Afaka manana feon’ny fieritreretana madio àry isika, sady afaka mifandray akaiky aminy.—Jaona 14:6; Jak. 4:8; 1 Pet. 3:21.

HIAMBINA NY FONTSIKA SY NY SAINTSIKA

16. Hanao ahoana isika rehefa manana “ny fiadanan’Andriamanitra”? Hazavao amin’ny ohatra.

16 Inona no ho vokany rehefa manana “ny fiadanan’Andriamanitra” isika? Milaza ny Baiboly fa ‘hiambina ny fontsika sy ny saintsika’ izy io. (Fil. 4:7) Teny nilazana andiana miaramila nasaina niambina tanàna no nakana an’ilay teny nadika hoe “hiambina.” Nisy mpiambina hoatr’izany teo am-bavahadin’ny tanànan’i Filipy. Natory tsara ny mponina tao rehefa alina, satria natoky hoe voaro tsara ny tanàna. Ho tony tsara hoatr’izany koa ny fo sy ny saintsika, rehefa manana “ny fiadanan’Andriamanitra” isika. Fantatsika mantsy fa mitady izay hahasoa antsika i Jehovah, ary tiany ho sambatra isika. (1 Pet. 5:10) Hiaro antsika mba tsy hitebiteby be na ho kivy be loatra izany.

17. Inona no hanampy antsika hatoky an’i Jehovah mandritra ny fahoriana lehibe?

17 Tsy ho ela dia hisy fahoriana lehibe izay mbola tsy nisy toa azy. (Mat. 24:21, 22) Tsy fantatsika amin’ny an-tsipiriany izay hitranga amintsika tsirairay amin’izany fotoana izany. Tsy tokony hitebiteby be anefa isika. Na dia tsy fantatsika daholo aza mantsy izay hataon’i Jehovah, dia fantatsika tsara izy. Fantatsika avy amin’izay efa nataony fa tsy maintsy hanatanteraka ny fikasany izy na inona na inona mitranga. Mety tsy hampoizintsika mihitsy aza ny zavatra hataony. Homeny ‘ny fiadanany izay lehibe lavitra noho ny eritreritra rehetra’ àry isika isaky ny manampy antsika izy, ary mety ho vaovao amintsika foana ny fomba hanaovany an’izany.

^ feh. 1 Toa nanana zom-pirenena romanina koa i Silasy.—Asa. 16:37.