Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TANTARAM-PIAINANA

Notahin’i Jehovah Izahay Satria Tsy Nivadika Mihitsy

Notahin’i Jehovah Izahay Satria Tsy Nivadika Mihitsy

NITRERONA ilay polisy hoe: “Olona ratsy fanahy! Nilaozanao ny vadinao nefa izy bevohoka sady mitaiza kely. Iza izao no hamelona sy hikarakara an-dry zareo? Mialà amin’ny fivavahanao dia mandehana mody!” Namaly aho hoe: “Tsy nandao ny vady aman-janako aho, fa ianareo no nisambotra ahy. Tsy azoko hoe fa maninona.” Hoy izy: “Izany lasa Vavolombelon’i Jehovah izany no heloka ratsy indrindra!”

Tamin’ny 1959 izany no nitranga, tany amin’ny fonjan’i Irkoutsk, any Rosia. Aleo hotantaraiko hoe nahoana izahay sy Maria vadiko no vonona ‘hijaly noho ny fahamarinana.’ (1 Pet. 3:13, 14) Notahin’i Jehovah izahay satria tsy nivadika mihitsy.

Teraka tany Zolotniki, any Ukraine, aho tamin’ny 1933. Tonga nitsidika anay avy any Frantsa ny nenitoanay sy ny vadiny tamin’ny 1937. Vavolombelon’i Jehovah ry zareo, dia nomeny boky roa hoe Fitondram-panjakana sy Fanafahana izahay. * Lasa nino an’Andriamanitra indray i Dada rehefa namaky an’ilay izy. Narary mafy anefa izy tamin’ny 1939. Niteny tamin’i Neny izy talohan’ny nahafatesany hoe: “Tena io no marina fa ampianaro ny ankizy.”

LASA FARITANINAY I SIBERIA

Nataon’ny fanjakana sesitany tany Siberia ny Vavolombelon’i Jehovah avy any amin’ny faritra andrefan’ny Firaisana Sovietika, nanomboka tamin’ny Aprily 1951. Noroahina hiala tany Ukraine izaho sy Neny ary Grigory zandriko lahy. Tonga tany Touloun, any Siberia, izahay rehefa avy nandeha lamasinina 6 000 kilaometatra mahery. Tapa-bolana taorian’izay, dia tonga tao amin’ny toby tsy lavitra anay tao Angarsk i Bogdan zokinay lahy. Voasazy hiasa an-terivozona 25 taona izy.

Niara-nitory tao Touloun izaho sy Neny ary Grigory. Tsy maintsy nahay nitady hevitra anefa izahay. Nanontanianay, ohatra, ny olona hoe: “Sao dia mahalala olona mivarotra ombivavy ianareo?” Rehefa nahita olona nanana ombivavy hamidy izahay, dia noresahinay taminy hoe nahoana no tena mahavariana ny ombivavy. Tafaresaka momba ny Mpamorona izahay avy eo. Nivoaka tamin’ny gazety iray hoe mody mitady ombivavy ny Vavolombelon’i Jehovah, nefa ondry no tena tadiaviny. Nahita olona tsara toetra hoatran’ny ondry tokoa aloha izahay e! Nahafinaritra ny nampianatra Baiboly tany amin’io faritany mbola tsy nitoriana io. Tsotra sady nahay nandray vahiny ny olona. Misy fiangonana iray misy mpitory 100 mahery izao any Touloun.

NIATRIKA FISEDRANA I MARIA

Tany Ukraine i Maria no nianatra ny fahamarinana. Nafotaka ny Ady Lehibe II tamin’izany. Nisy polisy nanadaladala azy tamin’izy 18 taona, dia nanandrana nanery azy hanao firaisana taminy. Tsy nanaiky mihitsy anefa i Maria. Rehefa nody izy indray mandeha, dia nahita an’ilay polisy teo ambony fandrianany. Nandositra izy tamin’izay. Romotra ilay polisy ka nandrahona azy hoe hogadrainy izy satria Vavolombelon’i Jehovah. Voaheloka higadra folo taona tokoa izy tamin’ny 1952. Nieritreritra izy hoe lasa hoatran’i Josefa, izay nigadra satria tsy nety nijangajanga. (Gen. 39:12, 20) Nilaza tamin’i Maria ilay saofera naka azy tany amin’ny tribonaly sy nanatitra azy tany am-ponja hoe: “Aza matahotra. Be dia be ny olona nigadra nefa tafavoaka soa aman-tsara sady tsy nisy naninona azy.” Nampahery azy izany.

Niasa tao amin’ny toby fiasana an-terivozona tsy lavitra an’i Gorkiy (Nizhniy Novgorod), any Rosia, i Maria tamin’ny 1952. Nasaina nanongotra hazo izy tany, na dia tamin’ny andro nangatsiaka be aza. Narary izy vokatr’izany. Nafahana anefa izy tamin’ny 1956 ary nankany Touloun.

TAFASARAKA TAMIN’NY VADY AMAN-JANAKO

Nisy rahalahy iray tao Touloun niteny tamiko hoe misy anabavy tamy any. Nandeha bisikileta nankany amin’ny fiandrasana bisy àry aho mba hitsena azy sy hitondra ny entany. I Maria ilay izy. Vao hitako izy dia tiako. Nila niezaka be anefa aho vao tia ahy izy. Nivady izahay tamin’ny 1957. Teraka i Irina zanakay vavy herintaona taorian’izay. Nahafinaritra ny fiarahanay saingy tsy naharitra. Nosamborina mantsy aho tamin’ny 1959 satria nanao pirinty boky ara-baiboly. Nogadraina enim-bolana tao amin’ny efitra mitokana aho. Nivavaka foana aho mba tsy hitebiteby loatra. Nihira hiran’ilay Fanjakana koa aho, ary naka sary an-tsaina hoe ahoana no hitoriako rehefa hafahana aho.

Tamin’ny 1962, tany amin’ny toby fiasana an-terivozona

Nivazavaza tamiko ilay olona nanadinadina ahy tany am-ponja hoe: “Kely sisa dia hohitsakitsahinay hoatran’ny fanitsaka totozy ianareo!” Namaly aho hoe: “I Jesosy nilaza fa HOTORINA any amin’ny firenena rehetra ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana, ary tsy hisy hahasakana an’izany!” Nitady tetika hafa izy avy eo. Nandresy lahatra ahy hiala amin’ny fivavahako izy, araka an’ilay notantaraiko terỳ am-piandohana. Tsy nampiova hevitra ahy anefa na ny fandrahonana na ny fandresena lahatra. Voasazy hanao asa an-terivozona fito taona àry aho, ka nalefa tany amin’ny toby tsy lavitra an’i Saransk. Tamin’izaho nentina tany, dia reko hoe teraka vavikely i Maria. Olga no anarany. Lavitra an-dry zareo aho, nefa nampahery ahy ny hoe samy tsy nivadika tamin’i Jehovah izahay sy Maria.

Maria miaraka amin’i Olga sy Irina, zanakay vavy, tamin’ny 1965

Nitsidika ahy tany Saransk i Maria indray mandeha isan-taona, na dia tsy maintsy nandeha lamasinina 12 andro nandroso sy niverina avy any Touloun aza izy. Nitondrany baoty vaovao aho isaky ny nitsidika ahy izy. Nafeniny tao amin’ny vodin’ilay baoty Ny Tilikambo Fiambenana maromaro nivoaka vao haingana. Faly be aho indray taona izay, satria nentiny nitsidika ahy ny zanakay roa vavy. Nihetsi-po be aho nahita an-dry zareo sy afaka niaraka taminy.

NIFINDRA TOERANA DIA NAHITA OLANA HAFA

Nafahana aho tamin’ny 1966. Nifindra tany Armavir, any akaikin’ny Ranomasina Mainty, izahay efa-mianaka. Tany no teraka i Yaroslav sy Pavel, zanakay roa lahy.

Tsy ela taorian’izay dia lasa fanaon’ny polisy ny nanao savahao ny tranonay, mba hitadiavana boky ara-baiboly. Nokarohin-dry zareo hatrany anaty sakafon’omby. Tsemboky ny hafanana ry zareo indray mandeha, ary feno vovoka ny akanjony. Nalahelo i Maria satria fantany hoe manefa baiko fotsiny ry zareo. Nomeny ranom-boankazo àry ry zareo, ary nitondrany borosin’akanjo sy rano eran’ny koveta kely ary servieta. Rehefa tonga ny sefon’izy ireo, dia notantarain-dry zareo taminy hoe tsara fanahy be tamin-dry zareo i Maria. Nitsiky sy nikopakopaka anay ilay sefo avy eo, rehefa nandeha. Faly erỳ izahay satria nisy vokany tsara ny ezaka nataonay mba ‘handresena ny ratsy amin’ny tsara.’—Rom. 12:21.

Nitory tao Armavir foana izahay, na dia tonga nisava ny tranonay foana aza ny polisy. Niezaka nanampy antoko-mpitory kely iray tany Kourganinsk, tanàna kely teo akaiky teo, koa izahay. Faly be aho fa misy fiangonana enina izao any Armavir, ary efatra ny any Kourganinsk.

Nisy fotoana izahay tsy nanompo tsara an’i Jehovah. Misaotra an’i Jehovah anefa izahay satria nampiasa an’ireo rahalahy izy mba hanitsiana anay sy hanampiana anay hanana finoana matanjaka. (Sal. 130:3) Mafy taminay koa rehefa nisy polisy mody nifanerasera tamin’ny fiangonana, nefa te hitsikilo anay fotsiny. Izahay amin’io tsy nahalala mihitsy. Hoatran’ny hoe nafana fo sy nazoto nanompo be mihitsy ry zareo. Nisy aza nahazo andraikitra mihitsy. Tratranay ihany anefa tatỳ aoriana hoe mpitsikilo ry zareo.

Bevohoka indray i Maria tamin’izy 45 taona, tamin’ny 1978. Nanana aretim-po tsy nety sitrana anefa izy, ka natahoran’ny dokotera ho faty. Nandresy lahatra azy àry izy ireo mba hanala zaza, fa tsy nety izy. Nisy dokotera sasany aza nitondra seraingy, dia nanaraka an’i Maria eran’ny hopitaly. Tiany hotsindronina fanafody izy, amin’izay teraka alohan’ny fotoana. Nandositra i Maria mba hiarovana an’ilay zaza.

Nasain’ny polisy niala tao amin’ilay tanàna izahay, dia nifindra tany amin’ny tanàna hafa tsy lavitra an’i Tallinn, any Estonia. Anisan’ny faritanin’ny Firaisana Sovietika i Estonia tamin’izany. Tsy marina akory ny tenin’ny dokotera, fa teraka lahikely salama tsara i Maria. Vitaly no anarany, ary tany Tallinn izy no teraka.

Nifindra tany Nezlobnaya, any amin’ny faritra atsimon’i Rosia, izahay tatỳ aoriana. Nitory tany amin’ireo tanàna tsy lavitra teny izahay sady nitandrintandrina ihany. Betsaka olona avy any amin’ny lafivalon’i Rosia nitsidika tany. Hitsabo tena no nahatongavan-dry zareo tany. Lasa nanantena hiaina mandrakizay anefa ny olona sasany rehefa nody.

NAMPIANAY HO TIA AN’I JEHOVAH NY ZANAKAY

Niezaka izahay nanampy ny zanakay ho tia an’i Jehovah sy hazoto hanompo azy. Nanasa mpiara-manompo izahay matetika, ary nisy vokany tsara tamin’izy ireo izany. Anisan’ny mpankany aminay, ohatra, i Grigory, zandriko lahy. Mpiandraikitra mpitety faritany izy tamin’ny 1970 ka hatramin’ny 1995. Faly be izahay mianakavy rehefa tonga izy. Falifaly foana mantsy izy sady tia vazivazy. Nanao kilalao ara-baiboly koa izahay matetika rehefa nanam-bahiny, dia lasa tia tantara ao amin’ny Baiboly ny zanakay.

Ireo zanako lahy sy ny vadiny.

Eo aoriana, avy eo ankavia miankavanana: Yaroslav, Pavel, Vitaly

Eo aloha: Alyona, Raya, Svetlana

Nifindra tany Riga, any Letonia, i Yaroslav zanakay lahy, tamin’ny 1987. Tsy nisy fandrarana tany ka afaka nitory tsara izy. Tsy nety nanao miaramila anefa izy, dia nigadra herintaona sy tapany. Nafindra fonja intsivy izy tamin’izany. Nanampy azy hiaritra anefa ny tantarako. Efa nolazaiko taminy mantsy ny nanjo ahy. Nanao mpisava lalana izy tatỳ aoriana. I Pavel indray te hanao mpisava lalana tany Sakhaline tamin’ny 1990, tamin’izy 19 taona. Nosy any avaratr’i Japon i Sakhaline, ary 9000 kilaometatra mahery avy teo aminay no misy azy. Tsy nisy afa-tsy mpitory 20 koa tany. Tsy tianay handeha izy tamin’ny voalohany, fa nanaiky ihany izahay tamin’ny farany. Nandray tsara ny vaovao tsara ny olona tany. Tao anatin’ny taona vitsivitsy monja, dia lasa nisy fiangonana valo tany. Nijanona tany i Pavel hatramin’ny 1995. I Vitaly, faralahinay, sisa no niara-nipetraka taminay mivady tamin’izany. Mbola kely izy dia efa tia namaky Baiboly. Nanomboka nanao mpisava lalana izy tamin’izy 14 taona, ary niara-nanao mpisava lalana roa taona izahay mianaka. Nahafinaritra be tamin’izany. Voatendry ho mpisava lalana manokana izy tatỳ aoriana, tamin’izy 19 taona.

Nisy polisy niteny tamin’i Maria tamin’ny 1952 hoe: “Mialà amin’ny fivavahanao, raha tsy izany dia higadra folo taona ianao. Efa antitra be ianao vao ho afaka any sady tsy hisy mpitia.” Nifanohitra tamin’izany anefa no nitranga. Tsapanay hoe tena tia anay i Jehovah sy ny zanakay ary ireo olona maro nampianay hahalala ny fahamarinana. Faly koa izahay sy Maria nitsidika ny zanakay tany amin’ireo tany nanompoany. Hitanay hoe tena mankasitraka azy ireo ny olona nampiany hahalala an’i Jehovah.

TENA MANKASITRAKA AN’I JEHOVAH IZAHAY

Nekena ho ara-dalàna ny fivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah nanerana ny Firaisana Sovietika, tamin’ny 1991. Vao mainka lasa be zotom-po àry ny mpitory. Nividy bisy mihitsy ny fiangonanay, mba handehananay mitory any amin’ireo tanàna manodidina anay isaky ny faran’ny herinandro.

Izaho sy ny vadiko, tamin’ny 2011

Tena faly aho hoe nandroso tsara daholo ny zanako. I Yaroslav sy Alyona vadiny ary i Pavel sy Raya vadiny izao manompo any amin’ny Betela. I Vitaly indray mpiandraikitra ny faritra miaraka amin’i Svetlana vadiny. Any Alemaina i Irina vavimatoanay, ary anti-panahy i Vladimir vadiny sy ny zanak’izy ireo telo lahy. I Olga indray mipetraka any Estonia, ary miantso ahy matetika izy. Mampalahelo fa nodimandry tamin’ny 2014 i Maria. Tsy andriko izay hahitana azy indray rehefa hatsangana amin’ny maty izy. Eto Belgorod aho izao no mipetraka, ary tena manampy ahy ny mpiara-manompo atỳ.

Hitako tao anatin’ireo taona maro nanompoako an’i Jehovah fa tsy mora ny hoe tsy mivadika mihitsy. Ataon’i Jehovah milamin-tsaina anefa ianao avy eo, ary tsy misy zavatra sarobidy noho izany. Betsaka lavitra noho izay noeritreretiko ny fitahiana azonay sy Maria noho izahay tsy nivadika. Tsy nisy afa-tsy mpitory 40 000 mahery nanerana ny Firaisana Sovietika talohan’ny 1991. Misy mpitory 400 000 mahery anefa izao any amin’ireo firenena anisan’izy io taloha. Efa 83 taona aho izao ary mbola anti-panahy. Afaka niaritra ny mafy foana aho satria nampian’i Jehovah. Tena namaly soa ahy izy.—Sal. 13:5, 6.

^ feh. 6 Boky navoakan’ny Fikambanana Tilikambo Fiambenana ireo.