Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Tsy Mitondra Fihavanana’ ny Fahamarinana fa ‘Mitondra Sabatra’

‘Tsy Mitondra Fihavanana’ ny Fahamarinana fa ‘Mitondra Sabatra’

“Aza mihevitra fa tonga hitondra fihavanana eto an-tany aho. Tsy tonga hitondra fihavanana aho fa hitondra sabatra.”—MAT. 10:34.

HIRA: 123, 128

1, 2. a) Inona avy no mahafaly antsika? b) Nahoana isika no mbola tsy miadana tanteraka? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

TIANTSIKA rehetra raha milamina tsara ny fiainantsika ary tsy mikorontan-tsaina isika. Faly àry isika satria omen’i Jehovah ny ‘fiadanany’, izany hoe ataony milamin-tsaina ka tsy mitebiteby be na miady saina be. (Fil. 4:6, 7) Lasa ‘mihavana amin’Andriamanitra’ koa isika, izany hoe mifandray tsara aminy, satria nanokan-tena ho azy.—Rom. 5:1.

2 Tian’i Jehovah hiadana tanteraka isika, saingy mbola tsy amin’izao izy no hanao an’izany. Andro farany izao iainantsika izao, ka be dia be ny olana ary betsaka ny olona mahery setra. (2 Tim. 3:1-4) Tsy maintsy manohitra an’i Satana sy ny fampianaran-diso aeliny koa isika Kristianina. (2 Kor. 10:4, 5) Ny havantsika tsy Vavolombelona anefa no tena mety hahatonga antsika hiady saina. Mety hihomehezan’ny sasany amin’izy ireny ny zavatra inoantsika, na mety hampangainy ho mampisara-bazana ny fianakaviana isika. Mety hilaza mihitsy aza ny sasany hoe tsy ho anisan’ny fianakaviana intsony isika raha mbola manompo an’i Jehovah. Inona àry no tokony hotadidintsika raha manohitra antsika ny fianakaviantsika? Inona no hanampy antsika hahay hiatrika an’izany?

INONA NO TOKONY HOTADIDINTSIKA?

3, 4. a) Inona no mitranga rehefa manaraka ny zavatra nampianarin’i Jesosy ny olona iray? b) Rahoviana no mety ho tena sarotra ny manara-dia an’i Jesosy?

3 Fantatr’i Jesosy fa tsy ny olon-drehetra no hanaiky ny zavatra nampianariny. Fantany koa fa hisy hanohitra izay manara-dia azy ka mila manana herim-po. Na ny mpihavana aza mety tsy hifandray tsara vokatr’izany. Hoy i Jesosy: “Aza mihevitra fa tonga hitondra fihavanana eto an-tany aho. Tsy tonga hitondra fihavanana aho fa hitondra sabatra. Fa tonga aho hampisaraka ny lehilahy amin’ny rainy, ny zanakavavy amin’ny reniny, ary ny vinantovavy amin’ny rafozambaviny. Ary ny ankohonan’ny olona ihany no ho fahavalony.”—Mat. 10:34-36.

4 Inona no tian’i Jesosy holazaina tamin’ilay hoe: ‘Aza mihevitra fa tonga hitondra fihavanana aho’? Tiany ho fantatr’ireo olona nihaino azy hoe inona no hitranga rehefa manara-dia azy izy ireo. Mety hampizarazara azy ireo ny zavatra nampianariny. Marina fa ny hampianatra ny marina momba an’Andriamanitra no tena tanjon’i Jesosy, fa tsy ny handrava fihavanana. (Jaona 18:37) Sarotra anefa ny manaraka an’izay nampianariny, rehefa misy namana na havana tsy mety manaiky ny fahamarinana.

5. Inona no iaretan’ny mpanara-dia an’i Jesosy?

5 Nilaza i Jesosy fa hanohitra an’izay manara-dia azy ny fianakavian’izy ireo, ka tokony ho vonona hiaritra an’izany izy ireo. (Mat. 10:38) Mba hahazoana sitraka amin’i Jesosy, dia tsy maintsy miaritra izy ireo rehefa manary azy ireo ny fianakaviany na maneso azy. Betsaka lavitra noho izay nafoiny anefa ny fitahiana azony.—Vakio ny Marka 10:29, 30.

6. Inona no tokony hotadidintsika raha tsy mamela antsika hanompo an’i Jehovah ny fianakaviantsika?

6 Tiantsika foana ny fianakaviantsika, na dia manohitra antsika aza izy ireo noho isika manompo an’i Jehovah. Mila tadidintsika anefa hoe Andriamanitra sy Kristy no tsy maintsy tiantsika mihoatra noho ny olon-kafa. (Mat. 10:37) Tadidio koa fa fantatr’i Satana hoe tiantsika ny havantsika, ka manararaotra an’izany izy mba hahatonga antsika hivadika amin’i Jehovah. Hojerentsika hoe inona no olana mety hitranga rehefa misy fianakaviana manohitra, ary ahoana no fomba tsara hiatrehana an’izany.

RAHA TSY VAVOLOMBELONA NY VADINAO

7. Inona no tokony hotadidin’ireo manambady tsy Vavolombelona?

7 Milaza ny Baiboly fa “hanam-pahoriana amin’ny nofony” izay manambady. (1 Kor. 7:28) Mety ho betsaka kokoa anefa ny zavatra hampiady saina anao, raha tsy Vavolombelona ny vadinao. Na izany aza, dia tena tokony hitovy hevitra amin’i Jehovah ianao. Tsy antony ahafahanao misintaka na misaraka ny hoe tsy te hanompo an’i Jehovah ny vadinao. (1 Kor. 7:12-16) Mila manaja ny vadiny foana ny vehivavy satria izy no loham-pianakaviana. Tsy maintsy manao an’izany izy, na dia tsy mitarika ny fianakaviany hanompo an’i Jehovah aza ilay lehilahy. Tsy maintsy tia ny vadiny koa ny lehilahy ary mikarakara azy tsara, na tsy manompo an’i Jehovah aza ilay vehivavy.—Efes. 5:22, 23, 28, 29.

8. Inona no azonao eritreretina raha feran’ny vadinao ny fotoana anompoanao?

8 Ahoana raha feran’ny vadinao ny fotoana andehananao manompo? Amin’ny andro sasany ihany, ohatra, ny anabavy iray no avelan’ny vadiny manompo. Eritrereto izao raha izany koa no ataon’ny vadinao: ‘Tsy avelany hanompo an’i Jehovah intsony ve aho? Sao dia mba azoko atao ihany ny zavatra angatahiny?’ Tsy dia hifanditra ianareo mivady raha mahay mandanjalanja ianao.—Fil. 4:5.

9. Raha tsy Vavolombelona ny vadinao, dia inona no azonao atao mba hanampiana ny zanakareo hanaja azy foana?

9 Mety ho sarotra aminao koa ny mitaiza ny zanakao raha tsy Vavolombelona ny vadinao. Tsy maintsy ampianarinao azy, ohatra, ilay didy hoe: “Hajao ny rainao sy ny reninao.” (Efes. 6:1-3) Ahoana anefa raha tsy manaraka ny fitsipiky ny Baiboly ny vadinao? Miezaha ho modely ka hajao foana izy. Mifantoha amin’ny toetra tsarany, ary lazao azy hoe mankasitraka ny zavatra ataony ianao. Aza manaratsy azy eo anatrehan’ny zanakareo mihitsy. Hazavao amin’izy ireo kosa hoe safidin’ny tsirairay ny hanompo an’i Jehovah na tsia. Mety ho te hianatra momba an’i Jehovah ihany ny vadinao indray andro any, rehefa hitany hoe manaja azy foana ny zanakareo.

Ampianaro ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly ny zanakao isaky ny misy hirika hanaovana an’izany (Fehintsoratra 10)

10. Inona no azon’ny rahalahy na anabavy atao mba hampianarana ny zanany ny fahamarinana, raha tsy Vavolombelona ny vadiny?

10 Misy lehilahy tsy manaiky raha tsy mandray anjara amin’ny fety sasany ny zanany, nefa mifandray amin’ny fanompoan-tsampy ilay izy. Misy koa manery ny zanany hianatra ny fampianaran’ny fivavahany, na dia diso aza ilay izy. Misy aza mandrara ny vadiny tsy hampianatra Baiboly ny zanany. Raha izany no mitranga, dia hiezaka araka izay azony atao ilay anabavy mba hampianatra ny fahamarinana an-janany. (Asa. 16:1; 2 Tim. 3:14, 15) Mety tsy havelan’ny vadiny hampianatra Baiboly an’ireo zanany tsy ampy taona, ohatra, ilay anabavy. Mety tsy havelany hitondra azy ireo hivory koa izy. Hanaja an’izany ilay anabavy. Mbola azony resahina amin’ny zanany foana anefa ny zavatra inoany, rehefa misy hirika hanaovana an’izany. Hanampy azy ireo hahalala an’i Jehovah sy ny fitsipiny izany. (Asa. 4:19, 20) Mazava ho azy fa ny ankizy ihany any aoriana any no hanapa-kevitra hoe hanompo an’i Jehovah izy sa tsia.—Deot. 30:19, 20. *

RAHA MISY FIANAKAVIANA MANOHITRA

11. Inona no mety hahatonga anao tsy hifandray tsara amin’ny havanao tsy Vavolombelona?

11 Tsy nampahafantarinao ny fianakavianao angamba tamin’ny voalohany hoe mianatra Baiboly amin’ny Vavolombelon’i Jehovah ianao. Rehefa nihanatanjaka anefa ny finoanao, dia hitanao hoe tokony horesahinao amin’izy ireo izay nianaranao. (Mar. 8:38) Raha lasa nisy olana teo aminareo noho ianao sahy nanao an’izany, dia ireto misy soso-kevitra afaka hanampy anao hifandray tsara amin’izy ireo sady hanompo an’i Jehovah foana.

12. Inona no mety hahatonga ny fianakaviantsika hanohitra antsika, ary inona no tokony hataontsika?

12 Miezaha hahatakatra ny fihetseham-pon’ny fianakavianao. Ianao mantsy mety ho faly be hoe mahalala ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Ry zareo indray mety hieritreritra hoe voafitaka ianao, na lasa manaraka sekta. Mety hieritreritra koa ry zareo hoe tsy tianao intsony izy, matoa ianao tsy miara-manao fety aminy. Matahotra mihitsy aza angamba ry zareo hoe ho very mandrakizay ianao. Mila mahatakatra ny fihetseham-pony àry ianao, ka hiezaka hahazo ny fomba fiheviny. Ilaina koa ny mihaino tsara an’izay lazainy mba hahalalana izay tena mampanahy azy. (Ohab. 20:5) Niezaka nanao an’izany tamin’ny “karazan’olona rehetra” ny apostoly Paoly mba hitoriana ny vaovao tsara tamin’izy ireo. Tsara raha manahaka azy isika.—1 Kor. 9:19-23.

13. Ahoana no tokony hataontsika rehefa miresaka amin’ny fianakaviana tsy Vavolombelona?

13 Miezaha halemy fanahy rehefa miresaka. Hoy ny Baiboly: ‘Aoka ho teny mahafinaritra foana no holazainareo.’ (Kol. 4:6) Afaka mangataka amin’i Jehovah isika mba homeny fanahy masina, ka ho tsara fanahy sy halemy fanahy rehefa miresaka amin’ny fianakaviantsika. Tsy tokony hiadiantsika hevitra daholo ny zavatra diso ampianarin’ny fivavahany. Raha mampahatezitra antsika ny teniny na ny ataony, dia tahafo ny apostoly. Hoy i Paoly: “Rehefa tevatevaina izahay dia mirary soa, rehefa enjehina dia miaritra, rehefa alam-baraka dia miangavy.”—1 Kor. 4:12, 13.

14. Inona no ho vokany raha manao ny tsara foana isika?

14 Miezaha hanao ny tsara foana. Marina fa mety hifandray tsara amin’ny fianakaviantsika isika raha malemy fanahy foana rehefa miresaka amin’izy ireo. Vao mainka hisy vokany tsara anefa ny hoe tsara fitondran-tena. (Vakio ny 1 Petera 3:1, 2, 16.) Ataovy hitan’izy ireo eo amin’ny fomba fiainanao àry fa sambatra am-panambadiana ny Vavolombelon’i Jehovah, mikarakara tsara ny zanany, manao ny marina sy tsara fitondran-tena, ary afa-po amin’ny fiainana. Na tsy manaiky ny fahamarinana mihitsy aza anefa ny fianakavianao, dia tokony ho faly foana ianao satria tsy mivadika ka mampifaly an’i Jehovah.

15. Inona no azonao atao mialoha mba tsy hifanditra amin’ny havanao tsy Vavolombelona ianao?

15 Eritrereto mialoha izay mety hitranga. Saintsaino hoe inona no mety hampifanditra anao sy ny fianakavianao, dia ahoana no hataonao rehefa mitranga ilay izy. (Ohab. 12:16, 23) Nanao an’izany ny anabavy iray any Aostralia. Hoy izy: “Nanohitra be ny rafozandahiko taloha. Isaky ny hiantso azy izahay mivady, dia nivavaka tamin’i Jehovah aloha izahay mba tsy ho tezitra koa rehefa tezitra izy. Nomaninay mialoha ny zavatra horesahinay mba hahafinaritra foana ny resakay. Na ny fotoana hiresahana aminy aza noferanay. Raha vao miresaka ela be mantsy izahay, dia matetika no lasa miady hevitra be momba ny fivavahana.”

16. Inona no azonao atao raha enjehin’ny eritreritrao ianao hoe nampalahelo ny fianakavianao?

16 Mety hifanditra ihany ianao sy ny fianakavianao tsy Vavolombelona indraindray. Mety hahatonga anao hanamelo-tena izany, satria tena tianao izy ireo sady te hampifaly azy ireo ianao. Tadidio anefa fa i Jehovah no tokony ho tianao mihoatra noho ny fianakavianao. Raha tsy mivadika amin’i Jehovah mihitsy ianao, dia mety ho azon’ny fianakavianao hoe tena ilaina ny mampihatra an’izay lazain’ny Baiboly. Tadidio koa fa tsy afaka manery ny olona hanaiky ny fahamarinana ianao. Avelan’i Jehovah hifidy izy ireo hoe hanompo azy sa tsia, hoatran’ny ataony amintsika ihany. Azonao atao kosa ny manampy azy ireo hahita hoe tena mahasoa anao ny mankatò an’i Jehovah.—Isaia 48:17, 18.

RAHA MISY HAVANAO TSY MANOMPO AN’I JEHOVAH INTSONY

17, 18. Inona no azonao atao raha malahelo ianao satria niala tamin’i Jehovah ny havanao?

17 Mety ho hoatran’ny hoe nisy nanindrona tamin’ny sabatra ianao, rehefa misy havanao voaroaka na niala tsy ho Vavolombelona. Mety ho mafy be aminao ilay izy. Inona no hanampy anao hahazaka an’izany?

18 Manompoa foana an’i Jehovah. Ataovy izay hahamafy orina ny finoanao. Ahoana no anaovana an’izany? Ataovy tsy tapaka ireto: Mamaky Baiboly, manomana fivoriana sy mandeha mivory, manompo, ary mivavaka mba hanana hery hiaretana. (Joda 20, 21) Ahoana anefa raha efa manao an’izany rehetra izany ianao, saingy lasa fahazarana fotsiny ilay izy? Aza kivy fa tohizo foana izany. Ho tony kokoa ny fonao ary tsy hiady saina be ianao rehefa zatra manao zavatra mifandray amin’ny fanompoana an’i Jehovah. Diniho izay nitranga tamin’ny mpanoratra ny Salamo faha-⁠73. Nisy fotoana izy niady saina be satria tsy voafehiny ny eritreriny sy ny fihetseham-pony. Lasa afaka nanitsy ny fomba fisainany anefa izy, rehefa nankany amin’ny trano fivavahana tamin’i Jehovah. (Sal. 73:16, 17) Manompoa foana àry an’i Jehovah fa hanampy anao izany.

19. Ahoana no ampisehoanao hoe manaja ny fandaharana ataon’i Jehovah ianao?

19 Hajao ny fandaharana ataon’i Jehovah mba hanafaizana ny mpanompony. Marina fa malahelo be isika rehefa misy havantsika voaroaka. Mahasoa antsika rehetra anefa izany, indrindra fa ilay nahazo famaizana. Mety hanampy azy hiverina amin’i Jehovah izany. (Vakio ny Hebreo 12:11.) Mandra-pahatongan’izany, dia tokony hankatoavintsika ilay didin’i Jehovah hoe aza ‘mifanerasera intsony’ amin’ny olona nanao ratsy nefa tsy mibebaka. (1 Kor. 5:11-13) Na malahelo aza isika, dia tsy tokony hitovy amin’izay nahazatra antsika teo aloha intsony ny fifandraisantsika amin’ny havantsika voaroaka. Tsy tokony hifandray tsy amin’antony amin’izy ireny isika, na an-telefaonina izany, na amin’ny SMS na taratasy na e-mail, na amin’ny tranonkala fifaneraserana.

20. Inona no azontsika antenaina?

20 Manàna fanantenana foana. “Manantena ny zava-drehetra” ny fitiavana, ka manantena isika hoe hiverina amin’i Jehovah ny havantsika niala taminy. (1 Kor. 13:7) Ahoana àry raha misy havanao akaiky voaroaka nefa hitanao hoe efa miova? Afaka mivavaka ianao mba hahazoany hery avy amin’ny Soratra Masina, ka hahatonga azy hankatò ny tenin’i Jehovah hoe: “Miverena amiko.”—Isaia 44:22.

21. Inona no tokony hataonao raha manohitra anao ny fianakavianao?

21 Nilaza i Jesosy fa izy no tokony ho tiantsika mihoatra noho ny olon-kafa rehetra. Natoky izy hoe ho be herim-po ny mpianany ka tsy hivadika aminy mihitsy na dia manohitra aza ny fianakavian’izy ireo. Raha manohitra anao àry ny fianakavianao satria ianao manara-dia an’i Jesosy, dia mivavaha amin’i Jehovah mba hanampiany anao hahay hiatrika an’izany. (Isaia 41:10, 13) Mampifaly an’i Jehovah sy Jesosy ianao rehefa tsy mivadika, ka hamaly soa anao izy ireo.

^ feh. 10 Raha mila fanazavana bebe kokoa ianao, dia jereo ny “Fanontanian’ny Mpamaky”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Aogositra 2002.