Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Kalesy sy Satroboninahitra Miaro Anao

Kalesy sy Satroboninahitra Miaro Anao

“Ho tanteraka izany, raha mihaino ny tenin’i Jehovah Andriamanitrareo tokoa ianareo.”—ZAK. 6:15.

HIRA: 61, 22

1, 2. Nanao ahoana ny fiainan’ny Israelita tany Jerosalema, taorian’ilay fahitana fahafito hitan’i Zakaria?

BETSAKA ny zavatra noeritreretin’i Zakaria mpaminany rehefa avy nahita an’ilay fahitana fahafito izy. Azo inoana fa nampahery azy ilay fampanantenan’i Jehovah hoe horinganiny ny olona manao ny tsy marina. Tsy nisy na inona na inona nitranga anefa taorian’izay. Mbola nangalatra sy nanao zavatra ratsy hafa ihany ny olona, ary mbola tsy vita ny tempoly tany Jerosalema. Fa nahoana ny Israelita no nalaky nanajanona an’ilay asa nampanaovin’i Jehovah azy ireo? Ny hanatsara ny fiainany fotsiny ve no antony nodiany tany an-tanindrazany?

2 Fantatr’i Zakaria fa nanam-pinoana ireo Israelita niverina tany Jerosalema. “Nentanin’Andriamanitra” izy ireo ka nandao ny tranony sy ny asany tany Babylona. (Ezra 1:2, 3, 5) Niala tany izy ireo na dia efa nahazatra be azy ireo aza ny fiainana tany. Maro tamin’izy ireo no sambany vao ho any Jerosalema. Nanao dia an-tongotra 1 600 kilaometatra teo ho eo izy ireo vao tonga. Ny lalana amin’izany nikintoantoana sady niaka-nidina. Tena te hanorina ny tempolin’i Jehovah izy ireo matoa nanao an’izany.

3, 4. Inona no olana nahazo an’ireo Israelita nody tany an-tanindrazany?

3 Mety ho nanao ahoana ny dian’izy ireo? Azo inoana hoe nieritreritra be momba ny trano hipetrahany any Jerosalema ry zareo teny an-dalana. Henony hoe tsara tarehy be ilay tanàna taloha. Mbola nahatsiaro ny hakanton’ilay tempoly angamba ny be taona indrindra tamin’izy ireo. (Ezra 3:12) Raha niara-dia tamin’izy ireo ianao, dia inona no mety ho tsapanao tamin’ianao vao nahita an’i Jerosalema? Nalahelo ve ianao nahita an’ireo trano rava sy ilay toerana rakotra ahidratsy? Nieritreritra angamba ianao hoe: ‘Jereo fa rava ny mandan’ity tanàna ity, sady potika ny vavahadiny sy ny tilikambony! I Babylona anefa voahodidina manda goavana sady roa sosona!’ Tsy kivy tamin’izany ny Israelita. Imbetsaka mantsy i Jehovah no nanampy sy namonjy azy ireo, nandritra an’ilay diany nody. Vao tonga àry izy ireo dia nanorina alitara tao amin’ny faritra nisy an’ilay tempoly taloha, ary nanao sorona teo isan’andro. (Ezra 3:1, 2) Nafana fo erỳ ry zareo, ka hoatran’ny hoe tsy hisy hahakivy azy mihitsy.

4 Sady nila nanorina ny tempoly ny Israelita no nila nanamboatra ny tanànany. Nila nanao ny tranony sy namboly ary namelona ny ankohonany izy ireo. (Ezra 2:70) Toa asa goavana no niandry azy ireo. Nisy fanoherana mafy anefa tsy ela taorian’izay. Nahatohitra ny fahavalony izy ireo tamin’ny voalohany. Naharitra 15 taona anefa ilay fanoherana, ka kivy izy ireo tamin’ny farany. (Ezra 4:1-4) Vao mainka loza aza no nitranga tamin’ny 522 T.K. Namoaka didy ny mpanjaka persianina hoe tsy azo atao intsony ny manamboatra an’i Jerosalema. Toa tsy ho voaorina intsony ilay tanàna.—Ezra 4:21-24.

5. Inona no nataon’i Jehovah rehefa nanajanona an’izay nasainy natao ny vahoakany?

5 Fantatr’i Jehovah hoe inona no nilain’ny vahoakany. Nataony nahita fahitana iray farany àry i Zakaria, mba hanomezana toky azy ireo hoe tena tiany izy ireo ary ankasitrahany izay efa vitan’izy ireo. Nampanantena koa izy fa hiaro azy ireo raha tohizan’izy ireo izay nasainy natao. Hoy izy momba ny fanorenana an’ilay tempoly: “Ho tanteraka izany, raha mihaino ny tenin’i Jehovah Andriamanitrareo tokoa ianareo.”—Zak. 6:15.

TAFIK’ANJELY

6. a) Inona no hitan’i Zakaria voalohany tao amin’ilay fahitana fahavalo? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.) b) Nahoana no samy hafa ny lokon’ireo soavaly?

6 Ny fahitana fahavalo farany hitan’i Zakaria angamba no mampahery indrindra. (Vakio ny Zakaria 6:1-3.) Alao sary an-tsaina ange ilay izy e! Ireny fa misy kalesy efatra mandeha haingana be, ‘avy eo anelanelan’ny tendrombohitra varahina roa.’ Hoatran’ny handeha hiady ry zareo. Mora ny manavaka an’ireo kalesy satria samy hafa ny lokon’ny soavaly mitarika azy ireo. Nanontany i Zakaria hoe: “Inona no dikan’ireo?” (Zak. 6:4) Te hahafantatra an’izany koa isika, satria mahakasika antsika io fahitana io.

Mbola mampiasa anjely i Jehovah mba hiarovana sy hampaherezana ny vahoakany

7, 8. a) Manondro inona ireo tendrombohitra roa hitan’i Zakaria? b) Nahoana izy ireo no varahina?

7 Mety hidika hoe fanjakana na fitondram-panjakana ny hoe tendrombohitra ao amin’ny Baiboly. Inona àry ireo tendrombohitra hitan’i Zakaria? Mitovy amin’ireo tendrombohitra roa voaresaka ao amin’ny faminanian’i Daniela izy ireo. Ny fahefan’i Jehovah eo amin’izao rehetra izao ny iray, ary haharitra mandrakizay izany. Ny Fanjakan’ny Mesia kosa ny iray, ary i Jesosy no mpanjakany. (Dan. 2:35, 45) Tamin’ny 1914 izy no lasa Mpanjaka. Nanomboka tamin’izay, dia nisy asa manokana nataon’ireo fitondrana ireo mba hanatanterahana ny sitrapon’Andriamanitra eto an-tany.

8 Mariho fa varahina ireo tendrombohitra roa. Metaly mangirana ny varahina, ary tena sarobidy. Nasain’i Jehovah nampiasaina tamin’ny fanorenana ny tranolay sy ny tempoly tany Jerosalema izy io. (Eks. 27:1-3; 1 Mpanj. 7:13-16) Mety tsara àry raha oharina amin’ny tendrombohitra varahina ny fitondran’i Jehovah sy ny Fanjakan’ny Mesia satria faran’izay tsara. Hiaro sy hitahy ny olombelona ireo fitondrana ireo.

9. Manondro an’iza ireo kalesy sy ny mpitaingina azy, ary inona no asa nampanaovina azy ireo?

9 Manondro inona kosa ireo kalesy sy ny mpitaingina azy? Anjely izy ireo, ary angamba andiana anjely. (Vakio ny Zakaria 6:5-8.) Mivoaka avy eo “anatrehan’ilay Tompon’ny tany manontolo” izy ireo, ary misy iraka manokana ampanaovina azy. Nasaina nankany amin’ny toerana voafaritra tsara izy ireo mba hiaro ny vahoakan’Andriamanitra. Tafiditra amin’izany ny hoe miaro azy ireo amin’ny “tany any avaratra”, dia i Babylona. Nampahafantarin’i Jehovah tamin’ilay fahitana àry fa tsy havelany hanandevo ny mpanompony intsony i Babylona. Azo antoka fa nampahery an’ireo nanorina ny tempoly tamin’ny andron’i Zakaria izany. Lasa natoky izy ireo hoe tsy maintsy ho vitany ilay tempoly, ary tsy hahasakana an’izany ny fahavalo.

10. Inona no atokisantsika rehefa mandinika an’ilay faminaniana momba ny kalesy isika?

10 Mbola mampiasa anjely i Jehovah mba hiarovana sy hampaherezana ny vahoakany, toy ny tamin’ny andron’i Zakaria. (Mal. 3:6; Heb. 1:7, 14) Nafahany tao amin’i Babylona Lehibe izy ireo tamin’ny 1919. (Apok. 18:4) Nandroso be foana ny fivavahana marina nanomboka tamin’izay, na dia nanao izay ho afany aza ny fahavalo mba hisakanana an’izany. Miaro ny fandaminan’i Jehovah ny anjely, ka tsy atahorana ho lasa babo any amin’ny fivavahan-diso indray isika. (Sal. 34:7) Matoky kosa isika hoe hahavita hanompo tsara an’i Jehovah foana. Rehefa mandinika ny fahitana hitan’i Zakaria isika, dia mahazo antoka hoe tena miaro antsika ireo tendrombohitra roa.

11. Nahoana isika no tsy tokony hatahotra an’ilay fanafihana antsika amin’ny hoavy?

11 Tsy ho ela dia hivondrona ny firenena maromaro eto amin’ny tontolon’i Satana, ka hiezaka hamongotra ny vahoakan’i Jehovah. (Ezek. 38:2, 10-12; Dan. 11:40, 44, 45; Apok. 19:19) Milaza ny faminanian’i Ezekiela fa ho toy ny rahona mandrakotra ny tany izy ireo, ary hitaingin-tsoavaly. Ho tezitra mafy izy ireo ka hanafika antsika. (Ezek. 38:15, 16) * Tsy misy atahorantsika azy ireo mihitsy anefa. Manana tafika manampy antsika koa mantsy isika. Hivondrona ny tafik’anjely ka hiaro ny vahoakan’i Jehovah, rehefa manafika antsika ireo firenena ireo mandritra ny fahoriana lehibe. Handringana an’izay manohitra ny fitondran’i Jehovah ny anjely amin’izay. (2 Tes. 1:7, 8) Tsy hampino ny zavatra hitranga amin’io fotoana io! Iza anefa no mitarika an’ilay tafik’i Jehovah?

NATAON’I JEHOVAH MPANJAKA SADY MPISORONA

12, 13. a) Inona no nasaina nataon’i Zakaria? b) Inona no porofo fa i Jesosy Kristy ilay antsoina hoe Tsimoka?

12 I Zakaria irery no nahita an’ireo fahitana valo noresahintsika. Hitan’ny olona kosa ny zavatra nasaina nataony taorian’izay, ary nampahery an’ireo Israelita nanorina ny tempoly. (Vakio ny Zakaria 6:9-12.) Nasaina naka volafotsy sy volamena tany amin’i Helday sy Tobia ary Jedaia izy. Israelita nody avy any Babylona izy ireo. Nasaina nanamboaran’i Zakaria “satroboninahitra tsara tarehy” ilay volafotsy sy volamena avy eo. (Zak. 6:11) Ho an’iza ilay satroboninahitra? Ho an’i Zerobabela Governora ve? Taranak’i Davida mantsy izy sady avy amin’ny fokon’i Joda. Tsy nasain’i Jehovah nomena azy anefa ilay satroboninahitra, fa nasainy napetraka teo amin’ny lohan’i Josoa Mpisoronabe. Azo antoka fa gaga izay nahita an’izany.

13 Lasa mpanjaka ve i Josoa rehefa natao teo amin’ny lohany ilay satroboninahitra? Tsia. Tsy taranak’i Davida mantsy izy, ka tsy nanan-jo ho mpanjaka. Natao teo amin’ny lohany kosa ilay satroboninahitra, mba hampisehoana fa hisy mpisoronabe sady mpanjaka mandrakizay amin’ny hoavy. Tsimoka no iantsoana azy io, ary i Jesosy Kristy izy io raha jerena izay lazain’ny Baiboly.—Isaia 11:1; Mat. 2:23. *

14. Inona no ataon’i Jesosy noho izy Mpanjaka sady Mpisoronabe?

14 Sady Mpanjaka i Jesosy no Mpisoronabe, ary izy no mpitarika ny tafik’i Jehovah any an-danitra. Tena miasa mafy izy mba hahatonga ny vahoakan’i Jehovah tsy hanana ahiahy eto amin’ity tontolo feno herisetra ity. (Jer. 23:5, 6) Tsy ho ela izy dia haharesy an’ireo firenena. Hasehony amin’izany fa manohana ny fitondran’i Jehovah izy ary miaro ny vahoakany. (Apok. 17:12-14; 19:11, 14, 15) Mandra-pahatongan’izany anefa, dia mbola misy asa lehibe tsy maintsy ataon’ilay Tsimoka, izany hoe i Jesosy.

HANORINA NY TEMPOLIN’I JEHOVAH IZY

15, 16. a) Inona no asa hafa nasaina nataon’i Jesosy, ary ahoana no anaovany an’izany? b) Inona no hitranga amin’ny faran’ny Fanjakana Arivo Taona?

15 Tsy voatendry ho Mpanjaka sy Mpisoronabe fotsiny i Jesosy, fa voatendry “hanorina ny tempolin’i Jehovah” koa. (Vakio ny Zakaria 6:13.) Ahoana no anaovany an’izany? Nanafaka ny mpanompon’i Jehovah tao amin’i Babylona Lehibe izy tamin’ny 1919, ary namerina tamin’ny laoniny ny fiangonana kristianina. Nanendry “mpanompo mendri-pitokisana sy malina” koa izy mba hiandraikitra ny asa atao ao amin’ny tokotanin’ilay tempoly ara-panahy lehibe. (Mat. 24:45) Nanampy ny vahoakan’i Jehovah koa izy mba hadio foana sy hanompo tsara an’i Jehovah ka hampifaly azy.—Mal. 3:1-3.

16 Hisy mpanjaka sady mpisorona 144 000 hiara-hitondra amin’i Jesosy mandritra ny arivo taona. Hanampy ny olona tsy mivadika ho lasa lavorary izy ireo mandritra izany fotoana izany. Tsy hisy afa-tsy mpanompon’i Jehovah eto an-tany aorian’izay. Ela ny ela ka ho tafaverina amin’ny laoniny ny fivavahana marina!

MANDRAISA ANJARA AMIN’ILAY FANORENANA

17. Ahoana koa no nampaherezan’i Jehovah ny Israelita, ary inona no vokatr’izany?

17 Inona no vokany rehefa nandre an’ilay hafatra nampitain’i Zakaria ny Israelita? Azo antoka fa lasa velom-panantenana indray izy ireo. Nampanantena mantsy i Jehovah hoe hiaro sy hanampy azy ireo hamita an’ilay tempoly. Mety ho nieritreritra ihany anefa izy ireo hoe: ‘Izahay aza vitsy kely, dia ahoana no hahavitanay an’izany asa goavana izany?’ Nisy zavatra hafa notenenin’i Zakaria àry, mba hanampiana azy ireo tsy hatahotra na hisalasala intsony. Nampanantena i Jehovah fa ankoatra an’i Helday sy Tobia ary Jedaia, dia hisy olona maro ‘ho tonga handray anjara amin’ny fanorenana ny tempolin’i Jehovah.’ (Vakio ny Zakaria 6:15.) Natoky àry ny Israelita hoe hanohana azy ireo i Jehovah, ka tsy nitaredretra izy ireo nanorina an’ilay tempoly indray, na dia mbola voarara aza izany. Hoatran’ny tendrombohitra be nisakan-dalana ilay fandrarana nataon’ny mpanjaka persianina, nefa tsy ela dia nesorin’i Jehovah. Vita ihany ilay tempoly tamin’ny 515 T.K. (Ezra 6:22; Zak. 4:6, 7) Tanteraka amin’izao andro izao koa anefa ilay tenin’i Jehovah ao amin’ny Zakaria 6:15.

Tsy hohadinoin’i Jehovah mihitsy ny fitiavantsika azy (Fehintsoratra 18, 19)

18. Ahoana no ahatanterahan’ny Zakaria 6:15 amin’izao andro izao?

18 Olona an-tapitrisany izao no manompo an’i Jehovah. Manohana ny asa atao ao amin’ilay tempoly ara-panahy lehibe izy ireo. Faly izy ireo manome izay “zava-tsarobidy” ananany, anisan’izany ny fotoanany sy ny heriny ary ny volany. (Ohab. 3:9) Afaka matoky isika hoe tena mankasitraka ny fanohanantsika ny asa atao ao amin’ilay tempoly i Jehovah. Nahoana? Tadidio fa nitondra volafotsy sy volamena i Helday sy Tobia ary Jedaia, mba hanamboaran’i Zakaria an’ilay satroboninahitra. Lasa “fahatsiarovana” ny fanohanan’izy telo lahy ny fivavahana marina ilay satroboninahitra avy eo. (Zak. 6:14) Hoatr’izany koa ny asa ataontsika sy ny fitiavantsika an’i Jehovah. Tsy hohadinoiny mihitsy izany fa hotsaroany mandrakizay.—Heb. 6:10.

19. Inona no tokony ho vokany eo amintsika rehefa mandinika ny fahitana hitan’i Zakaria isika?

19 Tena be dia be ny asa vitan’ny vahoakan’i Jehovah amin’izao andro farany izao. Porofo izany hoe mitahy antsika i Jehovah ary mitarika antsika i Kristy. Faly isika fa anisan’ny fandaminana iray mafy orina sy voaro ary haharitra mandrakizay. Tsy maintsy “ho tanteraka” ny fikasan’i Jehovah momba ny fivavahana marina. Mifalia àry fa anisan’ny vahoakan’i Jehovah ianao, ary aza manadino ‘mihaino ny teniny.’ Raha manao an’izany ianao, dia hiaro anao i Jesosy, izay Mpanjaka sady Mpisoronabe, ary hiaro anao koa ny anjely. Ataovy izay rehetra azonao atao mba hanohanana ny fivavahana marina. Afaka matoky ianao amin’izay fa hiaro anao i Jehovah Tompon’ny tafika, mandra-pahatongan’ny faran’ity tontolo ity ary mandrakizay mihitsy.

^ feh. 11 Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ny “Fanontanian’ny Mpamaky” ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Mey 2015, pejy 29-30.

^ feh. 13 Avy amin’ny teny hebreo midika hoe “tsimoka” ilay teny hoe “Nazareanina.”