Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Fantatro fa Hitsangana Izy”

“Fantatro fa Hitsangana Izy”

“Matory i Lazarosy namantsika, fa handeha ho any aho hamoha azy.”—JAONA 11:11.

HIRA: 142, 129

1. Inona no natokisan’i Marta momba ny anadahiny? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

NAMAN’I Jesosy i Marta sady mpianany. Nalahelo be izy fa maty i Lazarosy anadahiny. Nampanantena anefa i Jesosy hoe: “Hitsangana ny anadahinao.” Azo inoana hoe nampahery azy izany, saingy mety ho mbola nalahelo ihany izy. Nino ny tenin’i Jesosy anefa izy ka nilaza hoe: “Fantatro fa hitsangana izy amin’ny fananganana ny maty amin’ny andro farany.” (Jaona 11:20-24) Natoky i Marta hoe hatsangana ny maty amin’ny hoavy. Tamin’iny andro iny ihany anefa i Jesosy dia nanao fahagagana, ka nanangana an’i Lazarosy tamin’ny maty.

2. Nahoana ianao no te ho resy lahatra toa an’i Marta hoe hatsangana ny maty?

2 Tsy misy antony ieritreretantsika hoe hanao fahagagana hoatr’izany ho antsika i Jesosy na ny Rainy amin’izao. Matoky toa an’i Marta anefa ve ianao hoe hatsangana amin’ny maty ny olona tena tianao, amin’ny hoavy? Efa nodimandry angamba ny vadinao, na ny mamanao, na ny dadanao, na ny dadabenao, na ny bebenao, na ny zanakao. Tena te hamihina azy indray ianao, te hiresaka aminy, ary te hiara-hihomehy aminy. Soa ihany fa afaka milaza toa an’i Marta ianao hoe: ‘Fantatro fa mbola hatsangana amin’ny maty izy.’ Tsara anefa raha saintsainintsika tsirairay hoe nahoana isika no tena afaka matoky an’izany.

3, 4. Rehefa fantatr’i Marta fa efa nanangana ny maty i Jesosy talohan’izay, inona no mety ho vokatr’izany taminy?

3 Efa nanangana ankizilahy iray i Jesosy talohan’izay, tany akaikin’ny tanàna atao hoe Naina, tany Galilia. Zanaky ny vehivavy iray maty vady ilay izy. Toa tsy nahita an’izany i Marta, satria tany akaikin’i Jerosalema no nisy azy. Mety ho nahafantatra an’izany anefa izy. Henony koa angamba hoe nanangana ny zanakavavin’i Jairo i Jesosy. Fantatry ny olona tao amin-dry Jairo fa efa maty ilay zaza. Nandray ny tanany anefa i Jesosy, dia niteny hoe: “Ry zazavavy, miarena!” Dia niarina avy hatrany izy. (Lioka 7:11-17; 8:41, 42, 49-55) Samy nahafantatra i Marta sy Maria rahavaviny hoe mahavita manasitrana i Jesosy. Nieritreritra àry ry zareo hoe raha teo i Jesosy tamin’i Lazarosy narary, dia tsy maty izy hoatr’izay. Mbola nisy azo nantenaina àry ve rehefa maty i Lazarosy? Nilaza i Marta hoe hitsangana izy “amin’ny andro farany”, izany hoe amin’ny hoavy. Nahoana izy no natoky an’izany? Nahoana ianao no afaka matoky fa hatsangana ny maty any aoriana any ary mety ho anisan’izany ny olona tena tianao?

4 Misy antony maro ahafahanao mino hoe tena hisy izany. Handinika santionany amin’izany isika ato. Mety hahita hevitra tsy dia noeritreretinao hoe mifandray amin’ny fanantenana fananganana ny maty ianao. Vao mainka izy ireny hanatanjaka ny finoanao hoe hihaona indray ianao sy ny olona tena tianao.

ZAVA-NITRANGA MANOME FANANTENANA

5. Nahoana i Marta no natoky hoe mbola hatsangana amin’ny maty i Lazarosy?

5 Tsy nilaza i Marta hoe: ‘Manantena aho hoe hitsangana ny anadahiko.’ Nilaza kosa izy hoe: “Fantatro fa hitsangana izy.” Natoky an’izany izy satria fantany fa efa nisy olona natsangana tamin’ny maty taloha, tamin’i Jesosy mbola tsy tetỳ an-tany. Mety ho tamin’izy mbola kely no nianatra an’izany tao an-tranony na tany amin’ny synagoga. Handinika tantaran’olona telo natsangana tamin’ny maty isika izao.

6. Inona no fahagagana nataon’i Elia ary azo antoka hoe fantatr’i Marta?

6 Nataon’i Jehovah nahavita nanao fahagagana i Elia mpaminany. Tamin’izay no nisy fananganana ny maty voalohany. Nisy vehivavy maty vady sady nahantra nampiantrano azy tany Zarefata, tanàna fenisianina. Nataon’i Jehovah nanana lafarinina sy menaka foana ilay vehivavy sy ny zanany lahy, mba tsy ho maty mosary. (1 Mpanj. 17:8-16) Narary ilay zanany taorian’izay, dia maty. Nitsotra teo ambonin’ilay ankizy àry i Elia sady nivavaka hoe: “Ry Jehovah Andriamanitro ô! Mba ataovy re izay hampiverina ny ain’ity ankizy ity e!” Nohenoin’i Jehovah ny vavaka nataony, ka velona indray ilay zaza. (Vakio ny 1 Mpanjaka 17:17-24.) Azo antoka fa nahafantatra an’izany fahagagana izany i Marta.

7, 8. a) Inona no nataon’i Elisa mba hampaherezana an’ilay vehivavy tany Sonema? b) Inona no voaporofo tamin’ilay fahagagana nataon’i Elisa?

7 I Elisa, mpaminany nandimby an’i Elia, no olona faharoa resahin’ny Baiboly hoe nanangana ny maty. Nazoto nampiantrano azy ny vehivavy israelita iray nanan-kaja tany Sonema. Efa antitra ny vadiny ary tsy nanan-janaka izy ireo. Te hamaly soa azy mivady i Jehovah, ka nataony nanan-janaka lahy kely izy ireo. Maty anefa ilay zaza, taona vitsivitsy tatỳ aoriana. Azo antoka hoe nalahelo be ilay vehivavy. Niera tamin’ny vadiny izy, dia nandeha 30 kilaometatra teo ho eo nankany amin’i Elisa, tany amin’ny Tendrombohitra Karmela. Nirahin’i Elisa hialoha lalana azy ireo ho any Sonema i Gehazy mpanompony, mba hanangana an’ilay zaza. Tsy nahavita nanao an’izany anefa izy. Tonga tany Sonema i Elisa sy ilay vehivavy avy eo.—2 Mpanj. 4:8-31.

8 Nankao amin’ny efitra nisy an’ilay zaza i Elisa ary nivavaka. Namaly ny vavaka nataony i Jehovah ka velona indray ilay zaza, dia nomeny an’ilay reniny. Faly be ilay reniny! (Vakio ny 2 Mpanjaka 4:32-37.) Angamba tadidiny ilay vavaka nataon’i Hana. Tsy nanan-janaka i Hana nefa nataon’i Jehovah niteraka an’i Samoela izy avy eo. Nivavaka i Hana tamin’izay hoe: “I Jehovah ... no mampidina any amin’ny Fasana, sy mampiakatra avy any.” (1 Sam. 2:6) Toy ny hoe nampakarin’i Jehovah avy any am-pasana ny zanak’ilay vehivavy, ka voaporofo fa mahavita manangana ny maty izy.

9. Tantarao ilay fananganana amin’ny maty fahatelo resahin’ny Baiboly.

9 Narary i Elisa dia maty, rehefa avy naminany nandritra ny 50 taona mahery. Mbola nisy zavatra hafa nahavariana nitranga anefa taorian’ny nahafatesany. Nisy Israelita handeha handevina, indray andro. Nahatazana mpandroba ry zareo ka te handositra haingana, dia natsipiny tao amin’ny fasana nandevenana an’i Elisa ilay faty. ‘Rehefa nikasika ny taolan’i Elisa ilay izy, dia velona avy hatrany ka nijoro tamin’ny tongony.’ (2 Mpanj. 13:14, 20, 21) Azo antoka fa nandresy lahatra an’i Marta ireo tantara ireo hoe tena mahavita mandresy ny fahafatesana i Jehovah. Tokony handresy lahatra anao koa ireo hoe faran’izay mahery izy.

TAMIN’NY ANDRON’NY APOSTOLY

10. Inona no nataon’i Petera rehefa maty ny anabavy iray?

10 Miresaka mpanompon’i Jehovah nanangana ny maty koa ny Soratra Grika Kristianina. Efa noresahintsika teo hoe nanangana ny maty i Jesosy, tany akaikin’ny tanànan’i Naina sy tany an-tranon’i Jairo. Izany koa no nataon’ny apostoly Petera, rehefa maty ny anabavy atao hoe Dorkasy na Tabita. Nankao amin’ny efitra nametrahana an’ilay faty izy, dia nivavaka. Hoy izy avy eo: “Ry Tabita, miarena!” Tonga dia velona izy, ary nentin’i Petera tany amin’ny Kristianina namany. Resy lahatra ny olona maro rehefa nahita an’izany, ka lasa “nino ny Tompo.” Afaka niresaka tamin’ny hafa momba an’i Jesosy àry izy ireo, sady afaka nanaporofo hoe mahavita manangana ny maty i Jehovah.—Asa. 9:36-42.

11. Inona no nolazain’i Lioka momba ny ankizilahy iray nianjera, ary inona no vokatr’izany tamin’ny olon-kafa?

11 Nanangana ny maty koa ny apostoly Paoly. Tany Troasy, any avaratrandrefan’i Torkia amin’izao, izy indray mandeha. Nanao lahateny tao amin’ny rihana faharoa tamin’ny trano iray izy, hatramin’ny misasakalina. Nanatrika teo ny ankizilahy atao hoe Eotyka, ary nipetraka teo am-baravarankely. Tafatory anefa izy dia nianjera avy teny. I Lioka angamba no tonga voalohany teny aminy sy nijery azy. Dokotera i Lioka ka fantany fa tsy hoe naratra sy torana fotsiny ilay ankizilahy, fa maty mihitsy. Nidina i Paoly avy eo ary namihina an’i Eotyka. Gaga be ny olona satria hoy izy: “Efa niverina ny ainy.” Nisy vokany be tamin’izay nanatri-maso teo izany. “Fampiononana lehibe no azon’izy ireo” rehefa fantatr’izy ireo hoe velona indray ilay ankizilahy efa maty.—Asa. 20:7-12.

FANANTENANA AZO ANTOKA

12, 13. Inona no fanontaniana tokony hoeritreretintsika rehefa avy nandinika an’ireo tantara tetsy aloha isika?

12 Tokony hahatonga antsika hanana fanantenana toa an’i Marta ireo tantara tetsy aloha ireo. Tokony hatoky isika hoe mahavita manangana ny maty ilay Andriamanitra Mpanome aina. Rehefa mandinika an’ireo fitantarana ireo isika, dia hitantsika hoe nisy mpanompony nofidiny hanangana ny maty, ohatra hoe i Elia na Jesosy na Petera. Tamin’ny fotoana mbola nanaovan’i Jehovah fahagagana koa no nitrangan’ireo. Ahoana anefa ny amin’ireo mpanompony tsy nivadika, izay maty tamin’ny fotoana tsy nisian’ny fahagagana? Azo antenaina ho tanteraka amin’izy ireo koa ve ilay fanantenan’i Marta momba ny anadahiny? Hitsangana ve izy ireny “amin’ny fananganana ny maty amin’ny andro farany”? Nahoana i Marta no natoky hoe hisy izany, ary nahoana koa ianao no afaka mino an’izany?  

13 Tantara maro ao amin’ny Baiboly no mampiseho fa fantatry ny mpanompon’i Jehovah hoe hatsangana ny maty amin’ny hoavy. Handinika ny sasany amin’izany isika.

14. Rehefa mandinika ny tantaran’i Abrahama isika, dia inona no ianarantsika momba ny fananganana ny maty?

14 Nila niandry ela be i Abrahama vao nanan-janaka handova azy. Hoy anefa i Jehovah taminy: “Ento, azafady, i Isaka zanakao, ilay lahitokanao izay tena tianao. ... Ary atolory ho fanatitra dorana izy.” (Gen. 22:2) Araka ny hevitrao, nanao ahoana ny fihetseham-pon’i Abrahama tamin’izay? Nampanantena i Jehovah hoe amin’ny alalan’ny taranany no hitahiana ny firenena rehetra. (Gen. 13:14-16; 18:18; Rom. 4:17, 18) Nilaza koa izy hoe “avy amin’i Isaka” ilay taranaka. (Gen. 21:12) Ahoana anefa no hahatanteraka an’izany raha hatao sorona i Isaka? Nilaza i Paoly fa nino i Abrahama hoe vitan’i Jehovah ny manangana azy. (Vakio ny Hebreo 11:17-19.) Nieritreritra ve i Abrahama hoe hatsangana avy hatrany i Isaka, na hoe hatsangana izy afaka ora vitsivitsy na iray andro na herinandro? Tsy milaza an’izany ny Baiboly. Tsy fantany hoe rahoviana i Isaka no hatsangana amin’ny maty. Natoky anefa izy hoe hanangana azy i Jehovah.

15. Inona no nantenain’i Joba?

15 Nino koa i Joba hoe hatsangana ny maty any aoriana any. Fantany hoe rehefa tapahina ny hazo dia mety hitsimoka indray, dia lasa hazo vaovao. Tsy hoatr’izany anefa ny olona. (Joba 14:7-12; 19:25-27) Tsy afaka manangana ny tenany avy ao am-pasana izy ireo rehefa maty. (2 Sam. 12:23; Sal. 89:48) I Jehovah kosa anefa mahavita mamelona ny maty. Nino i Joba hoe hahatsiaro azy i Jehovah raha maty izy. (Vakio ny Joba 14:13-15.) Tsy fantany hoe rahoviana izany. Natoky anefa izy hoe mahavita manangana ny maty ilay nanome aina ny olombelona, ary hahatsiaro azy ka hamelona azy indray.

16. Ahoana no nampaherezan’ny anjely iray an’i Daniela?

16 Eritrereto koa i Daniela, voaresaka ao amin’ny Soratra Hebreo. Tsy nivadika tamin’i Jehovah izy nandritra ny taona maro, ka nampiany. Nisy anjely nilaza taminy indray mandeha hoe: “Tena tiana ianao.” Nilaza taminy koa izy hoe: “Ho aminao anie ny fiadanana! Mahereza!”—Dan. 9:22, 23; 10:11, 18, 19.

17, 18. Inona no nampanantenain’i Jehovah an’i Daniela?

17 Efa akaiky ho 100 taona sy efa ho faty i Daniela, ka mety ho nieritreritra ny hoaviny. Ho anisan’ireo hatsangana amin’ny maty ve izy? Mazava ho azy! Izao no nampanantenain’i Jehovah azy, ao amin’ny andininy farany amin’ny bokiny: “Mirosoa ho amin’ny farany. Dia hiala sasatra ianao.” (Dan. 12:13) Fantatr’i Daniela fa ho faty izy tsy ho ela. Fantany koa anefa fa miala sasatra ny maty, ary tsy misy “eritreritra na fahalalana na fahendrena ao amin’ny Fasana.” (Mpito. 9:10) Tsy hoe ho vita hatreo anefa ny aminy, satria nampanantena hoavy mahafinaritra ho azy i Jehovah.

18 Izao koa no nolazaina tamin’i Daniela: “Hitsangana [ianao] any am-parany mba hahazo ny anjaranao.” Tsy nolazaina taminy hoe rahoviana izany no hitranga. Fantany fotsiny hoe ho faty izy dia hiala sasatra. Rehefa nilazana anefa izy hoe ‘hahazo ny anjarany’, dia fantany fa midika izany hoe hatsangana amin’ny maty izy. Ela be any aorian’ny hahafatesany izany no hitranga, izany hoe “any am-parany.”

19, 20. a) Inona no ifandraisan’ny tenin’i Marta amin’ny zavatra nianarantsika tato? b) Inona no hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

19 Tsy diso àry i Marta raha resy lahatra tanteraka fa hitsangana i Lazarosy anadahiny “amin’ny fananganana ny maty amin’ny andro farany.” Rehefa avy nandinika an’izany sy ny fampanantenana nomena an’i Daniela isika, dia tokony ho vao mainka hatoky fa hatsangana ny maty.

20 Hitantsika teo fa efa nisy olona natsangana tamin’ny maty fahiny. Porofo izany hoe afaka ny ho velona indray ny olona efa nodimandry. Hitantsika teo koa fa nanantena ireo lehilahy sy vehivavy nanompo an’i Jehovah hoe hatsangana ny maty indray andro any. Misy porofo manamarina ve anefa hoe tena hatsangana ny maty, na dia efa ela aza izany no nampanantenaina? Raha mahita porofo isika, dia vao mainka hino toa an’i Marta fa hatsangana ny maty. Rahoviana anefa izany no hitranga? Handinika an’ireo fanontaniana ireo isika ao amin’ny lahatsoratra manaraka.