Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ry Ray Aman-dreny, Ataovy Izay ‘Hampahahendry ny Zanakareo ho Amin’ny Famonjena’

Ry Ray Aman-dreny, Ataovy Izay ‘Hampahahendry ny Zanakareo ho Amin’ny Famonjena’

“Mbola zazakely ianao dia efa nahalala ny Soratra Masina, izay nampahahendry anao ho amin’ny famonjena.”—2 TIM. 3:15.

HIRA: 141, 134

1, 2. Nahoana ny ray aman-dreny sasany no matahotra rehefa te hanokan-tena ho an’i Jehovah sy hatao batisa ny zanany?

AN’ALINY isan-taona ny olona manokan-tena ho an’i Jehovah dia atao batisa. Tanora notezaina tao amin’ny fahamarinana ny ankamaroany. Nifidy ny fomba fiaina tsara indrindra izy ireo. (Sal. 1:1-3) Raha manan-janaka ianao, dia azo antoka fa tena tianao ho vita batisa ny zanakao indray andro any.—Ampitahao amin’ny 3 Jaona 4.

2 Mety hatahotra ihany anefa ianao. Ny tanora sasany mantsy natao batisa, nefa avy eo misalasala raha tena mahasoa azy ireo ny mankatò ny fitsipik’i Jehovah na tsia. Misy aza niala tamin’ny fahamarinana mihitsy. Mety hatahotra àry ianao hoe sao dia amin’ny voalohany fotsiny ny zanakao no manompo an’i Jehovah, fa rehefa mandeha ny fotoana dia tsy ho tiany intsony ny fahamarinana. Mety hieritreritra ianao hoe sao dia ho lasa hoatran’ny Kristianina tany Efesosy izy. Nilaza i Jesosy hoe navelan’izy ireo ‘ho lefy ilay fitiavany voalohany.’ (Apok. 2:4) Inona àry no azonao atao mba tsy hitrangan’izany fa mba hahazo famonjena ny zanakao? (1 Pet. 2:2) Andeha isika handinika ny ohatra navelan’i Timoty.

‘NAHALALA NY SORATRA MASINA IANAO’

3. a) Ahoana no nahalalan’i Timoty ny fahamarinana, ary inona no nataony? b) Inona ny zavatra telo noresahin’i Paoly momba an’i Timoty?

3 Tany Lystra ry Timoty no nipetraka. Tamin’ny taona 47 ny apostoly Paoly no nitory voalohany tany, ary tamin’izany angamba no nahalalan’i Timoty ny fahamarinana. Mety ho mbola ankizilahy izy tamin’izany, nefa tena nampihatra ny zavatra nianarany. Nanomboka niaraka tamin’i Paoly nanao dia lavitra izy, roa taona taorian’izay. Izao no nosoratan’i Paoly ho azy, 16 taona teo ho eo tatỳ aoriana: “Mahareta amin’ny zavatra nianaranao sy nandresen-dahatra anao ka inoanao. Fantatrao mantsy hoe iza avy no nampianatra anao an’ireny. Ary mbola zazakely ianao dia efa nahalala ny Soratra Masina [izany hoe ny Soratra Hebreo], izay nampahahendry anao ho amin’ny famonjena, amin’ny alalan’ny finoana an’i Kristy Jesosy.” (2 Tim. 3:14, 15) Mariho fa nilaza i Paoly hoe 1) nahalala ny Soratra Masina i Timoty, 2) resy lahatra tamin’ny zavatra nianarany dia nino, ary 3) lasa hendry ho amin’ny famonjena, amin’ny alalan’ny finoana an’i Kristy Jesosy.

4. Inona avy ny boky na bokikely na zavatra hafa manampy anao hampianatra ny zanakao? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

4 Azo antoka fa tianareo hahalala ny Soratra Masina ny zanakareo. Efa manana ny Soratra Hebreo sy ny Soratra Grika isika izao. Afaka mianatra momba an’ireo olona sy zava-nitranga voaresaka ao, na dia ny ankizy kely aza. Be dia be ny boky sy bokikely ary video avoakan’ny fandaminan’i Jehovah mba hanampiana ny ankizy. Inona amin’ireny no misy amin’ny fiteninareo? Tadidio fa mila mahafantatra an’izay lazain’ny Baiboly ny zanakareo raha te hifandray tsara amin’i Jehovah.

‘RESY LAHATRA KA NINO’

5. a) Inona no dikan’ny hoe ‘resy lahatra ka mino’? b) Ahoana no ahalalantsika fa tena nino ny vaovao tsara momba an’i Jesosy i Timoty?

5 Tena mila mahalala momba ny olona sy ny zava-nitranga resahin’ny Baiboly ny ankizy. Tsy ampy anefa izany. Tsy hoe nahalala ny Soratra Masina fotsiny i Timoty, fa ‘resy lahatra’ koa ‘ka nino.’ Ny teny grika nadika hoe ‘resy lahatra ka nino’, dia midika hoe “miaiky na matoky sy mahazo antoka fa marina ny zavatra iray.” Mbola zazakely i Timoty dia efa nahalala ny Soratra Hebreo. Nisy porofo nandresy lahatra azy anefa tatỳ aoriana hoe i Jesosy no Mesia. Tsy hoe nanana fahalalana fotsiny àry izy, fa tena niaiky hoe marina ny zavatra fantany. Tena nino an’izany izy ka natao batisa ary lasa misionera niaraka tamin’i Paoly.

6. Ahoana no azonao anampiana ny zanakao ho resy lahatra hoe marina ny voalazan’ny Baiboly?

6 Inona no azonao atao mba hanampiana ny zanakao ho resy lahatra toa an’i Timoty? Mila manam-paharetana aloha ianao, satria tsy ho resy lahatra vetivety eo izy. Tsy hoe satria misy zavatra inoanao, dia hino an’iny ho azy ny zanakao. Mila ‘mampiasa ny sainy’ ny ankizy tsirairay mba ho resy lahatra hoe marina ny voalazan’ny Baiboly. (Vakio ny Romanina 12:1.) Ianareo ray aman-dreny no tena mila manampy azy hanao izany, indrindra fa rehefa mametraka fanontaniana ry zareo. Diniho izay nataon’ny raim-pianakaviana iray.

7, 8. a) Inona no mampiseho fa manam-paharetana i Thomas rehefa mampianatra ny zanany? b) Rahoviana ianao no mila manam-paharetana amin’ny zanakao?

7 Manan-janakavavy 11 taona i Thomas. Hoy izy: “Hoatr’izao no anontanian’ilay zanako indraindray: ‘Sao mba nataon’i Jehovah nivoatra miandalana àry ny zavamananaina teto an-tany?’ Na koa hoe: ‘Fa maninona isika no tsy mba miaraka amin’ny olona mifidy e? Mba miara-miezaka manatsara ny fiainana!’ Mila mifehy tena be aho indraindray mba tsy ho tonga dia hiteny aminy fotsiny hoe inona no tokony hinoany. Porofo kely be dia be mitambatambatra mantsy no mandresy lahatra, fa tsy porofo ngezabe anankiray.”

8 Fantatr’i Thomas hoe mila faharetana izy rehefa mampianatra ny zanany. Isika Kristianina rehetra mihitsy no mila an’io toetra io. (Kol. 3:12) Hitany, ohatra, hoe mila miresaka imbetsaka amin’ny zanany izy mba hanampiana azy hanana finoana matanjaka. Mila mampiasa ny Soratra Masina koa izy mba hampisaintsainana azy, ka hahatonga azy ho resy lahatra hoe marina izay ianarany ao amin’ny Baiboly. Hoy izy: “Rehefa tena zava-dehibe ilay zavatra ianarana, dia fantarinay mivady tsara hoe tena mino an’ilay izy ve ilay zanakay, ary azony tsara ve ilay izy. Mahafinaritra rehefa manontany izy. Matahotra aho raha vao tsy manontany izy fa tonga dia manaiky.”

9. Inona no azonao atao mba hanampiana ny zanakao hino ny Tenin’Andriamanitra?

9 Raha manam-paharetana ny ray aman-dreny rehefa mampianatra ny zanany, dia ho azony tsikelikely ny fahamarinana. Ho takany ny “sakany sy halavany sy haavony ary halaliny.” (Efes. 3:18) Tokony hatao mifanaraka amin’ny taonany sy ny fahaizany ny zavatra ampianarina azy. Rehefa resy lahatra izy, dia ho mora kokoa aminy ny hiaro ny zavatra inoany rehefa miresaka amin’ny olona izy, anisan’izany ny mpiara-mianatra aminy. (1 Pet. 3:15) Hain’ny zanakao ve, ohatra, ny mampiasa ny Baiboly mba hanazavana hoe manao ahoana ny olona rehefa maty? Azony tsara ve izay voalazan’ny Baiboly? * Marina fa mila manam-paharetana ianao raha te hanampy azy hino ny Tenin’Andriamanitra. Tena hitondra soa anefa izany.—Deot. 6:6, 7.

10. Inona no tena ilaina rehefa mampianatra ny ankizy?

10 Tokony ho modely koa ianao. Hoy i Stephanie, manan-janaka telo vavy: “Tamin’ny mbola kely ny zanako dia efa tsy maintsy nieritreritra aho hoe: ‘Resahiko amin-dry zareo ve hoe nahoana aho no resy lahatra fa misy i Jehovah, be fitiavana izy, ary mahasoa ny mankatò azy? Hitan’izy ireo ve fa tena tia an’i Jehovah aho?’ Tsy afaka ny hanantena mihitsy aho hoe ho resy lahatra amin’ny zavatra ampianarina azy izy ireo, raha izaho aza tsy resy lahatra amin’ilay izy.”

HENDRY KA MENDRIKA HAHAZO FAMONJENA

11, 12. Inona no atao hoe fahendrena, ary nahoana isika no afaka milaza fa tsy ny taonan’ny olona fotsiny no amaritana hoe matotra izy na tsia?

11 Hitantsika teo fa nahalala ny Soratra Masina i Timoty, ary tena resy lahatra hoe marina ny zavatra nampianarina azy. Nilaza koa anefa i Paoly hoe ‘nampahahendry azy ho amin’ny famonjena’ ny Soratra Masina. Inona no tiany holazaina?

12 Hazavaina ao amin’ny boky Fandalinana ny Soratra Masina fa ny hoe fahendrena ao amin’ny Baiboly, dia midika hoe “fahaizana mampiasa ny fahalalana sy ny fahiratan-tsaina mba hamahana olana, hisorohana loza, hanatratrarana tanjona na hampirisihana ny hafa hanao toy izany koa. Mifanohitra ny fahendrena sy ny hadalana.” Milaza ny Baiboly fa “latsa-paka ao am-pon’ny zaza ny hadalana.” (Ohab. 22:15) Ny olona manana fahendrena àry no atao hoe matotra. Tsy ny taonany fotsiny anefa no amaritana hoe matotra izy na tsia. Matotra ny olona iray rehefa matahotra an’i Jehovah sy vonona hankatò ny didiny.—Vakio ny Salamo 111:10.

13. Ahoana no ahitana hoe hendry ny tanora iray ka mendrika hahazo famonjena?

13 Toy ny hoe ‘atopatopan’ny onja sy aveziveziny’ etsy sy eroa ny olona tsy matotra. Tsy hoatr’izany kosa ny ankizy matotra, fa mahavita mifehy ny faniriany ary tsy mora taomin’ny namany. (Efes. 4:14) Efa manazatra ny ‘fahaizany misaina hanavaka ny tsara sy ny ratsy’ izy. (Heb. 5:14) Hita hoe mihamatotra izy satria mahay manapa-kevitra, na dia rehefa tsy hitan’ny ray aman-dreniny na ny olon-dehibe hafa aza. (Fil. 2:12) Tena ilaina izany fahendrena izany mba hahazoana famonjena. (Vakio ny Ohabolana 24:14.) Inona àry no azonao atao mba hanampiana ny zanakao hanana fahendrena? Ataovy fantany tsara ny fitsipiky ny Baiboly arahinao. Tokony ho hitany amin’izay lazainao sy ataonao koa izany.—Rom. 2:21-23.

14, 15. a) Inona no tokony hosaintsainin’ny ankizy te hatao batisa? b) Ahoana no azonao atao mba hampisaintsainana ny zanakao hoe mahasoa ny mankatò an’i Jehovah?

14 Tsy ampy ny miteny amin’ny zanakao hoe inona no tsara ary inona no ratsy. Mila ampisaintsainina izy dia anontaniana, ohatra, hoe: ‘Nahoana no raran’ny Baiboly ny zavatra sasany mety hahafinaritra antsika? Nahoana ianao no resy lahatra fa mahasoa anao foana ny mankatò ny toro lalan’ny Baiboly?’—Isaia 48:17, 18.

15 Misy zavatra hafa tena tokony hasainao eritreretin’ny zanakao koa, raha te hatao batisa izy: Fantany tsara ve ny andraikitry ny Kristianina, ary vonona hanao an’izany ve izy? Hainy ve hoe inona ny soa ho azony ary inona no tsy maintsy hiaretany? Nahoana no azo lazaina hoe betsaka lavitra noho ny zavatra hiaretany ny soa ho azony? (Mar. 10:29, 30) Azo inoana fa ho tonga ao an-tsainy izany rehefa vita batisa izy. Aleo anefa dieny mbola tsy vita batisa izy, dia efa misaintsaina tsara an’izany. Ampio izy hieritreritra tsara an’ireo fitahiana ho azony raha mankatò izy, ary ny voka-dratsiny raha tsy mankatò izy. Azo antenaina kokoa amin’izay hoe ho resy lahatra izy fa mahasoa azy foana ny manaraka an’izay lazain’ny Baiboly.—Deot. 30:19, 20.

AHOANA RAHA LASA MISALASALA NY ANKIZY IRAY EFA VITA BATISA?

16. Inona no tokony hataon’ny ray aman-dreny, raha efa vita batisa ny zanany nefa lasa misy mampisalasala azy?

16 Ahoana raha efa vita batisa ny zanakao, nefa lasa misy mampisalasala azy? Misy zavatra lasa mahafinaritra azy angamba eto amin’ity tontolo ity, na lasa mieritreritra izy hoe mahasoa tokoa ve ny manaraka ny toro lalan’ny Baiboly. (Sal. 73:1-3, 12, 13) Izay ataonao amin’izay fotoana izay no mety hahatonga azy hanompo an’i Jehovah foana na tsia. Miezaha mba tsy hifamaly aminy momba an’ilay izy, na mbola kely izy na efa tanora. Asehoy azy tsara fa tia azy ianao ary tena te hanampy azy.

17, 18. Ahoana no azon’ny ray aman-dreny anampiana ny zanany, raha lasa misalasala ny hanompo an’i Jehovah izy?

17 Efa nanokan-tena ho an’i Jehovah ny tanora iray matoa vita batisa, izany hoe nampanantena an’i Jehovah izy hoe ho tia azy ary ny sitrapony no hataony loha laharana. (Vakio ny Marka 12:30.) Tena zava-dehibe amin’i Jehovah izany, ka tsy tokony hohamaivanina. (Mpito. 5:4, 5) Ampahatsiahivo ny zanakao izany amin’ny fotoana mety, ary miezaha ho tsara fanahy. Manaova anefa aloha fikarohana ao amin’ny fitaovana omen’ny fandaminan’i Jehovah ho an’ny ray aman-dreny. Ho afaka hanantitrantitra amin’ny zanakao ianao amin’izay hoe fanapahan-kevitra lehibe no noraisiny tamin’izy nanokan-tena sy natao batisa. Ho afaka hanamafy koa ianao hoe mahazo fitahiana be dia be ny olona nanokan-tena.

18 Misy torohevitra tena tsara ao amin’ilay hoe “Manontany ny Ray Aman-dreny”, any amin’ny faran’ilay boky hoe Manontany ny Tanora—Torohevitra Mahasoa, Boky Voalohany. Izao no voalaza ao: “Aza tonga dia mieritreritra hoe mandà ny zavatra inoanao ny zanakao. Mety hisy antony hafa tsy mampahazoto azy intsony.” Misy namany mitaona azy haditra angamba, na izy manirery, na hitany hoe mandroso tsara kokoa noho izy ny tanora kristianina hafa. Hoy koa ilay boky: “Tsy hoe izay nampianarinao azy avy ao amin’ny Baiboly akory no tsy inoany intsony, fa ny zavatra atrehiny amin’izao fotoana izao no mety hahatonga azy tsy hazoto hanompo an’Andriamanitra.” Manome soso-kevitra maromaro ilay boky avy eo, mba hahafahan’ny ray aman-dreny manampy ny zanany.

19. Inona no tokony hataon’ny ray aman-dreny mba hahatonga ny zanany ho hendry ka hahazo famonjena?

19 Andraikitra lehibe sady tombontsoa ny hoe mitaiza ny zanakao “araka ny fananarana sy ny fomba fisainan’i Jehovah.” (Efes. 6:4) Hitantsika teo fa tsy ampy ny hoe mampianatra azy ireo an’izay lazain’ny Baiboly. Ilaina koa ny manampy azy ireo ho resy lahatra hoe marina ny zavatra ianarany. Mila matoky tanteraka an’izay ianarany izy, mba hahatonga azy hanokan-tena ho an’i Jehovah sy hanompo azy amin’ny fo manontolo. Mino izahay fa hanampy anao ny Tenin’i Jehovah sy ny fanahy masina, ka hahomby ny ezaka ataonao mba hanampiana ny zanakao ho hendry ka hahazo famonjena.

^ feh. 9 Misy tari-dalana azo ampiasaina ao amin’ny jw.org rehefa mianatra amin’ilay boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? Manampy ny tanora sy ny olon-dehibe hahazo sy hanazava an’izay lazain’ny Baiboly izy io. Misy amin’ny fiteny maro ilay izy. Jereo ao amin’ilay hoe FAMPIANARAN’NY BAIBOLY > FITAOVANA FIANARANA BAIBOLY.