Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manampy Antsika Hanana Hoavy Tsara ny Baiboly

Manampy Antsika Hanana Hoavy Tsara ny Baiboly

ERITRERETO hoe mandeha alina ianao, ary maizina be ny lalana alehanao. Tsy matahotra ny ho very anefa ianao satria manana jiro mazava be. Hitanao tsara ny lalana eo anoloanao rehefa tsilovinao amin’ilay izy. Na ny lalana erỳ lavitra erỳ aza tazanao rehefa tarafinao aminy.

Toa an’io jiro io ny Baiboly. Hitantsika teo aloha fa afaka manampy antsika hiatrika ny olana fahita ankehitriny izy io, eto amin’ity tontolo tsy azo antoka ity. Tsy izay ihany anefa. Manampy antsika hamantatra ny hoavy koa izy io, ka lasa haintsika hoe inona no hanampy antsika ho afa-po sy ho sambatra foana. (Salamo 119:105) Amin’ny fomba ahoana?

Andeha isika hijery fomba roa anampian’ny Baiboly antsika hanana hoavy tsara: 1 Ampiany isika mba ho afa-po amin’ny fiainana. 2 Ampiany koa isika mba ho naman’ilay Mpamorona antsika foana.

1 HO AFA-PO AMIN’NY FIAINANA

Misy torohevitra tsara manampy antsika hamaha olana, ao amin’ny Baiboly. Ampiany koa anefa isika mba hiahy ny hafa, fa tsy hifantoka amin’izay manjo antsika fotsiny. Amin’izay ihany isika vao ho afa-po amin’ny fiainana.

Diniho, ohatra, ity toro lalana ity: “Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.” (Asan’ny Apostoly 20:35) Efa nisy fotoana ve ianao nanampy olona sahirana, na nihaino namana iray rehefa namboraka ny tao am-pony taminao izy? Faly erỳ angamba ianao tamin’izay, satria nahasoa an’ilay olona ny zavatra nataonao.

Tena ho sambatra isika raha tsy manantena valiny rehefa manome. Hoy ny mpanoratra iray: ‘Hahazo mihoatra lavitra noho izay omenao ianao, raha tsy manantena valiny isaky ny manome.’ Tena mandray soa isika rehefa manome ho an’ny hafa, indrindra ho an’ireo tsy manan-kavaly antsika. Miara-miasa amin’ny Mpamorona isika rehefa manao soa toy izany, satria heveriny ho toy ny hoe mampindrana vola azy. (Ohabolana 19:17) Tena zava-dehibe aminy izay ataontsika ho an’ny mahantra. Mampanantena izy fa hamaly soa antsika, ka hanome antsika fiainana mandrakizay ao amin’ny tany paradisa. Hoavy tena tsara izany!—Salamo 37:29; Lioka 14:12-14. *

Ampianarin’ny Baiboly koa fa tena ho afa-po amin’ny fiainana isika raha manompo an’i Jehovah, ilay tena Andriamanitra. Mampirisika antsika hidera sy hankatò ary hanome voninahitra azy ny Teniny. (Mpitoriteny 12:13; Apokalypsy 4:11) Mahavita zavatra miavaka isika rehefa manao an’izany, satria lasa mampifaly ny Mpamorona antsika. Na izy aza mampirisika antsika hoe: “Hendre ... ary ampifalio ny foko.” (Ohabolana 27:11) Eritrereto ange e! Mampifaly an’ilay Raintsika be fitiavana any an-danitra isika, rehefa mandray fanapahan-kevitra mifanaraka amin’ny toro lalan’ny Baiboly. Tena miahy antsika mantsy izy, ary tiany handray soa avy amin’ny tari-dalany isika. (Isaia 48:17, 18) Inona tokoa moa no zavatra mahafa-po kokoa noho ny hoe manompo an’ilay Mpanjakan’izao rehetra izao sy mampifaly ny fony?

2 HO LASA NAMAN’ILAY MPAMORONA ANTSIKA

Mampirisika antsika hinamana amin’ny Mpamorona ny Baiboly. Hoy ny Jakoba 4:8: “Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo izy.” Tsy tena mino angamba isika indraindray hoe afaka ny ho naman’ilay Mpamorona mahery indrindra. Manome toky anefa ny Baiboly fa raha ‘mitady’ an’Andriamanitra isika, dia “tena hahita azy tokoa”, satria “tsy lavitra antsika tsirairay izy.” (Asan’ny Apostoly 17:27) Tena mahasoa antsika amin’ny hoavy ilay torohevitry ny Baiboly hoe mila miezaka ny ho naman’Andriamanitra isika. Nahoana?

Diniho izao: Fahavalontsika rehetra ny fahafatesana, ary tsy misy afa-miala amin’izy io na miezaka toy inona aza. (1 Korintianina 15:26) Andriamanitra kosa maharitra mandrakizay. Tsy ho faty mihitsy izy, ary tiany hiaina mandrakizay koa ny namany. Tsotra nefa kanto ny fomba ilazan’ny Baiboly ny zavatra irin’i Jehovah ho an’ireo mitady azy. Hoy ny Salamo 22:26: “Hitepo mandrakizay anie ny fonareo!”

Inona no hanampy anao ho naman’Andriamanitra foana? Tohizo ny fianarana momba azy ao amin’ny Baiboly. (Jaona 17:3; 2 Timoty 3:16) Mitadiava fanampiana aminy mba hahazoanao izay lazain’ny Soratra Masina. Manome toky antsika izy io fa homen’Andriamanitra fahendrena isika, raha ‘tsy mitsahatra mangataka izany aminy.’ * (Jakoba 1:5) Iezaho ampiharina izay nianaranao, dia ho toy ny ‘jiro ho an’ny tongotrao, sady fahazavana ho an’ny lalanao’ ny Tenin’Andriamanitra. Tsy amin’izao ihany, fa mandrakizay mihitsy.—Salamo 119:105.

^ feh. 8 Manazava bebe kokoa momba ny fiainana mandrakizay ao amin’ny Paradisa ny toko 3 amin’ny boky Inona no Azonao Ianarana ao Amin’ny Baiboly? Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy io.

^ feh. 13 Afaka mampianatra Baiboly maimaim-poana anao ny Vavolombelon’i Jehovah, mba hahazoanao kokoa izay lazain’ny Soratra Masina. Manazava an’izany ilay video hoe Ahoana no Atao Rehefa Mianatra Baiboly? Midira ao amin’ny jw.org/mg, ary soraty eo amin’ilay hoe “Hikaroka” io lohateny io.

Maharitra mandrakizay Andriamanitra, ka tiany hiaina mandrakizay koa ny namany