Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana ny Hevitrao?

Ahoana ny Hevitrao?

Afaka manampy anao ho lasa naman’Andriamanitra ve ny Baiboly?

MISY MILAZA HOE...

tsy afaka ny ho naman’Andriamanitra izy satria mpanota. Ny hafa indray miteny hoe tsy miraharaha antsika Andriamanitra. Ahoana ny hevitrao?

IZAY LAZAIN’NY BAIBOLY

‘Ny olo-mahitsy no manana fifandraisana akaiky’ amin’Andriamanitra. (Ohabolana 3:32) Ho lasa namany isika raha mankatò azy.

INONA KOA NO LAZAIN’NY BAIBOLY?

  • Te hinamana amintsika Andriamanitra.—Jakoba 4:8.

  • Vonona hanampy antsika sy hamela ny helotsika izy satria Namantsika.—Salamo 86:5.

  • Raha naman’Andriamanitra isika, dia ho tia an’izay tiany sy hankahala an’izay halany.—Romanina 12:9.