Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mahalala ny Hoavy Tokoa ve ny Mpanandro sy ny Mpilaza ny Hoavy?

Mahalala ny Hoavy Tokoa ve ny Mpanandro sy ny Mpilaza ny Hoavy?

MPANANDRO

Mitovitovy amin’ny manao sikidy ny hoe manandro. Mino ny mpanandro hoe misy vokany be eo amin’ny fiainan’ny olona ny kintana sy ny volana ary ny planeta. Arakaraka ny toeran’izy ireny eny amin’ny lanitra, tamin’ny olona iray vao teraka, hono, ny toetran’ilay olona sy ny hoaviny.

Tany Babylona fahiny no niandohan’io fanao io, saingy mbola be mpitia hatramin’izao. Nisy fanadihadiana natao tany Etazonia tamin’ny 2012. Nilaza ny ampahatelon’ireo nohadihadina fa “mifanaraka amin’ny siansa ihany” ny fanandroana. Ny 10 isan-jatony kosa nilaza fa “tena mifanaraka amin’ny siansa” izy io. Tsy marina anefa izany. Fa nahoana?

  • Tsy misy vokany eo amin’ny fiainan’ny olona ny kintana sy ny planeta, na dia izany aza no lazain’ny mpanandro.

  • Mety amin’ny olon-drehetra ny vinavina ataon’ny mpanandro, satria matetika izy ireny no zavatra ankapobeny fotsiny.

  • Mifanaraka amin’ny zavatra ninoan’ny olona fahiny ny kajy ataon’ireo mpanandro amin’izao. Nino ny olona fahiny hoe mihodina manodidina ny tany ireo planeta. Mihodina manodidina ny masoandro anefa izy ireo raha ny marina.

  • Tsy mifanaraka ny vinavina ataon’ny mpanandro samy hafa amin’ny olona iray.

  • Sokajin’ireo mpanandro ao amin’ireo antokon-kintana fijerena tononandro ny olona tsirairay, arakaraka ny daty nahaterahany. Misy 12 ireo antokon-kintana ireo ary samy manana ny anarany. Miovaova anefa ny toeran’ny tany nandritra ny taonjato maro ka miova koa ny daty ahitana an’ireo antokon-kintana. Tsy mifanaraka intsony amin’ny fotoana andalovan’ny masoandro eo amin’ireo antokon-kintana ireny daty ireny.

Voalaza fa ny antokon-kintana fijerena tononandro no amantarana ny toetran’ny olona iray. Tsy mitovy toetra mihitsy anefa izay mitovy daty nahaterahana. Tsy ahalalana ny toetran’ny olona iray mihitsy ny fotoana nahaterahany. Tsy tena mijery ny maha izy ny olona ireo mpanandro, fa tombantombanany fotsiny izay mety ho toetrany sy ny fitondran-tenany. Tsy hoatran’ny mitsara an-tendrony ve izy ireo amin’izany?

MPILAZA NY HOAVY

Efa hatramin’ny ela ny olona no nankany amin’ny mpilaza ny hoavy. Ahoana ny fomba fiasan’izy ireo? Ao ny nitady fambara tamin’ny tsinaim-biby na tsinain’olona, na nijery an’izay nataon’ny akoholahy rehefa nitsindroka vary. Ny hafa indray nampiasa tain-kafe na ravina dite mba hanombantombanana ny hoavin’ny olona. Ary ahoana ny amin’izao? Karatra, na baolina kristaly, na voan-tsaramaso, na voan-kily, na zavatra hafa no ampiasain’izy ireny hijerena ny hoavy. Tsy tena ahalalana ny hoavy anefa izany. Fa nahoana?

Matetika no mifanohitra ny zavatra tenenin’ny mpilaza ny hoavy, na mitovy ny fomba ampiasainy na tsia. Raha misy mpilaza ny hoavy anankiroa, ohatra, samy mijery karatra mba hahalalana ny hoavin’ny olona iray, dia tokony hitovy ny tenin’izy ireo. Tsy izany anefa matetika no mitranga.

Lasa mampiahiahy ny olona ny fomba fiasan’ireo mpilaza ny hoavy. Misy milaza fa tsy misy asany akory ny karatra na ny baolina kristaly. Ny fihetsiky ny olona, hono, no tena dinihin’ireo mpilaza ny hoavy, raha ny marina. Mametraka fanontaniana maromaro amin’ny olona tonga ao aminy, ohatra, ny mpilaza ny hoavy mba hahalalany ny mombamomba an’ilay olona. Mihaino tsara azy koa izy sady mandinika tsara ny fihetsiny. Tsy tandrintandrin’ilay olona akory hoe manome fanazavana ilain’ilay mpilaza ny hoavy izy. Lasa mino izy avy eo hoe mahay be ilay mpilaza ny hoavy. Misy amin’izy ireny lasa mahazo vola be vokatr’izany.

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY?

Hoatran’ny hoe efa voalahatra ny fiainantsika, raha jerena ny zavatra ataon’ny mpanandro sy ny mpilaza ny hoavy. Tsy izany anefa no izy. Milaza ny Baiboly fa afaka misafidy izay inoantsika na izay tiantsika hatao isika, ary misy vokany amin’ny hoavintsika ny safidintsika.—Josoa 24:15.

Misy antony hafa koa mahatonga ny mpanompon’Andriamanitra tsy hankany amin’ny mpanandro sy ny mpilaza ny hoavy. Melohin’Andriamanitra ny karazana sikidy rehetra. Hoy ny Deoteronomia 18:10-12: “Aoka tsy hisy eo aminao ny olona ... manao sikidy, na mampiasa herin’ny maizina, na mitady fambara, na mpilalao ody, na mpilaza ozona famosaviana, na olona mankany amin’ny mpamoha angatra na mankany amin’ny mpilaza ny hoavy, na olona manontany amin’ny maty. Maharikoriko an’i Jehovah a mantsy izay rehetra manao ireo zavatra ireo.”

a Io no anaran’ilay “Avo Indrindra ambonin’ny tany manontolo!”—Salamo 83:18.