Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Porofo Mivaingana fa Tanteraka ny Faminaniana

Porofo Mivaingana fa Tanteraka ny Faminaniana

MANINTONA VAHINY AVY ANY AMIN’NY VAZAN-TANY EFATRA NY ANDOHALAMBO IRAY AO AFOVOAN’I ROMA, ANY ITALIA. NATAO HANOMEZAM-BONINAHITRA AN’I TITUS, MPANJAKA TENA TIAN’NY ROMANINA, IZY IO.

Misy sary roa lehibe eo amin’ny Andohalambon’i Titus, ary asongadina eo ny zava-nitranga niavaka iray. Tsy dia fantatry ny olona anefa hoe misy ifandraisany amin’ny Baiboly io andohalambo io. Porofo mivaingana izy io fa tanteraka ny faminanian’ny Baiboly.

VOAHELOKA ILAY TANÀNA

Nitatra hatrany Ejipta ka hatrany Grande-Bretagne sy Gaule (Frantsa ankehitriny) ny Fanjakana Romanina, tamin’ny taonjato voalohany. Nandroso be ilay faritra tamin’izany sady nilamina. Ny faritr’i Jodia ihany no nanahirana an’i Roma, satria nisy korontana foana tao.

Hoy ny Rakipahalalana Momba An’i Roma Fahiny (anglisy): “Anisan’ny naningana tamin’ireo faritany nanjakan’i Roma i Jodia, satria hoatran’ny sakay sy maso ny Jiosy sy ny Romanina tao. Tsy tian’ny Jiosy ireo mpanjana-tany, satria tsy niraharaha ny fomban-drazany. Ny Romanina indray vao mainka nampahory an’ireo Jiosy noho izy ireo mafy hatoka.” Maro ny Jiosy nino fa hanafaka azy ireo amin’ny fangejan’ny Romanina ny Mesia, ary hamerina ny fiainan’izy ireo amin’ny laoniny. Nilaza anefa i Jesosy Kristy tamin’ny taona 33 fa hisy loza hanjo an’i Jerosalema.

Hoy izy: “Ho avy aminao ny andro hananganan’ny fahavalonao fefy hazo maranitra manodidina anao, ka hohodidininy ianao ary hampahoriny amin’ny lafiny rehetra. Ary hatontany amin’ny tany ianao sy ny zanakao ao aminao, ary tsy havelany hisy vato hifanaingina eo aminao.”Lioka 19:43, 44.

Azo antoka hoe gaga tamin’ny tenin’i Jesosy ny mpianany. Hoy ny iray tamin’izy ireo rehefa nahita ny tempolin’i Jerosalema, roa andro tatỳ aoriana: “Mpampianatra ô, jereonao ange ireto vato sy trano ireto e!” Voalaza fa nahatratra 11 metatra ny lavan’ny vato sasany tao amin’io tempoly io, 5 metatra ny sakany, ary 3 metatra ny haavony. Nilaza anefa i Jesosy hoe: “Ny amin’ireo zavatra hitanareo ireo, dia ho avy ny andro ka tsy havela hisy vato hifanaingina eto ka tsy harodana.”Marka 13:1; Lioka 21:6.

Hoy ihany i Jesosy: “Rehefa hitanareo fa misy miaramila mitoby manodidina an’i Jerosalema, dia fantaro fa manakaiky ny fandravana azy. Koa izay any Jodia, aoka handositra any an-tendrombohitra, ary izay ao Jerosalema aoka hiala ao, ary izay eny ambanivohitra aoka tsy hiditra ao Jerosalema intsony.” (Lioka 21:20, 21) Tanteraka ve izany?

RAVA ILAY TANÀNA

Mbola teo ambany ziogan’ny Romanina foana ny Jiosy, 33 taona tatỳ aoriana. Tsy nilefitra intsony anefa izy ireo tamin’ny taona 66, rehefa naka vola tao amin’ny fitehirizam-bolan’ny tempoly i Gessius Florus, governora romanina. Nirohotra nankao Jerosalema ireo Jiosy mpikomy, ary namono an’ireo miaramila romanina tao. Nilaza izy ireo avy eo hoe tsy teo ambany fifehezan’ny Romanina intsony.

Nitondra miaramila 30 000 mahery nankany Jerosalema i Cestius Gallus, telo volana teo ho eo tatỳ aoriana, mba hampitsahatra an’ilay fikomiana. Tsy ela dia tafiditra tao an-tanàna ny Romanina, ary noloahany tsikelikely ny fototry ny mandan’ny tempoly. Tsy fantatra anefa izay antony, fa lasa tampoka ry zareo. Faly be ireo Jiosy mpikomy, ka nandeha nanenjika azy ireo. Afaka nanararaotra niala tao Jerosalema àry ny Kristianina. Nanaraka ny tenin’i Jesosy izy ireo, ka lasa nandositra tany an-tendrombohitra, tany ampitan’ny Reniranon’i Jordana.—Matio 24:15, 16.

Niverina tany Jodia indray ny Romanina, herintaona taorian’izay. Miaramila 60 000 teo ho eo no nentin’ny Jeneraly Vespasien sy Titus zanany lahy. Maty anefa i Néron Mpanjaka tamin’ny taona 68, ka tsy maintsy niverina tany Roma i Vespasien mba handray fahefana. I Titus irery àry no nitarika an’ilay tafika.

Nasain’i Titus nokapain’ny miaramilany ny hazo teny amin’ireo tanàna ambanivohitr’i Jodia, tamin’ny Jona taona 70, mba hanamboarana fefy hazo maranitra manodidina an’i Jerosalema. Nahatratra fito kilaometatra ilay fefy. Norobain’izy ireo ilay tanàna sy ny tempoly ny volana Septambra, ary avy eo nodorany. Tsy nasian’izy ireo vato nifanaingina tao na iray aza, araka ny tenin’i Jesosy. (Lioka 19:43, 44) Voalaza fa efa ho 500 000 ny olona maty, tao Jerosalema sy ny manodidina.

NANDRESY ILAY MPANJAKA

Nody tany Italia i Titus tamin’ny taona 71, ary noraisin’ny mponin’i Roma tamin’ny fomba nanetriketrika. Nisy filaharam-be tao an-drenivohitra tamin’izay, ary anisan’ny niavaka indrindra izy io.

Sondriana erỳ ny vahoaka nahita ny zavatra naseho tamin’ilay filaharam-be. Teo, ohatra, ireo entana nobaboina avy tao amin’ny tempolin’i Jerosalema sy ny paozipaozin’ireo sambo azo tamin’ilay ady. Tsy izay ihany anefa. Naseho an-tsary ny zava-nitranga sasany tamin’ilay ady, ary nisy aza nolalaovina an-tsehatra.

Nandimby an’i Vespasien i Titus tamin’ny taona 79, saingy maty tampoka roa taona monja taorian’izay. I Domitien rahalahiny indray no lasa mpanjaka. Izy no nanao an’ilay Andohalambon’i Titus, mba hanomezam-boninahitra azy.

NY FIHEVERAN’NY OLONA AN’ILAY ANDOHALAMBO ANKEHITRINY

Andohalambon’i Titus ankehitriny, any Roma

Ana hetsiny no mitsidika an’i Roma isan-taona, ary tena mahaliana azy ireo ny Andohalambon’i Titus. Samy manana ny heviny momba azy io ny olona. Zavakanto miavaka izy io, ho an’ny olona sasany. Ny hafa indray mihevitra hoe manasongadina ny herin’ny Fanjakana Romanina izy io, na koa hoe fahatsiarovana ny nandravana an’i Jerosalema sy ny tempoliny.

Mbola sarobidy noho izany anefa ny Andohalambon’i Titus, ho an’ny olona tia mamaky Baiboly. Porofo mivaingana izy io fa tanteraka ny faminanian’ny Baiboly sady marina tsara. Hita hoe avy amin’Andriamanitra tokoa izy ireny.—2 Petera 1:19-21.