Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Kely Sisa dia Tsy Hisy Intsony ny Fijaliana

Kely Sisa dia Tsy Hisy Intsony ny Fijaliana

“Jehovah ô, mandra-pahoviana no iantsoako vonjy, nefa tsy henoinao? Mandra-pahoviana no iantsoako vonjy aminao noho ny herisetra, nefa tsy vonjenao?” (Habakoka 1:2, 3) I Habakoka no niteny an’izany, nefa izy olona nankasitrahan’Andriamanitra. Tsy ampy finoana ve izy? Tsia. Nanome toky azy Andriamanitra hoe efa nifidy fotoana hamaranana ny fijaliana izy.—Habakoka 2:2, 3.

Rehefa isika na ny havantsika no mijaly, dia mora amintsika ny miteny hoe ela be Andriamanitra vao manao zavatra. Manome toky anefa ny Baiboly hoe: “Tsy mba ela i Jehovah raha ny amin’ny fampanantenany, araka izay heverin’ny sasany ho fahelana, fa manam-paharetana aminareo izy, satria tsy tiany hisy ho ringana fa mba ho tonga amin’ny fibebahana kosa ny rehetra.”—2 Petera 3:9.

RAHOVIANA IZY NO HANAO ZAVATRA?

Tsy ho ela intsony! Nilaza i Jesosy fa hisy taranaka iray hahita ny famantarana hoe efa akaiky ny faran’izao tontolo izao. (Matio 24:3-42) Efa tanteraka izany amin’izao, ka hita hoe tsy ho ela intsony Andriamanitra dia hanao zavatra. *

Inona no hataon’Andriamanitra mba tsy hijaly intsony ny olona? Nasehon’i Jesosy tamin’izy tetỳ an-tany fa mahavita manafoana ny zavatra mampijaly antsika Andriamanitra. Anisan’izany ireto:

Loza: Tratran’ny rivo-doza i Jesosy sy ny apostoliny, rehefa niampita ny Ranomasin’i Galilia. Nasehon’i Jesosy tamin’izay fa mahavita mifehy ny herin’ny natiora izy sy ny Rainy. (Kolosianina 1:15, 16) Niteny fotsiny izy hoe: “Mangìna! Mitonia!” Dia “nitsahatra ny rivotra ka nanjary tony dia tony ny andro.”—Marka 4:35-39.

Aretina: Nanasitrana ny jamba sy ny kilemaina ary ny boka i Jesosy. Vitany koa ny nanasitrana ny olona voan’ny androbe, na aretina hafa. “Nanasitrana izay rehetra narary” izy.—Matio 4:23, 24; 8:16; 11:2-5.

Mosary: Tantarain’ny Baiboly fa indroa i Jesosy no nanome sakafo olona an’arivony, tamin’izy tetỳ an-tany. Afaka nampitombo an’izay sakafo nisy teo am-pelatanany izy tamin’ireo fotoana ireo, noho ny hery nomen’ny Rainy azy.—Matio 14:14-21; 15:32-38.

Fahafatesana: Intelo i Jesosy no nanangana olona tamin’ny maty, ary efa maty efatra andro aza ny iray tamin’izy ireo. Hita avy amin’izany fa afaka manangana ny maty koa i Jehovah.—Marka 5:35-42; Lioka 7:11-16; Jaona 11:3-44.

^ feh. 5 Raha tianao ny hahazo fanazavana fanampiny momba ny andro farany, dia jereo ny lesona 32 amin’ny boky Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana! Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah io boky io, ary azo alaina maimaim-poana ao amin’ny www.pr418.com/mg.