Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana Izany hoe Olona Araka ny Fanahy?

Ahoana Izany hoe Olona Araka ny Fanahy?

‘Andriamanitra anie hahatonga anareo hanana ilay toe-tsaina mitovy amin’izay nananan’i Kristy Jesosy.’—ROM. 15:5.

HIRA: 17, 13

1, 2. a) Inona no tsapan’ireo niezaka ho olona araka ny fanahy? b) Inona no fanontaniana hodinihintsika ato?

MARO no nandray soa rehefa niezaka ho olona araka ny fanahy. Nilaza, ohatra, ny anabavy iray any Kanada fa lasa falifaly kokoa izy, sady nahavita niatrika zava-tsarotra. Nilaza koa ny rahalahy iray any Brezila hoe nahatonga azy mivady hanana tokantrano sambatra izany, nandritra an’izay 23 taona nanambadiany izay. Hoy koa ny rahalahy iray any Philippines: “Lasa milamina ny saiko, ary mahay mifandray kokoa amin’ny mpiara-manompo tsy mitovy fiaviana amiko aho.”

2 Hita avy amin’izany fa tena tsara ny hoe miezaka ho olona araka ny fanahy. Mety hieritreritra àry isika hoe: ‘Inona no azoko atao mba ho lasa olona araka ny fanahy kokoa aho, ka handray soa hoatr’izany koa?’ Alohan’ny handinihantsika an’izany, dia ilaina ny mahafantatra tsara an’izay lazain’ny Baiboly momba ny olona araka ny fanahy. Hodinihintsika ato àry ireto: 1) Ahoana izany hoe olona araka ny fanahy? 2) Ny modely navelan’iza no hanampy antsika handroso ara-panahy? 3) Nahoana isika no mila manana “ny sain’i Kristy” raha te ho olona araka ny fanahy?

NY ATAO HOE OLONA ARAKA NY FANAHY

3. Inona no tsy itovizan’ny olona araka ny nofo sy ny olona araka ny fanahy?

3 Inona no tsy itovizan’ny “olona araka ny fanahy” sy ny “olona araka ny nofo”? Nanazava an’izany ny apostoly Paoly mba hahafantarantsika ny atao hoe olona araka ny fanahy. (Vakio ny 1 Korintianina 2:14-16.) “Ny olona araka ny nofo dia tsy manaiky izay zavatra avy amin’ny fanahin’Andriamanitra, satria hadalana aminy izany.” “Ny olona araka ny fanahy kosa mandinika ny zava-drehetra”, sady “manana ny sain’i Kristy.” Mampirisika antsika i Paoly mba hiezaka ho olona araka ny fanahy. Inona koa no tsy itovizan’ny olona araka ny nofo sy ny olona araka ny fanahy?

4, 5. Inona no mampiavaka ny olona araka ny nofo?

4 Hoatran’ny ahoana ny fomba fisainan’ny olona araka ny nofo? Mitovy amin’ny toe-tsaina manjaka eto amin’ity tontolo ity ny toe-tsainy, izany hoe tsy mieritreritra afa-tsy izay hanatanterahana ny faniriany izy. ‘Toe-tsaina miasa ao amin’ny zanaky ny tsy fankatoavana’ no ilazan’i Paoly azy. (Efes. 2:2) Mahatonga ny ankamaroan’ny olona hanaraka izay ataon’ny besinimaro io toe-tsaina io. Izay mety aminy fotsiny no ataony, fa tsy miraharaha ny fitsipik’i Jehovah izy. Ny lazany na ny harenany na ny zony matetika no zava-dehibe indrindra aminy.

5 Manao ny “asan’ny nofo” koa izy. (Gal. 5:19-21) Niresaka toetra hafa mampiavaka ny olona araka ny nofo i Paoly tao amin’ny taratasy voalohany nalefany ho an’ny fiangonana tany Korinto. Anisan’izany ny hoe miandany amin’ny olona tsy mifanaraka, mampisaratsaraka ny fiangonana, mampirisika ny olona hikomy, mifampitory eny amin’ny fitsarana, tsy manaiky fahefana, ary mihinana sy misotro tafahoatra. Mora resin’ny fakam-panahy ny olona araka ny nofo, ary tsy mahatohitra ny fanirian-dratsiny. (Ohab. 7:21, 22) Mety tsy hahazo ny fanahin’i Jehovah intsony izy ireny, raha ny tenin’i Joda no jerena.—Joda 18, 19.

6. Inona no mampiavaka ny olona araka ny fanahy?

6 Ny “olona araka ny fanahy” kosa mihevitra ny fifandraisany amin’i Jehovah ho faran’izay zava-dehibe. Mamela ny fanahy masina hitari-dalana azy izy, ary miezaka ‘manahaka an’Andriamanitra.’ (Efes. 5:1) Midika izany hoe miezaka izy mba hitovy fomba fihevitra sy toe-tsaina aminy. Tena misy Andriamanitra aminy. Miezaka manaraka ny fitsipiny izy amin’izay rehetra ataony, fa tsy hoatran’ny olona araka ny nofo. (Sal. 119:33; 143:10) Tsy manao ny “asan’ny nofo” izy, fa miezaka mafy mba hanana ny “vokatry ny fanahy.” (Gal. 5:22, 23) Zava-dehibe amin’ny mpanao raharaham-barotra, ohatra, ny vola, dia izay hampitomboana an’ilay izy no eritreretiny foana. Hoatr’izany koa ny olona araka ny fanahy. Zava-dehibe aminy ny fanompoany an’Andriamanitra, dia izay no tena ifantohany.

7. Inona no lazain’ny Baiboly momba ny olona araka ny fanahy?

7 Milaza ny Baiboly fa tena tsara ny hoe araka ny fanahy. Hoy ny Matio 5:3: “Sambatra ny mahatsapa fa mila an’Andriamanitra, fa azy ny fanjakan’ny lanitra.” Miresaka ny soa azon’ny olona araka ny fanahy ny Romanina 8:6. Izao no voalaza ao: “Ny fampifantohana ny saina amin’ny nofo dia midika ho fahafatesana, ary ny fampifantohana ny saina amin’ny fanahy kosa midika ho fiainana sy fiadanana.” Hifandray tsara amin’Andriamanitra sy hiadan-tsaina isika dieny izao, raha miezaka mba ho olona araka ny fanahy. Afaka manantena ny hiaina mandrakizay koa isika.

8. Nahoana isika no mila miezaka mba ho olona araka ny fanahy foana?

8 Mampidi-doza anefa ny tontolo misy antsika. Tsy miraharaha ny fomba fihevitr’i Jehovah ny ankamaroan’ny olona, ka mila miezaka mafy isika mba ho olona araka ny fanahy ary ho hoatr’izany foana. Raha tsy mitovy fomba fihevitra amin’i Jehovah intsony isika, dia ny toe-tsain’ity tontolo ity no hameno ny saintsika. Inona àry no azontsika atao mba tsy hitrangan’izany? Inona no hanampy antsika ho olona araka ny fanahy?

MODELY AZO TAHAFINA

9. a) Inona no hanampy antsika ho olona araka ny fanahy? b) Ny modely nomen’iza no hodinihintsika ato?

9 Mety ho lasa matotra ny ankizy, raha mandinika ny zavatra tsara ataon’ny ray aman-dreniny sy manahaka azy ireo. Ho lasa olona araka ny fanahy koa isika, raha mandinika sy manahaka ny olona nifandray tsara tamin’i Jehovah. Hakantsika lesona kosa ny zavatra nataon’ny olona araka ny nofo. (1 Kor. 3:1-4) Miresaka an’ireo karazan’olona roa ireo ny Baiboly. Ny zavatra nataon’ny olona araka ny fanahy anefa no hodinihintsika ato, satria te hanahaka azy ireo isika. Hojerentsika izay nataon’i Jakoba sy Maria ary Jesosy.

Inona no azontsika ianarana avy amin’i Jakoba? (Fehintsoratra 10)

10. Ahoana no ahitana hoe olona araka ny fanahy i Jakoba?

10 Tsy mora ny fiainan’i Jakoba, hoatran’ny an’ny ankamaroantsika ihany. Nitady hamono azy i Esao rahalahiny. Imbetsaka koa ny rafozandahiny no namitaka azy. Na dia olona “araka ny nofo” hoatr’izany aza anefa no nifandray tamin’i Jakoba, dia niezaka izy mba ho olona araka ny fanahy foana. Nino izy fa hotanterahin’i Jehovah izay nampanantenainy an’i Abrahama. Nikarakara tsara ny fianakaviany àry izy, satria fantany fa handray anjara amin’ny fanatanterahana an’ilay fampanantenana izy ireo. (Gen. 28:10-15) Hita tamin’izay nolazain’i Jakoba sy nataony fa notadidiny foana ny fitsipik’i Jehovah sy ny sitrapony. Rehefa natahotra izy, ohatra, hoe ho avy hamono azy i Esao, dia nivavaka tamin’i Jehovah izy hoe: ‘Mba vonjeo re aho e! Ianao efa nilaza hoe: “Hanisy soa anao tokoa aho, ary ny taranakao hataoko tahaka ny fasika any an-dranomasina.”’ (Gen. 32:6-12) Tena nino izy hoe hotanterahin’i Jehovah izay nampanantenainy azy sy ny razambeny, ka tiany hifanaraka amin’ny sitrapon’i Jehovah sy ny fikasany ny zavatra hataony.

Inona no azontsika ianarana avy amin’i Maria? (Fehintsoratra 11)

11. Ahoana no ahitana fa olona araka ny fanahy i Maria?

11 Eritrereto koa i Maria. Nahoana no izy no nofidin’i Jehovah ho lasa renin’i Jesosy? Azo antoka fa noho izy olona araka ny fanahy. Manaporofo an’izany ny teniny tamin’izy nitsidika an’i Zakaria sy Elizabeta havany. Nidera an’i Jehovah izy tamin’izay. (Vakio ny Lioka 1:46-55.) Hita koa hoe tena tia ny Tenin’Andriamanitra izy ary nahafantatra tsara ny Soratra Hebreo. (Gen. 30:13; 1 Sam. 2:1-10; Mal. 3:12) Mariho koa fa tsy nanao firaisana izy sy Josefa raha tsy efa teraka i Jesosy. Mpivady vao anefa izy ireo. Midika izany fa ny sitrapon’i Jehovah no zava-dehibe kokoa tamin’izy ireo, fa tsy ny faniriany. (Mat. 1:25) Nodinihin’i Maria tsara koa izay nitranga teo amin’ny fiainan’i Jesosy, ary nohenoiny tsara ny teny feno fahendrena nolazainy. “Nitahiry tsara izany teny rehetra izany tao am-pony” izy. (Lioka 2:51) Hita amin’izany fa tena zava-dehibe taminy ny fikasan’i Jehovah momba ny Mesia. Afaka manahaka an’i Maria àry isika, ka ny sitrapon’i Jehovah no hataontsika loha laharana.

12. a) Inona no porofo fa nanahaka ny Rainy i Jesosy? b) Ahoana no azontsika anahafana an’i Jesosy? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

12 I Jesosy no olona araka ny fanahy indrindra. Hita tamin’ny fiainany sy ny fanompoany fa niezaka nanahaka an’i Jehovah Rainy izy. Nitovy hevitra taminy izy, nanahaka ny zavatra nataony, ary nitovy fihetseham-po taminy. Nanao ny sitrapon’i Jehovah sy nanaja ny fitsipiny foana koa izy. (Jaona 8:29; 14:9; 15:10) Jereo, ohatra, izay lazain’i Isaia mpaminany momba ny toetran’i Jehovah hoe mangoraka. Ampitahao amin’izay lazain’ny Filazantsaran’i Marka momba an’i Jesosy ilay izy avy eo. (Vakio ny Isaia 63:9; Marka 6:34.) Manahaka an’i Jesosy àry ve isika, ka mangoraka an’izay hitantsika hoe mila fanampiana? Mazoto mitory sy mampianatra toa azy ve isika? (Lioka 4:43) Izany no ataon’ny olona araka ny fanahy.

13, 14. a) Inona no azontsika ianarana avy amin’ireo olona araka ny fanahy amin’izao andro izao? b) Manomeza ohatra.

13 Rahalahy sy anabavy maro koa amin’izao no araka ny fanahy, satria miezaka mafy manahaka an’i Kristy. Voamarikao angamba fa mazoto manompo izy ireny, tia mandray vahiny, mangoraka, ary manana toetra tsara hafa. Tsy lavorary hoatr’antsika ihany izy ireny, nefa miezaka mafy mba hanana an’ireo toetra ireo sy hanao izay asain’i Jehovah hatao. Hoy i Rachel any Brezila: “Nanara-damaody be aho, dia tsy maotina ny akanjo nanaovako taloha. Rehefa nahalala ny fahamarinana anefa aho, dia niezaka mba ho olona araka ny fanahy. Tsy mora ilay niova. Lasa sambatra kokoa anefa aho, ary lasa misy dikany ny fiainako.”

14 Zavatra hafa kosa no nanahirana an’i Reylene, anabavy any Philippines. Te ho tafita izy dia lasa variana nanao fianarana ambony sy nanao izay hahazoana asa be karama. Lasa hadinony ny tanjony ara-panahy. Hoy anefa izy: “Lasa nahatsapa aho hoe nisy zavatra tsy ampy teo amin’ny fiainako, ary mbola zava-dehibe noho ny asako ilay izy.” Niezaka nifantoka tamin’ny fanompoany an’i Jehovah indray àry izy. Matoky ny fampanantenan’i Jehovah ao amin’ny Matio 6:33, 34 izy izao. Hoy i Reylene: “Mino tanteraka aho hoe hikarakara ahy i Jehovah.” Misy rahalahy sy anabavy hoatr’izany koa angamba ao amin’ny fiangonana misy anao. Miezaka manahaka an’i Kristy izy ireny, ka tiantsika hotahafina.—1 Kor. 11:1; 2 Tes. 3:7.

MIEZAHA HANANA “NY SAIN’I KRISTY”

15, 16. a) Inona no tokony hataontsika raha te hanahaka an’i Kristy isika? b) Inona no hanampy antsika hanana ny “sain’i Kristy”?

15 Ahoana no azontsika anahafana an’i Kristy? Milaza ny 1 Korintianina 2:16 fa mila manana “ny sain’i Kristy” isika. Milaza koa ny Romanina 15:5 hoe tokony hanana an’ilay “toe-tsaina mitovy amin’izay nananan’i Kristy Jesosy” isika. Raha te hitovy aminy àry isika, dia mila mahalala ny fomba fisainany sy ny toetrany rehetra, ary manahaka azy. Ny fifandraisany tamin’Andriamanitra no zava-dehibe indrindra taminy. Raha manahaka azy isika, dia hitovy kokoa amin’i Jehovah. Tena ilaina àry ny miezaka hanana ny fomba fisainan’i Jesosy.

16 Inona no hanampy antsika hahavita an’izany? Nahita ny fahagagana nataon’i Jesosy ny mpianany, naheno ny toriteniny, ary nahita ny fomba nifandraisany tamin’ny olona isan-karazany sy ny fomba nampiharany ny fitsipik’Andriamanitra. Hoy izy ireo: ‘Vavolombelon’ny zava-drehetra nataony izahay.’ (Asa. 10:39) Isika kosa tsy mahita an’i Jesosy. Manana ny Filazantsara anefa isika, ka afaka mahalala tsara azy. Mahafantatra ny fomba fisainany isika rehefa mamaky sy misaintsaina ny bokin’i Matio, Marka, Lioka, ary Jaona. Afaka ‘manaraka akaiky ny diany’ àry isika, sady afaka manana ny toe-tsainy.—1 Pet. 2:21; 4:1.

17. Inona no soa horaisintsika raha manahaka ny fomba fisainan’i Kristy isika?

17 Inona no soa horaisintsika raha miezaka hanana ny fomba fisainan’i Kristy isika? Mihamatanjaka ny vatantsika rehefa mihinana sakafo mahasalama isika. Raha ny fomba fisainan’i Kristy koa no mameno ny saintsika, dia vao mainka isika hatanjaka ara-panahy. Ho haintsika tsikelikely hoe inona no nataony raha izy no teo amin’ny toerantsika. Hahay hanapa-kevitra isika amin’izay, ka hadio ny eritreritsika ary hankasitraka antsika i Jehovah. Tsy ekenao àry ve fa tena ilaina ny ‘mitafy ny toetran’i Jesosy Kristy Tompo’?—Rom. 13:14.

18. Inona no nianaranao tato amin’ity lahatsoratra ity?

18 Hitantsika teo àry ny atao hoe olona araka ny fanahy. Hitantsika koa fa afaka manahaka ny modely navelan’ireo olona araka ny fanahy isika. Nianarantsika fa lasa matanjaka ara-panahy isika rehefa manana ny “sain’i Kristy.” Ahoana anefa no ahalalana raha matanjaka ara-panahy isika na tsia? Inona koa no azontsika atao raha te ho olona araka ny fanahy isika? Ary raha lasa olona araka ny fanahy isika, dia inona no ho vokatr’izany eo amin’ny fiainantsika? Handinika an’ireo isika ao amin’ny lahatsoratra manaraka.