Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Miezaha mba ho Olona Araka ny Fanahy

Miezaha mba ho Olona Araka ny Fanahy

“Mandehana hatrany araka ny fanahy.”—GAL. 5:16.

HIRA: 22, 75

1, 2. Inona no tsapan’ny rahalahy iray, ary inona no nataony?

TAMIN’IZY 15 taona i Robert no natao batisa, saingy tsy dia zava-dehibe taminy ny fahamarinana. Fahazarana fotsiny taminy ny fanompoana an’i Jehovah, fa tsy tena nataony tamin’ny fony, na dia hoe tsy nanao ratsy aza izy. Hoy izy: “Hoatran’ny hoe natanjaka ara-panahy aho. Nivory tsy tapaka mantsy aho, dia nanao mpisava lalana mpanampy tsindraindray isan-taona. Nisy zavatra tsy ampy anefa.”

2 Rehefa nanambady i Robert vao nahita hoe nanana olana. Nanao ankamantatra ara-baiboly izy roa indraindray. Tsotra kely tamin’ny vadiny ilay izy satria nahay Baiboly izy. Tsy nahavaly kosa i Robert matetika ka menatra. Hoy izy: “Hoatran’ny hoe tsy nisy na inona na inona haiko! Tonga saina aho hoe mila miezaka satria izaho no tokony hitarika ny vadiko amin’ny resaka ara-panahy.” Dia niezaka tokoa izy. Hoy izy: “Nianatra Baiboly aho, dia nianatra, dia nianatra. Lasa azoko ny ifandraisan’ny zavatra nianarako. Lasa nifandray tsara tamin’i Jehovah koa aho, ary izany no zava-dehibe indrindra.”

3. a) Inona no ianarantsika avy amin’ny tantaran’i Robert? b) Inona no hodinihintsika ato?

3 Misy lesona lehibe ianarantsika avy amin’izany. Mahay Baiboly angamba isika, ary mivory sy mitory tsy tapaka. Tsy voatery hahatonga antsika ho olona araka ny fanahy anefa izany. Na efa niezaka ho olona araka ny fanahy koa aza isika, dia mbola mety hahita zavatra azo hatsaraina rehefa mandini-tena. (Fil. 3:16) Hamaly an’ireto fanontaniana ireto àry isika, mba hanampiana antsika handroso ara-panahy foana: 1) Ahoana no amantarantsika raha olona araka ny fanahy isika na tsia? 2) Inona no ilaintsika hatao raha te ho olona araka ny fanahy foana isika? 3) Raha matanjaka ara-panahy isika, dia inona no ho vokatr’izany eo amin’ny fiainantsika?

OLONA ARAKA NY FANAHY VE IANAO SA TSIA?

4. Natao ho an’iza ny torohevitra ao amin’ny Efesianina 4:23, 24?

4 Niova isika rehefa lasa mpanompon’i Jehovah, ary nisy vokany teo amin’ny fiainantsika manontolo izany. Mbola nila niova foana isika na dia taorian’ny batisantsika aza. Milaza mantsy ny Baiboly fa tokony ‘hihavao hatrany isika eo amin’ny hery mibaiko ny saintsika.’ (Efes. 4:23, 24) Isika rehetra mihitsy no mila miezaka foana mba hiova satria tsy lavorary. Na ny olona nanompo an’i Jehovah efa ela aza mbola mila miezaka mba hatanjaka ara-panahy foana.—Fil. 3:12, 13.

5. Inona avy ny fanontaniana manampy antsika hahita raha mandroso ara-panahy isika na tsia?

5 Mila mandini-tena tsara isika raha te ho olona araka ny fanahy foana. Samy mila mieritreritra an’ireto fanontaniana ireto na ny tanora na ny lehibe: ‘Hitako hoe niova ve aho ka nihalasa olona araky ny fanahy? Manahaka ny toetran’i Kristy ve aho? Hita amin’ny zavatra ataoko rehefa any am-pivoriana ve fa tena tia zavatra ara-panahy aho? Inona no tena tiako rehefa jerena ny resaka ataoko? Hoatran’ny ahoana aho rehefa jerena ny fahazarako mianatra samirery, ny fomba fiakanjoko sy ny voloko, ary ny fihetsiko rehefa omena torohevitra? Ahoana no ataoko rehefa misy fakam-panahy? Efa mihamatotra ve aho?’ (Efes. 4:13) Raha misaintsaina an’ireo isika, dia ho fantatsika hoe mandroso ara-panahy ve isika sa tsia.

6. Inona koa no mety hilaina mba hamantarana raha araka ny fanahy isika na tsia?

6 Mety hila fanampiana isika indraindray raha te hahafantatra raha araka ny fanahy isika na tsia. Nanazava ny apostoly Paoly fa tsy tsapan’ny olona araka ny nofo hoe tsy tian’Andriamanitra ny ataony. Mahafantatra ny fomba fihevitr’Andriamanitra kosa ny olona araka ny fanahy. Fantatr’izy ireo hoe tsy tiany ny fomba fiainan’ny olona araka ny nofo. (1 Kor. 2:14-16; 3:1-3) Manana ny sain’i Kristy, ohatra, ny anti-panahy, ka matetika no tonga dia hitan’izy ireo raha vao misy mpiara-manompo manomboka manana toe-tsain’ny olona araka ny nofo. Raha manoro hevitra anao àry izy ireo, dia hekenao sy hampiharinao ve ilay izy? Hita hoe te handroso ara-panahy ianao raha manao an’izany.—Mpito. 7:5, 9.

TE HO OLONA ARAKA NY FANAHY VE IANAO?

7. Inona no porofo fa tsy ampy ny hoe mahay Baiboly raha te ho olona araka ny fanahy isika?

7 Tsy ampy ny hoe mahay Baiboly raha te ho lasa olona araka ny fanahy. Nahalala zavatra betsaka momba an’i Jehovah i Solomona Mpanjaka, ary lasa anisan’ny Baiboly mihitsy ny zavatra sasany nolazainy. Tsy nifandray tsara tamin’i Jehovah intsony anefa izy tatỳ aoriana, dia nivadika taminy. (1 Mpanj. 4:29, 30; 11:4-6) Inona àry izany no mbola ilaina? Mila miezaka isika mba handroso ara-panahy foana. (Kol. 2:6, 7) Ahoana no hanaovana an’izany?

8, 9. a) Inona no hanampy anao hanana finoana matanjaka? b) Inona no tokony ho tanjonao rehefa mianatra sy misaintsaina? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

8 Nampirisihin’i Paoly ny Kristianina voalohany mba hiezaka ho matotra. (Heb. 6:1) Inona àry no hanampy anao ho matotra? Tena ilaina ny mianatra an’ilay boky hoe Mitoera ao Amin’ny Fitiavan’Andriamanitra.Hanampy anao hampihatra ny toro lalan’ny Baiboly io boky io. Rehefa mahavita azy io ianao, dia mianara boky hafa hanampy anao hanana finoana matanjaka. (Kol. 1:23) Mila misaintsaina ny zavatra nianaranao koa ianao, ary mivavaka amin’i Jehovah mba hanampy anao hampihatra an’ilay izy.

9 Ny hampifaly an’i Jehovah sy ny hankatò azy no tokony ho tanjonao, rehefa mianatra Baiboly sy misaintsaina. (Sal. 40:8; 119:97) Miezaha koa mba tsy hanao zavatra hisakana anao tsy handroso ara-panahy.—Titosy 2:11, 12.

10. Inona no hanampy ny tanora hatanjaka ara-panahy?

10 Ry tanora, efa mazava tsara ao an-tsainao ve hoe inona no tanjonao ara-panahy? Fanaon’ny rahalahy iray Betelita rehefa fivoriamben’ny faritra ny miresaka amin’ireo hatao batisa, alohan’ny hanombohan’ny fandaharana. Tanora ny ankamaroan’ireo hatao batisa. Rehefa anontanian’ilay rahalahy ireo tanora ireo hoe inona no tanjony ara-panahy, dia maro amin’izy ireo no efa mahafantatra tsara an’izay hataony. Te hanitatra faritany ry zareo, na hanao fanompoana manontolo andro hafa. Tsy mahita holazaina anefa ny sasany indraindray. Angamba izy ireo mbola tsy tonga saina hoe mila manana tanjona ara-panahy. Ry tanora, eritrereto àry izao: ‘Mandeha mitory sy mampianatra ve aho, satria fotsiny hoe izay no tian’i Dada sy Neny hataoko? Izaho mihitsy ve no miezaka mba hifandray kokoa amin’i Jehovah?’ Tsy ny tanora ihany anefa no mila manana tanjona, fa isika rehetra. Hanampy antsika hatanjaka ara-panahy kokoa izany.—Mpito. 12:1, 13.

11. a) Inona no tokony hataontsika raha te handroso ara-panahy isika? b) Iza no azontsika tahafina?

11 Rehefa hitantsika hoe inona no mila ezahintsika, dia mila manao zavatra isika. Tena ilaina ny miezaka ho olona araka ny fanahy satria iankinan’ny aina izany. (Rom. 8:6-8) Tsy voatery ho lavorary anefa ianao vao azo lazaina hoe matanjaka ara-panahy. Afaka manampy anao amin’ny alalan’ny fanahiny i Jehovah. Na izany aza, dia mila miezaka ianao. Rehefa nanazava ny Lioka 13:24 i John Barr, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana taloha, dia nilaza izy fa maro no tsy tafiditra amin’ilay varavarana tery, satria tsy ampy ny ezaka nataony mba hampitomboana ny tanjany ara-panahy. Mila manahaka an’i Jakoba isika. Nitolona tamin’ny anjely izy ary tsy navelany handeha ilay anjely raha tsy nitso-drano azy. (Gen. 32:26-28) Marina fa mahafinaritra ny mianatra Baiboly. Tsy tokony hanantena anefa isika hoe tsotra kely ny mamaky azy io, hoatran’ireny mamaky boky natao hialana voly ireny. Mila miezaka isika vao hahita harena miafina hanampy antsika hatanjaka ara-panahy.

12, 13. a) Inona no hanampy antsika hampihatra ny Romanina 15:5? b) Nahoana ny ohatr’i Petera sy ny torohevitra nomeny no manampy antsika? d) Inona no azonao atao mba hahatonga anao ho olona araka ny fanahy? (Jereo ilay hoe “ Raha Te Handroso Ara-panahy Ianao, dia...”)

12 Hanampy antsika hanova ny fomba fisainantsika ny fanahy masina, raha miezaka ho olona araka ny fanahy isika. Hitovy tsikelikely amin’ny fomba fisainan’i Kristy ny fomba fisainantsika amin’izay. (Rom. 15:5) Hanampy antsika hanohitra ny fanirian-dratsy sy hanana toetra tian’i Jehovah koa ny fanahy masina. (Gal. 5:16, 22, 23) Aza kivy raha hitanao hoe ny vola sy ny fananana na izay mahafinaritra anao no lasa mahavariana anao. Mangataha foana fanahy masina, dia hanampy anao i Jehovah mba hifantoka indray amin’izay tena zava-dehibe. (Lioka 11:13) Tadidio ny apostoly Petera. Imbetsaka izy no tsy nanana ny toe-tsain’i Kristy. (Mat. 16:22, 23; Lioka 22:34, 54-62; Gal. 2:11-14) Niezaka foana anefa izy fa tsy kivy, dia nampian’i Jehovah. Nahavita nanahaka ny fomba fisainan’i Kristy izy rehefa nandeha ny fotoana. Ho vitanao koa izany.

13 Niresaka toetra afaka manampy antsika i Petera tatỳ aoriana. (Vakio ny 2 Petera 1:5-8.) Nilaza izy hoe tokony ‘hanao izay rehetra azontsika atao’ isika mba hahay hifehy tena, hiaritra, haneho fitiavan-drahalahy, ary hanana toetra tsara hafa. Hanampy antsika izany mba ho olona araka ny fanahy foana. Eritrereto àry izao isan’andro: ‘Inona no azoko ezahina androany mba hahatonga ahy hatanjaka ara-panahy kokoa?’

AMPIHARO NY TORO LALAN’NY BAIBOLY

14. Raha olona araka ny fanahy isika, dia inona no ho vokatr’izany eo amin’ny fiainantsika?

14 Ho hita amin’izay ataontsika any am-piasana na any an-tsekoly raha manana ny sain’i Kristy isika. Ho hita amin’izay lazaintsika koa izany, ary hisy vokany amin’ny fanapahan-kevitra raisintsika isan’andro. Miezaka manahaka an’i Kristy isika amin’izay. Olona araka ny fanahy isika, ka tsy tiantsika hisy na inona na inona hanimba ny fifandraisantsika amin’i Jehovah. Tsy hanaiky ho resin’ny fakam-panahy isika, noho isika manana ny toe-tsain’i Kristy. Rehefa hanapa-kevitra koa isika, dia hieritreritra an’ireto aloha: ‘Inona no toro lalan’ny Baiboly afaka manampy ahy? Raha i Kristy no teo amin’ny toerako, dia inona no nataony? Inona no hampifaly an’i Jehovah?’ Tokony ho zatra hisaintsaina hoatr’izany isika isaky ny hanapa-kevitra. Andeha àry isika handinika ohatra vitsivitsy, dia hijery toro lalan’ny Baiboly hanampy antsika hanapa-kevitra tsara.

15, 16. Raha manana ny sain’i Kristy isika, dia inona no hataontsika a) rehefa hifidy vady? b) rehefa hifidy namana?

15 Rehefa hifidy vady. Misy toro lalana momba izany ao amin’ny 2 Korintianina 6:14, 15. (Vakio.) Hita amin’ny tenin’i Paoly fa tsy hifanaraka tsara mihitsy ny olona araka ny fanahy sy ny olona araka ny nofo. Ahoana no azo ampiharana an’izany rehefa hifidy vady?

16 Rehefa hifidy namana. Jereo ilay toro lalana ao amin’ny 1 Korintianina 15:33. (Vakio.) Tsy hinamana amin’ny olona mety hanimba ny fifandraisany amin’i Jehovah ny olona araka ny fanahy. Eritrereto izay azonao ampiharana an’io toro lalana io. Inona, ohatra, no hataonao rehefa mampiasa tranonkala fifaneraserana, na raha misy olona tsy fantatrao ao amin’ny Internet manasa anao hiara-hilalao aminy ao?

Hanampy ahy handroso ara-panahy sy hanatratra tanjona ara-panahy ary hihavana amin’ny olona ve ny fanapahan-kevitro? (Fehintsoratra 17)

17-19. Nahoana isika no mila mieritreritra foana ny ara-panahintsika, a) raha tsy te hanao “asa maty”? b) raha te hahay hifidy tanjona? d) raha te handamina tsy fifanarahana?

17 Rehefa hifidy zavatra hatao. Mampitandrina antsika i Paoly mba tsy hanao “asa maty.” (Vakio ny Hebreo 6:1.) Izay rehetra tsy manampy antsika handroso ara-panahy no atao hoe “asa maty.” Hanampy antsika io toro lalana io rehefa misy fanontaniana mila saintsainintsika, ohatra hoe: ‘Azo lazaina hoe “asa maty” ve ity zavatra tiako hatao ity? Hiditra amin’ity raharaham-barotra ity ve aho? Nahoana aho no tsy tokony hiditra amin’ny fikambanana miezaka manatsara an’izao tontolo izao?’

Hanampy ahy handroso ara-panahy sy hanatratra tanjona ara-panahy ary hihavana amin’ny olona ve ny fanapahan-kevitro? (Fehintsoratra 18)

18 Rehefa mieritreritra an’izay hataonao tanjona. Nanome torohevitra tsara momba an’izany i Jesosy, tamin’izy nanao an’ilay Toriteny teo An-tendrombohitra. (Mat. 6:33) Tanjona ara-panahy no ezahin’ny olona araka ny fanahy tratrarina. Hanampy antsika io toro lalana io rehefa misy safidy tsy maintsy ataontsika, ohatra hoe hanao fianarana ambony sa tsia, hanaiky ny asa asaina ataontsika sa tsia.

Hanampy ahy handroso ara-panahy sy hanatratra tanjona ara-panahy ary hihavana amin’ny olona ve ny fanapahan-kevitro? (Fehintsoratra 19)

19 Rehefa tsy mifanaraka amin’olona. Afaka manampy antsika ny torohevitr’i Paoly ho an’ny fiangonana tany Roma. (Rom. 12:18) Miezaka ‘hihavana amin’ny olona rehetra’ isika satria mpanara-dia an’i Kristy. Ahoana àry no ataontsika rehefa manana olana amin’olona isika? Sarotra amintsika ve ny mandefitra? Sa isika malaza ho “tia fihavanana”?—Jak. 3:18.

20. Nahoana ianao no te handroso ara-panahy?

20 Hitantsika amin’ireo ohatra ireo fa manampy antsika hanapa-kevitra ny toro lalan’ny Baiboly. Hita hoe araka ny fanahy isika raha manaraka an’ireny toro lalana ireny. Ho faly sy ho afa-po kokoa isika raha miezaka ho olona araka ny fanahy. Nilaza i Robert, voaresaka tetsy aloha, fa lasa nahavita tsara ny andraikiny tamin’ny vady aman-janany izy rehefa nifandray tsara tamin’i Jehovah. Lasa faly sy afa-po koa izy. Hahazo fitahiana hoatr’izany koa isika, raha manao izay rehetra azontsika atao mba ho lasa olona araka ny fanahy. Ho sambatra kokoa isika dieny izao, ary hahazo ny “tena fiainana” amin’ny hoavy.—1 Tim. 6:19.