Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FANTARO NY TANTARANTSIKA

Nahatonga ny Vaovao Tsara Hiely Tany Irlandy ny Lahateny

Nahatonga ny Vaovao Tsara Hiely Tany Irlandy ny Lahateny

MEY 1910 tamin’izay. Tonga teo amin’ny helodranon’i Belfast Lough any Irlandy ny sambo iray. Nisy mpandeha vitsivitsy nijoro teo amin’ny tokotanin’ilay sambo, ka nahatazana an’ireo havoana maitso mavana notarafin’ny hazavana vao maraina. Teo koa i Charles Russell, ary fanindiminy amin’izao izy no tany Irlandy. Nahita sambo ngezabe roa mitovy atao hoe Titanic sy Olympic izy. * Mbola vao namboarina ireo sambo ireo tamin’izay. Nisy Mpianatra ny Baiboly vitsivitsy teny amin’ny sisin’ny seranan-tsambo, tonga hitsena azy.

Nanapa-kevitra ny hitety tany ny Rahalahy Russell, 20 taona teo ho eo talohan’izay. Te hampiely ny vaovao tsara eran-tany mantsy izy, dia izay no fomba tsara indrindra hitany. Tamin’ny Jolay 1891 izy no nanao ny diany voalohany, ary i Irlandy no nanombohany azy. Nandeha tamin’ilay sambo City of Chicago izy. Rehefa nanatona ny morontsirak’i Queenstown ilay sambo, dia nahatazana ny masoandro mody izy ka mety ho nahatsiaro an’izay nolazain’ny dada sy mamany momba an’i Irlandy, tany niavian’izy ireo. Nandalo tanàna milamina tsara sy faritra kanto any ambanivohitra ilay sambo, dia nieritreritra i Russell sy ny namany hoe “efa masaka hojinjaina ny vokatra.”

Impito ny Rahalahy Russell no nankany Irlandy. Be dia be ny olona liana, tamin’ilay diany voalohany, ka rehefa niverina izy dia olona an-jatony na an’arivony indraindray no tonga nihaino ny lahateniny. Tamin’ilay diany faharoa, tamin’ny Mey 1903, dia nisy filazana tao amin’ny gazety maromaro tany Irlandy hoe hisy fivoriana hatao any Belfast sy Dublin ary mahazo manatrika ny rehetra. Nanao lahateny momba ny finoan’i Abrahama sy ny fitahiana ho azon’ny olombelona i Russell tamin’izay. Nilaza izy fa “nihaino tsara ny mpanatrika.”

Nankany Irlandy indray i Russell tamin’ny dia fahatelo nataony, tany Eoropa, satria nisy olona maro liana tany. Rahalahy dimy no nitsena azy teo amin’ny seranan-tsambon’i Belfast, indray maraina, tamin’ny Aprily 1908. Natao ny harivan’iny ilay lahateny hoe “Haongana ny Fitondran’i Satana.” Efa nisy filazana momba azy io tao amin’ny gazety. Nisy 300 teo ho eo ny mpanatrika, sady olona tia mandalina daholo. Nisy lehilahy nanohitra an’i Russell tao, saingy voavaliny vetivety tamin’ny alalan’ny Baiboly ny teniny. Nanao lahateny tany Dublin koa izy, ary 1 000 mahery ny mpanatrika. Tonga tany koa i O’Connor, lohandohany tao amin’ny fikambanana YMCA. Notaominy hanohitra ny Mpianatra ny Baiboly ny mpanatrika.

Alao sary an-tsaina izay mety ho nitranga. Liana tamin’ny fahamarinana ny lehilahy iray, dia nanapa-kevitra hanatrika an’ilay lahateny natao filazana tao amin’ny Gazetinny Irlandey. Be olona be tao amin’ilay trano nanaovana an’ilay izy, dia saika tsy nahita toerana izy. Fotsy volo ilay mpandahateny sady be volombava ary nanao palitao mainty lava. Nanao fihetsehana be sady nivezivezy teo amin’ny sehatra izy, rehefa nanao ny lahateniny. Nihaino tsara ilay lehilahy. Lasa azony tsara ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly, satria nipetrapetraka tsara ny andinin-teny nampiasain’ilay mpandahateny. Nanakoako eran’ny trano ny feon’ilay mpandahateny na dia tsy nisy fanamafisam-peo aza, ka nihaino azy tsara ny mpanatrika nandritra ny adiny iray sy sasany. Afaka nametraka fanontaniana izy ireo taorian’izay. Tamin’izay i O’Connor sy ny namany no nanohitra an’ilay mpandahateny, saingy voaporofony tsara avy tao amin’ny Baiboly fa diso ry zareo. Niombon-kevitra taminy ny mpanatrika dia nitehaka. Rehefa nifarana ilay adihevitra, dia nanatona an’ireo rahalahy ilay lehilahy, mba hahazo fanazavana misimisy kokoa. Hoatr’izany no nahitan’ny olona maro ny fahamarinana, araka ny fitantaran’ireo nanatri-maso ny zava-nitranga.

Niala tany New York ny Rahalahy Russell tamin’ny Mey 1909 mba hanao ny diany fahefatra, ary nandeha tamin’ny sambo Mauretania. Nitondra an’ny Rahalahy Huntsinger izy, amin’izay afaka manonona lahatsoratra havoaka ao amin’ny Tilikambo Fiambenana rehefa eny ambony sambo, dia i Huntsinger manoratra an’ilay izy amin’ny masinina. Nanao lahateny izy rehefa tany Belfast, ary 450 ny mpanatrika. Kely anefa ilay toerana, ka 100 teo ho eo no voatery nitsangana.

Rahalahy Russell, teo amin’ilay sambo Lusitania

Ny diany fahadimy ilay noresahintsika terỳ am-piandohana, ary toy ny teo aloha ihany no nataony tamin’io. Rehefa vita ny lahateniny tany Dublin, dia novaliany avy tao amin’ny Baiboly ny fanontanian’ny teolojianina iray malaza nentin’i O’Connor. Faly erỳ ny mpanatrika. Nandeha sambo mpitondra taratasy nankany Liverpool ry Russell ny ampitson’iny, ary avy eo nandeha tamin’ny sambo Lusitania * nankany New York.

Lahateny natao filazana tao amin’ny Gazetinny Irlandey, tamin’ny 20 Mey 1910

Natao filazana tao amin’ny gazety koa ireo lahateny nataon’ny Rahalahy Russell, tamin’ny diany fahenina sy fahafito, tamin’ny 1911. “Mankaiza ny Maty?” no lohatenin’ny lahateniny tany Belfast, tamin’ny Aprily. Nisy 20 ny Mpianatra ny Baiboly tany, ary 2 000 ny mpanatrika. Rehefa nanao lahateny tany Dublin i Russell, dia nitondran’i O’Connor pasitera hafa indray. Voavaliny tao amin’ny Baiboly daholo ny fanontanian’ilay pasitera, ka nitehaka ny mpanatrika. Nanao lahateny tany amin’ny tanàna hafa izy ny volana Oktobra sy Novambra, ary be dia be koa ny mpanatrika tany. Tany Dublin koa izy, ary nitady hanakorontana indray i O’Connor sy ny jiolahim-boto 100 niaraka taminy. Faly nanohana an’i Russell anefa ny mpanatrika!

Ny Rahalahy Russell matetika no nanao lahateny. Niaiky anefa izy hoe “tsy misy olona tsy azo soloana izany”, satria “asan’Andriamanitra io fa tsy asan’olombelona.” Nety tsara hampitana ny fahamarinana ireny lahateny natao filazana tao amin’ny gazety ireny. Lasa niely ny vaovao tsara, ary lasa misy fiangonana any amin’ny tanàna maro any Irlandy. Antsoina hoe Fivoriana ho An’ny Besinimaro izao ny fivoriana misy lahateny.—Avy any amin’ny tahirintsika any Grande-Bretagne.

^ feh. 3 Rendrika ilay Titanic, roa taona taorian’izay.

^ feh. 9 Nipoahan’ny baomba tany amin’ny morontsiraka atsimon’i Irlandy io sambo malaza io tamin’ny Mey 1915, dia rendrika.