Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Lasa razamben’ny Mesia ve i Jakoba noho izy nividy ny zon’ny lahimatoa tamin’i Esao?

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Izay nanan-jo ho lahimatoa tamin’ny Israelita ihany ve no anisan’ny razamben’ny Mesia?

Hoatran’ny hoe izany tokoa no izy rehefa jerena izay voalazan’ny bokintsika. Toa manamarina an’izany koa ny Hebreo 12:16. Voalaza ao mantsy hoe ‘tsy nanaja zava-masina’ i Esao, fa “nahafoy ny zon’ny lahimatoa ho takalon’ny hanina indray mihinana.” Toa midika izany fa rehefa lasan’i Jakoba ny “zon’ny lahimatoa”, dia lasa anisan’ny razamben’ny Mesia koa izy.—Mat. 1:2, 16; Lioka 3:23, 34.

Raha jerena tsara anefa ireo tantara ao amin’ny Baiboly, dia tsy ny lehilahy rehetra anisan’ny razamben’ny Mesia no lahimatoa. Ireto misy porofo manamarina an’izany:

I Robena no zanak’i Jakoba (Israely) lahimatoa tamin’i Lea. Nanambady an’i Rahely izy tatỳ aoriana, ary i Rahely no tiany indrindra tamin’ny vadiny. I Josefa no zanak’izy ireo voalohany. Lasan’i Josefa ny zon’ny lahimatoa rehefa nanaonao foana i Robena. (Gen. 29:31-35; 30:22-25; 35:22-26; 49:22-26; 1 Tan. 5:1, 2) Sady tsy avy amin’i Robena anefa ny Mesia no tsy avy amin’i Josefa, fa avy amin’i Joda, fahefatra amin’ny zanak’i Jakoba sy Lea.—Gen. 49:10.

Mitanisa lehilahy enina anisan’ny razamben’ny Mesia koa ny Lioka 3:32. Toa lahimatoa ny dimy tamin’izy ireo. Voalaza ao fa i Boaza no rain’i Obeda, izay niteraka an’i Jese.—Rota 4:17, 20-22; 1 Tan. 2:10-12.

I Jese indray niteraka valo lahy, anisan’izany i Davida. Tsy lahimatoa i Davida fa faralahy. Avy aminy anefa ny razamben’ny Mesia. (1 Sam. 16:10, 11; 17:12; Mat. 1:5, 6) Tamin’ny zanak’i Davida indray, dia i Solomona no anisan’ny razamben’ny Mesia. Tsy zanany lahimatoa anefa i Solomona.—2 Sam. 3:2-5.

Tsy midika akory izany hoe tsy misy dikany ny hoe lahimatoa. Tena nohajaina ny lahimatoa, ary izy matetika no lasa loham-pianakaviana manarakaraka ny rainy. Nomena anjaran’olon-droa koa izy rehefa nozaraina ny lova.—Gen. 43:33; Deot. 21:17; Jos. 17:1.

Azo nafindra ny zon’ny lahimatoa. Nomen’i Abrahama an’i Isaka, ohatra, ny zon’ny lahimatoa izay tokony ho an’i Ismaela. (Gen. 21:14-21; 22:2) Hitantsika teo koa fa lasan’i Josefa ny zon’ny lahimatoa izay tokony ho an’i Robena.

Iverenantsika kely ilay Hebreo 12:16. Voalaza ao hoe: “Tandremo ... sao hisy mpijangajanga eo aminareo, na olona tsy manaja zava-masina tahaka an’i Esao, izay nahafoy ny zon’ny lahimatoa ho takalon’ny hanina indray mihinana.” Inona no tian’ny apostoly Paoly holazaina tamin’izany?

Tsy niresaka momba ny razamben’ny Mesia akory izy tamin’io. Vao avy nampirisika ny Kristianina izy hoe: “Ataovy mahitsy foana ny lalana halehan’ny tongotrareo.” Raha tsy izany dia mety hijangajanga izy ireo, ka “tsy hahazo ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’Andriamanitra.” (Heb. 12:12-16) Hitovy amin’i Esao izy ireo raha tsy mitandrina. ‘Tsy nanaja zava-masina i Esao’, fa sakafo indray no tiany kokoa.

Ny loham-pianakaviana no nisolo tena ny fianakaviany nanao sorona tamin’izany andro izany. (Gen. 8:20, 21; 12:7, 8; Joba 1:4, 5) Mety ho nomena tombontsoa hanao an’izany i Esao. Tsy nieritreritra afa-tsy izay mahafa-po ny tenany anefa izy, ka natakalony lantihy iray vilia ny tombontsoa rehetra tokony ho azony noho izy lahimatoa. Tsy tiany hanjo azy koa angamba ny fahoriana nolazain’i Jehovah hoe hanjo ny taranak’i Abrahama. (Gen. 15:13) Hita koa hoe tsy nanaja zava-masina i Esao, satria nanambady vehivavy roa mpanompo sampy. Nampalahelo be an’ireo ray aman-dreniny izany. (Gen. 26:34, 35) I Jakoba kosa niezaka mafy mba tsy hanambady afa-tsy mpanompon’i Jehovah.—Gen. 28:6, 7; 29:10-12, 18.

Inona àry no azontsika lazaina momba ny razamben’ny Mesia? Nisy lahimatoa ny razambeny, nefa tsy izy rehetra no lahimatoa. Fantatry ny Jiosy izany sady nekeny. Nekeny, ohatra, hoe avy amin’i Davida, zanak’i Jese faralahy, i Kristy.—Mat. 22:42.