Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Nahoana no tsy azo atao ny maka boky na zavatra hafa novokarin’ny Vavolombelon’i Jehovah, dia mametraka an’izany any amin’ny tranonkala hafa?

Misy mieritreritra hoe tsy maninona izany, satria tsy amidy ny bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Mandika an’ilay Fifanekena * momba ny tranonkalantsika anefa izany. Efa nisy nanao an’izany dia nampisy olana lehibe. Araka ilay Fifanekena, dia tsy azo atao ny maka sary, boky amin’ny endrika elektronika, sary famantarana, mozika, video, na lahatsoratra avy ao amin’ny tranonkala jw.org ary mametraka an’izany ao amin’ny Internet (tranonkala fifaneraserana, tranonkala azo ifampizarana soratra na sary na video, na tranonkala hafa). Nahoana?

Tsy azo atao ny maka zavatra novokarin’ny fandaminana dia mametraka an’izany any amin’ny tranonkala hafa

Fehezin’ny lalàna momba ny zon’ny mpamorona ny zavatra rehetra ao amin’ny tranonkalantsika. Ampiasain’ny mpivadi-pinoana sy ny mpanohitra any amin’ny tranonkalany ny zavatra novokarintsika, mba hamitahana antsika sy ny olon-kafa. Misy zavatra mahatonga ny olona hisalasala ao amin’ireny tranonkala ireny. (Sal. 101:7; Ohab. 22:5) Ny olona sasany indray mampiasa an’ilay famantarana hoe jw.org amin’ny dokam-barotra, na amin’ny zavatra hamidiny, na amin’ny programa fampiasa amin’ny fitaovana elektronika. Afaka misakana ny olona tsy hanao an’izany isika, raha araka ny lalàna. Nataon’ny fandaminana mantsy izay hiarovan’ny lalàna ny zavatra novokariny sy ilay famantarana hoe jw.org. (Ohab. 27:12) Ahoana anefa raha avela haka zavatra ao amin’ny tranonkalantsika ny olona na ny rahalahy sy anabavy dia hametraka an’izany any amin’ny tranonkala hafa? Ahoana raha avela hampiasa an’ilay famantarana hoe jw.org izy ireny mba hivarotany entana? Mety tsy hampian’ny fitsarana isika mba hisakana ny mpanohitra sy ny mpivarotra tsy hampiasampiasa ny fananantsika.

Mety hampidi-doza raha any amin’ny tranonkala hafa ankoatran’ny jw.org isika no maka zavatra navoakan’ny fandaminana. Ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina” ihany no notendren’i Jehovah hanome sakafo ara-panahy. (Mat. 24:45) Ireto ihany ny tranonkala ofisialy ampiasain’io “mpanompo” io mba hanomezana sakafo ara-panahy: www.pr418.com, tv.pr418.com, ary wol.pr418.com. Ireto ihany ny programa ofisialy navoakan’izy io mba hampiasaina amin’ny fitaovana elektronika: JW Language®, JW Library®, ary JW Library Sign Language®. Afaka matoky isika fa tsy misy dokam-barotra miserantserana ao amin’izy ireny, na zava-dratsy avy amin’ny tontolon’i Satana. Raha nafindra any an-toeran-kafa ilay sakafo ara-panahy, dia iza no mahita raha efa nisy nanova ilay izy na efa nisy zava-dratsy nampidirina tao anatiny?—Sal. 18:26; 19:8.

Tsy vitan’izany fa raha apetratsika any amin’ny tranonkala azo ifanakalozana hevitra ny zavatra navoakantsika, dia mety hampiasa an’izany ny mpivadi-pinoana sy ny mpanakiana mba hampirisihana ny olona tsy hatoky ny fandaminana. Lasa nandray anjara tamin’ny adihevitra tao amin’ny Internet ny mpiara-manompo sasany, ka vao mainka nanala baraka ny anaran’i Jehovah. Marina fa milaza ny Baiboly hoe tokony ‘hampianatra an’ireo tsy mora manaiky isika, ary halemy fanahy’ rehefa manao an’izany. (2 Tim. 2:23-25; 1 Tim. 6:3-5) Tsy ao amin’ny Internet anefa no tsara hanaovana an’izany. Voamarika koa fa misy olona mamorona tranonkala na kaonty ao amin’ny tranonkala fifaneraserana, dia ataony amin’ny anaran’ny fandaminana ilay izy, na amin’ny anaran’ny Filan-kevi-pitantanana, na ireo rahalahy anisan’izy io. Tsy misy manana tranonkala azy manokana anefa ireo rahalahy anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, ary tsy misy manana kaonty ao amin’ny tranonkala fifaneraserana.

Vao mainka miely ny vaovao tsara rehefa asaintsika mijery ny jw.org ny olona. (Mat. 24:14) Hatsaraina foana ny zavatra amin’ny endrika elektronika ampiasaintsika eny amin’ny fanompoana. Tiantsika handray soa avy amin’izy ireny ny olona rehetra. Azo atao àry, araka ilay Fifanekena, ny maka zavatra ao amin’ny jw.org dia mandefa an’ilay izy any amin’olona amin’ny alalan’ny e-mail, na mandefa rohy hahitany an’ilay izy. Manampy ny olona liana hahazo sakafo ara-panahy avy amin’ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina” isika, rehefa manasa azy ireo hijery an’ireo tranonkala ofisialin’ny fandaminana. Io mpanompo io ihany mantsy no natao hanome sakafo ara-panahy.

^ feh. 1 Misy rohy mankany amin’ilay Fifanekena eny amin’ny farany ambany amin’ny pejy fandraisana ao amin’ny jw.org. Mihatra amin’ny zava-drehetra hita ao amin’ireo tranonkalantsika ny fepetra resahina ao.