Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahoana Isika no Tokony ‘Hamoa Be Hatrany’?

Nahoana Isika no Tokony ‘Hamoa Be Hatrany’?

“Raha mamoa be hatrany ianareo ka asehonareo fa mpianatro ianareo, dia izany no anomezam-boninahitra ny Raiko.”—JAONA 15:8.

HIRA: 53, 60

1, 2. a) Inona no nolazain’i Jesosy tamin’ny mpanara-dia azy, taloha kelin’ny nahafatesany? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.) b) Nahoana isika no mila mitadidy ny antony itoriantsika? d) Inona no hodinihintsika ato?

NIRESAKA ela be tamin’ny apostoliny i Jesosy, ny alina talohan’ny nahafatesany. Nanome toky azy ireo izy fa tena tiany izy ireo. Nilaza fanoharana momba ny voaloboka koa izy, araka ny hitantsika tao amin’ny lahatsoratra teo aloha. Te hampirisika ny mpanara-dia azy ‘hamoa be hatrany’ mantsy izy, izany hoe hitory foana momba an’ilay Fanjakana.—Jaona 15:8.

2 Tsy izay tokony hataon’ny mpanara-dia azy ihany anefa no nolazain’i Jesosy tamin’izy ireo, fa ny antony tokony hanaovany an’izany koa. Nohazavainy hoe nahoana izy ireo no tokony hitory foana. Nahoana tokoa moa isika no mila mitadidy ny antony itoriantsika? Hahavita hiaritra isika amin’izay ary hazoto hitory foana, ka ho “vavolombelona amin’ny firenena rehetra.” (Mat. 24:13, 14) Hodinihintsika àry izao ny antony efatra resahin’ny Baiboly hoe mahatonga antsika hitory. Hodinihintsika koa ny fanomezana efatra avy amin’i Jehovah, izay manampy antsika hamoa foana.

MANOME VONINAHITRA AN’I JEHOVAH ISIKA

3. a) Nahoana isika no mitory, araka ny Jaona 15:8? b) Inona no oharina amin’ny voana voaloboka, ary nahoana no mety tsara izany fampitahana izany?

3 Inona no antony lehibe indrindra mahatonga antsika hitory? Ny hanome voninahitra an’i Jehovah sy hanamasina ny anarany. (Vakio ny Jaona 15:1, 8.) Mariho fa noharin’i Jesosy tamin’ny mpamboly voaloboka i Jehovah Rainy. Nampitoviny tamin’ilay voaloboka kosa ny tenany, ary ny mpanara-dia azy no sampany. (Jaona 15:5) Ny voana voaloboka àry, dia ny voan’ilay Fanjakana vokarin’ny mpanara-dia an’i Jesosy. Hoy izy tamin’ny apostoliny: “Raha mamoa be hatrany ianareo ... dia izany no anomezam-boninahitra ny Raiko.” Mahazo voninahitra ny olona namboly voaloboka rehefa tsara ny vokatra azo avy amin’ilay izy. Mahazo voninahitra koa i Jehovah, raha manao izay tsara indrindra vitantsika isika rehefa mitory momba an’ilay Fanjakana.—Mat. 25:20-23.

4. a) Inona avy no azontsika atao mba hanamasinana ny anaran’Andriamanitra? b) Inona no tsapanao noho ianao manana tombontsoa hanamasina ny anaran’Andriamanitra?

4 Efa faran’izay masina ny anaran’Andriamanitra, ka tsy misy azontsika atao mba hahatonga azy io ho masina kokoa. Nahoana àry no hoe manamasina ny anarany ny fitoriantsika? Hoy i Isaia mpaminany: “I Jehovah Tompon’ny tafika irery no tokony ho masina aminareo.” (Isaia 8:13) Manamasina ny anaran’Andriamanitra àry isika, raha mihevitra azy io ho miavaka amin’ny anarana hafa rehetra ary manampy ny olona hihevitra azy io ho masina. (Mat. 6:9) Rehefa mampianatra ny marina momba ny toetran’i Jehovah sy ny fikasany ho an’ny olombelona, ohatra, isika dia manampy ny olona hahita fa tsy marina ny zavatra nolazain’i Satana momba azy. (Gen. 3:1-5) Ahoana koa no azontsika anamasinana ny anaran’Andriamanitra? Miezaka isika manampy ny olona hahafantatra hoe “mendrika handray ny voninahitra sy ny haja ary ny hery” i Jehovah. (Apok. 4:11) Hoy i Rune, mpisava lalana nandritra ny 16 taona: “Tena faly aho fa manana tombontsoa hiaro ny Mpamorona an’izao rehetra izao. Dia lasa te hitory foana aho.”

TIA AN’I JEHOVAH SY NY ZANANY ISIKA

5. a) Inona koa no antony mahatonga antsika hitory, araka ny Jaona 15:9, 10? b) Inona no nataon’i Jesosy mba hanamafisana fa ilaina ny miaritra?

5 Vakio ny Jaona 15:9, 10. Mitory ny Fanjakan’Andriamanitra koa isika, satria tia an’i Jehovah sy Jesosy amin’ny fontsika manontolo. (Mar. 12:30; Jaona 14:15) Tsy nilaza fotsiny i Jesosy hoe tokony ho tia azy ny mpanara-dia azy. Nampirisika azy ireo koa izy mba ‘tsy hiala amin’ny fitiavany.’ Nahoana? Satria mila miaritra ny olona iray raha te hahavita hanahaka an’i Kristy foana eo amin’ny fiainany manontolo. Te hanasongadina an’izany i Jesosy, ka imbetsaka izy no nampiasa an’ilay teny hoe “foana” ao amin’ny Jaona 15:4-10.

6. Ahoana no ampisehoantsika hoe tsy te hiala amin’ny fitiavan’i Kristy isika?

6 Ahoana no ampisehoantsika fa tsy te hiala amin’ny fitiavan’i Kristy isika ary te hahazo sitraka aminy foana? Mila manaraka ny didiny isika. Toy ny miteny amintsika izy hoe: ‘Ankatoavy aho.’ Izay ataony ihany anefa no asain’i Jesosy tahafintsika. Nilaza mantsy izy hoe tokony hitandrina ny didiny isika, ‘toy ny itandremany ny didin’ny Ray sy tsy ialany amin’ny fitiavany.’ Manome modely ho antsika àry izy.—Jaona 13:15.

7. Inona no ifandraisan’ny fitiavana sy ny fankatoavana?

7 Nasehon’i Jesosy mazava tsara fa misy ifandraisany ny fitiavana sy ny fankatoavana. Hoy izy: “Izay manana ny didiko ka mitandrina izany, dia izy no tia ahy.” (Jaona 14:21) Asehontsika koa hoe tiantsika i Jehovah raha ankatoavintsika ilay didin’i Jesosy hoe mila mitory. Avy amin’i Jehovah daholo mantsy ny didy nomeny. (Mat. 17:5; Jaona 8:28) Rehefa asehontsika an’i Jehovah sy Jesosy hoe tiantsika izy ireo, dia ho tian’izy ireo foana koa isika.

TE HAMPITANDRINA NY OLONA ISIKA

8, 9. a) Milazà antony hafa mahatonga antsika hitory. b) Nahoana ny tenin’i Jehovah ao amin’ny Ezekiela 3:18, 19 sy Ezekiela 18:23 no mandrisika antsika hitory foana?

8 Misy antony hafa mahatonga antsika hitory foana: Te hampitandrina ny olona isika. Antsoina hoe “mpitory” i Noa ao amin’ny Baiboly. (Vakio ny 2 Petera 2:5.) Azo antoka fa rehefa nitory izy dia nampitandrina ny olona koa hoe hisy Safodrano. Nilaza mantsy i Jesosy hoe: “Tamin’izany andro izany, fony mbola tsy tonga ny safodrano, dia nihinana sy nisotro, nampaka-bady sy navoaka hampakarina ny olona, mandra-pahatongan’ny andro nidiran’i Noa tao amin’ny sambofiara. Ary tsy niraharaha izy ireo mandra-pahatongan’ny safodrano, izay nifaoka azy rehetra. Dia ho toy izany koa ny fanatrehan’ny Zanak’olona.” (Mat. 24:38, 39) Nitory foana an’ilay hafatra fampitandremana nasain’i Jehovah notoriny i Noa, na dia tsy niraharaha an’ilay izy aza ny olona.

9 Mitory momba an’ilay Fanjakana koa isika, mba ho fantatry ny olona ny fikasan’Andriamanitra ho an’ny olombelona. Tena tiantsika raha mihaino antsika izy ireo, ka “ho velona” mandrakizay. Izany koa no irin’i Jehovah. (Ezek. 18:23) Mampitandrina ny olona koa isika hoe ho tonga ny Fanjakan’Andriamanitra ary handringana an’ity tontolo ratsy ity. (Ezek. 3:18, 19; Dan. 2:44; Apok. 14:6, 7) Miresaka an’izany amin’ny olona betsaka araka izay azo atao isika, rehefa mitory isan-trano sy eny amin’ny toerana falehan’ny olona.

TIANTSIKA NY OLONA

10. a) Inona koa no mahatonga antsika hitory, araka ny Matio 22:39? b) Ahoana no nanampian’i Paoly sy Silasy an’ilay mpiambina fonja?

10 Ity koa misy antony lehibe iray mahatonga antsika hitory foana: Tiantsika ny olona. (Mat. 22:39) Mandrisika antsika hitory foana izany, satria fantatsika hoe mety hiova ny toe-pon’ny olona rehefa miova ny fiainany. Eritrereto, ohatra, izay nitranga rehefa nalefan’ny mpanohitra tany am-ponja ny apostoly Paoly sy Silasy, tamin-dry zareo tany Filipy. Nisy horohoron-tany tampoka tamin’ny misasakalina, ka nihozongozona ilay fonja dia nivoha ny varavarana rehetra. Natahotra ilay mpiambina hoe lasa nandositra ny voafonja ka saika hamono tena izy. Niantsoantso anefa i Paoly hoe: “Aza ratraina ny tenanao.” Nanontany ilay mpiambina avy eo hoe: ‘Inona no tsy maintsy ataoko mba hamonjena ahy?’ Hoy i Paoly sy Silasy: “Minoa an’i Jesosy Tompo dia hovonjena ianao.”—Asa. 16:25-34.

Mitory isika satria tia an’i Jehovah sy Jesosy ary ny olona (Fehintsoratra 5, 10)

11, 12. a) Inona no ifandraisan’ny tantaran’ilay mpiambina sy ny fanompoantsika? b) Nahoana isika no tokony hitory foana?

11 Inona no ifandraisan’ny tantaran’ilay mpiambina sy ny fitoriantsika? Mariho fa efa taorian’ilay horohoron-tany vao niova ny toe-pon’ilay mpiambina ka nangataka fanampiana izy. Hoatr’izany koa ny olona sasany amin’izao andro izao. Tsy mety mihaino angamba izy rehefa misy mitory aminy. Mety hiova anefa ny toe-pony ary hitady fanampiana izy rehefa miatrika olana goavana. Mety hikorontan-tsaina, ohatra, ny olona sasany ao amin’ny faritanintsika, satria very asa tampoka. Ny hafa indray kivy satria angamba vao nisara-panambadiana, na fantany hoe voan’ny aretina sarotra sitranina izy. Misy koa angamba malahelo be satria maty ny olona tena tiany. Rehefa sendra olana hoatr’izany ny olona, dia mety hieritreritra zavatra mbola tsy noeritreretiny mihitsy, ohatra hoe: ‘Inona no antony ahavelomako?’ Mety ho lasa saina mihitsy aza izy hoe: ‘Inona no tsy maintsy ataoko mba ho voavonjy aho?’ Mety ho amin’izay izy vao te hihaino ny zavatra torintsika momba ny fampanantenan’i Jehovah.

12 Raha mitory foana àry isika, dia azo antoka hoe ho afaka hanampy ny olona rehefa vonona hihaino sy hanaiky ny fampaherezana entintsika izy. (Isaia 61:1) Hoy i Charlotte, mpisava lalana nandritra ny 38 taona: “Tsy mahalala an’izay lalan-kombany ny olona amin’izao, dia tokony hataontsika izay hahenoany ny vaovao tsara.” Hoy koa i Ejvor, mpisava lalana nandritra ny 34 taona: “Betsaka noho ny hatramin’izay izao ny olona kivy. Tena te hanampy azy ireny aho, dia izay no mandrisika ahy hitory.” Tena mila mitory tokoa isika raha tena tiantsika ny mpiara-belona amintsika.

FANOMEZANA MANAMPY ANTSIKA HITORY FOANA

13, 14. a) Inona ilay fanomezana resahin’ny Jaona 15:11? b) Inona no tokony hataontsika raha te ho faly hoatran’i Jesosy isika? d) Inona no ho vokany raha mahatsiaro ho faly isika?

13 Tamin’ilay alina farany talohan’ny nahafatesan’i Jesosy koa, dia nilaza tamin’ny apostoliny izy hoe misy fanomezana maromaro afaka manampy azy ireo hamoa foana. Inona avy izany, ary inona no soa raisintsika avy amin’ilay izy?

14 Ny fifaliana. Enta-mavesatra ho antsika ve ny mankatò an’ilay didin’i Jesosy hoe mila mitory? Tsia. Rehefa avy niresaka an’ilay fanoharana momba ny voaloboka i Jesosy, dia nilaza fa ho faly isika rehefa mitory momba an’ilay Fanjakana. (Vakio ny Jaona 15:11.) Nilaza mihitsy izy hoe ‘ho ao amintsika ny fifaliany.’ Ahoana izany? Efa noresahintsika hoe nampitaha ny tenany tamin’ny voaloboka i Jesosy ary ny mpanara-dia azy no sampany. Tsy maintsy miraikitra amin’ilay voaloboka ny sampany, raha tsy izany tsy hahazo rano sy izay zavatra hafa ilainy mba hahavelomany. Mila mifandray akaiky amin’i Jesosy foana koa isika, ka manaraka akaiky ny diany. Amin’izay isika dia ho faly manao ny sitrapon’i Jehovah, hoatran’i Jesosy. (Jaona 4:34; 17:13; 1 Pet. 2:21) Hoy i Hanne, mpisava lalana nandritra ny 40 taona mahery: “Faly foana aho isaky ny avy manompo, dia vao mainka izany mandrisika ahy hanohy hanompo an’i Jehovah!” Raha mahatsiaro ho faly tokoa isika any am-pontsika lalina any, dia hanana hery hitoriana foana na dia tsy mihaino antsika aza ny ankamaroan’ny olona.—Mat. 5:10-12.

15. a) Inona ilay fanomezana resahin’ny Jaona 14:27? b) Nahoana ny fiadanana no manampy antsika hamoa foana?

15 Ny fiadanana. (Vakio ny Jaona 14:27.) Nilaza toy izao tamin’ny apostoliny koa i Jesosy, tamin’ilay alina talohan’ny nahafatesany: “Omeko anareo ny fiadanako.” Nahoana io fiadanana io no manampy antsika hamoa foana? Rehefa mitory foana isika dia mahatsapa fiadanana, satria fantatsika hoe mankasitraka antsika i Jehovah sy Jesosy. (Sal. 149:4; Rom. 5:3, 4; Kol. 3:15) Hoy i Ulf, mpisava lalana nandritra ny 45 taona: “Reraka aho rehefa mitory, nefa tena afa-po sady mahatsiaro hoe misy dikany ny fiainako.” Tena faly isika fa mahatsapa fiadanana, sady amin’izay fiadanana maharitra.

16. a) Inona ilay fanomezana resahin’ny Jaona 15:15? b) Inona no tsy maintsy nataon’ny apostoly raha te ho naman’i Jesosy foana izy ireo?

16 Lasa naman’i Jesosy. Rehefa avy nilaza tamin’ny apostoliny i Jesosy hoe tiany “ho feno” ny fifalian’izy ireo, dia nohazavainy tamin’izy ireo hoe tena ilaina ny manam-pitiavana sy mahafoy tena ho an’ny hafa. (Jaona 15:11-13) Hoy izy avy eo: ‘Antsoiko hoe namana ianareo.’ Fanomezana sarobidy ny hoe lasa naman’i Jesosy. Inona anefa no tsy maintsy nataon’ny apostoly raha te ho naman’i Jesosy foana izy ireo? Tsy maintsy ‘namokatra hatrany’ izy ireo. (Vakio ny Jaona 15:14-16.) Efa nilaza toy izao tamin’ny apostoliny i Jesosy, roa taona teo ho eo talohan’izay: “Rehefa mandeha ianareo, dia mitoria hoe: ‘Efa manakaiky ny fanjakan’ny lanitra.’” (Mat. 10:7) Nampirisika azy ireo hanohy an’izany àry izy, tamin’io alina farany niarahany tamin’izy ireo io. (Mat. 24:13; Mar. 3:14) Fantatr’i Jesosy fa tsy mora ny nankatò an’ilay didiny hoe hitory. Natoky anefa izy fa ho vitan’izy ireo izany ka ho namany foana izy ireo. Nisy fanomezana hafa nanampy azy ireo hahavita an’izany mantsy.

17, 18. a) Inona ilay fanomezana resahin’ny Jaona 15:16? b) Inona no vokany rehefa nahazo an’io fanomezana io ny apostoly? d) Inona avy ireo fanomezana manampy antsika hahazo hery?

17 Valim-bavaka. Hoy i Jesosy: “Homen’ny Ray anareo izay rehetra angatahinareo aminy amin’ny anarako.” (Jaona 15:16) Azo antoka fa tena nampahery an’ireo apostoly izany fampanantenana izany. * Efa akaiky ho faty i Jesosy tamin’izay, ary tsy azon’izy ireo tsara ny antony. Tsy hoe tsy hisy hanampy anefa ireo apostoly rehefa tsy ho eo intsony ilay Mpitarika azy ireo. Vonona hamaly ny vavaka hataon’izy ireo i Jehovah sady vonona hanampy azy ireo hamita ny asa fitoriana. Izany mihitsy no nataony, taoriana kelin’ny nahafatesan’i Jesosy. Nivavaka mba hanana herim-po ny apostoly tamin’izay, dia namaly ny vavaka nataon’izy ireo i Jehovah.—Asa. 4:29, 31.

Afaka matoky isika fa hamaly ny vavaka ataontsika i Jehovah rehefa mangataka fanampiana aminy isika (Fehintsoratra 18)

18 Hoatr’izany koa amin’izao. Manohy ny asa fitoriana isika ka lasa naman’i Jesosy foana. Raha sarotra amintsika indraindray ny mitory, dia afaka mivavaka amin’i Jehovah isika sady afaka matoky fa hamaly ny vavaka ataontsika izy. (Fil. 4:13) Tena sambatra isika satria mahazo valim-bavaka sady afaka minamana amin’i Jesosy. Manome hery hahafahantsika hamoa foana ireo fanomezana avy amin’i Jehovah ireo.—Jak. 1:17.

19. a) Nahoana isika no manohy mitory? b) Inona no manampy antsika hamita ny asa fitoriana?

19 Hitantsika tato hoe mitory foana isika satria te hanome voninahitra an’i Jehovah sy hanamasina ny anarany, te hampiseho hoe tia an’i Jehovah sy Jesosy, te hampitandrina ny olona, ary te hampiseho hoe tiantsika ny mpiara-belona amintsika. Hitantsika koa ireo fanomezana omen’i Jehovah antsika mba hahazoantsika hery hahavitana an’ilay asa asainy atao. Ampian’i Jehovah isika mba hahatsapa fifaliana sy fiadanana. Avelany hinamana amin’i Jesosy koa isika, ary valiany ny vavaka ataontsika. Tena faly i Jehovah mahita antsika miezaka mafy “mamoa be hatrany.”

^ feh. 17 Tamin’ilay alina farany niarahan’i Jesosy tamin’ny apostoliny, dia imbetsaka izy no nanome toky azy ireo hoe hamaly ny vavaka hataon’izy ireo i Jehovah.—Jaona 14:13; 15:7, 16; 16:23.