Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fantaro Ilay Fahavalonao

Fantaro Ilay Fahavalonao

‘Fantatsika ny teti-dratsin’i Satana.’—2 KOR. 2:11.

HIRA: 150, 32

1. Inona no nampahafantarin’i Jehovah momba an’ilay fahavalontsika, taorian’ny fikomian’i Adama sy Eva?

HAIN’I Adama hoe tsy miteny ny menarana. Mety ho fantany àry hoe anjely no niresaka tamin’i Eva fa tsy menarana. (Gen. 3:1-6) Tsy tena nahalala an’io anjely io izy mivady. Nifidy ny hanaraka ny teniny anefa i Adama, ka nikomy tamin’ilay Rainy be fitiavana any an-danitra. (1 Tim. 2:14) Avy hatrany i Jehovah dia nanomboka nampahafantatra ny momba an’io fahavalo ratsy fanahy io, ary nampanantena fa horinganiny izy io. Nampitandrina koa anefa i Jehovah hoe mandra-pahatongan’izany, dia hanohitra an’ireo tia azy io anjely niresaka tamin’i Eva io.—Gen. 3:15.

2, 3. Inona no mety ho nahatonga an’i Jehovah tsy hampahafantatra zavatra betsaka momba an’i Satana talohan’ny nahatongavan’ny Mesia?

2 Hendry i Jehovah ka tsy nolazainy mihitsy ny tena anaran’ilay anjely nikomy taminy. * Efa 2 500 taona teo ho eo taorian’ilay fikomiana tany Edena koa vao nolazainy hoe “Satana” izy io, izany hoe “Mpanohitra.” (Joba 1:6) Milaza ny maha izy azy fotsiny ny hoe Satana, fa tsy tena anarany. Tsy dia noresahina firy ny momba an’io fahavalontsika io, talohan’ny nahatongavan’ny Mesia. Ny Tantara Voalohany sy ny bokin’i Joba sy Zakaria ihany, ohatra, no ahitana an’ilay hoe Satana ao amin’ny Soratra Hebreo. Nahoana?

3 Toa tsy te hampisongadina be an’i Satana i Jehovah matoa tsy nampiditra tsipiriany be dia be momba azy sy izay ataony, ao amin’ny Soratra Hebreo. Ny hanampy ny olona hahafantatra ny Mesia sy hanara-dia azy mantsy no tena zava-kendren’ny Soratra Hebreo. (Lioka 24:44; Gal. 3:24) Lasa betsaka kokoa anefa ny zavatra fantatsika momba an’i Satana sy ny anjeliny, rehefa tonga ny Mesia. Nampiasain’i Jehovah mantsy izy sy ny mpianany mba hanazava bebe kokoa momba azy ireo. * Mety tsara izany, satria i Jesosy sy ireo voahosotra no hasain’i Jehovah handringana an’i Satana sy ny anjeliny.—Rom. 16:20; Apok. 17:14; 20:10.

4. Nahoana no tsy tokony hatahorana be ny Devoly?

4 Nampitovin’ny apostoly Petera tamin’ny “liona mierona” i Satana Devoly. I Jaona kosa niantso azy hoe “menarana” sy “dragona.” (1 Pet. 5:8; Apok. 12:9) Tsy tokony hatahorana be anefa ny Devoly, satria voafetra ihany ny azony atao. (Vakio ny Jakoba 4:7.) Manampy antsika koa i Jehovah sy Jesosy ary ny anjely tsy mivadika, ka afaka mandresy an’io fahavalontsika io isika. Ilaintsika anefa ny mahafantatra ny valin’ireto fanontaniana lehibe ireto: Iza avy no eo ambany fahefan’i Satana? Ahoana no amitahany ny olona? Inona no tsy vitany? Handinika an’ireo isika ary hijery hoe inona no lesona raisintsika avy amin’izany.

IZA AVY NO EO AMBANY FAHEFAN’I SATANA?

5, 6. Nahoana no tsy misy mpitondra na fitondran’olombelona mahavita manome an’izay tena ilaintsika?

5 Anjely be dia be no nikomy niaraka tamin’i Satana. Voafitany ny sasany tamin’izy ireny talohan’ny Safodrano, ka nanao firaisana tamin’ny zanakavavin’ny olombelona. Milaza ny Baiboly fa hoatran’ny dragona iray nisarika ny ampahatelon’ny kintan’ny lanitra i Satana tamin’izay. (Gen. 6:1-4; Joda 6; Apok. 12:3, 4) Nisafidy ny hofehezin’i Satana ireny anjely ireny rehefa niala tsy ho anisan’ny fianakavian’i Jehovah. Tsy andiana mpikomy mikorontana anefa izy ireny. Nanangana fanjakana mitovy amin’ny Fanjakan’Andriamanitra mantsy i Satana, ary izy no mpanjakan’ilay izy. Nalaminy tsara ny demonia, ka nomeny fahefana ary notendreny ho mpanjakan’izao tontolo izao.—Efes. 6:12.

6 Mampiasa an’io fandaminany tsy hita maso io i Satana mba hifehezana ny fitondram-panjakana rehetra eto an-tany. Manaporofo an’izany ny teniny, tamin’izy nampiseho an’i Jesosy “ny fanjakana rehetra manerana ny tany.” Hoy izy: “Homeko anao izao fahefana rehetra izao sy ny voninahiny, fa efa natolotra ahy izany ka izay tiako homena azy no omeko azy.” (Lioka 4:5, 6) Na eo aza izany, dia maro ny fitondram-panjakana manao zavatra tsara ho an’ny olona. Tena te hanampy ny vahoakany ny mpitondra sasany. Tsy misy mpitondra na fitondran’olombelona mahavita manome an’izay tena ilaintsika anefa.—Sal. 146:3, 4; Apok. 12:12.

7. Ahoana no ampiasan’i Satana ny fivavahan-diso sy ny tontolon’ny varotra? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

7 Mampiasa ny fivavahan-diso sy ny tontolon’ny varotra koa i Satana sy ny demonia mba hamitahana “ny tany rehetra misy mponina.” (Apok. 12:9) Mampiasa ny fivavahan-diso izy mba hanelezana lainga momba an’i Jehovah. Ataony koa izay hahatonga ny olona maro tsy hahalala ny anaran’Andriamanitra. (Jer. 23:26, 27) Voafitaka àry ny olona sasany satria mieritreritra izy hoe Andriamanitra no tompoiny, nefa ny demonia raha ny marina no tena ivavahany. (1 Kor. 10:20; 2 Kor. 11:13-15) Mampiely lainga amin’ny alalan’ny tontolon’ny varotra koa i Satana. Anisan’ny lainga aeliny ny hoe rehefa manam-bola sy manan-javatra be dia be ianao vao tena sambatra. (Ohab. 18:11) Mino an’izany ny olona sasany, ka lasa mampiasa ny fiainany manontolo hanompoana ny “Harena” fa tsy Andriamanitra. (Mat. 6:24) Lasa ny harena no tiany indrindra rehefa mandeha ny fotoana, ka mety tsy ho tia an’Andriamanitra intsony izy.—Mat. 13:22; 1 Jaona 2:15, 16.

8, 9. a) Inona no lesona roa ianarantsika avy amin’ny nataon’i Adama sy Eva ary ireo anjely nikomy? b) Nahoana no mahasoa ny mahalala hoe iza avy no eo ambany fahefan’i Satana?

8 Lesona lehibe roa, fara fahakeliny, no ianarantsika avy amin’izay nataon’i Adama sy Eva ary ireo anjely nikomy. Voalohany, roa ihany ny safidy ananantsika, ary tsy maintsy mifidy isika. Na isika homba an’i Jehovah na homba an’i Satana. (Mat. 7:13) Faharoa, kely dia kely ny soa azon’izay miandany amin’i Satana. Lasa afaka nanapa-kevitra an’izay noeritreretiny hoe tsara sy ratsy, ohatra, i Adama sy Eva. (Gen. 3:22) Ny demonia indray lasa afaka mifehy an’ireo fitondran’olombelona. Mizaka ny voka-dratsiny foana anefa izay miandany amin’i Satana, na dia hoatran’ny hoe mahazo tombony aza.—Joba 21:7-17; Gal. 6:7, 8.

9 Nahoana no mahasoa ny mahalala hoe iza avy no eo ambany fahefan’i Satana? Voalohany, manampy antsika hahay handanjalanja izany rehefa mifandray amin’ny manam-pahefana isika. Tian’i Jehovah hanaja ny manam-pahefana mantsy isika, ary tiany hankatò lalàna koa raha mbola tsy mifanohitra amin’ny fitsipiny izy ireny. (Rom. 13:1-4; 1 Pet. 2:17) Tsy tokony homba ny atsy na ny aroa anefa isika, ary tsy tokony hiandany amina antoko politika na mpitondra. (Jaona 17:15, 16; 18:36) Faharoa, vao mainka isika te hampahafantatra ny marina momba an’Andriamanitra rehefa fantatsika hoe ataon’i Satana izay tsy hahalalan’ny olona ny anarany sy izay haharatsy laza azy. Reharehantsika ny mitondra ny anarany sy mampiasa azy io. Be lavitra mantsy ny tombony ho azontsika raha tia an’Andriamanitra isika, fa tsy tia vola na harena.—Isaia 43:10; 1 Tim. 6:6-10.

AHOANA NO AMITAHAN’I SATANA NY OLONA?

10-12. a) Inona no mety ho nataon’i Satana mba hamitahana ny anjely? b) Inona no ianarantsika avy amin’izay nataon’ireo anjely nikomy?

10 Mampiasa tetika mahomby i Satana mba hitaomana ny olona. Toy ny hoe mampiasa jono izy indraindray mba hakana fanahy sy hamitahana antsika. Ampitahoriny koa isika mba hahatonga antsika hanao ny sitrapony.

11 Tena nandaitra, ohatra, ny jono nampiasain’i Satana mba hisarihana anjely maro be hiandany aminy. Azo antoka fa nandinika azy ireo nandritra ny fotoana ela izy, mba hahitana hoe inona no azo hakana fanahy azy ireo. Voataonany hanao firaisana tamin’ny vehivavy ny sasany tamin’izy ireo, ka niteraka olona goavam-be sy tia nanjakazaka. (Gen. 6:1-4) Tsy hoe nampirisihan’i Satana hanao firaisana fotsiny anefa ireny anjely ireny, fa mety ho nampanantenainy koa hoe ho afaka hanjaka amin’ny olombelona. Inona no mety ho tanjony tamin’izany? Tsy tiany ho tanteraka ilay faminaniana momba ny ‘taranak’ilay vehivavy.’ (Gen. 3:15) Tsy navelan’i Jehovah hanao an’izany anefa izy. Nandefa Safodrano i Jehovah ka vita hatreo ny teti-dratsin’i Satana sy ireo anjely nikomy.

Ataon’i Satana jono hamandrihana antsika ny fitondran-tena maloto sy ny fiheveran-tena ho ambony ary ny herin’ny maizina (Fehintsoratra 12, 13)

12 Inona no ianarantsika avy amin’izany? Jono tena mandaitra ny fitondran-tena maloto sy ny fiheveran-tena ho ambony. Efa niaraka tamin’i Jehovah tany an-danitra nandritra ny fotoana ela be ireo anjely lasa nanaraka an’i Satana. Tsy nifehy ny fanirian-dratsiny anefa izy ireo, fa namela an’izany hitombo. Mila mitadidy àry isika hoe na efa ela aza isika no nanompo an’i Jehovah, dia mety ho resin’ny fanirian-dratsy. (1 Kor. 10:12) Mila mandinika foana an’izay ao am-pontsika isika, ary manala ny eritreri-dratsy ao an-tsaintsika. Tsy maintsy miezaka koa isika mba tsy hihevi-tena ho ambony.—Gal. 5:26; vakio ny Kolosianina 3:5.

13. Inona koa ny jono tena mandaitra ampiasain’i Satana, ary inona no azontsika atao mba tsy ho azony amin’izany?

13 Misy jono hafa mandaitra koa ampiasain’i Satana. Ataony izay hahatonga ny olona ho liana amin’ny asan’ny maizina. Mampiasa ny fivavahan-diso sy ny fialam-boly izy mba hitaomana ny olona ho liana amin’ny demonia. Ahitana herin’ny maizina, ohatra, ny filma sasany na lalao video na zavatra hafa natao hialana voly, ary hoatran’ny hoe mahafinaritra ilay izy. Inona àry no azontsika atao mba tsy ho azon’i Satana amin’izany jono izany? Tsy tokony hanantena isika hoe hanome antsika lisitry ny fialam-boly azo atao sy tsy azo atao ny fandaminan’i Jehovah. Isika tsirairay no mila manazatra ny feon’ny fieritreretantsika mba hifanaraka amin’ny fitsipik’i Jehovah. (Heb. 5:14) Hanao safidy tsara koa isika raha ‘tsy misy fihatsarambelatsihy ny fitiavantsika’ an’i Jehovah. (Rom. 12:9) Mihatsaravelatsihy ny olona iray raha hafa ny lazainy nefa hafa ny ataony. Eritrereto àry izao rehefa misy fialam-boly tianao hatao: ‘Sao dia mihatsaravelatsihy aho raha manao an’izany fialam-boly izany? Inona no hoeritreretin’ny mpianatro na ny olona tsidihiko, raha hitan-dry zareo manao an’ilay izy aho?’ Raha mampihatra an’izay ampianarintsika isika, dia ho mora kokoa amintsika ny hiala amin’ny fandrik’i Satana.—1 Jaona 3:18.

Tian’i Satana hatahotra isika, ka ampiasainy mba handrarana ny asantsika ny fitondrana, ampirisihiny hitaona antsika haditra ny mpiara-mianatra amintsika, ary ataony izay hahatonga ny havantsika hanohitra antsika (Fehintsoratra 14)

14. Inona no mety hataon’i Satana mba hampitahorana antsika? Inona no hanampy antsika tsy ho resiny?

14 Mampitahotra antsika koa i Satana, mba hahatonga antsika hivadika amin’i Jehovah. Mety hampiasa ny fitondrana, ohatra, izy mba handrarana ny asa fitoriana. Mety hataony izay hahatonga ny mpiara-miasa na ny mpiara-mianatra amintsika haneso antsika, noho isika miezaka manaraka ny fitsipiky ny Baiboly. (1 Pet. 4:4) Mety ho ny havantsika tsy Vavolombelona koa no hampiasainy. Mety hosakanan’izy ireny tsy hivory isika, satria heveriny hoe izay no mahasoa antsika. (Mat. 10:36) Inona no hanampy antsika tsy ho resin’i Satana? Voalohany, fantatsika fa miady amintsika i Satana, ka tokony ho efa ampoizintsika ireny karazana fanafihana mivantana ireny. (Apok. 2:10; 12:17) Faharoa, mila mitadidy ny tena anton’ireny fisedrana ireny isika: Milaza i Satana fa rehefa mora amintsika ny manao izay lazain’i Jehovah, izay isika vao mankatò azy. Milaza izy fa hivadika amin’i Jehovah isika rehefa manana olana. (Joba 1:9-11; 2:4, 5) Farany, mila mangataka hery amin’i Jehovah isika mba tsy ho resin’i Satana. Tadidio fa tsy hanary antsika mihitsy izy.—Heb. 13:5.

INONA NO TSY VITAN’I SATANA?

15. Afaka manery antsika hanao zavatra tsy tiantsika hatao ve i Satana? Hazavao.

15 Tsy afaka manery antsika hanao zavatra tsy tiantsika hatao i Satana. (Jak. 1:14) Maro no tsy mahafantatra hoe ny sitrapon’i Satana no ataony. Rehefa mahalala ny marina anefa izy ireny, dia tsy maintsy misafidy hoe iza no hotompoiny. (Asa. 3:17; 17:30) Tsy ho vitan’i Satana mihitsy ny hampivadika antsika, rehefa tapa-kevitra isika hoe hanao ny sitrapon’i Jehovah.—Joba 2:3; 27:5.

16, 17. a) Inona koa no tsy vitan’i Satana sy ny demonia? b) Nahoana isika no tsy tokony hatahotra ny hiteny mafy rehefa mivavaka?

16 Misy zavatra hafa tsy vitan’i Satana sy ny demonia koa. Tsy milaza mihitsy, ohatra, ny Baiboly hoe afaka mahafantatra ny ao an-tsaintsika sy ny ao am-pontsika izy ireo. I Jehovah sy Jesosy irery no mahavita an’izany. (1 Sam. 16:7; Mar. 2:8) Ary ahoana ny amin’ny zavatra lazaintsika rehefa mivavaka, na izay zavatra hafa tenenintsika? Tokony hatahotra ve isika hoe sao dia henon’ny Devoly na ny demonia ilay izy, dia hohararaotiny? Tsia. Eritrereto ange izao e! Isika ve matahotra ny hanao zavatra tsara eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah, satria sao dia hitan’i Satana? Mazava ho azy fa tsia! Tsy mety àry raha matahotra ny hiteny mafy isika rehefa mivavaka satria hoe sao dia henon’ny Devoly. Maro ny mpanompon’i Jehovah resahin’ny Baiboly hoe niteny mafy rehefa nivavaka. Tsy lazaina ao mihitsy anefa hoe natahotra ry zareo sao dia henon’ny Devoly. (1 Mpanj. 8:22, 23; Jaona 11:41, 42; Asa. 4:23, 24) Hanao izay fara herintsika àry isika mba hifanaraka amin’izay tian’i Jehovah ny zavatra lazaintsika sy ataontsika. Afaka matoky isika amin’izay hoe tsy havelany hampijaly antsika mandrakizay ny Devoly.—Vakio ny Salamo 34:7.

17 Mila mahafantatra an’ilay fahavalontsika àry isika, nefa tsy tokony hatahotra be azy. Na tsy lavorary aza isika, dia afaka mandresy an’i Satana rehefa ampian’i Jehovah. (1 Jaona 2:14) Handositra antsika izy raha toherintsika. (Jak. 4:7; 1 Pet. 5:9) Toa ny tanora no tena ataon’i Satana lasibatra amin’izao. Inona no azon’izy ireo atao mba hanoherana azy? Hamaly an’izany ny lahatsoratra manaraka.

^ feh. 2 Miresaka ny anaran’ny anjely sasany ny Baiboly. (Mpits. 13:18; Dan. 8:16; Lioka 1:19; Apok. 12:7) Mety ho manana anarana daholo ny anjely, anisan’izany ilay anjely lasa Satana, satria na ny kintana tsirairay aza nomen’i Jehovah anarana.—Sal. 147:4.

^ feh. 3 Im-18 monja no miverina ao amin’ny Soratra Hebreo ny hoe Satana, fa in-30 mahery kosa ao amin’ny Soratra Grika.