Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Iza no Andrandrainao?

Iza no Andrandrainao?

“Ianao no andrandrain’ny masoko, ry Ilay monina any an-danitra ô!”—SAL. 123:1.

HIRA: 143, 124

1, 2. Inona no dikan’ny hoe miandrandra an’i Jehovah?

HANDRINGANA an’ity tontolo ity i Jehovah, ary hampisy fiadanana eto an-tany. Miaina amin’ny “fotoan-tsarotra tsy mora setraina” anefa aloha isika izao, ary mbola hihasarotra ny fiainana. (2 Tim. 3:1) Iza àry no andrandrainao isaky ny mila fanampiana sy tari-dalana ianao? Tonga dia hamaly angamba ianao hoe “Jehovah”, ary izay no tsara indrindra.

2 Efa ela ny mpanao salamo iray no nilaza fa tena ilaina ny miandrandra an’i Jehovah rehefa miatrika zava-tsarotra. (Vakio ny Salamo 123:1-4.) Inona anefa no dikan’ny hoe miandrandra an’i Jehovah? Inona no hanampy antsika hiantehitra aminy foana rehefa manana olana isika? Nilaza ilay mpanao salamo hoe toy ny mpanompo mibanjina ny tompony isika, rehefa miandrandra an’i Jehovah. Inona no tiany holazaina? Mibanjina na miandrandra ny tompony ilay mpanompo mba hahazoana sakafo sy fiarovana. Mijery azy foana koa izy mba hahafantarany an’izay tadiaviny, amin’izay izy afaka manatanteraka ny sitrapony. Hoatr’izany koa isika. Mila mandinika ny Tenin’Andriamanitra isika isan’andro, mba hahalalana an’izay tian’i Jehovah hataontsika. Amin’izay isika afaka manaraka ny tari-dalany. Rehefa manao an’izany ihany isika vao hampian’i Jehovah rehefa manana olana.—Efes. 5:17.

3. Inona no mety hahatonga antsika tsy hiandrandra an’i Jehovah?

3 Mety ho varimbariana isika indraindray, na dia fantatsika aza hoe ilaina ny miandrandra foana an’i Jehovah. Izany no nitranga tamin’i Marta, naman’i Jesosy. ‘Tsy nifantoka ny sainy satria nanao raharaha betsaka izy.’ (Lioka 10:40-42) Eritrereto hoe vehivavy tsy nivadika i Marta, dia i Jesosy koa niaraka taminy teo tamin’izay, nefa izy lasa varimbariana. Tsy tokony ho gaga àry isika raha lasa hoatr’izany koa indraindray. Fa inona no mety hahatonga antsika tsy hiandrandra an’i Jehovah intsony? Mety ho variana amin’ny ataon’ny hafa isika. Handinika an’izany isika ato ary hijery hoe inona no hanampy antsika hiantehitra amin’i Jehovah foana.

TSY NAHAZO TOMBONTSOA ILAY LEHILAHY TSY NIVADIKA

4. Nahoana no mety hahagaga ny hoe tsy nahazo nankany amin’ny Tany Nampanantenaina i Mosesy?

4 Tena niandrandra an’i Jehovah i Mosesy mba hahazoana tari-dalana. ‘Toy ny nahita an’Ilay tsy hita’ izy, ka tsy nivadika mihitsy. (Vakio ny Hebreo 11:24-27.) Milaza ny Baiboly hoe “mbola tsy nisy mpaminany tena fantatr’i Jehovah tsara toa an’i Mosesy mihitsy” teo amin’ny Israely. (Deot. 34:10) Na dia nifandray akaiky tamin’i Jehovah hoatr’izany aza anefa izy, dia tsy nahazo nankany amin’ny Tany Nampanantenaina. (Nom. 20:12) Nahoana?

5-7. Inona no nitranga taoriana kelin’ny nialan’ny Israelita tany Ejipta, ary ahoana no nataon’i Mosesy?

5 Nisy olana be nitranga, roa volana latsaka taorian’ny nialan’ny Israelita tany Ejipta. Mbola tsy tonga tany amin’ny Tendrombohitra Sinay akory ry zareo tamin’izay. Nitaraina izy ireo satria tsy nisy rano. Nimenomenona tamin’i Mosesy ry zareo sady tezitra be, ka nitalaho tamin’i Jehovah i Mosesy hoe: “Inona no hataoko amin’ity vahoaka ity? Raha izao no mitohy, dia hitora-bato ahy mihitsy ireo!” (Eks. 17:4) Nomen’i Jehovah toromarika mazava àry izy. Nasainy naka ny tehiny izy dia nikapoka ny harambato tao Horeba. “Nataon’i Mosesy teo imason’ny anti-panahin’ny Israely izany”, ka nisy rano niboiboika be avy tao amin’ilay harambato. Tsy ory rano intsony ny Israelita dia nilamina ilay olana.—Eks. 17:5, 6.

6 Nantsoin’i Mosesy hoe “Masa sy Meriba” ilay toerana. Midika hoe “Fitsapana” ny hoe Masa, ary “Fifandirana” ny hoe Meriba. Mety tsara ireo anarana ireo, satria teo amin’io toerana io ny Israelita no ‘nila ady tamin’i Mosesy sady nitsapa toetra an’i Jehovah.’ Nilaza izy ireo hoe: “Fa eto amintsika ve i Jehovah sa tsy eto e?”—Eks. 17:7.

7 Ahoana no fahitan’i Jehovah an’izany? Nilaza izy fa nikomy tamin’ny fahefany koa ny Israelita, fa tsy hoe nikomy tamin’i Mosesy fotsiny. (Vakio ny Salamo 95:8, 9.) Tena diso àry ny Israelita. Nety kosa ny nataon’i Mosesy, satria niandrandra an’i Jehovah izy ary nanaraka tsara ny toromarika nomeny.

8. Inona no nitranga rehefa akaiky ho tafavoaka avy tany an’efitra ny Israelita?

8 Nisy olana hoatran’iny indray, 40 taona teo ho eo tatỳ aoriana. Kely sisa dia ho tafavoaka avy tany an’efitra ny Israelita tamin’izay. Tonga teo amin’ny toerana atao hoe Meriba ry zareo. Tany akaikin’i Kadesy, tsy lavitra ny Tany Nampanantenaina, no nisy azy io. * Nitaraina indray ny Israelita fa tsy nisy rano. (Nom. 20:1-5) Tsy nanao hoatran’ilay tamin’ny voalohany anefa i Mosesy.

9. Inona no toromarika azon’i Mosesy, nefa inona no nataony? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

9 Ahoana no nataon’i Mosesy rehefa nikomy ny Israelita? Niandrandra an’i Jehovah indray izy mba hahazoana tari-dalana. Nasain’i Jehovah naka ny tehiny àry izy, dia namory ny vahoaka teo anoloan’ilay vatolampy. Tsy nasainy nikapoka an’ilay vatolampy izy tamin’ity indray mandeha ity, fa nasainy niteny an’ilay izy. (Nom. 20:6-8) Tsy nankatò an’izany anefa i Mosesy, fa tezitra be dia nivazavaza tamin’ny vahoaka hoe: “Mihainoa, ry mpikomy! Tsy maintsy mamoaka rano ho anareo avy amin’ity vatolampy ity angaha izahay?” Tsy niteny an’ilay vatolampy izy fa nikapoka an’ilay izy, ary tsy indray mandeha fotsiny fa indroa be izao.—Nom. 20:10, 11.

10. Inona no tsapan’i Jehovah rehefa nahita ny nataon’i Mosesy?

10 Tezitra be tamin’i Mosesy i Jehovah. (Deot. 1:37; 3:26) Nahoana? Mety ho maromaro ny antony. Tezitra angamba izy satria tsy nankatò an’ireo toromarika vaovao nomeny i Mosesy.

11. Inona no mety ho noeritreretin’ny Israelita rehefa nikapoka an’ilay vatolampy indroa i Mosesy, ary nahoana?

11 Mety ho izao koa no nampahatezitra an’i Jehovah. Rehefa nikapoka an’ilay vatolampy indroa i Mosesy fa tsy niteny tamin’ilay izy fotsiny, dia mety ho lasa hoatran’ny hoe tsy fahagagana no nahatonga an’ilay rano nivoaka. Mafy be ny karazana vatolampy any amin’ilay Meriba voalohany, ka na hikapoka an’ilay izy tahaka ny inona aza ny olona iray, dia tsy hisy rano hivoaka mihitsy avy ao. Malemy kokoa sy misy loadoaka kely be dia be kosa ny ankamaroan’ny vatolampy any amin’ilay Meriba faharoa. Mifoka rano ilay izy, dia avy eo ilay rano mitsika dia azo alaina. Rehefa nikapoka an’ilay vatolampy indroa àry i Mosesy, dia inona no mety ho noeritreretin’ny Israelita? Angamba izy ireo nieritreritra hoe tsy nisy fahagagana nataon’i Jehovah, fa rano efa tao ihany no nivoaka. *

NIKOMY I MOSESY

12. Inona koa no mety ho nahatonga an’i Jehovah ho tezitra tamin’i Mosesy sy Arona?

12 Mety ho nisy antony hafa koa nampahatezitra an’i Jehovah tamin’i Mosesy sy Arona. Niteny tamin’ny vahoaka i Mosesy hoe: “Tsy maintsy mamoaka rano ho anareo avy amin’ity vatolampy ity angaha izahay?” Mety ho izy sy Arona no tao an-tsain’i Mosesy tamin’izy niteny hoe “izahay.” Tena tsy nanaja an’i Jehovah izy rehefa niteny an’izany. I Jehovah mantsy no nanao an’ilay fahagagana. Milaza ny Salamo 106:32, 33 hoe: “Nanao izay nampahatezitra [an’i Jehovah] izy ireo, teo amin’ny ranon’i Meriba, ka nidiran-doza i Mosesy noho ny nataon’izy ireo. Fa nampahasosotra azy izy ireo, ka nanao teny tsy voahevitra izy.” * (Nom. 27:14) Tsy nanome voninahitra an’i Jehovah àry i Mosesy, nefa tena mendrika an’izany izy. Hoy i Jehovah tamin’izy sy Arona: ‘Nikomy tsy nanaraka ny didiko ianareo roa lahy.’ (Nom. 20:24) Fahotana lehibe mihitsy izany.

13. Nahoana no ara-drariny ny sazy nomen’i Jehovah an’i Mosesy?

13 Mpitarika ny vahoakan’i Jehovah i Mosesy sy Arona, ka betsaka kokoa ny zavatra notakiny tamin’izy ireo. (Lioka 12:48) Israelita maro be talohan’izay no tsy navelan’i Jehovah hiditra tany Kanana satria nikomy taminy. (Nom. 14:26-30, 34) Rariny àry raha hoatr’izany koa ny sazy nomen’i Jehovah an’i Mosesy rehefa nikomy izy. Tsy nahazo nankany amin’ny Tany Nampanantenaina toa an’ireo mpikomy hafa izy.

NY NAHATONGA AN’ILAY OLANA

14, 15. Nahoana i Mosesy no nikomy tamin’i Jehovah?

14 Nahoana i Mosesy no lasa nikomy tamin’i Jehovah? Diniho indray ange ilay Salamo 106:32, 33 e! “Nanao izay nampahatezitra izy ireo, teo amin’ny ranon’i Meriba, ka nidiran-doza i Mosesy noho ny nataon’izy ireo. Fa nampahasosotra azy izy ireo, ka nanao teny tsy voahevitra izy.” Nanao izay nampahatezitra an’i Jehovah ny Israelita, nefa i Mosesy indray no sosotra. Tsy nifehy tena izy dia lasa niteniteny foana. Tsy noeritreretiny hoe inona no mety ho vokatr’izany.

15 Nety tsara ny nataon’i Mosesy tamin’ilay olana voalohany. (Eks. 7:6) Tsy niandrandra an’i Jehovah anefa izy tatỳ aoriana, fa variana tamin’ny nataon’ny hafa. Leo be angamba izy sady kivy, satria efa an-taonany maro ny Israelita no nikomy. Mety ho ny zavatra nampahatezitra azy no tena nifantohany, fa tsy mba noeritreretiny hoe ahoana no hanomezany voninahitra an’i Jehovah.

16. Nahoana no tokony hampieritreritra antsika ny nataon’i Mosesy?

16 Mpaminany tsy nivadika i Mosesy, nefa lasa variana tamin’ny nataon’ny hafa dia nanota. Raha izy aza lasa hoatr’izany, tsy mainka ve fa isika? Efa tena teo akaikin’ny Tany Nampanantenaina i Mosesy. Isika indray efa kely sisa dia ho tonga ao amin’ny tontolo vaovao. (2 Pet. 3:13) Azo antoka fa tsy misy amintsika te hamoy an’izany tombontsoa lehibe izany. Raha te ho tonga any amin’ny tontolo vaovao anefa isika, dia mila miandrandra an’i Jehovah foana, izany hoe mila miezaka foana manao ny sitrapony. (1 Jaona 2:17) Inona àry no ianarantsika avy amin’ny fahadisoana nataon’i Mosesy?

AZA VARIANA AMIN’NY ATAON’NY OLON-KAFA

17. Inona no hanampy antsika hahafehy tena rehefa misy mahasosotra?

17 Miezaha hifehy tena rehefa misy mahasosotra. Tsy tokony ho “sasatry ny manao ny tsara” isika, na dia miverimberina aza ny olana mahazo antsika. “Amin’ny fotoana voatondro” mantsy no “hijinjantsika raha tsy reraka isika.” (Gal. 6:9; 2 Tes. 3:13) Ahoana àry no ataontsika rehefa misy toe-javatra mahasosotra antsika, na rehefa manana olana aman’olona isika ary miverimberina ilay izy? Mifehy ny fihetseham-pontsika ve isika, ary mieritreritra tsara vao miteny? (Ohab. 10:19; 17:27; Mat. 5:22) Inona no tokony hataontsika rehefa misy olona manao izay hampahasosotra antsika? Hoy ny Baiboly: “Omeo toerana ny fahatezeran’Andriamanitra.” (Vakio ny Romanina 12:17-21.) Midika izany hoe hiandrandra an’i Jehovah foana isika, ka hiandry azy handamina an’ilay olana amin’ny fotoana hitany hoe mety. Tsy manaja azy isika raha tsy miantehitra aminy fa mamaly faty.

18. Inona no tokony hataontsika rehefa misy toromarika omena antsika?

18 Araho tsara ny toromarika farany. Arahintsika tsara ve ny toromarika farany omen’i Jehovah antsika? Tsy tokony ho zatra ny lalan-dririnina isika ka izay efa nahazatra antsika teo aloha ihany no hataontsika. Ho mailaka kosa isika hanaraka an’izay toromarika vaovao omen’i Jehovah amin’ny alalan’ny fandaminany. (Heb. 13:17) Hitandrina koa anefa isika mba tsy hihoatra an’izay voasoratra. (1 Kor. 4:6) Miandrandra an’i Jehovah isika raha manao an’izany.

Inona no azontsika ianarana avy amin’izay nataon’i Mosesy rehefa nisy nanao fahadisoana? (Fehintsoratra 19)

19. Inona no hanampy antsika hifandray tsara amin’i Jehovah foana, na dia manao fahadisoana aza ny hafa?

19 Aza avela handrava ny fifandraisanao amin’i Jehovah ny fahadisoan’ny hafa. Raha miandrandra an’i Jehovah foana isika, dia tsy ho sosotra amin’izay ataon’ny olona. Tsy havelantsika handrava ny fifandraisantsika amin’i Jehovah koa izany. Ireo manana andraikitra eo anivon’ny fandaminana no tena mila miezaka manao an’izany, hoatran’i Mosesy ihany. Marina fa mila ‘miezaka mafy foana amin-tahotra sy hovitra’ isika tsirairay ‘mba hahazo famonjena.’ Mila mitadidy anefa isika hoe mahay mandanjalanja i Jehovah, fa tsy hoe manana lalàna hentitra be dia iny no itsarany antsika rehetra. (Fil. 2:12) Rehefa betsaka ny andraikitra omena antsika, dia betsaka koa ny zavatra takina amintsika. (Lioka 12:48) Tsy hisy na inona na inona hahatafintohina antsika anefa, raha tena tia an’i Jehovah isika. Tsy hisy hahasaraka antsika amin’ny fitiavany koa.—Sal. 119:165; Rom. 8:37-39.

20. Tokony ho tapa-kevitra ny hanao inona ianao?

20 Tena sarotra ny fiainana izao. Enga anie àry ianao hiandrandra foana an’i Jehovah, “Ilay monina any an-danitra.” Ho fantatrao amin’izay hoe inona no tiany hataonao. Aza avela handrava ny fifandraisanao aminy izay ataon’ny olona. Tena zava-dehibe izany rehefa jerena ny nanjo an’i Mosesy. Aza entim-po be rehefa misy manao fahadisoana. Aoka kosa ianao ho tapa-kevitra ny ‘hibanjina an’i Jehovah Andriamanitsika mandra-piantrany anao.’—Sal. 123:1, 2.

^ feh. 8 Tsy ilay Meriba na Masa tany akaikin’i Refidima io Meriba io. Samy nantsoina hoe Meriba ireo toerana roa ireo, satria tany ny Israelita no nifanditra tamin’i Mosesy.—Jereo ilay sarintany ao amin’ny Tari-dalana Hianarana ny Tenin’Andriamanitra, Fizarana 7, pejy 38.

^ feh. 11 Nilaza ny mpanao fikarohana atao hoe John Beck fa naneso an’i Mosesy ireo mpikomy, araka ny lovantsofina jiosy. Nolazain-dry zareo fa efa hain’i Mosesy, hono, hoe misy rano ao amin’ilay vatolampy. Nasain-dry zareo namoaka rano avy tamin’ny vatolampy hafa àry izy, raha te hanaporofo hoe mahavita fahagagana. Lovantsofina fotsiny anefa izany.

^ feh. 12 Jereo ny “Fanontanian’ny Mpamaky”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Janoary 1988.