Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Raha nisy lehilahy sy vehivavy tsy mpivady nijanona irery tao amin’ny trano iray nandritra ny alina ary tsy nisy antony ara-dalàna nahatonga azy ireo hanao an’izany, midika ve izany hoe nanota izy ireo ka tsy maintsy hananganana komity mpitsara?

Eny. Tokony hananganana komity mpitsara izy ireo, raha nijanona irery tao amin’ny trano iray nandritra ny alina nefa tsy misy antony mitombina tsara azo analana tsiny an-dry zareo. Raha tsy misy antony ara-dalàna mantsy, dia midika izany hoe nijangajanga izy ireo.—1 Kor. 6:18.

Tokony hiara-handinika tsara an’izay nitranga ny anti-panahy rehetra, mba hahitana raha mila manangana komity mpitsara na tsia. Azon’izy ireo dinihina, ohatra, ireto: Mifankatia ve izy ireo? Efa nisy fotoana ve ny anti-panahy nanome torohevitra azy ireo momba izay ataony rehefa miaraka? Inona no nahatonga an-dry zareo ho tafaraka tamin’io alina io? Efa nifanao fotoana mihitsy ve ry zareo? Sao dia tsy voatery niara-nijanona tao amin’ilay trano ry zareo tamin’io? Sa nisy zavatra tsy nampoizina nitranga na zavatra hafa maika be sady niankinan’ny aina nahatonga azy ireo tsy ho afa-nanoatra? (Mpito. 9:11) Taiza ry zareo no natory? Tsy voatery hitovy foana ny toe-javatra, ka mety hisy zavatra hafa ankoatra an’ireo mila dinihin’ny anti-panahy.

Rehefa fantatra tsara avy eo izay nitranga, dia hiara-hanapa-kevitra ny anti-panahy rehetra hoe hanangana komity mpitsara sa tsia.