“Iza no Momba An’i Jehovah?”
‘I Jehovah Andriamanitrao no tokony hatahoranao, izy no hotompoinao, ary izy no hifikiranao.’—DEOT. 10:20.
1, 2. a) Nahoana no hendry isika raha miandany amin’i Jehovah? b) Inona no hodinihintsika ato?
HENDRY isika raha mifikitra amin’i Jehovah. Izy mantsy no mahery sy manam-pahendrena ary manam-pitiavana indrindra. Azo antoka fa te hiandany aminy daholo isika. (Sal. 96:4-6) Nisy mpanompony tsy nanao an’izany anefa rehefa tena nilaina izany.
2 Nisy olona nilaza ho niandany tamin’i Jehovah nefa sady nanao zavatra nampahatezitra azy ihany. Hiresaka olona vitsivitsy nanao an’izany isika, ary handray lesona avy amin’izay nataon’izy ireo. Hanampy antsika tsy hivadika amin’i Jehovah izany.
MANDINIKA NY FO I JEHOVAH
3. Nahoana i Jehovah no nampitandrina an’i Kaina, ary inona no nolazainy taminy?
3 Eritrereto i Kaina. Tsy nanompo andriamani-kafa izy, fa i Jehovah ihany. Tsy nankasitrahan’i Jehovah anefa ny fanompoany, satria nisy fanirian-dratsy tao am-pony. (1 Jaona 3:12) Nampitandrina azy àry i Jehovah hoe: “Tsy hisandratra ve ianao raha mba miova ka manao ny tsara? Fa raha tsy miova mba hanao ny tsara kosa ianao, dia misy ota mamitsaka eo am-baravarana, ka ianao no tsiriritiny. Ary ianao kosa ve hahafehy azy?” (Gen. 4:6, 7) Toy ny nilaza tamin’i Kaina i Jehovah tamin’izay hoe: “Raha mibebaka ianao ka miandany amiko, dia hiandany aminao koa aho.”
4. Afaka niandany tamin’i Jehovah ihany i Kaina nefa inona no nataony?
4 Nankasitrahan’i Jehovah indray ny fanompoan’i Kaina, raha nanova ny toe-tsainy izy. Tsy niraharaha an’ilay torohevitra nomena azy anefa izy. Lasa nanao ratsy izy, satria nieritreri-dratsy ary ny faniriany no zava-dehibe taminy. (Jak. 1:14, 15) Tsy nieritreritra mihitsy angamba izy tamin’ny mbola tanora kokoa hoe hanohitra an’i Jehovah izy indray andro any. Lasa nikomy taminy anefa izy sady namono ny rahalahiny.
5. Inona no mety hahatonga ny Kristianina tsy hankasitrahan’i Jehovah?
5 Mety hanao hoatran’i Kaina koa ny Kristianina. Miseho ho manompo an’i Jehovah izy nefa manao zavatra halany. (Joda 11) Mazoto mivory sy manompo angamba izy. Manao zavatra ratsy koa anefa izy, ohatra hoe mieritreritra zavatra vetaveta, na manana faniriana tsy mety afa-po, na mankahala mpiara-manompo. (1 Jaona 2:15-17; 3:15) Mety hahatonga azy hanota izany. Tsy voatery hahafantatra ny ao an-tsainy sy izay ataony ny olona. I Jehovah kosa anefa mahita ny zava-drehetra, ka fantany tsara raha tsy miandany aminy amin’ny fo manontolo isika.—Vakio ny Jeremia 17:9, 10.
6. Raha miandany amin’i Jehovah isika, dia inona no hataony mba hanampiana antsika hifehy ny faniriantsika?
6 Na manao fahadisoana aza anefa isika, dia tsy tonga i Jehovah dia mieritreritra hoe tsy hiova intsony isika. Raha vao mitady hanao ratsy isika, dia miangavy antsika izy hoe: “Miverena amiko, dia hiverina aminareo aho.” (Mal. 3:7) Fantatr’i Jehovah hoe miady amin’ny fahalementsika isika, ary amin’ireny indrindra isika no tiany ho tapa-kevitra ny tsy hanao ratsy. (Isaia 55:7) Raha miezaka hoatr’izany isika, dia hanohana antsika izy. Hanome tanjaka antsika izy ary hanampy antsika ho be herim-po, amin’izay isika hahavita hifehy ny fanirian-dratsy ao amintsika.—Gen. 4:7.
“AZA MANAIKY HO VOAFITAKA”
7. Nahoana i Solomona no lasa tsy nifandray tsara tamin’i Jehovah?
7 Eritrereto indray i Solomona Mpanjaka. Niantehitra tamin’i Jehovah izy tamin’izy mbola tanora kokoa. Nataon’i Jehovah nanam-pahendrena be izy, ary nasainy nanorina an’ilay tempoly tsara tarehy tany Jerosalema. Lasa tsy nifandray tsara tamin’i Jehovah anefa izy. (1 Mpanj. 3:12; 11:1, 2) Voalaza mazava tsara tao amin’ny Lalàna hoe tsy tokony hanambady be dia be ny mpanjaka “sao hivily ny fony.” (Deot. 17:17) Tsy nankatò an’izany anefa i Solomona, fa nanambady vehivavy 700 niampy vadikely 300. (1 Mpanj. 11:3) Tsy Israelita ny ankamaroan’ireo vadiny ireo sady mpanompo sampy. Tsy nankatoavin’i Solomona koa àry ilay lalàn’i Jehovah hoe tsy azo atao ny manambady olona hafa firenena.—Deot. 7:3, 4.
8. Inona no zavatra faran’izay ratsy nataon’i Solomona?
8 Lasa nanao zavatra faran’izay ratsy i Solomona, rehefa nandika tsikelikely ny lalàn’i Jehovah. Nanamboatra alitara ho an’ilay andriamanibavy atao hoe Astarta izy. Nanaovany anankiray koa, fara fahakeliny, ilay andriamanitra hoe Kemosy. Tsy vitan’izay fa teo amin’ny tendrombohitra iray nifanandrify tamin’ny tempolin’i Jerosalema izy no nanorina an’ireo alitara ireo. Nanompo sampy teny niaraka tamin’ny vadiny izy. (1 Mpanj. 11:5-8; 2 Mpanj. 23:13) Nieritreritra angamba izy hoe nanao fanatitra tany amin’ny tempoly foana izy, ka tsy nampa ninona an’i Jehovah na tsy nankatò aza izy.
9. Inona no vokany rehefa tsy niraharaha ny fampitandreman’i Jehovah i Solomona?
9 Tsy hoe odian’i Jehovah tsy hita anefa ny ratsy ataon’ny olona. Hoy ny Baiboly: ‘Tezitra mafy tamin’i Solomona i Jehovah, satria ny fony niala taminy. Niseho taminy indroa izy, ary nandidy azy mba tsy hanao izany sy tsy hanaraka andriamani-kafa, nefa tsy nitandrina an’izany didy izany izy.’ Tsy nankasitraka sy tsy nanohana azy intsony àry i Jehovah. Tsy nanjaka tamin’ny firenen’Israely manontolo intsony koa ny taranany, sady nanana olana lehibe maro nandritra ny an-jatony taona.—1 Mpanj. 11:9-13.
10. Inona no mety hahatonga antsika tsy hifandray tsara amin’i Jehovah intsony?
10 Betsaka ny zavatra tena atahorana hanimba ny fifandraisantsika amin’i Jehovah. Mety hitranga izany raha minamana amin’ny olona tsy mahazo na tsy manaraka ny fitsipik’i Jehovah isika, toy ny nataon’i Solomona. Mety ho olona tsy mifandray tsara amin’i Jehovah no ataontsika namana ao amin’ny fiangonana. Mety hifandray be amin’ny olona tsy manompo an’i Jehovah koa isika, ohatra hoe havana, mpiray tanàna, mpiara-miasa, na mpiara-mianatra. Raha olona tsy mampihatra tsara ny fitsipik’i Jehovah anefa no ataontsika namana, na iza io na iza, dia mety tsy hifandray tsara amin’i Jehovah intsony isika amin’ny farany.
11. Ahoana no hahalalantsika raha namana tsara ny olona iray na tsia?
11 Vakio ny 1 Korintianina 15:33. Manana toetra tsara ny ankamaroan’ny olona, ary na ny olona anisan’ity tontolo ity aza tsy voatery hoe manao zavatra ratsy be. Mahafantatra olona hoatr’izany angamba ianao. Midika ve anefa izany hoe namana tsara izy ireny? Hifandray kokoa amin’i Jehovah ve ianao raha minamana aminy? Inona no tena zava-dehibe aminy? Inona no ambentin-dresany? Lamaody ve, sa vola sy harena, sa fitaovana elektronika, sa filma na zavatra hafa hoatr’izany? Manakiana olona foana ve izy, sa tia manao vazivazy vetaveta? Nampitandrina i Jesosy hoe: “Izay mameno ny fon’ny olona no lazain’ny vavany.” (Mat. 12:34) Manaova zavatra hentitra àry raha hitanao hoe mety hanimba ny fifandraisanao amin’i Jehovah ny namanao. Aza dia mifandray be loatra aminy intsony, na aza minamana aminy mihitsy raha izay no ilaina.—Ohab. 13:20.
MITAKY NY HANOMPOANA AZY IRERY IHANY I JEHOVAH
12. a) Inona no nolazain’i Jehovah tamin’ny Israelita, taoriana kelin’ny nialan’izy ireo tany Ejipta? b) Inona no navalin’ny Israelita azy?
12 Diniho koa izay nitranga taoriana kelin’ny nanafahana ny Israelita avy tany Ejipta. Eks. 19:16-19) Nilaza i Jehovah tamin’izay hoe izy irery ihany no tokony hotompoina. Nampanantena koa izy hoe tsy hivadika amin’izay tia azy sy mankatò ny didiny. (Vakio ny Eksodosy 20:1-6.) Toy ny nilaza tamin’ny Israelita izy hoe: “Hiandany aminareo aho raha miandany amiko ianareo.” Inona no ho nataonao raha teo ianao tamin’izay, dia naheno an’i Jehovah niteny an’izany? Azo antoka fa ho nanao hoatran’ny Israelita ianao. Niara-niredona izy ireo hoe: “Vonona hanao izay rehetra nolazain’i Jehovah izahay.” (Eks. 24:3) Nisy olana tsy nampoizina anefa taoriana kelin’izay, ka tsy mora tamin’ny Israelita ilay hoe tsy nivadika.
Teo anoloan’ny Tendrombohitra Sinay daholo izy ireo, dia nasehon’i Jehovah tamin’ny fomba niavaka hoe niaraka tamin’izy ireo teo izy. Nampisy rahona matevina be sy tselatra ary setroka izy, dia avy eo nampisy kotroka sy feo mafy be toy ny feon’anjombona. (13. Inona no zava-nitranga nisedra an’ireo Israelita?
13 Natahotra ny Israelita rehefa nahita an’ilay rahona matevina sy tselatra ary ireo zava-mahagaga hafa nataon’i Jehovah. I Mosesy àry no niangavian’izy ireo hampita ny tenin’i Jehovah tamin’izy ireo. Nanaiky i Mosesy ka nankany an-tampon’ny Tendrombohitra Sinay mba hiresaka tamin’i Jehovah. (Eks. 20:18-21) Ela be anefa izy tany, dia natahotra ny Israelita. Hoatran’ny hoe very tany an’efitra mantsy izy ireo, satria tsy teo intsony ilay mpitarika natokisany. Niantehitra be loatra tamin’ny mpitarika olombelona angamba izy ireo. Niteny tamin’i Arona àry izy ireo hoe: “Manamboara andriamanitra ho antsika hialoha lalana antsika, fa tsy fantatra mihitsy izay nanjo an’ilay Mosesy nitondra antsika niakatra avy tany Ejipta iny.”—Eks. 32:1, 2.
14. Inona no noeritreretin’ny Israelita? Inona no vokatr’izany tamin’i Jehovah?
14 Fantatry ny Israelita hoe fahotana ny manompo sampy, ary tena tsy tian’i Jehovah. (Eks. 20:3-5) Tsy ela taorian’ny nampahafantarana an-dry zareo an’izany anefa, dia nivavaka tamin’ny zanak’omby volamena izy ireo. Efa niharihary be izao hoe nanota ry zareo, nefa mbola nieritreritra ihany hoe tsy nivadika tamin’i Jehovah. I Arona aza nilaza mihitsy hoe nanao “fety ho an’i Jehovah” ry zareo rehefa nivavaka tamin’ilay zanak’omby. Tezitra be àry i Jehovah satria namadika azy izy ireo. Nilaza tamin’i Mosesy izy hoe ‘nanao ratsy’ ny vahoaka, ary ‘niala tamin’ny lalana nasainy naleha.’ Nieritreritra ny handringana an’ilay firenena manontolo mihitsy izy.—Eks. 32:5-10.
15, 16. Ahoana no nampisehoan’i Mosesy sy Arona fa niandany tanteraka tamin’i Jehovah izy ireo? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)
15 Namindra fo anefa i Jehovah, ka tsy noringaniny indray ny firenen’Israely. Navelany hampiseho izy ireo hoe tena te hiandany aminy. (Eks. 32:14) Rehefa nahita azy ireo nanaram-po nandihy sy nihira ary nihorakoraka teo anoloan’ilay sampy i Mosesy, dia nalainy ilay sampy ary notorotoroiny ho lasa vovoka. Niantsoantso izy avy eo hoe: “Iza no momba an’i Jehovah? Avia etỳ amiko!” Dia nankeny akaikiny daholo ny Levita.—Eks. 32:17-20, 26.
16 Marina fa i Arona no nanamboatra an’ilay zanak’omby volamena. Nibebaka anefa izy ary niandany tamin’i Jehovah toa an’ireo Levita hafa. Tsy hoe niandany tamin’i Jehovah fotsiny ireo lehilahy tsy nivadika ireo, fa nisaraka tanteraka tamin’ireo nanao ratsy koa. Nanao safidy tsara izy ireo. An’arivony mantsy no maty tamin’io andro io satria nanompo sampy. Tafavoaka velona kosa izay niandany tamin’i Jehovah. NaEks. 32:27-29.
mpanantena izy hoe hitahy azy ireo.—17. Inona no ianarantsika avy amin’izay nolazain’i Paoly?
17 Inona no lesona raisintsika avy amin’izay nataon’ny Israelita? Hoy ny apostoly Paoly: ‘Tonga anatra ho antsika izany, mba tsy ho tonga mpanompo sampy isika, toy ny sasany taminy. Nosoratana ho fampitandremana ho antsika izany, dia isika izay tratran’ny faran’ireo rafitra misy eto amin’ity tontolo ity. Koa izay mihevi-tena ho efa mijoro dia aoka izy hitandrina sao ho lavo.’ (1 Kor. 10:6, 7, 11, 12) Hita amin’ireo tenin’i Paoly ireo fa na ny mpanompon’i Jehovah aza mety hanao ratsy. Mety hisy Kristianina nanao ratsy nefa mieritreritra hoe mbola mankasitraka azy i Jehovah. Tsy hoe rehefa te ho naman’i Jehovah anefa ny olona iray, na milaza hoe tsy mivadika aminy, dia midika izany hoe ankasitrahan’i Jehovah izy.—1 Kor. 10:1-5.
18. Inona no mety hahatonga antsika hiala amin’i Jehovah, ary inona no mety ho vokatr’izany?
18 Hitantsika teo hoe natahotra ny Israelita rehefa ela be tany an-tendrombohitra Sinay i Mosesy. Mety hanahy hoatr’izany koa isika. Mety hieritreritra isika hoe hoatran’ny ela be ny andron’i Jehovah sy ny tontolo vaovao. Mety hieritreritra mihitsy aza isika hoe tsara loatra ny zavatra ampanantenain’i Jehovah, ka sao dia tsy ho tanteraka akory. Raha tsy mitandrina isika, dia mety hifantoka amin’izay tiantsika fotsiny, fa tsy amin’izay tian’i Jehovah. Mety hiala aminy isika amin’ny farany, ka hanao zavatra tsy ho nataontsika mihitsy tamin’isika mbola nifandray tsara taminy.
19. Inona no tokony hotadidintsika foana, ary nahoana?
19 Tokony hotadidintsika foana àry fa nilaza i Jehovah hoe tsy maintsy mankatò azy amin’ny fo manontolo isika, ary izy irery ihany no tokony hotompointsika. (Eks. 20:5) Rehefa tsy manao izay tian’i Jehovah isika, dia manao ny sitrapon’i Satana. Loza foana anefa no vokatr’izany. Hoy i Paoly: “Tsy afaka ny hisotro amin’ny kaopin’i Jehovah sy ny kaopin’ny demonia ianareo. Tsy afaka ny hihinana amin’ny ‘latabatr’i Jehovah’ sy ny latabatry ny demonia ianareo.”—1 Kor. 10:21.
MIFIKIRA AMIN’I JEHOVAH
20. Inona no ataon’i Jehovah na dia manao fahadisoana aza isika?
20 Misy itovizany ny tantaran’i Kaina sy Solomona ary ny Israelita. Samy afaka nibebaka sy niova izy rehetra ireo. (Asa. 3:19) Hita amin’izany fa rehefa misy mpanompon’i Jehovah manao fahadisoana, dia tsy tonga izy dia mieritreritra hoe tsy misy azo antenaina intsony ny aminy. Namela ny helok’i Arona, ohatra, izy. Mampitandrina antsika foana koa i Jehovah, ka ampiasainy amin’izany ireo tantara ao amin’ny Baiboly sy ireo boky aman-gazety ary ny mpiara-manompo amintsika. Raha manaraka an’ireny fampitandremana ireny isika, dia afaka matoky hoe hamindra fo amintsika i Jehovah.
21. Tokony ho tapa-kevitra ny hanao inona isika rehefa misy fisedrana?
21 Misy antony matoa i Jehovah maneho hatsaram-panahy tsy manam-paharoa amintsika. (2 Kor. 6:1) Manao an’izany izy satria tsy tiany hanao zavatra ‘mifanohitra amin’ny sitrapony’ isika. Tiany ‘handa ny fanirian’izao tontolo izao’ koa isika. (Vakio ny Titosy 2:11-14.) Raha mbola eto amin’ity tontolo ity koa isika, dia tsy maintsy hiatrika zava-tsarotra hahitana hoe i Jehovah irery ve no tompointsika sa tsia. Enga anie àry isika ho tapa-kevitra foana ny hiandany tanteraka amin’i Jehovah. Izy mantsy no ‘tokony hatahorantsika sy hotompointsika ary hifikirantsika.’—Deot. 10:20.