Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

An’i Jehovah Isika

An’i Jehovah Isika

“Sambatra ny firenena manana an’i Jehovah ho Andriamaniny, sy ny vahoaka nofidiny ho lovany.” —SAL. 33:12.

HIRA: 40, 50

1. Nahoana i Jehovah no azo lazaina hoe tompon’ny zava-drehetra? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

AN’I Jehovah ny zava-drehetra. Azy “ny lanitra, eny fa na dia ny lanitry ny lanitra sy ny tany mbamin’izay rehetra eo aminy aza.” (Deot. 10:14; Apok. 4:11) An’i Jehovah koa isika olombelona satria izy no namorona antsika. (Sal. 100:3) Nifidy olona sasany ho fananany manokana anefa i Jehovah.

2. Iza no resahin’ny Baiboly hoe fananan’i Jehovah manokana?

2 Milaza, ohatra, ny Salamo faha-135 hoe nofidin’i Jehovah ho “fananany manokana” ireo mpanompony tsy nivadika, tany Israely fahiny. (Sal. 135:4) Naminany koa i Hosea fa ho lasa vahoakan’i Jehovah ny olona sasany tsy Israelita. (Hosea 2:23) Tanteraka izany rehefa nifidy olona tsy Israelita i Jehovah mba hiara-manjaka amin’i Kristy. (Asa. 10:45; Rom. 9:23-26) Fananan’i Jehovah manokana izy ireo, satria voahosotry ny fanahy masina ary voafidy hiaina any an-danitra. Antsoina hoe “firenena masina” koa izy ireo. (1 Pet. 2:9, 10) Ary ahoana ny amin’ireo Kristianina tsy mivadika ankehitriny, izay manantena hiaina eto an-tany? Antsoin’i Jehovah hoe ‘olony’ sy ‘olom-boafidiny’ koa izy ireo.—Isaia 65:22.

3. a) Iza avy no manana fifandraisana manokana amin’i Jehovah ankehitriny? b) Inona no hodinihintsika ato?

3 “Andiany iray” ihany ireo “ondry vitsy” manantena hiaina any an-danitra sy ireo “ondry hafa” manantena hiaina eto an-tany. (Lioka 12:32; Jaona 10:16) Samy eken’i Jehovah ho olony izy ireo, ary avelany hanana fifandraisana manokana aminy. Azo antoka àry fa te hankasitraka an’i Jehovah isika noho izany tombontsoa miavaka izany. Hodinihintsika ato hoe inona avy no azontsika atao mba hampisehoana hoe mankasitraka azy isika.

MANOKAN-TENA HO AN’I JEHOVAH

4. Ahoana no azontsika ampisehoana hoe mankasitraka an’i Jehovah isika satria avelany hifandray akaiky aminy? Inona no nataon’i Jesosy?

4 Asehontsika an’i Jehovah hoe mankasitraka azy isika rehefa manokan-tena ho azy. Rehefa atao batisa kosa isika no mampiseho amin’ny olona rehetra hoe an’i Jehovah isika ary vonona hanao ny sitrapony. (Heb. 12:9) Hoatr’izany no nataon’i Jesosy tamin’izy natao batisa. Toy ny nilaza tamin’i Jehovah izy tamin’izay hoe: “Ny manao ny sitraponao no mahafinaritra ahy, Andriamanitra ô.” (Sal. 40:7, 8) Mbola nanolo-tena hanao ny sitrapon’i Jehovah ihany i Jesosy, na dia efa anisan’ny firenena voatokana ho an’Andriamanitra aza izy hatramin’ny vao teraka.

5, 6. a) Inona no tsapan’i Jehovah rehefa natao batisa i Jesosy? b) Milazà ohatra hanazavana fa na dia efa an’i Jehovah aza isika, dia faly izy rehefa manokan-tena ho azy isika.

5 Inona no tsapan’i Jehovah rehefa natao batisa i Jesosy? Hoy ny Baiboly: “Raha vao vita batisa i Jesosy, dia niakatra avy tao amin’ny rano. Ary nisokatra ny lanitra, ka hitan’i Jaona ny fanahin’Andriamanitra, nidina toy ny voromailala nankeo ambonin’i Jesosy. Injay koa nisy feo avy any an-danitra nanao hoe: ‘Io no Zanako malalako, izay sitrako.’” (Mat. 3:16, 17) Finaritra erỳ i Jehovah rehefa nahita ny Zanany nanokana ny fiainany manontolo mba hanaovana ny sitrapony, na dia efa fananany aza izy. Faly koa i Jehovah rehefa manokan-tena ho azy isika, ka hitahy antsika izy.—Sal. 149:4.

6 Eritrereto, ohatra, hoe misy lehilahy namboly voninkazo tsara tarehy be dia be tao an-jaridainany. Naka voninkazo iray tao ny zanany vavikely dia nomeny azy. Mety hieritreritra ve ilay dadany hoe: ‘Voninkazoko ihany ve no omeny ahy? Izaho ihany ange no namboly an’ity e!’ Tsy hieritreritra an’izany mihitsy ny ray be fitiavana. Ho faly be kosa izy handray an’ilay voninkazo satria porofo izany fa tia azy ilay zanany. Iny voninkazo iny aza no ho tiany kokoa noho ny voninkazo rehetra ao an-jaridainany. Faly be hoatr’izany koa i Jehovah, rehefa manokana ny fiainantsika manontolo isika mba hanompoana azy.—Eks. 34:14.

7. Ahoana no fiheveran’i Jehovah an’ireo manompo azy an-tsitrapo, araka ny voalazan’i Malakia?

7 Vakio ny Malakia 3:16. Mbola tsy nanokan-tena sy natao batisa ve ianao? Eritrereto hoe nahoana no tena ilaina izany. Marina fa vao nisy ianao dia efa an’i Jehovah, hoatran’ny olombelona rehetra. Tena ho faly anefa i Jehovah raha manokan-tena ho azy ianao sady manao ny sitrapony. Hasehonao amin’izany mantsy fa manaiky ianao hoe manana zo hitondra izy. (Ohab. 23:15) Mankasitraka an’izay manompo azy an-tsitrapo i Jehovah, ary soratany ao amin’ny “boky fahatsiarovana” ny anaran’izy ireo.

8, 9. Raha efa voasoratra ao amin’ilay “boky fahatsiarovana” ny anaran’ny olona iray, dia inona no takin’i Jehovah aminy?

8 Misy zavatra tokony hataontsika anefa raha efa voasoratra ao amin’ilay “boky fahatsiarovana” ny anarantsika. Nasongadin’i Malakia hoe mila “matahotra an’i Jehovah sy misaintsaina ny anarany” isika. Raha tsy i Jehovah no tiantsika indrindra sy hajaintsika fa olona na zavatra hafa, dia hesorina ao amin’ilay bokin’ny fiainana ny anarantsika.—Eks. 32:33; Apok. 3:5.

9 Tsy ampy àry ny mivoady amin’i Jehovah hoe hanao ny sitrapony ary avy eo atao batisa. Indray mandeha ihany mantsy isika no manao an’ireo, fa ny fanompoantsika an’i Jehovah mitohy foana. Tsy maintsy mankatò azy foana ny olona miandany aminy, na amin’izao na amin’ny hoavy ary mandrakizay mihitsy.—1 Pet. 4:1, 2.

MANDÀ NY FANIRIAN’IZAO TONTOLO IZAO

10. Inona no tokony hampiavaka ny olona manompo an’i Jehovah amin’ireo tsy manompo azy?

10 Nandinika ny tantaran’i Kaina sy Solomona ary ny Israelita isika tao amin’ilay lahatsoratra teo aloha. Nilaza ho nanompo an’i Jehovah izy ireo, nefa tsy nanao an’izany tamin’ny fony manontolo. Hitantsika tamin’ireny ohatra ireny hoe tsy maintsy tia ny tsara sy mankahala ny ratsy ny tena mpanompon’i Jehovah. (Rom. 12:9) Nilaza izy fa ho hita “ny tsy fitovian’ny marina sy ny ratsy fanahy, ary ny manompo an’Andriamanitra sy ny tsy manompo azy.”—Mal. 3:18.

11. Nahoana no tokony ho hitan’ny olona hoe tsy mivadika amin’i Jehovah mihitsy isika?

11 Misy fomba hafa koa azontsika ampisehoana hoe mankasitraka an’i Jehovah isika noho izy nifidy antsika ho mpanompony. Tokony “hiseho amin’ny rehetra” ny fandrosoantsika. (1 Tim. 4:15; Mat. 5:16) Eritrereto izao: ‘Hitan’ny olona ve hoe tsy mivadika amin’i Jehovah mihitsy aho? Mitady hevitra ve aho mba hampahafantarana ny olona hoe Vavolombelon’i Jehovah aho?’ Halahelo be i Jehovah raha menatra isika hilaza amin’ny olona hoe mpanompony, nefa izy aza efa nifidy antsika ho fananany.—Sal. 119:46; vakio ny Marka 8:38.

Hita tsara amin’ny fomba fiainanao ve hoe Vavolombelon’i Jehovah ianao? (Fehintsoratra 12, 13)

12, 13. Nahoana ny rahalahy sy anabavy sasany no tsy hita tsara intsony hoe Vavolombelon’i Jehovah?

12 Mampalahelo fa misy Kristianina manahaka ny toe-tsain’izao tontolo izao, ka lasa tsy miavaka tsara amin’ny olona tsy manompo an’i Jehovah. (1 Kor. 2:12) Mahatonga ny olona tsy hieritreritra afa-tsy izay tiany io toe-tsaina io. (Efes. 2:3) Be dia be, ohatra, ny torohevitra efa nomena antsika momba ny fitafiana sy taovolo. Mbola manao fitafiana tsy maotina sy taovolo tsy mendrika ihany anefa ny rahalahy sy anabavy sasany. Manao akanjo mifinjifinjy sy mampihanjahanja vatana izy ireny, na dia any am-pivoriana aza. Misy koa manao taovolo misarika maso be, na mampiavaka an’ity tontolo ity. (1 Tim. 2:9, 10) Inona no vokatr’izany? Mety tsy ho hita intsony izay hanavahana hoe mpanompon’i Jehovah ve izy sa “naman’izao tontolo izao.”—Jak. 4:4.

13 Misy zavatra hafa koa ahitana hoe tsy tena miavaka amin’ity tontolo ity ny Vavolombelon’i Jehovah sasany. Manao zavatra na fandihy tsy mety amin’ny Kristianina, ohatra, izy ireny rehefa misy fiarahana na fety. Hita amin’ny sariny apetrany ao amin’ny tranonkala fifaneraserana sy ny zavatra soratany ao koa hoe manana ny toe-tsain’ity tontolo ity izy. Tsy nanao fahotana lehibe izy ireny ka angamba tsy nomena fananarana. Mety ho voatarika hanahaka ny zavatra ataony anefa ny mpiara-manompo hafa miezaka mafy hitondra tena tsara.—Vakio ny 1 Petera 2:11, 12.

Aza avela hisy vokany aminao izay ataon’ny olona tsy miandany tsara amin’i Jehovah

14. Inona no tsy maintsy ataontsika raha te hifandray tsara amin’i Jehovah foana isika?

14 Manao izay ho afany ity tontolo ity mba hitaomana antsika hanatanteraka “ny fanirian’ny nofo sy ny fanirian’ny maso” ary ‘hampideradera fananana.’ (1 Jaona 2:16) Efa an’i Jehovah anefa isika, ka tsy manao zavatra ‘mifanohitra amin’ny sitrapony’ ary ‘mandà ny fanirian’izao tontolo izao.’ Mila ‘misaina tsara sy manao izay mahitsy ary mahafoy tena ho an’Andriamanitra’ koa isika, eto amin’ity tontolo ity. (Tit. 2:12) Tokony ho hitan’ny olona amin’izay rehetra ataontsika hoe an’i Jehovah isika. Tokony hiharihary amin’izay lazaintsika izany, na amin’ny fitafiana sy ny taovolontsika, na amin’ny fomba fiasantsika, na amin’ny fahazarantsika eo amin’ny resaka sakafo sy fisotroana.—Vakio ny 1 Korintianina 10:31, 32.

MIFANKATIA FATRATRA

15. Nahoana isika no tokony ho tsara fanahy sy ho be fitiavana amin’ny mpiara-manompo amintsika?

15 Ahoana koa no azontsika ampisehoana hoe mankasitraka an’i Jehovah isika satria avelany ho namany? Hita amin’ny fomba itondrantsika ny mpiara-manompo izany. An’i Jehovah koa mantsy izy ireny. Ho tsara fanahy sy ho be fitiavana amin’izy ireny foana isika raha mitadidy an’izany. (1 Tes. 5:15) Nilaza tamin’ny mpanara-dia azy i Jesosy hoe: “Raha mifankatia ianareo, dia izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo.”—Jaona 13:35.

16. Hazavao amin’ny ohatra fa tena tian’i Jehovah ny mpanompony.

16 Handinika ohatra isika mba hahitana hoe ahoana no tokony hitondrantsika ny mpiara-manompo amintsika. Natokana ho an’ny fanompoana an’i Jehovah ny fitaovana tao amin’ny tempoly, ary voalaza tao amin’ny Lalàn’i Mosesy ny fomba hikarakarana azy ireny. Voaheloka ho faty izay tsy nankatò an’izany. (Nom. 1:50, 51) Raha zavatra tsy mananaina aza nokarakarain’i Jehovah tsara sy nahasarotiny azy hoatr’izany, tsy mainka ve fa ny olona nofidiny sy nanokan-tena ho azy ary tsy mivadika aminy? Hoy izy tamin’ny vahoakany: “Izay mikasika anareo dia mikasika ny anakandriamasoko.”—Zak. 2:8.

17. Inona no voamarik’i Jehovah tsara?

17 Mandinika tsara ny fomba ifampitondran’ny mpanompony i Jehovah. Nilaza i Malakia hoe ‘mihaino tsara i Jehovah ka mandre’ an’izay resaka ifanaovan’izy ireo. (Mal. 3:16) “Fantatr’i Jehovah ny azy.” (2 Tim. 2:19) Fantany tsara ny zava-drehetra ataontsika sy izay teny tsirairay avoakan’ny vavantsika. (Heb. 4:13) Voamarik’i Jehovah àry izay ataontsika sy lazaintsika rehefa tsy tsara fanahy amin’ny mpiara-manompo isika. Matokia anefa fa voamariny koa rehefa mahay mandray vahiny isika, malala-tanana, tia mamela heloka, ary tsara fanahy.—Heb. 13:16; 1 Pet. 4:8, 9.

“TSY HAHAFOY NY OLONY I JEHOVAH”

18. Ahoana no ampisehoantsika hoe mankasitraka an’i Jehovah isika noho isika nofidiny ho vahoakany?

18 Voninahitra lehibe ny hoe an’i Jehovah, ka tena tiantsika haseho aminy hoe mankasitraka an’izany isika. Nanaiky ho fananany isika ka nampiseho an’izany rehefa nanokan-tena. Izany no safidy tsara indrindra nataontsika. Na dia miaina “eo anivon’ny taranaka tsy marina sy ratsy fanahy” aza isika, dia tiantsika ho hitan’ny olona hoe ‘tsy manan-tsiny sy madio’ isika, ka mamirapiratra toy ny “mpanazava eo amin’izao tontolo izao.” (Fil. 2:15) Tena tapa-kevitra isika hoe tsy hanao zavatra halan’i Jehovah mihitsy. (Jak. 4:7) Tia sy manaja ny mpiara-manompo amintsika isika, satria ekentsika hoe fananan’i Jehovah koa ry zareo.—Rom. 12:10.

19. Inona no valisoa omen’i Jehovah an’izay nofidiny ho fananany?

19 Mampanantena ny Baiboly hoe: “Tsy hahafoy ny olony i Jehovah.” (Sal. 94:14) Marina foana ireo teny ireo na inona na inona manjo antsika. Na ny fahafatesana aza tsy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’i Jehovah. (Rom. 8:38, 39) “Raha velona isika, dia velona ho an’i Jehovah, ary raha maty isika, dia maty ho an’i Jehovah. Koa na velona isika na maty, dia an’i Jehovah.” (Rom. 14:8) Mbola hovelominy indray ireo namany rehetra tsy nivadika efa nodimandry, ary tena tsy andrintsika izany. (Mat. 22:32) Na izao aza anefa isika dia efa mahazo fitahiana be dia be. Milaza ny Baiboly hoe: “Sambatra ny firenena manana an’i Jehovah ho Andriamaniny, sy ny vahoaka nofidiny ho lovany.”—Sal. 33:12.