Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Raha Fantatrareo Izany, dia Sambatra Ianareo Raha Manao Izany”

“Raha Fantatrareo Izany, dia Sambatra Ianareo Raha Manao Izany”

“Ny haniko dia ny manao ny sitrapon’ilay naniraka ahy sy ny mahavita ny asany.”​—JAONA 4:34.

HIRA: 80, 35

1. Tia tena ny olona eto amin’ity tontolo ity, ka inona no mety ho vokatr’izany eo amintsika?

NAHOANA no sarotra ny mankatò an’izay lazain’ny Baiboly? Satria mila manetry tena isika raha te hahavita an’izany. Tsy mora anefa ny manetry tena. “Andro farany” mantsy izao, ka be dia be ny olona ‘tia tena, tia vola, matin-kambo, manambony tena’, ary ‘tsy mahafehy tena.’ (2 Tim. 3:1-3) Fantatsika fa ratsy ireo toetra ireo. Hoatran’ny hoe sambatra sy tafita anefa indraindray ny olona tia tena, dia mety hitsiriritra ny fiainan’izy ireny isika. (Sal. 37:1; 73:3) Mety hieritreritra mihitsy aza isika hoe: ‘Tsy ho matiantoka ve aho raha izay hahasoa ny hafa aloha no eritreretiko izay vao ny ahy? Sao dia tsy hohajain’ny olona intsony aho raha manetry tena?’ (Lioka 9:48) Raha lasa tia tena hoatran’ny olona eto amin’ity tontolo ity anefa isika, dia mety tsy hifandray tsara amin’ireo rahalahy sy anabavy ao amin’ny fiangonana. Mety tsy ho hitan’ny olona koa hoe Kristianina isika. Mila mandinika ny nataon’ireo olona nanetry tena resahin’ny Baiboly àry isika, dia manao hoatran’ny nataon’izy ireny. Handray soa isika raha manao an’izany.

2. Inona no ho vokany raha mandinika ny nataon’ny mpanompon’i Jehovah taloha isika?

2 Eritrereto ireto fanontaniana ireto: Inona no nataon’ny mpanompon’i Jehovah taloha mba ho lasa namany sy hankasitrahany? Ahoana no nahazoan’izy ireny hery mba hanaovana ny sitrapony? Hatanjaka ny finoantsika, raha mamaky sy misaintsaina ny tantaran’ireny olona resahin’ny Baiboly ireny isika.

TSY AMPY NY MIANATRA

3, 4. a) Inona no ataon’i Jehovah mba hampianarana antsika? b) Nahoana no tsy ampy ny mianatra raha te hanana finoana matanjaka isika?

3 Manome torohevitra tsara be dia be sy mampiofana antsika i Jehovah. Manao an’izany izy amin’ny alalan’ny Baiboly, ny boky sy gazety, ny tranonkalantsika, ny Tele JW, ary ny fivoriana sy fivoriambe. Tsy ampy anefa ny mianatra, raha jerena ny tenin’i Jesosy ao amin’ny Jaona 4:34. Fa inona koa no ilaina? Hoy i Jesosy: “Ny haniko dia ny manao ny sitrapon’ilay naniraka ahy sy ny mahavita ny asany.”

4 Hoatran’ny misakafo ny manao ny sitrapon’Andriamanitra tamin’i Jesosy. Faly isika rehefa mihinana sakafo mahasalama, sady mihamatanjaka ny vatantsika. Lasa matanjaka hoatr’izany koa ny finoantsika, rehefa manao ny sitrapon’Andriamanitra isika. Efa nitranga taminao ve hoe reraka be ianao rehefa handeha hanatrika fivoriana alohan’ny fanompoana, nefa lasa maivamaivana sy faly erỳ rehefa avy nitory?

5. Inona no ho vokany raha hendry isika?

5 Hendry isika rehefa manao izay asain’i Jehovah ataontsika. (Jak. 3:13) Tsy ho matiantoka mihitsy isika raha hendry. Milaza ny Baiboly hoe “tsy misy afaka mifampitaha” amin’ny fahendrena “izay rehetra mahafinaritra” antsika. Voalaza ao koa hoe “hazon’aina ho an’izay mitana azy” ny fahendrena, “ary izay mifikitra aminy no atao hoe sambatra.” (Ohab. 3:13-18) Hoy i Jesosy tamin’ny mpianany: “Raha fantatrareo izany [izay asain’i Jesosy atao], dia sambatra ianareo raha manao izany.” (Jaona 13:17) Raha te ho sambatra foana àry izy ireo, dia tsy maintsy nanaraka foana an’izay nampianarin’i Jesosy sy nanaraka ny modely nomeny. Izay mihitsy no nataon’izy ireo.

6. Nahoana isika no mila mampihatra foana an’izay nianarantsika?

6 Tena mila mampihatra foana an’izay nianarantsika koa isika. Eritrereto ny olona iray mpanamboatra aotomobilina simba. Efa ela angamba izy no nanao an’io asa io. Mety hoe ampy fitaovana tsara koa izy sady tena mahay. Raha tsy tiany ho very anefa ny fahaizany, dia tokony hampiasainy foana. Hahavita asa tsara foana izy amin’izay. Hoatr’izany koa isika. Nahatsiaro ho sambatra erỳ angamba isika tamin’ny vao nianatra Baiboly, satria nampihatra an’izay nianarantsika. Mila manetry tena sy manaraka an’izay lazain’i Jehovah anefa isika isan’andro, raha te ho sambatra foana.

7. Inona no tokony hataontsika rehefa avy mandinika ny nataon’ireo olona resahin’ny Baiboly isika?

7 Sarotra indraindray ny manetry tena. Nisy mpanompon’i Jehovah taloha anefa nahavita an’izany foana, ka hojerentsika hoe ahoana no nataony. Horesahintsika koa izay azontsika atao raha te hanetry tena isika. Tsy ampy anefa ny mandinika an’ireo hevitra ireo. Eritrereto koa hoe ahoana no hampiharanao an’ilay izy, ary tonga dia ataovy izay tokony hatao.

TADIDIO HOE HOATR’ANTSIKA IHANY IZY IREO

8, 9. Inona no mampiseho hoe nanetry tena i Paoly, araka ny Asan’ny Apostoly 14:8-15? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

8 Tian’Andriamanitra ho voavonjy “ny karazan’olona rehetra”, ary tiany hanana “fahalalana marina tsara ny fahamarinana.” (1 Tim. 2:4) Ary ianao? Ahoana no fahitanao an’ireo olona mbola tsy mahalala ny fahamarinana? Nitory tamin’ny Jiosy ny apostoly Paoly, izany hoe tamin’ny olona efa nahafantatra an’i Jehovah. Nitory tamin’ny olona nanompo andriamanitra hafa koa anefa izy. Mety ho sarotra taminy ny nanetry tena rehefa nitory tamin’izy ireo izy. Nahoana?

9 Nankany Lystra niaraka tamin’i Barnabasy i Paoly, tamin’ny dia misionera voalohany nataony. Noheverin’ireo Lykaonianina nipetraka tany hoe Zeosy sy Hermesy, andriamanitr’izy ireo, izy roa lahy. Falifaly ve i Paoly sy Barnabasy fa nohindrahindrain’ny olona? Nieritreritra ve ry zareo hoe mba tsy mijaly intsony aloha, satria tena mafy ny nanjo azy tao amin’ireo tanàna roa vao avy notsidihiny? Nieritreritra ve ry zareo hoe mety hiely kokoa ny vaovao tsara satria malaza ry zareo izao? Tsy izany mihitsy! Tonga dia nandrovitra ny akanjony izy roa lahy ary nihazakazaka nankeo amin’ny vahoaka, sady niantsoantso hoe: “Fa maninona ianareo no manao izao? Olombelona tahaka anareo ihany ange izahay e!”—Asa. 14:8-15.

10. Nahoana i Paoly sy Barnabasy no nilaza fa hoatran’ireo Lykaonianina ihany ry zareo?

10 Rehefa nilaza i Paoly sy Barnabasy hoe hoatran’ireo Lykaonianina ihany ry zareo, dia tsy midika akory izany hoe nitovy tamin’ny an’ireo olona ireo ny fomba fivavahany. Te hilaza kosa izy roa lahy hoe olombelona tsy lavorary koa izy. Marina fa notendren’i Jehovah ho misionera ry zareo, ary voahosotry ny fanahy masina sady nanantena ho any an-danitra. (Asa. 13:2) Fantany anefa hoe afaka ny hahazo an’ireo tombontsoa ireo koa ny Lykaonianina, raha manaiky ny vaovao tsara.

11. Inona no hataontsika rehefa mitory, raha manetry tena hoatran’i Paoly isika?

11 Inona no azontsika atao raha te hanetry tena hoatran’i Paoly isika? Rehefa mahavita zavatra tsara isika satria ampian’i Jehovah, dia tsy tokony hanantena hoderaderain’ny olona sady tsy tokony hanaiky hatao an’izany. Mila mieritreritra koa isika hoe: ‘Ahoana no fahitako ny olona ao amin’ny faritaninay? Ahoana no ataoko amin’ireny karazan’olona tsy dia tian’ny fiaraha-monina ireny? Izaho koa ve manavakavaka azy ireny na dia tsy fanahy iniako aza?’ Rehefa mitory ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany, dia mijery hoe iza no mbola tokony handre ny vaovao tsara. Mety hahita olona miteny vahiny àry isika, dia lasa mianatra ny fiteniny sy miezaka hahalala ny fombany. Ambanian’ny fiaraha-monina ireny vahiny ireny indraindray. Tsy tokony hihevi-tena ho ambony noho izy ireny mihitsy anefa isika. Miezaka hahafantatra ny olona tsirairay kosa isika, amin’izay afaka manampy azy hanaiky ny vaovao tsara.

TONÒNY NY ANARANY REHEFA MIVAVAKA IANAO

12. Inona no manaporofo fa tsy tia tena i Epafra fa tena nitady izay hahasoa ny hafa?

12 Raha manetry tena sy manao izay lazain’i Jehovah koa isika, dia hivavaka ho an’ny mpiray finoana amintsika. (2 Pet. 1:1) Nanao an’izany i Epafra. Intelo ihany izy no voaresaka ao amin’ny Baiboly. Nisy fotoana izy niara-nigadra tamin’i Paoly tany Roma. Rehefa nanoratra ho an’ny Kristianina tany Kolosia i Paoly, dia nilaza hoe: ‘Mikely aina mandrakariva i Epafra mivavaka ho anareo.’ (Kol. 4:12) Nahafantatra tsara an’ireo mpiara-manompo ireo i Epafra, ary tena nitady an’izay hahasoa an-dry zareo. Mbola nahatsiaro azy ireo izy na dia nigadra aza. (Filem. 23) Tsy tia tena izy fa nivavaka ho an-dry zareo. Afaka mivavaka ho an’ny mpiara-manompo koa isika. Tena misy vokany ny vavaka hoatr’izany, indrindra rehefa tononintsika ny anaran’ilay olona.—2 Kor. 1:11; Jak. 5:16.

13. Inona no azonao atao raha te hanahaka an’i Epafra ianao?

13 Afaka mivavaka ho an’ny hafa hoatran’i Epafra koa ianao. Tonòny mihitsy ny anaran’ilay olona rehefa mivavaka ho azy ianao. Misy olona na fianakaviana tsy maintsy mandray fanapahan-kevitra lehibe angamba ao amin’ny fiangonanareo, na misy miady mafy mba tsy hanao ratsy. Maninona raha mivavaka ho azy? Azonao atao koa ny mivavaka ho an’ireo mpiara-manompo voaresaka ao amin’ny jw.org, ao amin’ilay hoe “Vavolombelon’i Jehovah Gadraina Noho ny Finoany.” (Jereo ao amin’ilay hoe VAOVAO > VAOVAO ARA-PITSARANA.) Tsy tokony hohadinointsika koa ny mivavaka ho an’ireo maty havana, na sahirana ara-bola, na mipetraka any amin’ny tany vao avy nisy loza na ady. Afaka mivavaka ho an’ny rahalahy sy anabavy be dia be àry isika, ary tena handray soa amin’izany izy ireo. Mieritreritra an’izay hahasoa ny hafa isika raha manao an’izany, fa tsy tia tena. (Fil. 2:4) Mihaino ny vavaka hoatr’izany i Jehovah.

TOKONY HO “MAILAKA HIHAINO” ISIKA

14. Nahoana isika no milaza fa i Jehovah no mahay mihaino indrindra?

14 Raha manetry tena koa isika, dia hihaino tsara rehefa misy olona miresaka amintsika. Milaza ny Jakoba 1:19 hoe tokony ho “mailaka hihaino” isika. I Jehovah no mahay mihaino indrindra. (Gen. 18:32; Jos. 10:14) Eritrereto, ohatra, ny resaka nifanaovany tamin’i Mosesy. (Vakio ny Eksodosy 32:11-14.) Namela an’i Mosesy hilaza an’izay tao am-pony izy, na dia tsy nila ny hevitr’i Mosesy aza. Marina fa nisy fotoana i Mosesy tsy nieritreritra tsara. Mbola naharitra nihaino azy foana anefa i Jehovah sady nanaraka ny teniny. Sarotra amintsika ny manao hoatr’izany. I Jehovah anefa maharitra mihaino an’izay olona rehetra mino azy sy mivavaka aminy.

15. Inona no azontsika atao raha te hanaja ny hafa hoatran’i Jehovah isika?

15 Manetry tena i Jehovah ka mihaino antsika. Izany no nataony tamin’i Abrahama, Rahely, Mosesy, Josoa, Manoa, Elia, ary Hezekia. Mila mieritreritra àry isika hoe: ‘Raha i Jehovah aza manao an’izany, dia tsy mba tokony hanao an’izany koa ve aho? Sao dia afaka miezaka kokoa aho mba hanaja ny mpiara-manompo rehetra, dia hihaino ny heviny? Maninona moa aho raha manaraka ny heviny raha tsara ilay izy? Iza izao no manana olana ao amin’ny fianakaviako na ao amin’ny fiangonana, ka mila mihaino azy aho? Ahoana no hanaovako an’izany?’—Gen. 30:6; Mpits. 13:9; 1 Mpanj. 17:22; 2 Tan. 30:20.

MAHITA NY MANJO ANAO I JEHOVAH

Hoy i Davida: “Avelao izy!” Mety ho nanao hoatran’i Davida koa ve ianao? (Fehintsoratra 16, 17)

16. Ahoana no nataon’i Davida Mpanjaka rehefa nampahatezitra azy i Simey?

16 Raha manetry tena koa isika, dia hahavita hifehy tena rehefa misy mampahatezitra. (Efes. 4:2) Nahavita an’izany i Davida. (Vakio ny 2 Samoela 16:5-13.) Niteny ratsy sy nitora-bato azy sy ny mpanompony i Simey, havan’i Saoly Mpanjaka. Afaka nanao zavatra i Davida, nefa naleony niaritra fotsiny. Inona no nanampy azy hifehy tena? Hitantsika ao amin’ny Salamo faha-3 ny valin’izany.

17. Inona no nanampy an’i Davida hifehy tena, ary inona no azontsika atao raha te hanao hoatr’azy isika?

17 Hitantsika amin’ireo teny mampiditra ny Salamo faha- 3 hoe “tamin’izy nandositra an’i Absaloma zanany” i Davida no nanoratra azy io. Miresaka an’ireo zava-nitranga ao amin’ny Samoela Faharoa toko faha-16 ny andininy voalohany sy faharoa ao amin’io Salamo io. Hita eo amin’ny andininy faha-4 hoe natoky an’i Jehovah i Davida, dia niteny hoe: “Hanandratra ny feoko hiantso an’i Jehovah aho, dia hamaly ahy avy any an-tendrombohiny masina izy.” Mila mivavaka hoatran’i Davida koa isika rehefa misy mampijaly. Homen’i Jehovah fanahy masina isika amin’izay, dia hahavita hiaritra an’izay mahazo antsika. Ahoana, ohatra, raha misy olona tezitra be aminao nefa ianao tsy naninona azy akory? Ho vitanao ve ny hifehy tena na hamela ny helony? Matoky ve ianao hoe mahita ny manjo anao i Jehovah, dia hanampy anao sy hamaly soa anao?

“NY FAHENDRENA NO ZAVA-DEHIBE INDRINDRA”

18. Inona no ho vokany raha manaraka foana an’izay tenenin’i Jehovah isika?

18 Raha fantatsika hoe inona no tokony hataontsika, ka hataontsika ilay izy, dia ho hendry isika ary hotahin’i Jehovah. Izany no mahatonga ny Baiboly hilaza hoe: “Ny fahendrena no zava-dehibe indrindra.” (Ohab. 4:7) Tsy ampy anefa ny hoe mahalala zavatra, raha te ho hendry isika. Ilaina koa ny mahay manapa-kevitra. Eritrereto ny vitsika. Hendry izy ireny rehefa jerena ny ataony. Amin’ny fahavaratra mantsy dia efa angoniny ny sakafo hilainy amin’ny ririnina. (Ohab. 30:24, 25) Manao izay mahafinaritra ny Rainy foana koa i Kristy, ary antsoina hoe “ny fahendren’Andriamanitra” izy. (1 Kor. 1:24; Jaona 8:29) Hamaly soa antsika i Jehovah, raha manetry tena foana isika ka manao izay tiany hataontsika. (Vakio ny Matio 7:21-23.) Miezaha mafy àry mba hanetry tena foana. Hanao hoatr’izany koa amin’izay ny olona ao amin’ny fiangonana. Mila manam-paharetana isika, satria mety ho elaela vao hahavita hanao izay tokony hatao. Raha manetry tena anefa isika ka manao an’izany, dia ho sambatra isika dieny izao sy ho mandrakizay.