Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ampianaro ny Marina ny Olona

Ampianaro ny Marina ny Olona

“Jehovah ô, ... fahamarinana no votoatin’ny teninao.”—SAL. 119:159, 160.

HIRA: 29, 53

1, 2. a) Inona no asa tena nifantohan’i Jesosy, ary nahoana? b) Inona no tsy maintsy ataontsika raha te hahavita hiara-miasa tsara amin’Andriamanitra isika?

MPANDRAFITRA i Jesosy Kristy, fa lasa mpampianatra ny Tenin’Andriamanitra izy tatỳ aoriana. (Mar. 6:3; Jaona 13:13) Tena nahay nandrafitra izy. Nianatra nampiasa fitaovana fandrafetana izy mba hanamboarana fanaka sy zavatra hafa. Tena nahay nampianatra koa izy. Nahalala tsara ny Soratra Masina izy, ary nampiasainy izany mba hanampiana ny olon-tsotra hahalala ny fahamarinana. (Mat. 7:28; Lioka 24:32, 45) Najanony mihitsy ilay asana mpandrafitra rehefa feno 30 taona izy. Naleony nitory momba ny Fanjakan’Andriamanitra. Fantany mantsy hoe izay no zava-dehibe kokoa. Nilaza izy hoe anisan’ny antony nanirahana azy ho etỳ an-tany izany. (Mat. 20:28; Lioka 3:23; 4:43) Ny fitoriana no zava-dehibe indrindra tamin’i Jesosy, ary nampirisika ny hafa hanao hoatr’izany koa izy.—Mat. 9:35-38.

2 Marina fa tsy mpandrafitra ny ankamaroantsika. Mpitory ny vaovao tsara anefa isika rehetra. Tena lehibe io asa io matoa i Jehovah mihitsy no mandray anjara amin’ilay izy. Antsoina hoe “mpiara-miasa” aminy isika. (1 Kor. 3:9; 2 Kor. 6:4) “Fahamarinana no votoatin’ny teninao”, hoy ny mpanao salamo momba ny Tenin’i Jehovah. (Sal. 119:159, 160) Manaiky an’izany koa isika, ka miezaka ‘hanazava ny tenin’ny fahamarinana amin’ny fomba marina tsara.’ (Vakio ny 2 Timoty 2:15.) Ataontsika foana àry izay hahaizana mampiasa tsara kokoa ny Baiboly. Izy io no tena ampiasaintsika, rehefa mampianatra ny marina momba an’i Jehovah sy Jesosy ary ilay Fanjakana isika. Misy fitaovana hafa koa anefa omen’ny fandaminana mba hahavitantsika tsara ny fanompoana. Fitaovana Fampianarana no iantsoantsika azy ireny, ary mila mizatra mampiasa tsara azy ireny isika.

3. Inona no tokony hifantohantsika amin’izao farany efa akaiky izao? Olona hoatran’ny ahoana no tadiavintsika, araka ny Asan’ny Apostoly 13:48?

3 Mety ho gaga ianao hoe maninona ilay izy no antsoina hoe Fitaovana Fampianarana fa tsy Fitaovana Fitoriana. Mampita hafatra isika rehefa mitory. Tsy mampita hafatra fotsiny anefa isika rehefa mampianatra. Manampy ny olona hahazo tsara an’ilay izy koa isika sady miezaka hanohina ny fony, amin’izay izy hampihatra an’izay nianarany. Efa kely sisa dia ho tonga ny farany. Ny hanomboka fampianarana Baiboly sy hampianatra ny olona ny fahamarinana àry no tena tokony hifantohantsika. Midika izany hoe tokony hiezaka mafy isika hitady an’ireo olona ‘manana toe-po tsara mba hahazoana fiainana mandrakizay.’ Mila ampiantsika ho lasa mpanompon’i Jehovah koa izy ireny.—Vakio ny Asan’ny Apostoly 13:44-48.

4. Inona no tokony hataontsika raha te hahita olona manana “toe-po tsara” isika?

4 Ahoana no hahalalantsika hoe ‘manana toe-po tsara mba hahazoana fiainana mandrakizay’ ny olona iray? Mila mitory isika, hoatran’ny tamin’ny taonjato voalohany ihany. Izay ihany no fomba hahitantsika an’ireny olona ireny. Nilaza i Jesosy hoe: “Any amin’izay tanàna na vohitra idiranareo, dia tadiavo izay mendrika ao.” (Mat. 10:11) Mila manaraka an’izany teniny izany isika. Ny olona tena liana amin’ny vaovao tsara sy manetry tena ary mangetaheta ny fahamarinana no tadiavintsika. Misy mantsy mody liana fotsiny. Misy koa manambony tena, na tsy tena te hahalala an’Andriamanitra. Tsy azo antenaina hoe hanaiky ny fahamarinana ny olona hoatr’izany. Hoatran’ny nataon’i Jesosy tamin’izy nandrafitra no ataontsika. Nandeha nitady an’izay hazo nety tsara aloha izy mba hanaovana fanaka, na varavarana, na zioga, na zavatra hafa. Naka ny fitaovany izy avy eo, dia nampiasa ny fahaizany ary niasa tamin’ilay hazo hitany. Hoatr’izany koa no tokony hataontsika rehefa manampy ny olona tena mitady ny fahamarinana.—Mat. 28:19, 20.

5. Nahoana no manana Fitaovana Fampianarana isan-karazany isika? Hazavao amin’ny ohatra. (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

5 Samy manana ny asany ny fitaovana tsirairay. Azo inoana hoe nanana fitaovana isan-karazany i Jesosy tamin’izy nandrafitra. * Tsy nitovy, ohatra, ny fitaovana nampiasainy rehefa nandrefy sy nanapaka ary nandavaka hazo. Hafa indray ny nampiasainy rehefa nanamboatra ny paozin’ilay hazo sy nijery hoe mahitsy tsara ve ilay izy. Mbola hafa koa aza ny nampiasainy rehefa nanambatra azy rehetra izy. Samy manana ny asany koa ny Fitaovana Fampianarana tsirairay ampiasaintsika, ary tena ilaina daholo izy ireny. Inona avy izany, ary ahoana no fampiasa azy?

FITAOVANA MAMPAHAFANTATRA ANTSIKA

6, 7. a) Tantarao ny fomba nampiasanao an’ilay karatra jw.org. b) Inona avy no zava-kendren’ilay fanasana hanatrika fivoriana?

6 Karatra jw.org. Kely ireo karatra ireo nefa tena mety mba hampahafantarana antsika sy hampirisihana ny olona hijery ny tranonkalantsika. Hahafantatra antsika bebe kokoa izy rehefa mijery ny jw.org. Afaka mangataka hianatra Baiboly mihitsy aza izy ao. Efa 400 000 mahery izao hatreto no nanao an’izany, ary mbola maharay fangatahana an-jatony isika isan’andro. Maninona raha mitondra karatra vitsivitsy isan’andro, dia manararaotra mitory amin’izay olona mihaona aminao?

7 Fanasana. Anisan’ny fitaovana ampiasaintsika koa ny fanasana hanatrika fivoriana. Sady mampahafantatra antsika hoe Vavolombelon’i Jehovah izy io, no manasa an’izay olona “mahatsapa fa mila an’Andriamanitra” mba hianatra Baiboly. (Mat. 5:3) Izao mantsy no voalaza ao: “Asaina ianao hianatra Baiboly miaraka amin’ny Vavolombelon’i Jehovah.” Afaka misafidy ilay olona na hanatrika fivoriana, na hisy olona hampianatra azy. Afaka mivory anefa izy, na dia tsy nanaiky hianatra Baiboly aza. Raha tonga mivory izy, dia ho hitany any hoe be dia be ny zavatra azony ianarana ao amin’ny Baiboly.

8. Nahoana no tokony hivory ny olona, na dia indray mandeha fotsiny aza? Manomeza ohatra.

8 Asao hanatrika fivoriana foana ny olona, na dia indray mandeha fotsiny aza. Tena ilaina izany. Raha mivory mantsy izy, dia ho hitany tsara hoe miavaka isika satria tena mampianatra ny marina ao amin’ny Baiboly, fa tsy hoatran’ny any amin’ny fivavahan-diso. (Isaia 65:13) Nahita an’izany mihitsy i Ray sy Linda, mpivady any Etazonia. Nanapa-kevitra ry zareo, taona vitsivitsy lasa izay, hoe mila mandeha miangona amin’izay. Nino an’Andriamanitra izy mivady sady te hahafantatra azy tsara. Nifanaraka izy roa hoe hoatran’ny ahoana ny fivavahana hotadiaviny. Tiany raha mba misy zavatra ianarany isaky ny mankany. Tiany koa raha hita amin’ny paozin’ny olona miangona ao hoe tena mpanompon’Andriamanitra ny ao. Be dia be ny fiangonana tao an-tanànany ary voatetin-dry zareo daholo, taona maromaro taorian’izay. Diso fanantenana fotsiny anefa ry zareo! Tsy nisy na inona na inona nianarany tany, sady nahamenatra be ny paozin’ny mpivavaka hitany. Rehefa avy tao amin’ny fiangonana farany noeritreretiny ry zareo, dia lasa niasa i Linda. I Ray indray lasa nody. Nahita Efitrano Fanjakana i Ray teny an-dalana, dia hoy izy: ‘Aleo hoe mba hojerena ny ato!’ Tsy diso fanantenana mihitsy izy. Tao no tsara indrindra! Falifaly be daholo ny olona nandray azy sady mihaja tsara ny paozin-dry zareo. Teny aloha indrindra izy no nipetraka, ary tiany be ny zavatra nianarany! Hoatran’ilay olona noresahin’ny apostoly Paoly izy tamin’izay. Vao indray mandeha ilay olona no nivory nefa niaiky hoe: “Tena eo aminareo tokoa Andriamanitra.” (1 Kor. 14:23-25) Lasa nivory foana i Ray isaky ny alahady. Nanatrika fivoriana andavanandro foana koa izy tatỳ aoriana. Nanomboka nivory koa i Linda. Nianatra Baiboly izy mivady ary natao batisa, na dia efa 70 taona mahery aza.

FITAOVANA MANAMPY ANTSIKA HANOMBO-DRESAKA

9, 10. a) Nahoana no tsotra kely ny mampiasa taratasy mivalona? b) Ahoana no azo ampiasana an’ilay taratasy mivalona hoe Inona ny Fanjakan’Andriamanitra?

9 Taratasy mivalona. Valo ny taratasy mivalona ananantsika. Mora ampiasaina izy ireo ary mety be mba hanombohana resaka. Tamin’ny 2013 ireo taratasy mivalona ireo no navoaka, ary dimy arivo tapitrisa teo ho eo izao no efa natao pirinty. Mahafinaritra be izy ireo! Rehefa hainao mantsy ny mampiasa ny anankiray, dia hainao koa ny mampiasa azy rehetra satria mitovy daholo ny paoziny. Ahoana no azonao atao mba hanombohana resaka amin’ny alalan’ny taratasy mivalona?

10 Ahoana, ohatra, raha ilay taratasy mivalona hoe Inona ny Fanjakan’Andriamanitra? no tianao hampiasaina? Asehoy an’ilay olona ny fanontaniana eo amin’ny pejy voalohany, dia anontanio izy hoe: “Efa mba nieritreritra ve ianao hoe inona izany Fanjakan’Andriamanitra izany? Aminao ve izy io...” Dia asaivo mifidy amin’ireo valiny telo izy avy eo. Aza miteny hoe marina na diso ny valin-teniny. Avadiho fotsiny ilay taratasy, dia vakio ny Daniela 2:44 sy ny Lioka 1:33, eo ambanin’ilay hoe “Inona no Lazain’ny Baiboly?” Tohizo ilay resaka raha mety, dia apetraho aminy ilay “Fanontaniana Hosaintsainina” hoe “Hanao ahoana ny fiainana rehefa hitondra ny tany ny Fanjakan’Andriamanitra?” Ao amin’ny faran’ilay taratasy mivalona no misy azy io. Ho afaka hiresaka an’izany indray ianareo amin’ny manaraka. Azonao resahina aminy koa amin’izay ny lesona faha-7 amin’ny bokikely Vaovao Tsara Natao ho Anao! Fitaovana manampy antsika hanomboka fampianarana Baiboly izy io.

FITAOVANA MANAMPY NY OLONA HINO NY BAIBOLY

11. Manampy ny olona hanao inona ny gazetintsika? Inona no mila fantarintsika mba hampiasana tsara azy ireny?

11 Gazety. Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza! no gazety miely indrindra sy adika amin’ny fiteny betsaka indrindra. Natao hahaliana ny olona isan-karazany ny lohateny eo amin’ny fonon’ireo gazety ireo, satria olona any amin’ny tany samy hafa no hamaky azy. Ampiasaintsika izy ireny mba hahatonga ny olona hieritreritra hoe inona no zava-dehibe indrindra eo amin’ny fiainana. Mila fantarintsika anefa aloha hoe natao ho an’iza ny Mifohaza! ary natao ho an’iza Ny Tilikambo Fiambenana. Izay olona tokony hahazo an’ilay izy amin’izay no homentsika azy.

12. a) Natao ho an’iza ny Mifohaza!, ary inona avy no tanjon’izy io? b) Efa nametraka Mifohaza! ve ianao dia nandray tsara ilay olona? Tantarao.

12 Mifohaza! Natao ho an’ny olona tsy dia mahay Baiboly na tsy mahay Baiboly mihitsy izy io. Tsy misy na inona na inona hainy momba an’izay nampianarin’i Jesosy angamba, na izy tsy matokitoky fivavahana, na tsy fantany hoe mahasoa azy ny Baiboly. Manampy ny olona ho resy lahatra ny Mifohaza! hoe tena misy Andriamanitra. (Rom. 1:20; Heb. 11:6) Izay no tena tanjony. Manampy ny olona koa izy io mba hino hoe tena “tenin’Andriamanitra” ny Baiboly. (1 Tes. 2:13) Izao no lohatenin’ireo Mifohaza! telo tamin’ity taona 2018 ity: “Inona no Tena Mahasambatra?”, “Torohevitra 12 Mahasambatra ny Fianakaviana”, ary “Inona no Hanampy Anao Hizaka ny Fahorianao?

13. a) Natao ho an’iza Ny Tilikambo Fiambenana ho an’ny besinimaro? b) Efa nametraka Tilikambo Fiambenana ve ianao dia nandray tsara ilay olona? Tantarao.

13 Ny Tilikambo Fiambenana ho an’ny besinimaro: Natao ho an’ny olona efa mino an’Andriamanitra sy ny Teniny izy io. Misy zavatra efa fantany ihany angamba ao amin’ny Baiboly, saingy tsy marina tsara ny fahazoany an’izay voalaza ao. (Rom. 10:2; 1 Tim. 2:3, 4) Manampy an’ireny olona ireny mba hahazo tsara an’izay lazain’ny Baiboly àry io gazety io. Namaly an’ireto fanontaniana ireto Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ity taona 2018 ity: “Mbola Mahasoa Antsika ve ny Baiboly?”, “Inona no Hitranga Amin’ny Hoavy?”, ary “Tia Anao ve Andriamanitra?

FITAOVANA MANAMPY NY OLONA HAZOTO HIANATRA BAIBOLY

14. a) Inona avy ireo video anisan’ny Fitaovana Fampianarana, ary ahoana no tokony hampiasantsika azy ireny? b) Efa nampiseho video tamin’olona ve ianao, dia nisy vokany tsara ilay izy? Tantarao.

14 Video. Fitaovana tsotra no nampiasain’ny mpandrafitra tamin’ny andron’i Jesosy. Efa mandeha amin’ny herinaratra anefa izao ny fitaovana sasany, ohatra hoe ny tsofa sy ny fandavahana ary ny fametahana fantsika. Hoatr’izany koa ny antsika. Tsy hoe zavatra vita pirinty fotsiny no ananantsika, fa manana video tena tsara koa isika. Anisan’ny Fitaovana Fampianarana ireto video efatra ireto: Nahoana Ianao no Tokony Hianatra Baiboly?, Ahoana no Atao Rehefa Mianatra Baiboly?, Inona no Atao any Amin’ny Efitrano Fanjakana?, ary ilay hoe Iza moa Izahay Vavolombelon’i Jehovah? Tsy mitovy ny halavan’izy ireo. Azo ampiasaina tsara amin’ny fitoriana izay video latsaka ny roa minitra amin’ireo. Izay lava kokoa indray azo ampiasaina raha manam-potoana ilay olona, na rehefa miverina mitsidika. Mety hazoto hianatra Baiboly sy hivory ny olona rehefa mijery an’ireo video ireo.

15. Inona no vokany rehefa ampisehoantsika video amin’ny fiteniny ny olona?

15 Nahita vehivavy avy any Mikronezia ny anabavy iray. Nasehon’ilay anabavy azy ilay video hoe Nahoana Ianao no Tokony Hianatra Baiboly? Tamin’ny teny yap ilay video no nasehony, satria izay no fitenin’ilay vehivavy. Rehefa nanomboka ilay izy, dia niteny ilay vehivavy hoe: “Oay! Teny yap izany e? Avy any aminay mihitsy izany lehilahy miteny izany! Ie, fiteninay izany.” Nilaza izy taorian’izay hoe hijery ny jw.org amin’ny fiteniny, dia hamaky ny lahatsoratra rehetra sy hijery ny video rehetra ao. (Ampitahao amin’ny Asan’ny Apostoly 2:8, 11.) Ny anabavy iray any Etazonia indray nanoratra tamin’ny zanak’anadahiny mipetraka any ampita. Nandefasany rohy izy mba hahitany an’ilay video amin’ny fiteniny, dia nojeren’ilay zanak’anadahiny ilay video. Voasakantsakana ny asa fitoriana any amin’ny tany misy azy. Nanoratra tamin’ilay anabavy anefa izy hoe: “Nameno fangatahana hianatra Baiboly tao amin’ny jw.org aho. Tena nampieritreritra ahy mantsy ilay hoe misy hery ratsy mifehy an’izao tontolo izao.”

FITAOVANA AMPIANARANA NY MARINA

16. Ahoana no azonao ampiasana ny bokikely: a) Mihainoa An’Andriamanitra dia Hiaina Mandrakizay Ianao? b) Vaovao Tsara Natao ho Anao!? d) Iza no Tena Manao ny Sitrapon’i Jehovah?

16 Bokikely. Tsy mahay mamaky teny tsara ny olona sasany, na vitsy ny bokintsika amin’ny fiteniny. Inona àry no azo atao mba hampianarana azy ireny ny fahamarinana?Fitaovana mety tsara amin’izany ny bokikely hoe Mihainoa An’Andriamanitra dia Hiaina Mandrakizay Ianao. * Tsara be koa ilay bokikely hoe Vaovao Tsara Natao ho Anao! raha te hanomboka fampianarana Baiboly. Asehoy an’ilay olona fotsiny ny lohatenin’ireo lesona 14 ao amin’ny faran’ilay bokikely, dia anontanio izy hoe iza amin’ireo no tena tiany horesahina. Tonga dia atombohy amin’izay lesona fidiny ilay fianarana. Efa nanandrana an’izany ve ianao rehefa nitsidika olona liana? Anisan’ny Fitaovana Fampianarana koa ny bokikely hoe Iza no Tena Manao ny Sitrapon’i Jehovah? Manampy ny mpianatra Baiboly mba hahalala ny fandaminan’i Jehovah izy io. Tokony hampiasa azy io isika isaky ny mampianatra. Manoro antsika ny fomba hanaovana an’izany Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana Martsa 2017.

17. a) Inona no tanjontsika rehefa mampianatra amin’ny boky Ianarana sy ny boky “Fitiavan’Andriamanitra”? b) Inona no tsy maintsy ataon’ny olona iray na dia efa vita batisa aza izy, ary nahoana?

17 Boky. Efa nanomboka nampianatra olona tamin’ny bokikely iray ve ianao? Tsy voatery hovitainareo hatramin’ny farany ilay bokikely, fa azo tonga dia tohizina amin’ny boky Inona no Azonao Ianarana ao Amin’ny Baiboly? na rahoviana na rahoviana. Ho azon’ilay olona kokoa ny fampianarana fototra ao amin’ny Baiboly amin’izay. Rehefa vita io boky io ka mandroso tsara izy, dia ilay boky hoe Mitoera ao Amin’ny Fitiavan’Andriamanitraindray ampianarana azy. * Ho hitany ao hoe ahoana no hampiharana ny toro lalan’ny Baiboly eo amin’ny fiainana andavanandro. Mila mamita an’ireo boky roa ireo ny olona iray, na dia efa vita batisa aza. Hatanjaka tsara ny finoany amin’izay, dia hahavita tsy hivadika amin’i Jehovah izy.—Vakio ny Kolosianina 2:6, 7.

18. a) Mampirisika antsika hanao inona ny 1 Timoty 4:16, ary inona no ho vokany raha manao an’izany isika? b) Inona no tokony ho tanjontsika rehefa mampiasa an’ireo Fitaovana Fampianarana isika?

18 Afaka ny hiaina mandrakizay ny olona raha manaiky ‘ny fahamarinan’ny vaovao tsara.’ Andraikitsika Vavolombelon’i Jehovah ny mampianatra azy ireo an’izany. (Kol. 1:5; vakio ny 1 Timoty 4:16.) Izany mihitsy no antony nanomezana antsika an’ireo Fitaovana Fampianarana. (Jereo ilay hoe “ Fitaovana Fampianarana.”) Miezaha àry hampiasa tsara azy ireo. Rehefa mahita olona liana ianao, dia afaka misafidy hoe iza amin’ireo no tianao hampiasaina ary rahoviana ilay izy no hampiasainao. Tsy tokony homentsika boky izay tsy te hihaino ny hafatra torintsika. Tsy ny hizara boky no tanjontsika, fa ny hanampy ny olona ho lasa mpianatr’i Jesosy. Izay ‘manana toe-po tsara mba hahazoana fiainana mandrakizay’ no tiantsika hampiana, izany hoe izay tena liana amin’ny vaovao tsara sy manetry tena ary mangetaheta ny fahamarinana.—Asa. 13:48; Mat. 28:19, 20.

^ feh. 5 Jereo ilay lahatsoratra hoe “Ilay Mpandrafitra” sy ilay efajoro hoe “Ny Fitaovan’ny Mpandrafitra”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Aogositra 2010.

^ feh. 16 Raha tsy mahay mamaky teny mihitsy ilay olona, dia asaivo manaraka ao amin’ilay bokikely Mihainoa An’Andriamanitra. Sary mantsy no tena betsaka ao.

^ feh. 17 Ilay boky hoe Aza Miala Aminʼny FitiavanʼAndriamanitra indray ampiasaina rehefa mivoaka izy io.