Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TANTARAM-PIAINANA

Nahay Nanao Safidy Aho dia Notahin’i Jehovah!

Nahay Nanao Safidy Aho dia Notahin’i Jehovah!

Taona 1939 tamin’izay. Nifoha tamin’ny misasakalina izahay, dia nandeha fiara adiny iray mahery nankany Joplin, any amin’ny faritra atsimoandrefan’i Missouri, any Etazonia. Nitety trano izahay rehefa tonga dia nizara taratasy mivalona. Nasisikay moramora teo am-baravaran’ny trano tsirairay ilay izy. Vitanay ilay faritany rehefa akaiky hiposaka ny masoandro. Nisisika tao anaty fiara izahay avy eo, dia namonjy an’ilay toerana nifanaovanay fotoana tamin’ny mpitory hafa. Tianao ho fantatra ve hoe maninona no tamin’ny misasakalina izahay no nitory, dia avy eo niala haingana hoatran’ny tsy teo? Aleo fa hotantaraiko.

FRED sy Edna Molohan no anaran’i Dada sy Neny. Tamin’ny 1934 ry zareo no niteraka ahy. Efa 20 taona ry zareo tamin’izany no Mpianatra ny Baiboly (Vavolombelon’i Jehovah), ary tena nazoto. Misaotra azy mivady aho satria nampiany ho tia an’i Jehovah. Tany Parsons, any amin’ny faritra atsimoatsinanan’i Kansas izahay no nipetraka. Voahosotra ny ankamaroan’ny mpiara-mivory taminay. Nivory foana izahay dia nitory foana koa. Tianay be ilay izy! Nitory teny an-dalana izahay matetika rehefa asabotsy tolakandro. Reraka ihany aloha izahay indraindray e! Nividianan’i Dada gilasy anefa izahay isaky ny avy nitory, dia faly erỳ.

Nisy tanàna kely maromaro sy toeram-pambolena be dia be tao amin’ny faritaninay. Nidadasika be ilay izy. Legioma na atody vao avy nalaina matetika no nomen’ny tantsaha anay, ho takalon’ny boky nomenay an-dry zareo. Indraindray aza akoho! Dia nataonay sakafo ireny, satria efa voaloan’i Dada ny vidin’ireo boky sy gazety.

EZAKA MANOKANA

Nahazo grafofaonina ry Dada sy Neny dia nentiny nitory ilay izy. Mbola kely loatra aho ka tsy afaka nampiasa an’ilay izy. Faly be anefa aho rehefa navela hanampy an-dry zareo handefa ny lahatenin’ny Rahalahy Rutherford, ohatra hoe rehefa nampianatra Baiboly na nitsidika olona liana.

Izaho sy Dada sy Neny, teo anoloan’ilay fiara nasiana fanamafisam-peo

Nasian’i Dada fanamafisam-peo ngezabe teo ambonin’ny fiaranay, ary nety be tamin’ny fanompoana ilay izy. Feon-kira matetika no nalefanay voalohany, amin’izay ny olona te hihaino. Avy eo izahay vao nandefa lahateny ara-baiboly. Nomenay boky avy eo izay liana.

Nisy zaridaina fitsangantsanganana izay tao Cherryvale, any Kansas. Be olona be tao rehefa alahady, dia nentin’i Dada tao ilay fiara. Niaraka taminy koa izahay sy Jerry. Zokinay izany Jerry izany. Tsy navelan’ny polisy hajanona tao amin’ilay zaridaina anefa ny fiaranay. Tsy nanisy olana tamin’izany i Dada, fa nafindrany teo ampitan’ilay zaridaina fotsiny ilay fiara, amin’izay maheno foana ny olona tao, dia notohiziny ihany ilay lahateny. Nahafinaritra be foana ny niaraka tamin’i Dada sy Jerry tamin’ireny.

Nisy ezaka manokana natao taloha kelin’ny 1940, mba hitoriana tany amin’ny faritany be mpanohitra. Nifoha tamin’ny alina be izahay, hoatran’ilay tany Joplin, dia nitety trano nizara taratasy mivalona na bokikely. Nasisikay moramora teo am-baravaran’ny trano tsirairay ilay izy. Nifanao fotoana tany ivelan’ny tanàna izahay isaky ny nahavita faritany. Teo no nahitana hoe nisy voasambotry ny polisy ve taminay.

Nisy fomba fitory hafa koa tamin’izany. Nilanja takelaka nisy soratra izahay sady nilahatra, dia nandeha eran’ny tanàna. Nahafinaritra be ilay izy! Nisy mpitory maromaro nanao hoatr’izany tao amin’ny tanànanay indray mandeha. Izao no soratra teo amin’ny takelaka nolanjainy: “Fandrika sy Fanambakana ny Fivavahana.” Tao aminay ry zareo no niainga, dia nandeha iray kilaometatra sy sasany teo ho eo, dia tao ihany no niverina. Soa ihany fa tsy nisy nanohitra mihitsy ry zareo teny an-dalana. Olona liana aza no betsaka.

NY FIVORIAMBE VOALOHANY NATREHIKO

Tany Texas izahay mianakavy matetika no namonjy fivoriambe. Nandeha lamasinina izahay, dia tsy nandoa vola satria mpiasan’ny lalamby i Dada. Nanararaotra namangy havana koa izahay rehefa tany. Nipetraka tany Temple, any Texas mantsy ny zokin’i Neny. Fred Wismar no anarany, dia Eulalie no vadiny. Nianatra Baiboly i Dadatoa Fred taorian’ny taona 1900, tamin’izy mbola tanora. Natao batisa izy tatỳ aoriana. Noresahiny tamin’ny iray tam-po aminy ny zavatra nianarany, dia izay no nahalalan’i Neny ny fahamarinana. Nahafantatra tsara an’i Dadatoa Fred ny mpiara-manompo tao amin’ny faritra afovoan’i Texas. Efa mpiandraikitra ny faritra tao mantsy izy taloha. Tsara fanahy izy sady falifaly foana, dia nahafinaritra be ny niaraka taminy. Nazoto be koa izy ary nisy vokany tamiko izany.

Nisy fivoriambe natrehinay koa tany Saint Louis, any Missouri tamin’ny 1941, dia nandeha lamasinina ihany izahay. Nisy toerana natokana ho an’ny tanora tany amin’ilay fivoriambe. Nanao lahateny ho an’ny tanora mantsy ny Rahalahy Rutherford. “Zanak’ilay Mpanjaka” no lohatenin’ilay izy. Niisa 15 000 mahery ny tanora tamin’izay. Nizarana an’ilay boky vaovao hoe Ankizy izahay rehefa tapitra ilay lahateny. Ny Rahalahy Rutherford sy rahalahy hafa no nizara an’ilay izy. Tsy nampoizinay ilay izy ary faly be izahay!

Nankany Coffeyville, any Kansas, indray izahay tamin’ny Aprily 1943, mba hanatrika an’ilay fivoriambe hoe “Antso ho Amin’ny Asa.” Tena niavaka io fivoriambe io. Nampandrenesina tamin’izay mantsy hoe hisy Sekolin’ny Fanompoana isaky ny fiangonana. Nivoaka tamin’io koa ny bokikely hampiasaina amin’ilay sekoly. Nisy lesona 52 ilay izy. Tamin’io taona io ihany aho dia nanomboka nanao sekoly. Tiako be koa iny fivoriambe iny satria tamin’iny aho no natao batisa. Tao anaty dobo tany amin’ny toeram-pambolena tsy lavitra teo izahay no naroboka. Nangatsiaka be ilay rano!

NY BETELA NO MBA NOFINOFIKO

Nahavita fianarana aho tamin’ny 1951, ka nila nieritreritra an’izay hataoko eo amin’ny fiainana. Ny hanompo any amin’ny Betela no mba nofinofiko, dia nandefa taratasy fangatahana aho. Efa niasa tany koa i Jerry taloha. Vetivety dia nekena ilay fangatahana, dia nanomboka nanompo tao amin’ny Betela tany Brooklyn aho, tamin’ny 10 Martsa 1952. Soa ihany aho fa nahay nanao safidy! Lasa afaka nanompo an’i Jehovah bebe kokoa mantsy aho.

Tiako raha mba tany amin’ny fanaovana pirinty aho no niasa. Ao mantsy no mamoaka boky sy gazety. Tsy nalefa tany mihitsy anefa aho. Nandroso sakafo no nasaina nataoko, dia avy eo aho nalefa tao an-dakozia. Nahafinaritra tao sady nianarako zavatra betsaka. Nety tsara tamiko koa ny fandaharam-potoana. Niasa alina mantsy izahay indraindray, dia nanam-potoana tsara aho nandritra ny andro. Nankany amin’ny efitra famakiam-bokin’ny Betela aho satria misy boky be dia be ao, dia tany aho no nianatra samirery. Nanatanjaka ny finoako izany sady nanampy ahy hifandray kokoa tamin’i Jehovah. Vao mainka aho tapa-kevitra hoe hanompo azy ato amin’ny Betela foana raha mbola azo atao. Efa tamin’ny 1949 i Jerry no niala tato amin’ny Betela, dia nanambady an’i Patricia. Nipetraka tsy lavitra an’i Brooklyn anefa ry zareo, dia afaka nanampy sy nampahery ahy foana. Mbola vaovao be tamiko mantsy ny Betela tamin’izany.

Nisy Betelita nirahina hitsidika fiangonana tamin’izany, dia nanao lahateny tany ry zareo sady niara-nitory tamin’ilay fiangonana. Teo amin’ny 320 kilaometatra nanodidina an’i Brooklyn ihany no nandefasana an-dry zareo. Tian’ny fandaminana hampiana ny isan’ireo mpandahateny mpitsidika ireo, tamin’izaho vao tonga kelikely, dia voafidy hanao an’ilay izy koa aho. Natahotra be aho tamin’izaho nanao lahateny voalohany. Adiny iray ilay izy tamin’izany. Nandeha lamasinina aho matetika rehefa nitsidika fiangonana. Tadidiko indray alahady tolakandro izay, tamin’ny 1954. Ririnina ny andro ary avy nanao lahateny tany amin’ny fiangonana iray aho, dia hody tany amin’ny Betela, any New York. Tokony ho tonga tany tamin’ny hariva ilay lamasinina nandehanako, nefa maty ny maoteran’ilay izy. Nisy tafio-drivotra mantsy, dia nangatsiaka be sady nisy lanezy. Efa alatsinainy tamin’ny dimy maraina izahay vao tonga tao New York. Nandeha lamasinina indray aho avy eo nankany Brooklyn. Vao tonga aho dia niasa tany an-dakozia. Tara kely aho sady vizana be, satria tsy natory mihitsy ny alina manontolo. Tsy nisy dikany tamiko anefa ny olana hoatr’ireny! Nahafinaritra be mantsy ny nanampy ny fiangonana. Faly be koa aho fa nahazo namana vaovao be dia be isaky ny nitsidika fiangonana hoatr’ireny.

Niomana hiteny tao amin’ny radio WBBR

Nasaina nandray anjara tamin’ny fianarana Baiboly tao amin’ny radio WBBR koa aho, nandritra an’ireo taona voalohandohany nanompoako tato amin’ny Betela. Tany amin’ny rihana voalohany tao amin’ny 124 Columbia Heights no nisy an’io radio io, ary natao isan-kerinandro ilay fandaharana. Nandray anjara tamin’ilay izy koa ny Rahalahy A. Macmillan matetika. Rahalahy Mac no fiantsoanay azy. Tena modely ho anay tanora tato amin’ny Betela izy. Efa ela mantsy izy no Betelita, ary niaritra olana be dia be nefa tsy nivadika mihitsy.

Taratasy nozarainay mba hampirisihana ny olona hihaino ny radio WBBR

Nasaina nanampy an’ireo nahavita Sekolin’i Gileada indray aho tamin’ny 1958. Rehefa notendrena ho misionera tany amin’ny tany iray ry zareo, dia izaho no nanampy an-dry zareo hahazo vizà sy nikarakara ny diany. Lafo be ny nandeha fiaramanidina, ka nandeha sambo ny ankamaroan’ireo voatendry hankany Afrika sy Azia. Nihamora anefa izany tatỳ aoriana, dia nalefa fiaramanidina ny ankamaroan’ny misionera.

Nanambatra ny diplaoman’ny mpianatry ny Sekolin’i Gileada, talohan’ny hizarana azy

NANAMPY AN’IREO HAMONJY FIVORIAMBE

Nisy fivoriambe iraisam-pirenena maromaro tany Eoropa tamin’ny 1961, dia izaho no nasaina nikarakara ny dia avy teto Etazonia handeha ho any, tamin’ny 1960. Nandeha fiaramanidina daholo izahay tamin’izay. Ilay tany Hambourg, any Alemaina, no natrehiko. Nisy Betelita telo niaraka tamiko taorian’ilay fivoriambe. Nanofa fiara izahay efa-dahy dia nankany Italia. Nitsidika ny biraon’ny sampan’i Roma izahay tany. Nankany Frantsa izahay avy eo, dia nandalo ny Tendrombohitra Pyrénées, ary tonga tany Espaina. Voarara ny asa fitoriana tany Espaina tamin’izany. Nahavita nizara boky sy gazety tamin’ny mpiara-manompo tany Barcelone ihany anefa izahay. Nofonosinay hoatran’ny fanomezana ilay izy, dia tsy fantatra mihitsy. Faly be izahay nahita an-dry zareo! Nankany Amsterdam izahay avy eo, dia nandray fiaramanidina niverina teto New York.

Nisy fivoriambe iraisam-pirenena koa natao tamin’ny 1963. “Vaovao Tsara Mandrakizay” no lohatenin’ilay izy. Natao tany Eoropa sy Azia ary Pasifika Atsimo ilay fivoriambe, ary avy eo tany Honolulu, any Hawaii. Mbola nisy koa tany Pasadena, any Kalifornia. Nisy rahalahy sy anabavy 583 voatendry hanatrika an’ireo fivoriambe rehetra ireo, dia nasaina nikarakara ny dian-dry zareo aho, herintaona talohan’izay. Nentina nitsidika an’i Liban sy Jordania koa ry zareo, amin’izay mahita an’ireo toerana resahin’ny Baiboly. Nikarakara ny dian-dry zareo ny sampan-draharaha nisy anay sady namandrika efitra ho an-dry zareo tany amin’ny hotely. Nampianay koa ry zareo mba hahazo vizà ho an’izay tany rehetra hotsidihiny.

NAHAZO NAMANA HIARA-DIA AMIKO

Nisy antony hafa koa nampiavaka ny taona 1963. Nanambady an’i Lila Rogers aho tamin’ny 29 Jona. Avy any Missouri izy, ary nanomboka nanompo teto amin’ny Betela tamin’ny 1960. Nandeha nitety an’ireo fivoriambe tany amin’ny tany samy hafa izahay, herinandro taorian’ny mariazinay. Nitsidika an’i Gresy sy Ejipta ary Liban koa izahay roa. Avy tao Liban izahay dia nandeha fiaramanidina nankany Jordania. Voasakantsakana ny fitoriana tany. Henonay hoe tsy mahazo vizà, hono, izay Vavolombelon’i Jehovah te ho any. Dia nieritreritra izahay hoe: ‘Inona re no hanjo antsika rehefa tonga any e?’ Gaga be anefa izahay fa nisy mpiara-manompo be dia be nitsena anay tao amin’ilay seranam-piaramanidina kely. Nilanja soratra ngezabe ry zareo hoe: “Tonga Soa ny Vavolombelon’i Jehovah!” Faly be koa izahay tany satria nahita an’ireo toerana resahin’ny Baiboly. Hitanay, ohatra, hoe taiza i Abrahama sy Isaka ary Jakoba no nipetraka, ary taiza i Jesosy sy ny apostoly no nitory. Hitanay koa hoe avy taiza ny Fivavahana Kristianina no nanomboka niely hatrany amin’ny faran’ny tany.—Asa. 13:47.

Efa 55 taona izao izahay sy Lila no nivady. Nanampy ahy foana izy na inona na inona fanompoana nasaina nataonay. Nitsidika an’i Espaina sy Portogaly imbetsaka izahay na dia voarara aza ny asa tany. Nankahery an’ireo mpiara-manompo tany izahay, dia nitondra boky sy gazety ary izay zavatra hafa nilain-dry zareo. Afaka nitsidika an’ireo rahalahy sasany nigadra tany Cadix, any Espaina, mihitsy aza izahay. Faly be aho hoe afaka nanao lahateny ho fankaherezana an-dry zareo.

Niaraka tamin’i Jerry sy Patricia Molohan, handeha hanatrika an’ilay fivoriambe hoe “Fiadanana Ambonin’ny Tany” (1969)

Tiako be ny nikarakara ny dian’ireo namonjy fivoriambe iraisam-pirenena, nanomboka tamin’ny 1963. Natao tany Afrika, Aostralia, Amerika Afovoany, Amerika Atsimo, Eoropa, Azia, Hawaii, Nouvelle-Zélande, ary Porto Rico izy ireny. Be dia be ny fivoriambe nahafinaritra anay mivady, ary tsy hohadinoinay mihitsy. Anisan’izany ilay tany Varsovie, any Polonina, tamin’ny 1989. Nisy rahalahy sy anabavy be dia be avy any Rosia tany, ary izay ry zareo vao nanatrika fivoriambe hatramin’izay. Nihaona tamina rahalahy sy anabavy efa nigadra noho ny finoany koa izahay tany. Nigadra nandritra ny taona maro ry zareo tany amin’ny Firaisana Sovietika.

Nitsidika biraon’ny sampana eran-tany koa izahay mba hampahery an’ireo Betelita sy misionera tany. Tiako be ilay izy! Ny sampan’i Korea Atsimo no notsidihinay farany. Niresaka tamina rahalahy 50 nigadra tany Suwon izahay tany. Tsy kivy mihitsy ry zareo, fa mbola manantena hoe tsy higadra intsony dia ho afaka hanompo tsara an’i Jehovah indray. Tena nankahery anay ny niaraka tamin-dry zareo.—Rom. 1:11, 12.

FALY IZAHAY FA MIHABETSAKA NY MPITORY

Tena mitahy ny mpanompony i Jehovah matoa mihabetsaka izy ireo. Iray hetsy teo ho eo fotsiny ny mpitory tamin’izaho natao batisa, tamin’ny 1943. Efa mihoatra ny valo tapitrisa anefa ny isan’izy ireo izao, ary tany 240 no efa misy mpitory. Nanampy be tamin’izany fitomboana izany ny misionera nanao Sekolin’i Gileada. Tena faly aho niara-niasa tamin’ny misionera be dia be, sy nanampy an-dry zareo hankany amin’ny faritaniny.

Soa ihany aho fa mbola tanora dia efa nisafidy ny hanompo an’i Jehovah bebe kokoa, ka nangataka hiasa tato amin’ny Betela. Notahin’i Jehovah foana aho hatramin’izay. Be dia be ny zavatra mahafinaritra anay sy Lila ato amin’ny Betela. Tena tianay koa ny niara-nanompo tamin’ny fiangonana sasany tany Brooklyn, nandritra izay 50 taona mahery izay. Nahazo namana be dia be tsy foinay mihitsy izahay tany.

Mbola manompo ato amin’ny Betela aho hatramin’izao. Manampy be ahy mantsy i Lila isan’andro. Efa 84 taona mahery aho izao, nefa mbola mahavita miasa tsara. Anisan’ireo mamaly sy mikarakara ny taratasy sy e-mail voarain’ny sampana aho.

Izahay mivady amin’izao

Tsy misy hoatran’ny fandaminan’i Jehovah mihitsy! Sambatra be aho hoe anisan’izy io. Mahafinaritra be koa ny mahita hoe miavaka ny mpanompon’i Jehovah. Vao mainka azontsika tsara izao ilay voalazan’ny Malakia 3:18 hoe: “Ho hitanareo indray ny tsy fitovian’ny marina sy ny ratsy fanahy, ary ny manompo an’Andriamanitra sy ny tsy manompo azy.” Miharatsy andro aman’alina ny tontolon’i Satana. Tsy manana fanantenana koa ny olona sady zara raha faly. Isika kosa tia an’i Jehovah sy manompo azy, ka sambatra na dia mafy aza ny fiainana. Manantena hoavy tena tsara isika. Faly isika miresaka amin’ny olona momba ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana. (Mat. 24:14) Tsy ho ela io Fanjakan’Andriamanitra io dia handringana an’ity tontolo ity, ka ho paradisa ny tany. Tsy andrintsika mihitsy izany! Ho tanteraka daholo izay nampanantenain’i Jehovah, anisan’izany ilay hoe ho salama tsara sy hiaina mandrakizay ny olona. Tena hankafy fiainana isika amin’izay!