Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Miezaha ho Tony Foana na dia Niova Aza ny Fiainanao

Miezaha ho Tony Foana na dia Niova Aza ny Fiainanao

‘Efa nampitony ny faniriako aho.’ —SAL. 131:2.

HIRA: 128, 129

1, 2. a) Inona no mety ho tsapantsika rehefa miova tampoka ny fiainantsika? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.) b) Inona no hanampy antsika ho tony foana, araka ny Salamo faha-131?

NALAHELO i Lloyd sy Alexandra tamin’ny voalohany, rehefa fantany hoe notendrena ho mpisava lalana ry zareo. Efa 25 taona mahery mantsy izy mivady no nanompo tao amin’ny Betela. Hoy i Lloyd: “Tiako be ny Betela sy ny asa nanendrena ahy tao, dia tsy nieritreritra hanao zavatra hafa intsony aho. Nekeko hoe nilaina ilay fanovana, fa rehefa nandeha ny fotoana dia matetika aho no nieritreritra hoe tsy nisy nilana ahy intsony. Niovaova be ny fihetseham-poko. Indraindray hoatran’ny hoe zakako ilay fiovana, nefa tampoka eo dia kivy aho.”

2 Mety hatahotra sy hiady saina isika rehefa miova tampoka ny fiainantsika. (Ohab. 12:25) Mety tsy heken’ny saintsika mihitsy aza ilay fiovana. Inona àry no hanampy antsika ho tony foana? (Vakio ny Salamo 131:1-3.) Andao hojerentsika hoe inona no nanampy ny mpanompon’i Jehovah taloha sy amin’izao mba ho tony foana, na dia niova aza ny fiainany.

MANAMPY ANTSIKA “NY FIADANAN’ANDRIAMANITRA”

3. Inona no nanjo an’i Josefa?

3 I Josefa no tian’i Jakoba indrindra tamin’ny zanany lahy rehetra. Lasa nialona be azy àry ny rahalahiny ka nivarotra azy ho andevo, tamin’izy 17 taona teo ho eo. (Gen. 37:2-4, 23-28) Nijaly be izy tany Ejipta satria andevo. Nisy fotoana koa izy nigadra. Tena tiany ny dadany nefa ry zareo nifanalavitra be. Niaritra an’izany rehetra izany izy nandritra ny 13 taona teo ho eo. Inona no nanampy azy tsy hamoy fo sady tsy hitana lolompo?

4. a) Inona no nosaintsainin’i Josefa tamin’izy nigadra? b) Ahoana no namalian’i Jehovah ny vavak’i Josefa?

4 Tsy maintsy ho nisaintsaina an’izay nataon’i Jehovah ho azy i Josefa, tamin’izy nijaly tao am-ponja. (Gen. 39:21; Sal. 105:17-19) Nanampy azy koa angamba ny nieritreritra an’ireo nofiny taloha. Nanome toky azy mantsy izany hoe ankasitrahan’i Jehovah izy. (Gen. 37:5-11) Mety ho imbetsaka izy no nilaza izay tao am-pony tamin’i Jehovah. (Sal. 145:18) Namaly ny vavak’i Josefa i Jehovah. Nataony izay hatokisan’i Josefa hoe ho eo foana izy hanampy azy, na inona na inona mitranga.—Asa. 7:9, 10. *

5. Inona no ho vokany raha manana “ny fiadanan’Andriamanitra” isika?

5 Ary ahoana ny amin’izao andro izao? Mampionona antsika koa “ny fiadanan’Andriamanitra”, ka lasa tony sy milamin-tsaina isika na dia sarotra aza ny mahazo antsika. (Vakio ny Filipianina 4:6, 7.) Tena ilaina àry ny mivavaka amin’i Jehovah rehefa mitebiteby be. Hankahery antsika “ny fiadanan’Andriamanitra” amin’izay, dia ho tapa-kevitra ny hanompo azy foana isika sady tsy hanary toky mihitsy. Handinika tantarana rahalahy sy anabavy vitsivitsy manaporofo an’izany isika izao.

MIVAVAHA AMIN’I JEHOVAH MBA HAMPIANY HILAMIN-TSAINA

6, 7. Inona no ho vokany raha resahintsika mazava tsara amin’i Jehovah izay ao am-pontsika? Manomeza ohatra.

6 Mpisava lalana manokana tsy maharitra i Ryan sy Juliette taloha. Nalahelo be izy mivady rehefa nilazana hoe tsy hanao an’izany intsony. Hoy i Ryan: “Tonga dia noresahinay tamin’i Jehovah ilay izy. Nohararaotinay iny fiovana iny mba hampisehoana taminy hoe mbola matoky azy foana izahay. Nivavaka izahay mba hampiany hanam-pinoana. Nisy olona vaovao be dia be mantsy tao amin’ny fiangonanay, dia te ho modely ho an-dry zareo izahay.”

7 Novalian’i Jehovah ny vavak’izy mivady. Hoy i Ryan: “Vao vita ilay vavaka, dia tsy nalahelo sy nitebiteby hoatran’ny teo aloha intsony izahay. Niaro ny fonay sy ny sainay ny fiadanan’Andriamanitra. Hitanay hoe ho azon’i Jehovah ampiasaina foana izahay raha mbola matoky azy.”

8-10. a) Ahoana no anampian’ny fanahin’Andriamanitra antsika rehefa misy mampitebiteby antsika? b) Inona no ataon’i Jehovah rehefa mifantoka amin’ny fanompoana foana isika?

8 Manampy antsika ho tony foana ny fanahin’Andriamanitra. Ataon’izy io koa izay hahitantsika andinin-teny manampy antsika hitadidy hoe inona no tena zava-dehibe. (Vakio ny Jaona 14:26, 27.) Eritrereto, ohatra, ny nanjo an’i Philip sy Mary. Efa ho 25 taona izy mivady no tao amin’ny Betela, nefa tsy nanompo tao intsony tatỳ aoriana. Maty ny maman’i Mary avy eo, dia maty koa ny maman’i Philip sy ny havany iray. Tao anatin’ny efa-bolana daholo izany no nitranga. Tsy vitan’izany fa nila nikarakara ny dadan’i Mary ry zareo, satria voan’ny aretin-tsaina izy.

9 Hoy i Philip: “Nieritreritra aho hoe nahavita niaritra, nefa tonga saina aho hoe tsy ampy izany. Namaky lahatsoratra fianarana tao amin’ny Tilikambo Fiambenana aho indray mandeha izay, dia nahita an’ilay Kolosianina 1:11. Azoko avy eo hoe tsy tena niaritra hoatran’ilay voalaza ao aho. Mbola nila niezaka aho mba hanam-paharetana sy ho faly rehefa miaritra. Nampahatsiahy ahy ilay andinin-teny hoe afaka ny ho faly foana aho. Tsy miankina amin’ny zava-mitranga eo amin’ny fiainako mantsy izany, fa miankina amin’ny hoe miasa amiko ve ny fanahin’Andriamanitra sa tsia.”

10 Tena notahin’i Jehovah i Philip sy Mary, satria niezaka nifantoka tamin’ny fanompoana foana. Vao niala kelikely tao amin’ny Betela izy mivady, dia nahita olona maromaro nazoto hianatra Baiboly. Te hianatra mihoatra ny indray mandeha isan-kerinandro daholo ry zareo, ary nandroso tsara. Hoy i Mary: “Faly be izahay nanana an’ireo mpianatra ireo. Hoatran’ny niteny taminay i Jehovah tamin’izay hoe: ‘Aza matahotra fa hilamina daholo ny zava-drehetra.’”

ATAOVY IZAY HITAHIAN’I JEHOVAH ANAO

Inona no azontsika atao raha te hanahaka an’i Josefa isika? (Fehintsoratra 11-13)

11, 12. a) Inona no nataon’i Josefa mba hahazoana ny fitahian’i Jehovah? b) Inona no fitahiana nomen’i Jehovah azy?

11 Inona no mety hitranga rehefa miova tampoka ny fiainantsika? Mety hanahy be isika, dia tsy hieritreritra afa-tsy ny olana mahazo antsika. Tsy nanao hoatr’izany i Josefa, na dia niova tampoka aza ny fiainany. Naleony kosa nanao izay tsara indrindra vitany mba hahazoana ny fitahian’i Jehovah. Tamin’izy nigadra, ohatra, dia nataony tsara izay asa nampanaovin’ny lehiben’ny fonja azy. Efa hoatr’izany koa no nataony tamin’izy niasa ho an’i Potifara.—Gen. 39:21-23.

12 Notendrena hiandraikitra gadra roa lahy i Josefa indray andro. Olona ambony niasa ho an’i Farao ry zareo taloha. Nanonofy izy roa lahy indray alina, ary nampiady saina an-dry zareo ilay izy. Tsara fanahy tamin’izy ireo i Josefa, dia sahin’izy ireo notantaraina taminy ilay nofy. (Gen. 40:5-8) Tsy nampoizin’i Josefa hoe iny resaka iny no hahatafavoaka azy avy tao am-ponja, roa taona taorian’izay. Tsy vitan’izany fa lasa manam-pahefana tao Ejipta izy, ary tsy nisy ambony noho izy afa-tsy i Farao.—Gen. 41:1, 14-16, 39-41.

13. Ahoana no hahazoantsika ny fitahian’i Jehovah, na inona na inona manjo antsika?

13 Misy zava-mitranga amintsika koa indraindray, dia tsy tena afa-manoatra isika, hoatran’ny tamin’i Josefa ihany. Hotahin’i Jehovah anefa isika raha manam-paharetana sady manao izay tsara indrindra vitantsika. (Sal. 37:5) Mety ho “very hevitra” isika indraindray, nefa tsy maintsy hisy “lalan-kivoahana” foana. (2 Kor. 4:8) Ho hitantsika hoe tena marina ireo tenin’ny apostoly Paoly ireo, indrindra raha mifantoka amin’ny fanompoana foana isika.

MIFANTOHA FOANA AMIN’NY FANOMPOANA

14-16. Inona no porofo hoe nifantoka tamin’ny fanompoana i Filipo, na inona na inona fiovana nisy teo amin’ny fiainany?

14 Modely ho antsika koa i Filipo, mpitory ny vaovao tsara. Nifantoka tamin’ny fanompoana foana izy, na dia niovaova be aza ny fiainany. Nisy fotoana, ohatra, izy voatendry hanao karazana fanompoana vaovao. (Asa. 6:1-6) Nenjehina mafy ny Kristianina tany Jerosalema tamin’izany, taorian’ny namonoana an’i Stefana. * Niparitaka niala tao àry ry zareo. Te hitory foana anefa i Filipo, dia lasa izy nankany Samaria. Mbola tsy nandre ny vaovao tsara mantsy ny ankamaroan’ny olona tany.—Mat. 10:5; Asa. 8:1, 5.

15 Vonona ho any amin’izay hitarihan’ny fanahin’i Jehovah azy i Filipo. Nampiasain’i Jehovah àry izy mba hitory tany amin’ny toerana mbola tsy nitoriana mihitsy. Tsy nanavakavaka ny Samaritanina izy. Nahafinaritra ny Samaritanina izany satria efa zatra nohambanian’ny Jiosy ry zareo. Tsy mahagaga àry raha be dia be no nihaino an’izay nolazain’i Filipo.—Asa. 8:6-8.

16 Notarihin’ny fanahin’i Jehovah hankany Asdoda sy Kaisaria i Filipo taorian’izay. (Asa. 8:39, 40) Be olona tsy jiosy tany amin’ireo tanàna ireo. Niova indray anefa ny fiainan’i Filipo, 20 taona teo ho eo taorian’ilay izy nitory voalohany tany Samaria. Lasa nanambady aman-janaka izy, ary nipetraka tany amin’ny faritany nitoriany. Nifantoka tamin’ny fanompoana foana anefa i Filipo, na inona na inona fiovana nitranga teo amin’ny fiainany. Notahin’i Jehovah foana izy mianakavy vokatr’izany.—Asa. 21:8, 9.

17, 18. Tena ilaina ny mifantoka amin’ny fanompoana rehefa misy fiovana eo amin’ny fiainana. Nahoana?

17 Raha mbola mifantoka amin’ny fanompoana ianao, dia ho faly foana na inona na inona fiovana eo amin’ny fiainanao. Be dia be ny mpanompo manontolo andro mahita hoe tena marina izany. Hoatr’izany mihitsy i Osborne sy Polite, mpivady avy any Afrika Atsimo. Betelita ry zareo taloha. Rehefa niala tao amin’ny Betela ry zareo, dia nieritreritra hoe vetivety dia hahita trano sy asa tapa-potoana. Hoy anefa i Osborne: “Tsy araka ny noeritreretinay fa elaela izahay vao nahita asa.” Nilaza koa i Polite hoe: “Tena mafy be tamin’izany. Tsy an’asa izahay nandritra ny telo volana, nefa tsy nanana tahirim-bola mihitsy.”

18 Inona no nanampy azy mivady? Hoy i Osborne: “Nitory niaraka tamin’ny fiangonana foana izahay, dia tsy variana nieritreritra olana fa nifantoka tamin’ny zavatra mahafinaritra. Naleonay nandeha nanompo toy izay hipetra-potsiny sy hitaintaina ao an-trano. Izany no nahatonga anay ho faly be. Nitady asa hatraiza hatraiza izahay, dia nahita ihany ny farany.”

MIANDRASA FOANA AN’I JEHOVAH

19-21. a) Inona no hanampy antsika ho tony foana? b) Inona no soa horaisintsika raha manaiky fiovana isika?

19 Hitantsika tamin’ny tantaran’ireo olona teo hoe afaka ny ho tony foana isika, raha manao izay tsara indrindra vitantsika sady miandry an’i Jehovah foana. (Vakio ny Mika 7:7.) Mety ho hitantsika mihitsy aza hoe lasa mifandray kokoa amin’i Jehovah isika rehefa manaiky an’ilay fanovana. Izany no tsapan’i Polite rehefa voatendry ho eny amin’ny saha izy mivady. Hoy izy: “Lasa haiko tsara izao hoe hoatran’ny ahoana ilay hoe tena miantehitra amin’i Jehovah rehefa ao anatin’ny mangidy indrindra. Akaiky azy kokoa aho izao.”

20 Mbola mpisava lalana foana izao i Mary, sady mbola mikarakara an’ilay dadany efa be taona. Izao no nolazainy: “Nianarako tamin’ireny hoe rehefa mitebiteby aho, dia mila mijanona mihitsy aloha, dia mivavaka, dia maka aina kely. Hitako koa hoe tokony hapetraka eo am-pelatanan’i Jehovah daholo ny zava-drehetra. Izay angamba no lesona lehibe indrindra nianarako. Sady tena hilaina izany amin’ny hoavy.”

21 Ary inona no nianaran’i Lloyd sy Alexandra? Nilaza ry zareo hoe tsy nampoiziny hitsapa ny finoany hoatr’izany ilay fiovana. Hitany koa anefa hoe tena nanampy azy ilay izy. Hoy ry zareo: “Rehefa misy zava-tsarotra vao tena hita hoe manam-pinoana ve ianao, ary matanjaka tsara ve izy io ka afaka manampy anao hizaka olana sy tsy ho kivy. Lasa tsara toetra kokoa ianao rehefa avy miatrika an’ilay izy.”

Tsy hay izay fiovana mety hitranga, nefa tsy ampoizina koa ny fitahiana homen’i Jehovah! (Fehintsoratra 19-21)

22. Inona no toky hananantsika raha miezaka manao izay tsara indrindra foana isika?

22 Tadidio foana hoe mikarakara anao i Jehovah, ary hanampy anao izy amin’ny fotoana mety. Tsy hiova mihitsy izany na dia miova be aza ny fiainanao, ohatra hoe voatendry hanao karazana fanompoana hafa ianao, na lasa marary, na lasa mila mikarakara fianakaviana. (Heb. 4:16; 1 Pet. 5:6, 7) Miezaha foana anefa hanao izay tsara indrindra vitanao. Mivavaha amin’ilay Rainao any an-danitra, dia avelao izy hikarakara anao. Ho tony foana ianao amin’izay, na inona na inona mitranga.

^ feh. 4 Lasa nanan-janaka i Josefa taorian’ny nanafahana azy tany am-ponja. Nataony hoe Manase ny anaran’ny zanany lahimatoa. Midika hoe “Ilay Mampanadino” ny hoe Manase. Fantatr’i Josefa mantsy hoe nampionona azy i Jehovah rehefa nanome azy an’io zanany io, ka hoy izy: “Efa nataon’Andriamanitra izay hanadinoako ny fahoriako rehetra.”—Gen. 41:51.

^ feh. 14 Jereo ilay lahatsoratra hoe “Fantatrao Ve?” ato amin’ity gazety ity.