Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

Tony be mihitsy i Stefana tamin’izy nenjehina. Ahoana no nataony?

NIJORO teo anoloan’ny olona be dia be tsy tia azy i Stefana. Mpitsara 71 tao amin’ny Fitsarana Avo Jiosy ireo olona ireo. Io no fitsarana tampony teo amin’ny Israely tamin’izany. Anisan’ny manam-pahefana ambony indrindra teo amin’ny Jiosy àry ireo lehilahy ireo. I Kaiafa Mpisoronabe no namory an-dry zareo. Vao volana vitsivitsy talohan’io izy no nitarika ny fitsarana an’i Jesosy sy nanameloka azy ho faty. (Mat. 26:57, 59; Asa. 6:8-12) Nifandimby niampanga an’i Stefana ireo vavolombelona mandainga nampiasain’ireo mpitsara. Gaga anefa izy rehetra satria tony be izy, ka hoatran’ny “tarehin’anjely” ny tarehiny.—Asa. 6:13-15.

Nampitebiteby be ny nahazo an’i Stefana, nefa izy tony foana. Fa inona no nanampy azy? Tena nazoto nanao ny asa nampanaovina azy izy sady niasan’ny fanahy masina, talohan’ny nitondrana azy an-keriny teo anatrehan’ilay fitsarana. (Asa. 6:3-7) Nanampy azy koa io fanahy masina io tamin’izy notsaraina, ary nampahatsiahy azy an’izay nianarany. (Jaona 14:16) Nampahatsiahy azy andinin-teny 20 mahery teo ho eo avy tao amin’ny Soratra Hebreo ny fanahy masina, tamin’izy niaro tena teo anatrehan’ilay fitsarana. (Jaona 14:26) Hitantsika ao amin’ny Asan’ny Apostoly toko faha-7 ny zavatra nolazainy tamin’izay, ary tena sahy izy. Tsy vitan’izay anefa fa nahazo fahitana koa i Stefana. Nahita an’i Jesosy teo ankavanan’Andriamanitra izy, ka vao mainka nihanatanjaka ny finoany.—Asa. 7:54-56, 59, 60.

Mety hisy handrahona sy hanenjika koa isika indray andro any. (Jaona 15:20) Hiasa amintsika anefa ny fanahin’i Jehovah, raha mamaky ny Teniny isika isan’andro ary mazoto mitory. Hahazo hery koa isika amin’izay sady ho tony foana.—1 Pet. 4:12-14.