Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Handeha Amin’ny Fahamarinanao Aho”

“Handeha Amin’ny Fahamarinanao Aho”

“Ampianaro ny lalanao aho, Jehovah ô! Handeha amin’ny fahamarinanao aho.”—SAL. 86:11.

HIRA: 31, 72

1-3. a) Ahoana no tokony ho fahitantsika ny fahamarinana? Hazavao amin’ny ohatra. (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.) b) Inona no hodinihintsika ato amin’ity lahatsoratra ity?

EFA fanao any andafy ny hoe mamerina ny entana novidina raha tsy afa-po amin’ilay izy. Vao mainka tsy misalasala manao an’izany ny olona, raha novidiny tao amin’ny Internet ilay izy. Tsy araka ny noeritreretiny angamba ilay entana, na misy simba, na tsy tiany fotsiny. Atakalony entana hafa ilay izy, na asainy averina ny volany.

2 Tsy mety raha ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly no atao hoatr’izany. Rehefa avy ‘nividy’ azy io isika, izany hoe nanao izay hahalalana ny marina, dia tsy ‘hamidintsika’ mihitsy izy io. (Vakio ny Ohabolana 23:23; 1 Tim. 2:4) Hitantsika teo aloha hoe nahafoy fotoana be isika mba hianarana ny fahamarinana. Mety ho niala tamin’ny asa be karama koa isika, na lasa tsy tian’ny fianakaviantsika sy ny namantsika. Nila nanova ny fomba fisainantsika sy ny fitondran-tenantsika koa angamba isika, ary niala tamin’ny fombafomba tsy tian’i Jehovah. Kely ihany anefa ireny zavatra nafointsika ireny, raha oharina amin’ny fitahiana azontsika.

3 Nampitovin’i Jesosy tamin’ny perla sarobidy be ny fahamarinana momba ny Fanjakan’Andriamanitra. Niresaka momba an’izany izy tao amin’ilay fanoharana momba ny mpivaro-mandeha. Vao nahita perla iray sarobidy ilay mpivarotra, dia namidiny “avy hatrany” ny fananany rehetra mba hividianana azy io. (Mat. 13:45, 46) Hoatr’izany koa isika tamin’ny vao nahalala ny marina, ohatra hoe ny marina momba ny Fanjakan’Andriamanitra. Sarobidy be amintsika ilay izy, ka tonga dia vonona hamoy ny zava-drehetra isika mba hahazoana azy io. Tsy hivarotra ny fahamarinana mihitsy isika, izany hoe tsy hiala amin’izy io mihitsy, raha sarobidy be amintsika foana izy io. Mampalahelo fa lasa tsy dia misy dikany amin’ny mpanompon’i Jehovah sasany ny fahamarinana, dia namidin’izy ireo. Tokony ‘handeha ao amin’ny fahamarinana foana’ isika, raha tsy te hanao an’izany. (Vakio ny 3 Jaona 2-4.) Midika izany hoe izy io no tokony ho zava-dehibe indrindra amintsika, ary tokony hampihatra an’izay nianarantsika isika. Inona anefa no mety hahatonga ny olona sasany hiala amin’ny fahamarinana? Inona no hanampy antsika tsy hanaonao foana hoatr’izany? Ary inona no hanampy antsika ho tapa-kevitra kokoa hoe ‘handeha ao amin’ny fahamarinana foana’?

NAHOANA NY FAHAMARINANA NO AMIDIN’NY OLONA SASANY?

4. Nahoana ny olona sasany tamin’ny andron’i Jesosy no nivarotra ny fahamarinana?

4 Tsy nandeha tao amin’ny fahamarinana intsony ny olona sasany tamin’ny andron’i Jesosy, na dia nanaiky ny fampianarany aza tamin’ny voalohany. Nanao fahagagana, ohatra, i Jesosy indray mandeha, mba hanomezana sakafo ho an’ny olona be dia be. Nanaraka azy teny ampitan’ny Ranomasin’i Galilia ireo olona ireo avy eo. Niteny tamin’izy ireo i Jesosy hoe: “Raha tsy mihinana ny nofon’ny Zanak’olona sy misotro ny rany ianareo, dia tsy manana fiainana ao anatinareo.” Taitra be ry zareo tamin’izay! Tsy nanontaniany akory ny tian’i Jesosy holazaina, fa tonga ry zareo dia niteny hoe: “Manafintohina izany teny izany. Iza no mahahaino izany? ... Maro tamin’ny mpianany àry no nihemotra, ka tsy niara-nandeha taminy intsony.”—Jaona 6:53-66.

5, 6. a) Nahoana ny olona sasany no niala tamin’ny fahamarinana? b) Inona no mety hahatonga ny olona iray hiala tsikelikely amin’ny fahamarinana?

5 Mampalahelo fa niala tamin’ny fahamarinana koa ny olona sasany amin’izao. Nahoana? Tsy nanaiky ny fanazavana vaovao nomen’ny fandaminana angamba izy, na tezitra tamin’ny tenin’ny rahalahy iray manana andraikitra na tamin’ny zavatra nataony. Misy koa sosotra rehefa nomena torohevitra avy ao amin’ny Baiboly. Ny hafa indray tsy nifandray tsara tamin’ny mpiara-manompo, na nino an’ireo mpivadi-pinoana na ny mpanohitra. Lasa niala tamin’i Jehovah sy ny fiangonana àry ny sasany tamin’izy ireny. (Heb. 3:12-14) Tsy ho nitranga mihitsy anefa izany, raha niezaka ny hanam-pinoana sy hatoky an’i Jesosy foana ry zareo, hoatran’ny apostoly Petera. Rehefa nanontanian’i Jesosy ny apostoly hoe te hiala koa ve ry zareo, dia tonga i Petera dia namaly hoe: “Tompo ô, hankany amin’iza moa izahay? Ianao no manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay.”—Jaona 6:67-69.

6 Misy indray niala tsikelikely tamin’ny fahamarinana, ary angamba tsy hitany akory izany. Hoatran’ny sambo mihataka tsikelikely amin’ny moron’ny renirano ny olona hoatr’izany. Milaza ny Baiboly hoe “voatarika hiala” izy. (Heb. 2:1) Tsy hoe manao fanahy iniana miala amin’ny fahamarinana izy, fa voatarika hiala satria ataony an-tsirambina ny fifandraisany amin’i Jehovah. Mety tsy hifandray amin’i Jehovah intsony izy raha tsy mitandrina. Inona no hanampy antsika tsy ho lasa hoatr’izany?

INONA NO HANAMPY ANTSIKA TSY HIVAROTRA NY FAHAMARINANA?

7. Inona no hanampy antsika tsy hivarotra ny fahamarinana?

7 Mila manaiky sy mankatò an’izay rehetra lazain’i Jehovah isika, raha te handeha ao amin’ny fahamarinana. Ny fahamarinana no tokony ho zava-dehibe indrindra amintsika, ary tokony hampihatra ny toro lalan’ny Baiboly isika. Niteny tamin’i Jehovah i Davida Mpanjaka hoe: “Handeha amin’ny fahamarinanao aho.” (Sal. 86:11) Tena tapa-kevitra izy hoe hanao an’izany foana, ary tokony ho hoatr’izany koa isika. Raha tsy tapa-kevitra tsara mantsy isika, dia mety hanembonembona an’ireo zavatra efa nafointsika. Mety ho tiantsika ho azo indray aza ny sasany amin’izy ireny. Tsy mety anefa izany, satria milaza ny Baiboly hoe tokony hampihatra ny “fahamarinana rehetra” isika. (Jaona 16:13) Andao isika izao handinika zavatra dimy mety ho efa nafointsika mba hividianana ny fahamarinana. Vao mainka isika amin’izay ho tapa-kevitra hoe tsy hitady an’ireny zavatra ireny indray.—Mat. 6:19.

8. Inona no mety hahatonga ny olona iray hiala tsikelikely amin’ny fahamarinana? Manomeza ohatra.

8 Fotoana. Mila mampiasa tsara ny fotoanantsika isika, raha tsy te hiala tsikelikely amin’ny fahamarinana. Raha tsy mitandrina mantsy isika, dia mety handany fotoana be loatra amin’ny fialam-boly sy ny tele ary ny Internet. Tsy hoe ratsy akory ireo. Mety ho lany amin’ireo anefa ny fotoana efa natokantsika hianarana samirery, na hanaovana zavatra hafa mifandray amin’ny fanompoana an’i Jehovah. Izany no nitranga tamin’ny anabavy atao hoe Emma. * Efa hatramin’ny mbola kely izy no tena tia soavaly. Nandeha nitaingina soavaly foana izy raha vao nahita hirika kely. Tsy mandry ny eritreriny tatỳ aoriana, satria lany fotoana be tamin’izany izy. Nandamina ny fotoanany àry izy, dia tsy variana tamin’ilay izy intsony. Nampahery be azy koa ny tantaran’i Cory Wells. * Manam-potoana kokoa hanompoana an’i Jehovah i Emma izao, sady afaka miaraka matetika kokoa amin’ny namany sy ny fianakaviany. Mpanompon’i Jehovah daholo ry zareo. Lasa akaiky kokoa an’i Jehovah i Emma izao, ary milamina ny eritreriny satria fantany hoe mety tsara ny fomba ampiasany ny fotoanany.

9. Inona no mety hahatonga antsika ho variana amin’ny vola sy harena, ka hanao an-tsirambina ny fanompoana an’i Jehovah?

9 Vola sy harena. Tsy tokony ho variana amin’izany koa isika, raha te handeha ao amin’ny fahamarinana foana. Tamin’isika vao nianatra ny fahamarinana, dia ny fanompoana an’i Jehovah no lasa zava-dehibe kokoa tamintsika noho ny vola sy harena. Faly mihitsy aza isika hoe nahafoy an’izany mba hanompoana azy. Rehefa mandeha anefa ny fotoana, dia mety hahatsiaro ho matiantoka isika na dia efa manana an’izay tena ilaina aza. Mahita olona mividy fitaovana elektronika farany na zavatra hafa angamba isika, dia lasa tsy afa-po amin’izay efa ananantsika. Mety hiezaka hahazo vola sy harena indray àry isika, dia hanao an-tsirambina ny fanompoana an’i Jehovah. Tadidio i Demasy. Tia “an’ity tontolo ity” izy, dia tsy niara-nanompo tamin’ny apostoly Paoly intsony. (2 Tim. 4:10) Mety ho ny vola sy harena no lasa tiany kokoa noho ny fanompoana an’i Jehovah. Tsy vonona hahafoy tena intsony koa angamba izy, nefa tena nilaina izany rehefa niaraka tamin’i Paoly. Inona no ianarantsika avy amin’izany? Mila mitandrina isika sao ho lasa tia harena hoatran’ny taloha indray. Raha izany mantsy no mitranga, dia ny harena indray no hibahana ao am-pontsika fa tsy ny fitiavana ny fahamarinana.

10. Inona no tokony hotandremantsika, raha te handeha ao amin’ny fahamarinana foana isika?

10 Fifandraisana amin’ny olon-kafa. Raha te handeha ao amin’ny fahamarinana foana koa isika, dia tsy tokony hanaiky hotaomin’ny olona hiala amin’izy io. Mety ho niova ny fifandraisanao tamin’ny havanao sy ny namanao, rehefa nanomboka nanompo an’i Jehovah ianao. Ny sasany angamba tsy sarotiny, fa ny hafa indray nanohitra. (1 Pet. 4:4) Marina fa miezaka ho tsara fihavanana sy ho tsara fanahy amin-dry zareo isika. Mila mitandrina anefa isika mba tsy hampandefitra ny fitsipik’i Jehovah, satria fotsiny hoe te hampifaly ny fianakaviantsika. Araka ny 1 Korintianina 15:33, dia olona tia an’i Jehovah ihany no tokony hataontsika namana.

11. Inona no hanampy antsika tsy hieritreri-dratsy sy tsy ho ratsy fitondran-tena?

11 Eritreri-dratsy sy fitondran-tena ratsy. Ny olona masina, izany hoe madio eo anatrehan’i Jehovah, no afaka mandeha ao amin’ny fahamarinana. (Isaia 35:8; vakio ny 1 Petera 1:14-16.) Nila niezaka nanaraka ny fitsipiky ny Baiboly isika tamin’ny vao nianatra ny fahamarinana, ary samy nila niova daholo. Nisy tamintsika aza nila niova be. Efa masina na madio isika izao, ka mila mitandrina mba tsy hiverina amin’ny fanao taloha. Raha izany mantsy, dia hoatran’ny hoe atakalontsika fomba fiaina ratsy sy maloto ilay fomba fiainantsika efa madio tsara. Inona àry no hanampy antsika tsy ho resin’ny fakam-panahy? Tadidio hoe ny Zanany mihitsy no nafoin’i Jehovah ho antsika! Mafy be taminy izany nefa nataony satria tiany ho masina isika. (1 Pet. 1:18, 19) Raha te hadio eo anatrehan’i Jehovah foana àry isika, dia tokony hitadidy tsara hoe sarobidy be ny sorom-panavotana.

12, 13. a) Nahoana no tena ilaina ny mitadidy hoe tsy ankasitrahan’i Jehovah ny fety sasany? b) Inona indray izao no hodinihintsika?

12 Fombafomba tsy tian’i Jehovah. Mety hasain’ny fianakaviana na ny mpiara-miasa na ny mpiara-mianatra hanao fety sy fombafomba tsy tian’i Jehovah isika. Inona no hanampy antsika tsy ho voatarik’izy ireny? Tokony hotadidintsika hoe nahoana no tsy tian’i Jehovah ilay fety na ilay fombafomba. Maninona raha karohina ao amin’ny bokintsika hoe ahoana no niandohan’ilay izy? Ho hitantsika amin’izay hoe inona no lazain’ny Baiboly. Rehefa mitadidy ny antony tsy anaovantsika an’ireny fety ireny isika, dia ho azontsika antoka hoe manao “izay ankasitrahan’ny Tompo” isika. (Efes. 5:10) Tsy hatahotra olona isika raha matoky an’i Jehovah sy izay lazain’ny Teniny.—Ohab. 29:25.

13 Tsy hoe vetivety fotsiny ny hoe mandeha ao amin’ny fahamarinana, fa tokony hitohy mandrakizay. Inona àry no hanampy antsika ho tapa-kevitra kokoa hoe tsy hiala amin’izy io? Handinika zavatra telo hanampy antsika amin’izany isika izao.

AZA MIALA AMIN’NY FAHAMARINANA MIHITSY

14. a) Nahoana isika no mila mianatra Baiboly foana, raha tsy te hivarotra ny fahamarinana mihitsy? b) Nahoana isika no mila fahendrena sy fananarana ary fahiratan-tsaina?

14 Voalohany, ianaro foana ny Baiboly ary saintsaino tsara izay ianaranao. Manokàna fotoana hanaovana an’izany matetika. Ho tianao kokoa ny fahamarinana amin’izay, ary vao mainka ianao ho tapa-kevitra ny tsy hivarotra azy io mihitsy. Tsy ampy anefa ny hoe mahalala ny marina, fa mila mampihatra azy io koa isika. Tsy ny fahamarinana ihany no asaina vidintsika, fa “ny fahendrena sy ny fananarana ary ny fahiratan-tsaina” koa. (Ohab. 23:23) Ny “fahiratan-tsaina”, ohatra, manampy antsika hahita hoe mifanaraka tsara daholo izay lazain’i Jehovah. Ny “fahendrena” indray manampy antsika hampihatra an’izay nianarantsika. Toy ny hoe ‘mananatra’ antsika koa anefa ny fahamarinana. Rehefa mianatra azy io mantsy isika, dia mahita izay tokony hahitsy. Sarobidy noho ny volafotsy izany anatra izany, ka miezaha foana hampihatra an’izay nianaranao.—Ohab. 8:10.

15. Inona no tokony hataontsika raha tiantsika hiaro antsika ny fahamarinana?

15 Faharoa, tokony ho tapa-kevitra tsara ianao hoe hampihatra ny fahamarinana foana isan’andro. Oharina amin’ny fehikibo nanaovan’ny miaramila ny fahamarinana. (Efes. 6:14) Niaro ny andilana sy ny taovan’ny miaramila ny fehikibony. Tsy maintsy notereny tsara anefa ilay izy, raha tsy izany izy tsy ho voaro. Hoatr’izany koa no tokony hataontsika. Mila manaraka tsara ny fahamarinana isika, mba tsy hanana hevi-diso ary hahay hanapa-kevitra. Vao mainka ho tapa-kevitra ny hanao ny tsara isika amin’izay, rehefa misy fakam-panahy na olana lehibe. Nanao fehikibo foana ny miaramila rehefa hiady. Tsy hesorintsika mihitsy koa ny fehikibontsika sady tsy havelantsika ho goragora, izany hoe hiezaka hampihatra an’izay nianarantsika isika isan’andro. Natao ho fitoeran-tsabatra koa ny fehikibon’ny miaramila. Izany indray izao no horesahintsika.

16. Nahoana isika no mila mampianatra ny fahamarinana, raha te ho tapa-kevitra hoe handeha ao amin’ny fahamarinana foana?

16 Fahatelo, mazotoa mampianatra ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Rehefa manao an’izany isika, dia toy ny miaramila mihazona tsara ny sabatra ampiasainy. Oharina amin’ny sabatra mantsy ny Tenin’Andriamanitra. (Efes. 6:17) Afaka miezaka daholo isika mba hahay hampianatra kokoa, ka ‘hanazava ny tenin’ny fahamarinana amin’ny fomba marina tsara.’ (2 Tim. 2:15) Rehefa mampiasa Baiboly isika mba hanampiana ny olona hahalala ny marina sy tsy hino hevi-diso, dia vao mainka tiantsika sy miraikitra ao an-tsaintsika ny tenin’i Jehovah. Manampy antsika izany mba ho tapa-kevitra kokoa hoe handeha ao amin’ny fahamarinana foana.

17. Nahoana ny fahamarinana no sarobidy aminao?

17 Avy amin’i Jehovah ny fahamarinana ary tena sarobidy. Tsy ho afaka hifandray aminy mihitsy isika, raha tsy nomeny azy io. Izao anefa isika lasa namany, ary tsy misy sarobidy noho izany. Betsaka ny zavatra efa nampianarin’i Jehovah antsika, kanefa vao santatra am-bava rano ireny. Mampanantena izy fa hampianatra antsika foana mandrakizay. Aza hadinoina àry hoe toy ny perla sarobidy be ny fahamarinana. “Vidio” foana izy io ary “aza amidy” mihitsy! Ho vitanao amin’izay ny hanatanteraka an’ilay tenin’i Davida tamin’i Jehovah hoe: “Handeha amin’ny fahamarinanao aho.”—Sal. 86:11.

^ feh. 8 Novana ny anarana.

^ feh. 8 Midira ao amin’ny Tele JW, ary jereo ilay hoe FANADINADINANA SY FITANTARANA > MANOVA OLONA NY FAHAMARINANA.