Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 6

Aza Mivadika Mihitsy!

Aza Mivadika Mihitsy!

“Tsy hanaiky hivadika mihitsy aho, mandra-pahatapitry ny aiko.”—JOBA 27:5.

HIRA 34 Tsy Hivadika Mandrakizay Aho

HO HITANAO ATO *

1. Inona no nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah telo mba tsy hivadihana amin’i Jehovah?

ERITRERETO hoe Vavolombelon’i Jehovah no niaina an’ireto: 1) Asain’ny mpampianatra mandray anjara amin’ny fety iray ny mpianatra rehetra. Fantatry ny ankizivavy iray anefa hoe tsy tian’i Jehovah ilay izy ka tsy nanao izy. 2) Mitory isan-trano ny ankizilahy iray saro-kenatra. Tonga saina izy hoe ilay mpiara-mianatra aminy naneso Vavolombelon’i Jehovah no ao amin’ilay trano manaraka. Nandondòna tao ihany anefa izy. 3) Miasa mafy ny lehilahy iray mba hamelomana ny vady aman-janany. Asain’ny mpampiasa azy manao zavatra tsy manara-dalàna anefa izy. Tsy nanaiky izy na dia fantany aza hoe mety horoahina. Nohazavainy tamin’ilay mpampiasa azy hoe tsy maintsy manao ny marina sy manara-dalàna foana izy, satria izany no takin’Andriamanitra.—Rom. 13:1-4; Heb. 13:18.

2. Inona avy ny fanontaniana hodinihintsika ato, ary nahoana izany no tokony hodinihina?

2 Voamarikao angamba hoe manana toetra tsara maromaro izy telo, ohatra hoe be herim-po sy manao ny marina. Misy toetra iray miavaka be anefa ananan’izy ireo, dia ny hoe samy tsy nivadika tamin’i Jehovah. Tsy nety nandika ny fitsipik’Andriamanitra izy ireo satria tsy te hivadika aminy. Azo antoka hoe mahafaly an’i Jehovah ny mahita olona hoatr’izany. Isika koa te hampifaly an’ilay Raintsika any an-danitra. Andao àry hodinihintsika ireto fanontaniana ireto: Ahoana izany hoe tsy mivadika? Nahoana no tena ilaintsika io toetra io? Inona no tokony hataontsika mba ho tapa-kevitra ny tsy hivadika mihitsy amin’izao fiainana sarotra izao?

AHOANA IZANY HOE TSY MIVADIKA?

3. a) Ahoana no ampisehoan’ny mpanompon’Andriamanitra hoe tsy mivadika izy? b) Milazà ohatra ahitana hoe mila zavatra feno sy tsy misy tsininy isika.

3 Tsy mivadika ny mpanompon’i Jehovah raha tia azy amin’ny fo manontolo sady mahafoy tena ho azy, ka izay mampifaly an’i Jehovah foana no ataony. Fa inona no tena hevitr’ilay teny ao amin’ny Baiboly hoe “tsy mivadika”? Ilazana zavatra feno, manontolo, tsy misy kilema, ary tsy misy tsininy izy io. Rehefa nanao sorona ho an’i Jehovah, ohatra, ny Israelita, dia biby tsy misy kilema * no nasain’ny Lalàna nomena. (Lev. 22:21, 22) Tsy mety raha biby tapa-tongotra, na poa-maso, na tsy misy sofina ilany, na marary no atao sorona. Zava-dehibe tamin’i Jehovah ny hoe biby manontolo, izany hoe tsy nisy kilema, no nomena azy. (Mal. 1:6-9) Rariny i Jehovah raha nitaky an’izany. Ianao ve, ohatra, dia hividy voankazo lo, na boky misy pejy efa niala, na fitaovana tsy ampy piesy? Zavatra feno sy tsy misy tsininy no tianao. Tian’i Jehovah koa raha hoatr’izany ny fitiavantsika azy sy ny tsy fivadihantsika aminy. Tokony ho feno sy tsy hisy tsininy izany.

4. a) Nahoana ny olona tsy lavorary no afaka ny tsy hivadika? b) Manao ahoana ny zavatra takin’i Jehovah amintsika, araka ny Salamo 103:12-14?

4 Tsy maintsy lavorary ve izany isika vao hahavita tsy hivadika? Tsy izany mihitsy! Isika mantsy mpanota dia manao fahadisoana imbetsaka. Tsy tokony hatahotra anefa isika rehefa jerena ireto antony roa ireto. Voalohany, tsy mifantoka amin’ny fahadisoantsika i Jehovah. Hoy ny Baiboly: “Raha mitsingoloka ny fahadisoanay ianao, ry Jah ô, iza no hahajoro, Jehovah ô?” (Sal. 130:3) Fantany hoe tsy lavorary isika, dia vonona hamela heloka izy. (Sal. 86:5) Faharoa, fantatr’i Jehovah hoe voafetra ihany ny zavatra vitantsika, ary tsy hampanao zavatra tsy ho vitantsika mihitsy izy. (Vakio ny Salamo 103:12-14.) Ahoana àry no hahatonga antsika ho feno na tsy misy kilema eo imason’i Jehovah?

5. Nahoana ny fitiavana an’i Jehovah no hanampy antsika tsy hivadika aminy?

5 Ny fitiavana no hanampy antsika mpanompon’i Jehovah tsy hivadika aminy. Tokony ho tia an’ilay Raintsika any an-danitra sy hahafoy tena ho azy isika, ary tokony ho feno sy tsy hisy tsininy izany. Tsy mivadika isika raha hoatr’izany foana ny fitiavantsika azy, na dia rehefa misy zava-tsarotra aza. (1 Tan. 28:9; Mat. 22:37) Eritrereto indray ireo Vavolombelon’i Jehovah telo teo. Tsy te hifalifaly ve ilay ankizivavy, tany am-pianarana? Te ho afa-baraka ve ilay ankizilahy teny am-pitoriana? Te ho voaroaka amin’ny asany ve ilay raim-pianakaviana? Tsy izany mihitsy. Fantatr’izy ireo hoe ny fitsipik’i Jehovah no tsara, dia izay hampifaly an’io Rainy io no ifantohany. Tiany i Jehovah ka mieritreritra azy foana izy ireo alohan’ny handraisana fanapahan-kevitra. Nasehon’izy ireo tamin’ny nataony àry hoe tsy mivadika izy ireo.

NAHOANA ISIKA NO TSY TOKONY HIVADIKA?

6. a) Nahoana isika rehetra no tsy tokony hivadika? b) Inona no mampiseho hoe nivadika i Adama sy Eva?

6 Nahoana isika rehetra no tsy tokony hivadika? Satria manendrikendrika an’i Jehovah i Satana ary manendrikendrika antsika koa. Anjely nikomy izy ary izy ihany no nahatonga ny tenany ho Satana, izany hoe “Mpanohitra.” Te hanala baraka an’i Jehovah izy tao amin’ny zaridainan’i Edena. Hoatran’ny te hiteny izy tamin’izay hoe Mpitondra ratsy fanahy sy tia tena ary manao ny tsy marina Andriamanitra. Mampalahelo fa nanaraka an’i Satana i Adama sy Eva ka nikomy tamin’i Jehovah koa. (Gen. 3:1-6) Betsaka ny azon’izy mivady natao mba hampitomboana ny fitiavany an’i Jehovah, tamin’izy ireo tao Edena. Tsy tena tia an’i Jehovah tamin’ny fony manontolo anefa izy ireo tamin’i Satana nanendrikendrika an’i Jehovah. Nila nofantarina àry hoe mbola hisy olona ho tia an’i Jehovah amin’ny fony manontolo ve ka tsy hivadika aminy. Andao hojerentsika izay nitranga tamin’i Joba.

7. Rehefa jerena ny Joba 1:8-11, ahoana no fahitan’i Jehovah an’i Joba ary ahoana no fahitan’i Satana azy?

7 Mbola tany Ejipta ny Israelita tamin’ny andron’i Joba. Olona tsy nivadika izy ary tsy nisy hoatr’azy tamin’izany fotoana izany. Tsy lavorary izy sady nanao fahadisoana, hoatr’antsika ihany. Tian’i Jehovah anefa izy satria tsy nivadika. Efa niteny tamin’i Jehovah angamba i Satana taloha hoe hivadika aminy ny olona. Nasain’i Jehovah nandinika an’i Joba àry izy. Hita tamin’ny fiainan’i Joba mantsy hoe mpandainga i Satana. Nangataka alalana tamin’i Jehovah àry i Satana mba havela hitsapa an’i Joba. Nanaiky i Jehovah satria natoky hoe tsy hivadika ilay namany.—Vakio ny Joba 1:8-11.

8. Inona avy no nataon’i Satana tamin’i Joba?

8 Mpamono olona i Satana sady tsy mifaditrovana. Nataony tsy nisy niangana ny fananan’i Joba, novonoiny ny mpanompony, ary nataony ratsy laza izy. Novonoiny daholo koa ny zanany folo, dia nataony feno vay ny vatan’i Joba, hatrany an-tampon-doha ka hatrany any am-paladia. Kivy ny vadin’i Joba sady nalahelo be. Nasainy niteny ratsy an’Andriamanitra sy nivadika taminy àry i Joba, amin’izay dia ho faty. Na i Joba aza mba te ho faty koa nefa tsy nety nivadika mihitsy izy. Nitady hevitra hafa indray i Satana. Lehilahy telo naman’i Joba no nampiasainy. Nitsidika an’i Joba izy ireo ary nijanona andro maromaro tany. Tsy nampahery azy akory anefa izy ireo fa vao mainka nibedibedy sy nanakiana azy. Nolazain’izy ireo hoe Andriamanitra, hono, no nahatonga an’i Joba hijaly sady tsy raharahainy na tsy mivadika aza izy. Te hilaza mihitsy aza izy ireo hoe ratsy fanahy i Joba ka tsara ho azy ny mijaly.—Joba 1:13-22; 2:7-11; 15:4, 5; 22:3-6; 25:4-6.

9. Tsy nanaiky hanao inona mihitsy i Joba na mafy aza ny nanjo azy?

9 Ahoana no niatrehan’i Joba an’izany rehetra izany? Izy aloha tsy lavorary. Tezitra tamin’ireo olona mody nampionona azy izy ka lasa niteniteny foana, ary na izy aza niaiky tatỳ aoriana hoe nirediredy izy tamin’izay. Nilaza mantsy izy hoe manao ny marina Andriamanitra, nefa ny azy no tena nasesiny hoe olo-marina izy. (Joba 6:3; 13:4, 5; 32:2; 34:5) Na faran’izay mafy aza anefa ny nanjo azy, dia tsy nanaiky hivadika tamin’i Jehovah Andriamanitra mihitsy izy. Tsy nety nino ny tenin’ireo lehilahy niseho ho namany ireo izy. Hoy izy: “Sanatria ahy ny hilaza hoe marina ianareo! Tsy hanaiky hivadika mihitsy aho, mandra-pahatapitry ny aiko.” (Joba 27:5) Hita amin’izany hoe tapa-kevitra ny tsy hivadika mihitsy i Joba, na inona na inona mitranga. Afaka manahaka azy isika.

10. Mahakasika anao ve ilay fanendrikendrehan’i Satana an’i Joba? Hazavao.

10 Endrikendrehin’i Satana koa isika tsirairay, anisan’izany ianao. Lazainy fa tsy tena tia an’i Jehovah Andriamanitra ianao. Tsy hanompo azy intsony, hono, ianao raha vao misy mahazo anao. Ianao koa, hono, tsy maintsy hivadika. (Joba 2:4, 5; Apok. 12:10) Tsy mankarary fo ve izany? Eritrereto indray anefa i Jehovah. Tena matoky anao tanteraka izy ka avelany hitsapa anao i Satana. Omeny tombontsoa miavaka àry ianao! Avelany hanaporofo ianao hoe mahavita tsy mivadika aminy ka hampiseho hoe mpandainga i Satana. Mampanantena koa i Jehovah fa hanampy anao hanao an’izany. (Heb. 13:6) Tsy misy tsara noho ny hoe hatokisan’ilay Mpanjakan’izao rehetra izao! Tena ilaina àry ny tsy mivadika satria izay no ahafahantsika miaro ny lazan’i Jehovah sy manohana ny fitondrany. Manaporofo koa isika amin’izay hoe mpandainga i Satana. Inona no hanampy antsika tsy hivadika mihitsy?

INONA NO HANAMPY ANTSIKA TSY HIVADIKA MIHITSY?

11. Inona no azontsika ianarana avy amin’i Joba?

11 Vao mainka miezaka mafy mampijaly antsika i Satana amin’izao “andro farany” izao. (2 Tim. 3:1) Inona àry no azontsika atao mba hahatonga antsika ho tapa-kevitra kokoa hoe tsy hivadika mihitsy? Ahoana no nataon’i Joba? Efa imbetsaka izy no tsy nivadika, talohan’ny nitsapan’i Satana azy, ary afaka manao hoatr’azy isika. Misy zavatra telo azontsika ianarana avy aminy, ary hanampy antsika ho tapa-kevitra kokoa ny tsy hivadika izany.

Inona ny zavatra sasany azontsika atao mba hahatonga antsika ho tapa-kevitra kokoa hoe tsy hivadika? (Fehintsoratra 12) *

12. a) Araka ny Joba 26:7, 8, 14, nahoana no nampiaiky volana an’i Joba sy nohajainy kokoa i Jehovah? b) Inona no azontsika atao mba hahatonga antsika hanaja lalina an’i Jehovah?

12 Nitombo ny fitiavan’i Joba an’i Jehovah satria nahavariana azy daholo izay nataon’i Jehovah. Nanokana fotoana handinihana ny zavaboary i Joba. (Vakio ny Joba 26:7, 8, 14.) Variana izy rehefa nandinika ny tany, ny lanitra, ny rahona, ary ny kotroka nefa niaiky izy hoe mbola kely fotsiny no fantany. Nahavariana azy koa ny tenin’i Jehovah. Nilaza izy hoe ‘ankamaminy ny teny’ aloaky ny vavan’i Jehovah. (Joba 23:12) Nampiaiky volana azy i Jehovah ka tena nohajainy. Tiany ilay Rainy ary te hampifaly azy izy. Vao mainka àry i Joba tapa-kevitra ny tsy hivadika. Tokony hanao hoatran’i Joba isika. Betsaka lavitra noho izay fantatry ny olona tamin’ny andron’i Joba no fantatsika momba ny zavaboary. Manana ny Baiboly manontolo koa isika ka afaka mianatra tsara momba an’i Jehovah. Mety hampiaiky volana antsika ny zavatra rehetra ianarantsika, sady hahatonga antsika hanaja an’i Jehovah. Lasa tia sy te hankatò azy isika vokatr’izany, ary vao mainka isika tsy te hivadika aminy mihitsy.—Joba 28:28.

Ho tapa-kevitra kokoa ny tsy hivadika isika raha tsy mijery sary vetaveta (Fehintsoratra 13) *

13-14. Rehefa jerena ny Joba 31:1, ahoana no nampisehoan’i Joba hoe nankatò izy? b) Ahoana no azontsika anahafana an’i Joba?

13 Nankatò foana i Joba ka izany no nanampy azy ho tapa-kevitra ny tsy hivadika. Fantany hoe mila mankatò an’i Jehovah izy raha tsy te hivadika aminy. Isaky ny mankatò mantsy ny olona iray, dia ho tapa-kevitra kokoa hoe tsy hivadika mihitsy. Niezaka mafy hankatò an’Andriamanitra i Joba isan’andro. Nitandrina, ohatra, izy rehefa nifandray tamin’ny vehivavy. (Vakio ny Joba 31:1.) Efa manambady izy, dia fantany hoe tsy mety raha tia vehivavy hafa. Be dia be koa amin’izao ny zavatra ataon’ity tontolo ity mba hampirisihana antsika ho maimay hanao firaisana. Hanahaka an’i Joba ve isika, ka ho tapa-kevitra ny tsy hitia olon-kafa ankoatra ny vadintsika? Tsy hanaiky hijery sary vetaveta koa ve isika, na inona na inona hijerena azy? (Mat. 5:28) Ho tapa-kevitra kokoa ny tsy hivadika isika, raha miezaka mifehy tena hoatr’izany isan’andro.

Ho tapa-kevitra kokoa ny tsy hivadika isika raha mahay mandanjalanja amin’ny resaka vola sy harena (Fehintsoratra 14) *

14 Nankatò an’i Jehovah koa i Joba rehefa jerena ny fiheverany ny harena. Fantany hoe tokony hosazina izy raha mitoky amin’ny fananany, satria tsy mety mihitsy izany. (Joba 31:24, 25, 28) Tia vola sy harena ny olona amin’izao. Asain’ny Baiboly mandanjalanja tsara anefa isika eo amin’ny resaka vola sy harena. Ho tapa-kevitra kokoa ny tsy hivadika isika raha mankatò an’izany.—Ohab. 30:8, 9; Mat. 6:19-21.

Ho tapa-kevitra kokoa ny tsy hivadika isika raha mitadidy ny fanantenantsika foana (Fehintsoratra 15) *

15. a) Inona no nantenain’i Joba ka nahatonga azy tsy hivadika? b) Nahoana no hanampy antsika ny mitadidy ny fampanantenan’i Jehovah?

15 Nanantena i Joba hoe hamaly soa azy i Jehovah, ka izany no nanampy azy tsy hivadika. Natoky izy hoe zava-dehibe amin’i Jehovah ny tsy fivadihany. (Joba 31:6) Na nijaly aza izy, dia nino hoe tsy maintsy hamaly soa azy i Jehovah. Azo antoka fa nanampy azy tsy hivadika izany. Faly be i Jehovah nahita hoe tsy nivadika izy, ary nomeny valisoa be dia be izy tamin’izy mbola tsy lavorary. (Joba 42:12-17; Jak. 5:11) Mbola be lavitra noho izany aza ny valisoa miandry an’i Joba. Ary ianao ve tena matoky hoe hamaly soa anao i Jehovah raha tsy mivadika ianao? Tsy niova ilay Andriamanitsika. (Mal. 3:6) Tsy ho lefy ao am-pontsika mihitsy ny fanantenantsika raha tsy hadinontsika hoe faly i Jehovah rehefa tsy mivadika isika.—1 Tes. 5:8, 9.

16. Tokony ho tapa-kevitra ny hanao inona isika?

16 Aza manaiky hivadika mihitsy àry! Be dia be no miezaka ny tsy hivadika, na dia mety hahatsapa aza ianao indraindray hoe miady irery. An-tapitrisany maneran-tany no manam-pinoana sy miezaka hoatr’anao. Hitovy amin’ireo olona be dia be nanam-pinoana taloha koa ianao. Tsy nivadika mihitsy izy ireny na dia norahonana aza hoe hovonoina. (Heb. 11:36-38; 12:1) Hoy i Joba: “Tsy hanaiky hivadika mihitsy aho.” Enga anie isika rehetra ho tapa-kevitra ny tsy hivadika hoatr’azy, ka hanome voninahitra an’i Jehovah mandrakizay!

HIRA 124 Aza Mivadika Mihitsy!

^ feh. 5 Ahoana izany hoe tsy mivadika? Nahoana no sarobidy amin’i Jehovah ny olona tsy mivadika? Nahoana io toetra io no zava-dehibe amintsika? Ho hitantsika ato amin’ity lahatsoratra ity hoe ahoana no hamalian’ny Baiboly an’ireo, ary inona no hanampy antsika ho tapa-kevitra kokoa ny tsy hivadika. Hahazo fitahiana be dia be isika raha tsy mivadika.

^ feh. 3 Avy amin’ny fototeny iray ihany ilay teny hebreo nadika hoe “tsy misy kilema” (rehefa biby no resahina) sy ilay hoe “tsy mivadika” (rehefa olona no resahina).

^ feh. 50 SARY: Joba mampianatra ny zanany sasany momba ny zavatra mahavariana noforonin’i Jehovah.

^ feh. 52 SARY: Rahalahy iray tsy manaiky hijery sary vetaveta miaraka amin’ny mpiara-miasa aminy.

^ feh. 54 SARY: Rahalahy iray te hividy tele ngezabe sy lafo be, nefa tsy nividy satria tsy ilainy ilay izy sady tsy takatry ny volany.

^ feh. 56 SARY: Rahalahy iray mivavaka sady misaintsaina momba ny Paradisa.