Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 10

Inona no Misakana Ahy Tsy Hatao Batisa?

Inona no Misakana Ahy Tsy Hatao Batisa?

“Nidina tao anaty rano i Filipo sy ilay tandapa, ka nataon’i Filipo batisa izy.”—ASA. 8:38.

HIRA 52 Fanokanan-tena ho An’Andriamanitra

HO HITANAO ATO *

1. Inona no nafoin’i Adama sy Eva, ary inona no vokany?

ARAKA ny hevitrao, iza no tokony hamaritra hoe inona no tsara ary inona no ratsy? Rehefa nihinana tamin’ilay hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy i Adama sy Eva dia mazava be ny tiany haseho. Nasehony hoe tsy matoky an’i Jehovah sy ny fitsipiny izy mivady, fa izy ireo ihany no hanapa-kevitra hoe inona no tsara ary inona no ratsy. (Gen. 3:22) Eritrereto anefa ny zavatra nafoin’izy ireo. Tsy naman’i Jehovah intsony izy mivady. Vokatr’izany, dia tsy afaka miaina mandrakizay intsony izy ireo ary lasa mpanota ny zanany ka tsy maintsy maty. (Rom. 5:12) Nampalahelo ny vokatry ny safidin’izy ireo.

Nino an’i Jesosy ilay tandapa etiopianina ka te hatao batisa avy hatrany (Fehintsoratra 2-3)

2-3. a) Inona no nataon’ilay tandapa etiopianina rehefa nitory taminy i Filipo? b) Inona ny fitahiana ho azon’izay atao batisa, ary inona avy ny fanontaniana hovaliana ato?

2 Tsy mitovy amin’ny nataon’i Adama sy Eva ny nataon’ilay tandapa etiopianina nitorian’i Filipo. Tena nankasitraka an’izay nataon’i Jehovah sy Jesosy ho azy ilay tandapa ka tonga dia natao batisa. (Asa. 8:34-38) Rehefa manokan-tena ho an’Andriamanitra koa isika ary atao batisa hoatran’ilay tandapa, dia mazava ny tiantsika haseho. Asehontsika hoe mankasitraka an’izay nataon’i Jehovah sy Jesosy ho antsika isika. Asehontsika koa hoe matoky an’i Jehovah isika, ary manaiky fa izy no tokony hamaritra hoe inona no atao hoe tsara ary inona no atao hoe ratsy.

3 Eritrereto ange ny fitahiana azon’ny mpanompon’i Jehovah e! Homen’i Jehovah antsika izay rehetra nafoin’i Adama sy Eva, ohatra hoe ho afaka hiaina mandrakizay isika. Mino an’i Jesosy Kristy isika, ka avelan’i Jehovah ny fahadisoantsika ary omeny feon’ny fieritreretana madio isika. (Mat. 20:28; Asa. 10:43) Lasa fianakavian’i Jehovah koa isika ary ankasitrahany, sady tsara be ny hoavy miandry antsika. (Jaona 10:14-16; Rom. 8:20, 21) Tsy sahy manao hoatran’ilay tandapa etiopianina anefa ny olona sasany mahafantatra an’i Jehovah, na eo aza ireo fitahiana ireo. Inona no mety hanakana azy ireo tsy hatao batisa? Ary inona no azony atao mba handresena an’izany olana izany?

INONA NO MANAKANA NY OLONA SASANY TSY HATAO BATISA?

Zavatra misakana ny olona sasany tsy hatao batisa

Tsy matoky tena (Fehintsoratra 4-5) *

4-5. Nahoana i Avery sy Hannah no natahotra ny hatao batisa?

4 Tsy matoky tena. Vavolombelon’i Jehovah ny ray aman-drenin’i Avery. Tsara laza ny dadany satria mikarakara tsara ny fianakaviany sady anti-panahy mahay. Tsy te hatao batisa anefa i Avery. Izao no nohazavainy: “Nieritreritra aho hoe tsy hahavita ny vitan’i Dada mihitsy.” Natahotra koa izy sao tsy hahavita ny andraikitra mety homena azy any aoriana any. Hoy ihany izy: “Nampahatahotra ahy ilay hoe asaina mivavaka ho an’ny besinimaro, na manao lahateny, na mitarika mpitory eny amin’ny faritany.”

5 Tsy natoky tena mihitsy ny ankizivavy iray 18 taona antsoina hoe Hannah. Mpanompon’i Jehovah ny ray aman-dreniny, nefa nieritreritra izy hoe tsy ho vitany ny hankatò ny fitsipik’i Jehovah. Nihevitra ny tenany ho tsy nisy dikany mantsy izy. Nalahelo be izy indraindray ka nanao fanahy iniana nandratra tena, nefa vao mainka izany nahakivy azy. Hoy izy: “Tsy notantaraiko an’iza na iza mihitsy ny nataoko, na dia tamin’i Dada sy Neny aza. Nieritreritra koa aho hoe tsy tian’i Jehovah hanompo azy satria izaho aza mandratra tena.”

Naman-dratsy (Fehintsoratra 6) *

6. Inona no nisakana an’i Vanessa tsy hatao batisa?

6 Naman-dratsy. Hoy i Vanessa, 22 taona: “Efa ho folo taona izaho sy izay ankizivavy izay no mpinamana be.” Nalahelo anefa i Vanessa satria tsy nampirisika azy hanatratra an’ilay tanjony hoe hatao batisa io namany io. Hoy izy: “Tsy dia mora mahazo namana aho, dia lasa natahotra sao tsy hahita namana intsony raha tsy minamana aminy.”

Matahotra sao hanao fahadisoana (Fehintsoratra 7) *

7. Inona no natahoran’ny ankizivavy iray atao hoe Makayla, ary nahoana?

7 Matahotra sao hanao fahadisoana. Mbola vao dimy taona i Makayla tamin’ny anadahiny voaroaka. Rehefa nihalehibe izy dia hitany hoe nalahelo be ny ray aman-dreniny noho ny nataon’ny zokiny. Hoy izy: “Natahotra aho hoe raha hatao batisa ka manao fahadisoana dia ho voaroaka. Vao mainka halahelo be i Dada sy Neny raha izany no mitranga.”

Matahotra fanenjehana (Fehintsoratra 8) *

8. Inona no natahoran’i Miles?

8 Matahotra fanenjehana. Manompo an’i Jehovah ny dadan’i Miles sy ny renikeliny, fa ny mamany kosa tsy Vavolombelona. Izao no notantarain’i Miles: “Niara-nipetraka tamin’ny mamanay aho nandritra ny 18 taona. Tsy sahy niteny taminy aho hoe te hatao batisa. Hitako tsara mantsy ny nataony rehefa lasa Vavolombelon’i Jehovah i Dada. Natahotra aho sao hampijaliny.”

INONA NO TOKONY HATAO?

9. Inona no azo antoka hoe hitranga rehefa tsapanao hoe manam-paharetana sy be fitiavana i Jehovah?

9 Nifidy ny tsy hanompo an’i Jehovah i Adama sy Eva satria tsy tena tia azy. Tsy tonga dia novonoin’i Jehovah anefa izy ireo, fa navelany hiteraka sy hanapa-kevitra hoe ahoana no hitaizany ny zanany. Vetivety dia hita hoe tsy nisaina tsara izy ireo, rehefa jerena ny vokatry ny safidy nataony. Novonoin’ny zanak’izy ireo lahimatoa ny zandriny, ary lasa nanjaka ny herisetra sy ny fitiavan-tena tatỳ aoriana. (Gen. 4:8; 6:11-13) Te hanompo an’i Jehovah anefa ny sasany amin’ny taranak’i Adama sy Eva, ka nanao zavatra i Jehovah mba hamonjena azy ireo. (Jaona 6:38-40, 57, 58) Azo antoka hoe hitombo ny fitiavanao an’i Jehovah, arakaraka ny hahatsapanao hoe manam-paharetana sy be fitiavana izy. Izany no handrisika anao hanokan-tena ho azy fa tsy hanao hoatran’i Adama sy Eva.

Fomba handresena an’ilay olana

(Fehintsoratra 9-10) *

10. Nahoana no hanampy anao hanompo an’i Jehovah ny misaintsaina ny Salamo 19:7?

10 Mianara foana momba an’i Jehovah. Rehefa mihamahafantatra an’i Jehovah ianao, dia hatoky kokoa hoe ho vitanao ny hanompo azy. Hoy i Avery, ilay noresahina teo aloha: “Lasa natoky tena kokoa aho rehefa nikaroka momba ny Salamo 19:7 sy nisaintsaina an’ilay fanomezan-toky resahina ao.” (Vakio.) Vao mainka i Avery tia an’i Jehovah rehefa hitany hoe manatanteraka an’io teniny io izy. Rehefa tia an’i Jehovah àry ny olona iray dia lasa matoky tena kokoa. Izany koa no hanampy azy hanao izay tian’i Jehovah foana. Izao no nolazain’i Hannah, ilay voaresaka tetsy aloha: “Mamaky sy mianatra Baiboly samirery aho, dia hitako hoe mandratra ny fon’i Jehovah aho rehefa mandratra ny tenako.” (1 Pet. 5:7) Lasa ‘mpankatò ny tenin’Andriamanitra’ i Hannah. (Jak. 1:22) Inona no vokany? Hoy izy: “Nandray soa aho isaky ny nankatò an’i Jehovah, dia lasa tiako be izy. Matoky aho izao hoe eo foana i Jehovah hanoro ahy rehefa mila fanampiana aho.” Vitan’i Hannah ny nifehy tena mba tsy handratra ny vatany intsony. Nanokan-tena ho an’i Jehovah izy ary natao batisa.

(Fehintsoratra 11) *

11. Inona no nataon’i Vanessa mba hahazoana namana, ary inona no azontsika ianarana avy amin’izany?

11 Mahaiza mifidy namana. Tonga saina i Vanessa, ilay noresahina teo, hoe ilay namany no nisakana azy tsy hanompo an’i Jehovah. Tsy ninamana taminy intsony àry izy. Nisy zavatra hafa koa anefa nataony. Niezaka mafy izy mba hahazo namana tao am-pivoriana. Nilaza izy hoe nanampy azy ny ohatr’i Noa sy ny fianakaviany. Hoy izy: “Tsy tia an’i Jehovah daholo ny olona manodidina an-dry zareo, dia izy mianakavy ihany no mpinamana.” Natao batisa i Vanessa, ary nanao mpisava lalana. Nilaza izy hoe izany no nanampy azy hahazo namana tao amin’ny fiangonany sy tany amin’ny fiangonana hafa. Hahazo namana tsara koa ianao raha manao fanompoana betsaka araka izay azonao atao.—Mat. 24:14.

(Fehintsoratra 12-15) *

12. Inona no tsy natahoran’i Adama sy Eva, ary inona no vokany?

12 Matahora an’i Jehovah. Tokony hatahotra isika sao hanao zavatra mampahatezitra an’i Jehovah. (Sal. 111:10) Raha natahotra an’izany i Adama sy Eva, dia tsy ho nikomy tamin’i Jehovah mihitsy. Nikomy anefa izy ireo. Nahiratra ny mason’izy mivady avy eo, izany hoe fantany tsara fa lasa mpanota izy ireo. Tsy maintsy ho mpanota sy ho faty àry ny zanany. Menatra izy ireo ka nanamboatra sikina satria lasa hitany hoe nitanjaka izy.—Gen. 3:7, 21.

13-14. a) Raha jerena ny 1 Petera 3:21, nahoana isika no tsy tokony hatahotra loatra ny ho faty? b) Inona avy ny antony tokony hitiavantsika an’i Jehovah?

13 Tokony hatahotra isika sao hanao zavatra mampahatezitra an’i Jehovah. Inona kosa no tsy tokony hatahorantsika? Tsy tokony hatahotra be loatra isika hoe ho faty, satria efa nanao zavatra i Jehovah mba hahafahantsika miaina mandrakizay. Raha manota isika nefa tena mibebaka, dia hamela ny fahadisoantsika izy satria isika mino ny sorom-panavotan’ny Zanany. Asehontsika hoe mino an’io sorona io isika raha manokana ny fiainantsika ho an’Andriamanitra sy atao batisa.—Vakio ny 1 Petera 3:21.

14 Betsaka ny antony tokony hitiavantsika an’i Jehovah. Avy aminy ny zavatra tsara ankafizintsika isan’andro. Mampianatra antsika ny marina momba azy sy ny fikasany izy. (Jaona 8:31, 32) Mampiasa ny fiangonana izy mba hanohanana sy hitarihana antsika. Ampiany hizaka olana isika amin’izao fotoana izao, ary hataony tsara be ny fiainana amin’ny hoavy sady havelany hiaina mandrakizay isika. (Sal. 68:19; Apok. 21:3, 4) Be dia be tokoa ny zavatra nataon’i Jehovah mba hampisehoana hoe tiany isika. Rehefa misaintsaina an’ireny isika, dia lasa tia azy. Rehefa tia azy indray isika, dia lasa matahotra sao hanao zavatra mampalahelo azy.

15. Nahoana i Makayla no tsy natahotra intsony?

15 Tsy natahotra intsony i Makayla, ilay voaresaka teo aloha, hoe mety hanao fahadisoana. Lasa fantany mantsy hoe tena mamela heloka i Jehovah. Hoy izy: “Tonga saina aho hoe tsy lavorary daholo isika dia manao fahadisoana. Tia antsika anefa i Jehovah dia vonona hamela heloka izy noho ny vidim-panavotana.” Nanokan-tena i Makayla ary natao batisa satria tia an’i Jehovah.

(Fehintsoratra 16) *

16. Inona no nanampy an’i Miles tsy hatahotra ny mamany?

16 Nangataka fanampiana tamin’ny mpiandraikitra ny faritra i Miles, ilay natahotra sao hampijalin’ny mamany raha hatao batisa. Hoy izy: “Ny azy koa ny dadany ihany no Vavolombelon’i Jehovah. Nampiany aho hieritreritra an’izay azoko lazaina amin’ny mamanay mba hahatonga azy hiaiky hoe izaho mihitsy no tapa-kevitra ny hatao batisa fa tsy hoe nampirisihin’ny dadanay.” Tezitra tokoa ny mamany. Tsy maintsy niala tao amin’ny mamany izy tatỳ aoriana, nefa tsy nampiova hevitra azy izany. Izao no lazainy: “Manao zavatra tsara be dia be ho ahy i Jehovah. Nanohina ny foko ny nahafantatra an’izany. Rehefa nisaintsaina ny sorom-panavotan’i Jesosy aho, dia hitako hoe tena tia ahy i Jehovah. Izany no nahatonga ahy hanokan-tena sy hatao batisa.”

AZA MIOVA HEVITRA

Afaka mampiseho isika hoe mankasitraka an’izay ataon’i Jehovah ho antsika (Fehintsoratra 17)

17. Inona no azontsika porofoina?

17 Nikomy tamin’i Jehovah Rainy i Eva rehefa nihinana an’ilay voankazo tao Edena. Nihinana tamin’ilay izy koa i Adama, ka nampiseho hoe tsy nisy noraharahainy izay nataon’i Jehovah ho azy. Afaka manaporofo anefa isika rehetra hoe tsy hoatran’i Adama sy Eva isika, fa mankasitraka an’izay rehetra ataon’i Jehovah ho antsika. Rehefa atao batisa isika, dia mampiseho amin’i Jehovah hoe ekentsika fa izy no tokony hamaritra ny atao hoe tsara sy ratsy ho antsika. Asehontsika amin’izany hoe tia an’ilay Raintsika isika ary matoky azy.

18. Inona no tokony hataonao raha te hahavita hanompo an’i Jehovah foana ianao?

18 Rehefa vita batisa isika, dia mila miezaka manao an’izay tian’i Jehovah foana fa tsy izay tiantsika. Mpanompon’Andriamanitra an-tapitrisany no miezaka manao an’izany. Ho vitanao izany raha ohatra ianao ka mandalina ny Tenin’Andriamanitra sy miaraka amin’ny mpiara-manompo foana, ary mazoto miresaka momba an’ilay Rainao be fitiavana. (Heb. 10:24, 25) Raiso foana ny torohevitra omen’i Jehovah amin’ny alalan’ny Teniny sy ny fandaminana, isaky ny hanapa-kevitra ianao. (Isaia 30:21) Hahomby daholo izay ataonao amin’izay.—Ohab. 16:3, 20.

19. Tokony hiaiky ny amin’ny inona foana ianao? Inona no ho vokatr’izany?

19 Vao mainka ianao ho tia an’i Jehovah sy ny fitsipiny rehefa miaiky hoe mahasoa foana ny tari-dalany. Raha miaiky an’izany ianao dia tsy ho voatarika hiala amin’i Jehovah mihitsy, na inona na inona atolotr’i Satana anao. Eritrereto hoe tapa-kevitra ny hatao batisa ianao izao, ary misaintsaina an’izany rehefa afaka arivo taona. Ho faly erỳ ianao amin’izay hoe iny no fanapahan-kevitra tsara indrindra nataonao!

HIRA 28 Te ho Namanao Izahay, Jehovah

^ feh. 5 ‘Hatao batisa aho sa tsia?’ Izany no fanapahan-kevitra lehibe indrindra hataonao. Hohazavaina ato amin’ity lahatsoratra ity hoe nahoana izany no zava-dehibe. Horesahina ato koa hoe inona no hanampy an’ireo olona te hatao batisa nefa misalasala.

^ feh. 56 SARY: Matoky tena: Matahotra ny hamaly teny ny ankizilahy iray.

^ feh. 58 SARY: Namana: Miaraka amin’ny naman-dratsy ny ankizivavy iray ary menatra rehefa mahita Vavolombelon’i Jehovah toa azy.

^ feh. 60 SARY: Fahadisoana: Matahotra ny ankizivavy iray sao ho voaroaka hoatran’ny anadahiny dia hiala ao an-trano.

^ feh. 62 SARY: Fanoherana: Matahotra ny hivavaka ny ankizilahy iray satria jerijeren’ny mamany tsy Vavolombelona.

^ feh. 65 SARY: Matoky tena: Ankizilahy iray mianatra samirery bebe kokoa.

^ feh. 67 SARY: Namana: Tsy menatra intsony ny ankizivavy iray hoe Vavolombelon’i Jehovah.

^ feh. 69 SARY: Fahadisoana: Miezaka ho lasa naman’i Jehovah ny ankizivavy iray ary atao batisa.

^ feh. 71 SARY: Fanoherana: Manana herim-po hanazavana ny zavatra inoany ny ankizilahy iray.