Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 11

Henoy ny Feon’i Jehovah

Henoy ny Feon’i Jehovah

“Io no Zanako. ... Henoy izy.”—MAT. 17:5.

HIRA 89 Izay Mihaino sy Mankatò dia Hotahina Tokoa

HO HITANAO ATO *

1-2. a) Ahoana no niresahan’i Jehovah tamin’ny olombelona hatramin’izay? b) Inona no hodinihintsika ato amin’ity lahatsoratra ity?

TIA miresaka amintsika i Jehovah. Nampiasa mpaminany sy anjely izy taloha, ary nampiasa an’i Kristy Jesosy Zanany koa mba hiresahana amin’ny olona. (Amosa 3:7; Gal. 3:19; Apok. 1:1) Ny Baiboly kosa no ampiasainy ankehitriny. Nomeny antsika izy io mba hahazoantsika ny fomba fiheviny sy ny fanaovany zavatra.

2 Intelo i Jehovah no niteny avy tany an-danitra, tamin’i Jesosy tetỳ an-tany. Inona no noteneniny? Inona no azontsika ianarana avy amin’izany? Inona no azontsika atao mba handraisantsika soa avy amin’izay noteneniny? Izany no hodinihintsika ato.

“IANAO NO ZANAKO MALALAKO”

3. Araka ny Marka 1:9-11, inona no notenenin’i Jehovah rehefa natao batisa i Jesosy, ary inona no nohamafisin’i Jehovah tamin’izay?

3 Tantaraina ao amin’ny Marka 1:9-11 ilay fotoana voalohany nitenenan’i Jehovah avy tany an-danitra. (Vakio.) Hoy izy: “Ianao no Zanako malalako, ianao no sitrako.” Nilaza tamin’ny Zanany i Jehovah hoe tiany izy ary atokisany. Azo antoka hoe tena nanohina ny fon’i Jesosy ny naheno an’izany! Nohamafisin’i Jehovah, tamin’izay fotoana izay, hoe Zanany i Jesosy, tiany io Zanany io, ary ankasitrahany. Andao hofakafakaintsika tsirairay ireo hevitra telo ireo.

4. Nahoana no lasa Zanak’Andriamanitra amin’ny heviny vaovao i Jesosy rehefa natao batisa?

4 “Ianao no Zanako.” Hita amin’ireo tenin’i Jehovah ireo hoe hafa mihitsy ny fifandraisany tamin’i Jesosy, ilay Zanany tena tiany, nanomboka teo. Efa Zanak’Andriamanitra i Jesosy tamin’izy tany an-danitra. Rehefa natao batisa anefa izy, dia voahosotry ny fanahy masina. Nasehon’i Jehovah tamin’izay fotoana izay hoe afaka miverina any an-danitra io Zanany voahosotra io, mba hotendreny ho Mpanjaka sy Mpisoronabe. (Lioka 1:31-33; Heb. 1:8, 9; 2:17) Rehefa natao batisa àry i Jesosy, dia ara-dalàna raha niteny ny Rainy hoe: “Ianao no Zanako.”—Lioka 3:22.

Toy ny voninkazo maniry tsara isika rehefa mahazo teny fiderana sy fampaherezana (Fehintsoratra 5) *

5. Ahoana no ampisehoantsika hoe tia sy mampahery ny hafa hoatran’i Jehovah isika?

5 “Ianao no ... malalako.” Lasa te hitady fomba hampaherezana ny hafa isika rehefa mahita hoe manao zavatra i Jehovah mba hampisehoana ny fitiavany sy ny fankasitrahany amin’ny olona. (Jaona 5:20) Hoatran’ny voninkazo maniry tsara isika rehefa misy olona akaikin’ny fontsika midera antsika sy mampiseho hoe tiany isika. Mila ampaherezina sy tiavina hoatr’izany koa ny fianakaviantsika sy ny mpiara-manompo amintsika. Rehefa midera ny hafa isika, dia manatanjaka ny finoany sy manampy azy tsy hivadika amin’i Jehovah. Ny ankizy no tena mila ampaherezin’ny ray aman-dreniny. Maniry tsara hoatran’ilay voninkazo koa mantsy ny ankizy, rehefa midera azy ny ray aman-dreniny sady mampiseho hoe tia azy.

6. Nahoana isika no afaka matoky an’i Jesosy Kristy?

6 “Ianao no sitrako.” Hita amin’ireo tenin’i Jehovah ireo hoe natoky izy fa hanao ny sitrapony i Jesosy. I Jehovah aza matoky azy, mainka fa isika! Afaka matoky isika hoe hanatanteraka an’izay rehetra nampanantenain’i Jehovah i Jesosy. (2 Kor. 1:20) Rehefa mandinika an’izay nataon’i Jesosy isika, dia vao mainka ho tapa-kevitra ny hianatra momba azy sy hanao hoatr’azy. Natoky an’i Jesosy i Jehovah, ary matoky koa izy hoe hanaraka ny modelin’ny Zanany foana ny mpanompony.—1 Pet. 2:21.

“HENOY IZY”

7. Oviana koa i Jehovah no niteny avy tany an-danitra, araka ny Matio 17:1-5, ary inona no nolazainy?

7 Vakio ny Matio 17:1-5. Tamin’i Jesosy “niova tarehy” no niteny fanindroany avy tany an-danitra i Jehovah. Nasain’i Jesosy niaraka taminy ho any an-tendrombohitra i Petera sy Jakoba ary Jaona, tamin’izay. Nahita zavatra miavaka izy ireo tany. Namirapiratra ny tarehin’i Jesosy ary nanjelanjelatra ny akanjony. Niseho tamin’ilay fahitana koa i Mosesy sy Elia, ary niresaka tamin’i Jesosy momba ny hahafatesany sy ny hitsanganany. Marina hoe “navesatry ny torimaso” ny mason’ireo apostoly telo ireo, nefa efa taitra tsara izy ireo rehefa nahita an’io fahitana mahavariana io. (Lioka 9:29-32) Nisy rahona namirapiratra nanaloka azy ireo avy eo, ary niteny avy tao amin’ilay rahona Andriamanitra. Nasehon’i Jehovah hoe tia sy nankasitraka an’io Zanany io izy, hoatran’ny nataony tamin’ny batisan’i Jesosy. Hoy izy: “Io no Zanako malalako izay sitrako.” Nilaza koa anefa i Jehovah tamin’ity indray mandeha ity hoe: “Henoy izy.”

8. Inona no vokatr’ilay fahitana teo amin’i Jesosy sy teo amin’ny mpianany?

8 Nasehon’ilay fahitana hoe ho lasa Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra i Jesosy ary ho be voninahitra sy hahery. Azo antoka hoe nanome hery an’i Jesosy izany. Fantany mantsy hoe tsy maintsy hampijalina sy hovonoina ho faty izy. Nanatanjaka ny finoan’ireo mpianany koa iny fahitana iny, sady nanomana azy ireo ho amin’ny fitsapana sy ny asa mafy tsy maintsy hataony. Niresaka momba an’iny fiovan-tarehy iny ny apostoly Petera, 30 taona teo ho eo tatỳ aoriana. Hita avy amin’izay nolazainy hoe mbola tadidiny tsara ilay izy!—2 Pet. 1:16-18.

9. Inona ny torohevitra nomen’i Jesosy ny mpianany?

9 “Henoy izy.” Nolazain’i Jehovah mazava tsara hoe tiany hihaino sy hankatò ny Zanany isika. Betsaka ny zavatra nolazain’i Jesosy, tamin’izy tetỳ an-tany, ary tena zava-dehibe izy ireny. Nampianatra ny mpanara-dia azy hitory ny vaovao tsara, ohatra, izy. Imbetsaka koa izy no nampahatsiahy azy ireo hoe mila miambina foana. (Mat. 24:42; 28:19, 20) Nasainy niezaka mafy hiditra amin’ilay varavarana tery izy ireo, ary nampahereziny mba tsy ho kivy mihitsy. (Lioka 13:24) Nohamafisiny koa hoe tokony hifankatia sy hiray saina foana ary hanaraka ny didiny ny mpanara-dia azy. (Jaona 15:10, 12, 13) Azo ampiharina tokoa ireny torohevitra nomen’i Jesosy ny mpianany ireny! Nilaina izy ireny tamin’izany, ary mbola ilaina foana hatramin’izao.

10-11. Ahoana no ampisehoantsika hoe mihaino an’i Jesosy isika?

10 Hoy i Jesosy: “Mihaino ny feoko izay rehetra miandany amin’ny marina.” (Jaona 18:37) Raha miezaka foana isika mba ‘hifampizaka sy hifamela heloka tanteraka’, dia asehontsika amin’izany hoe mihaino ny feon’i Jesosy isika. (Kol. 3:13; Lioka 17:3, 4) Mihaino ny feony koa isika raha mazoto mitory ny vaovao tsara “na amin’ny mora na amin’ny sarotra.”—2 Tim. 4:2.

11 Hoy i Jesosy: “Ny ondriko ... mihaino ny feoko.” (Jaona 10:27) Mankatò an’i Jesosy ny mpanara-dia azy satria te hampiseho hoe mihaino ny feony. Tsy variana amin’ny “fanahiana eo amin’ny fiainana” izy ireo. (Lioka 21:34) Mankatò an’i Jesosy foana izy ireo na dia rehefa sarotra be aza izany. Betsaka ny rahalahy sy anabavy miaritra ny mafy, ohatra hoe enjehin’ny mpanohitra, na mahantra fadiranovana, na tratran’ny loza araka ny natiora. Tsy mivadika amin’i Jehovah mihitsy anefa izy ireo na inona na inona mety hafoiny. Izao no toky omen’i Jesosy azy ireo: “Izay manana ny didiko ka mitandrina izany, dia izy no tia ahy. Ary izay tia ahy kosa dia ho tian’ny Raiko.”—Jaona 14:21.

Manampy antsika hihaino ny feon’i Jesosy foana ny fitoriana (Fehintsoratra 12) *

12. Ahoana koa no azontsika ampisehoana hoe mihaino an’i Jesosy isika?

12 Asehontsika koa hoe mihaino an’i Jesosy isika rehefa miara-miasa amin’ireo notendreny hitarika antsika. (Heb. 13:7, 17) Be dia be ny fanovana nataon’ny fandaminan’Andriamanitra tato ho ato, anisan’izany ny fomba fitory sy ny fitaovana ampiasaina eny amin’ny fanompoana ary ny fizotran’ny fivoriana andavanandro. Niova koa ny fomba fanorenana sy fanavaozana ary fikojakojana ny Efitrano Fanjakana. Tena ankasitrahantsika ireny toromarika ireny satria feno fitiavana sady efa nodinihina tsara. Afaka matoky isika fa hotahin’i Jehovah raha miezaka manaraka an’ireny toromarika omen’ny fandaminana ireny.

13. Inona ny soa raisin’izay mihaino an’i Jesosy?

13 Mandray soa isika rehefa mihaino an’izay rehetra nampianarin’i Jesosy. Nampanantena izy hoe hamelombelona ny mpianany ny fampianarany. Izao no nolazainy: “Ho velombelona ianareo. Fa mora entina ny ziogako, ary maivana ny entako.” (Mat. 11:28-30) Mamelombelona antsika ny Tenin’Andriamanitra, anisan’izany ny Filazantsara efatra izay mitantara ny fiainan’i Jesosy sy ny fanompoany. Manampy antsika hanana finoana matanjaka sy hanam-pahendrena ny Baiboly. (Sal. 19:7; 23:3) Hoy i Jesosy: “Izay mihaino ny tenin’Andriamanitra ka mitandrina izany ... no sambatra!”—Lioka 11:28.

‘HANOME VONINAHITRA NY ANARAKO AHO’

14-15. a) Oviana i Jehovah no niteny fanintelony avy any an-danitra, araka ny Jaona 12:27, 28? b) Nahoana izany no mety ho nampahery sy nanampy an’i Jesosy hizaka an’izay hitranga aminy?

14 Vakio ny Jaona 12:27, 28. Resahina ao amin’ny Filazantsaran’i Jaona ny nitenenan’i Jehovah fanintelony avy tany an-danitra. Tany Jerosalema i Jesosy, andro vitsivitsy talohan’ny nahafatesany, mba hankalaza ny Paska. Hoy izy tamin’izay: “Mitebiteby mafy aho izany!” Nivavaka izy avy eo hoe: “Ray ô, omeo voninahitra ny anaranao.” Namaly azy avy tany an-danitra ny Rainy ka nilaza hoe: “Efa nanome voninahitra azy aho, ary mbola hanome voninahitra azy indray.”

15 Nahoana i Jesosy no nitebiteby? Andraikitra lehibe no niandry azy satria tsy tokony hivadika amin’i Jehovah izy. Fantany hoe hokaravasina izy ary hampijalina be rehefa hovonoina. (Mat. 26:38) Ny zava-dehibe indrindra taminy anefa dia ny hanome voninahitra ny anaran’ny Rainy. Nendrikendrehina ho nanevateva an’Andriamanitra i Jesosy, ary nanahy izy sao hanala baraka an’Andriamanitra ny fomba hahafatesany. Azo antoka àry fa maivamaivana i Jesosy rehefa naheno an’izay nolazain’i Jehovah taminy. Lasa natoky mantsy izy hoe tsy maintsy hahazo voninahitra ny anaran’i Jehovah. Tsy maintsy ho nampahery be an’i Jesosy ny tenin’ny Rainy sady nanampy azy hizaka an’izay hitranga aminy. I Jesosy irery angamba no nahazo an’izay nolazain’i Jehovah tamin’izay. Na izany aza, dia nataon’i Jehovah azo antoka hoe voatahiry ho antsika hatramin’izao izay nolazainy.—Jaona 12:29, 30.

Hanome voninahitra ny anarany i Jehovah ary hamonjy ny vahoakany (Fehintsoratra 16) *

16. Inona no mety hahatonga antsika hanahy sao ho afa-baraka ny anaran’i Jehovah?

16 Mety hanahy hoatran’i Jesosy koa isika sao ho afa-baraka ny anaran’i Jehovah. Mety hiharan’ny tsy rariny hoatr’azy, ohatra, isika. Mampanahy antsika koa angamba ny lainga aelin’ny mpanohitra satria mety hanala baraka ny anaran’i Jehovah sy ny fandaminany. Amin’izay indrindra no tena mampahery ilay tenin’i Jehovah. Tsy tokony hatahotra be loatra isika. Afaka matoky isika hoe “ny fiadanan’Andriamanitra izay lehibe lavitra noho ny eritreritra rehetra no hiambina ny [fontsika] sy ny [saintsika] amin’ny alalan’i Kristy Jesosy.” (Fil. 4:6, 7) Mahavita manome voninahitra ny anarany foana i Jehovah. Na inona na inona nataon’i Satana sy ny tontolony tamin’ny mpanompon’i Jehovah, dia hofoanan’ny Fanjakan’Andriamanitra.—Sal. 94:22, 23; Isaia 65:17.

HANDRAY SOA IZAY MIHAINO AN’I JEHOVAH

17. Miresaka amintsika i Jehovah amin’izao, araka ny Isaia 30:21. Ahoana no ataony?

17 Mbola miresaka amintsika i Jehovah amin’izao. (Vakio ny Isaia 30:21.) Marina fa tsy maheno azy miteny avy any an-danitra isika. Efa nanome ny Baiboly anefa izy mba hanomezana toromarika ho antsika. Tsy izay ihany anefa. Mandrisika ny “mpanompo mendri-pitokisana” koa ny fanahy masina mba hanome sakafo ho an’ny vahoakan’i Jehovah foana. (Lioka 12:42) Tena be dia be ny sakafo ara-panahy azontsika! Misy ny vita pirinty, ny ao amin’ny Internet, ny video, ary ny raki-peo.

18. Nahoana ny teny nolazain’Andriamanitra no manatanjaka ny finoanao sy mampahery anao?

18 Tadidio foana ny teny nolazain’i Jehovah, tamin’i Jesosy tetỳ an-tany. Enga anie ireny teniny voasoratra ao amin’ny Baiboly ireny ka hanome toky antsika hoe voafehin’i Jehovah ny zava-drehetra, ary tena hofoanany ny zava-dratsy rehetra ataon’i Satana sy ny tontolony amintsika! Ary enga anie isika ho tapa-kevitra ny hihaino tsara ny feon’i Jehovah. Raha manao an’izany isika, dia hahavita hiaritra ny olana rehetra mahazo antsika amin’izao sy amin’ny hoavy. Milaza ny Baiboly hoe: “Mila miaritra ianareo mba ho tanteraka aminareo ilay fampanantenana, rehefa vitanareo ny sitrapon’Andriamanitra.”—Heb. 10:36.

HIRA 4 “Jehovah no Mpiandry Ahy”

^ feh. 5 Intelo i Jehovah no niteny avy any an-danitra, tamin’i Jesosy tetỳ an-tany. Tamin’izay izy no niteny tamin’ny mpianatr’i Jesosy hoe tokony hihaino ny Zanany izy ireo. Miresaka amintsika amin’ny alalan’ny Baiboly i Jehovah, ary ao no ahitantsika ny fampianaran’i Jesosy. Mampiasa ny fandaminany koa izy mba hiresahana amintsika. Hazavaina ato amin’ity lahatsoratra ity hoe inona no tokony hataontsika raha te handray soa amin’izay lazain’i Jehovah sy Jesosy isika.

^ feh. 52 SARY: Anti-panahy mahita mpanampy amin’ny fanompoana manadio Efitrano Fanjakana sy mikarakara boky. Manao teny fiderana vokatry ny fo ilay anti-panahy.

^ feh. 54 SARY: Mpivady any Sierra Leone, manasa mpanjono hanatrika fivoriana.

^ feh. 56 SARY: Vavolombelona mivory ao an-tranon’olona satria voarara ny asantsika any amin’ny taniny. Tsy manao akanjo fitondra mivory izy ireo, amin’izay tsy misarika mason’olona.