Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Zava-dehibe Amin’i Jehovah ny Filazanao hoe “Amena”

Zava-dehibe Amin’i Jehovah ny Filazanao hoe “Amena”

ZAVA-DEHIBE amin’i Jehovah ny fanompoantsika azy. Mihaino tsara ny mpanompony izy, ary hitany daholo izay ataontsika mba hiderana azy, na dia faran’izay kely aza. (Mal. 3:16) Mariho, ohatra, ilay teny hoe “amena”, izay efa nampiasaintsika imbetsaka. Sarobidy amin’i Jehovah ve io teny kely iray io? Eny! Mba hanaporofoana an’izany, dia andao hojerentsika ny dikan’io teny io sy ny fampiasana azy ao amin’ny Baiboly.

“NY OLONA REHETRA HAMALY HOE: ‘AMENA!’”

Ilay teny malagasy hoe “amena” dia midika hoe “ho tanteraka anie izany” na “izany tokoa anie.” Midika hoe “azo antoka” na “mendri-pitokisana” ilay fototeny hebreo nakana an’io teny io. Nampiasaina teny amin’ny fitsarana izy io indraindray. Rehefa avy nianiana ny olona iray dia niteny hoe “amena” mba hanaporofoana hoe marina izay nolazainy ary vonona hizaka izay ho vokany izy. (Nom. 5:22) Vao mainka izy tokony hitana ny teny nataony rehefa nanao an’izany.—Neh. 5:13.

Mitantara ny fotoana iray niavaka nampiasana ny hoe “amena” ny Deoteronomia toko faha-27. Vao tonga tao amin’ny Tany Nampanantenaina ny Israelita tamin’izay, ary novorina teo anelanelan’ny Tendrombohitra Ebala sy ny Tendrombohitra Gerizima. Sady nasaina nihaino ny Lalàna izy ireo no nasaina nanambara hoe ekeny ilay Lalàna. Nila niteny hoe “amena” àry izy ireo rehefa voalaza izay loza hitranga raha tsy mankatò izy ireo. (Deot. 27:15-26) Alao sary an-tsaina ange izany e! An’arivony ny lehilahy sy vehivavy ary ankizy niara-niredona ny valin-teniny. (Jos. 8:30-35) Azo antoka hoe tsy hadinon’izy ireo mihitsy izay nolazainy tamin’io andro io. Nitana ny teniny tokoa ireo Israelita ireo. Izao no nosoratana momba azy ireo: “Nanompo an’i Jehovah foana ny Israely nandritra ny androm-piainan’i Josoa sy ireo anti-panahy, izay mbola velona taorian’i Josoa sady efa nahafantatra ny asa rehetra nataon’i Jehovah ho an’ny Israely.”—Jos. 24:31.

Nampiasa an’ilay teny hoe “amena” koa i Jesosy mba hanamafisana hoe marina ny teniny. Miavaka anefa ny azy satria niteny hoe “amena” (izay adika amin’ny teny malagasy hoe “marina tokoa”) izy aloha, izay vao nilaza hevitra lehibe fa tsy hoe nisy zavatra nolazaina dia taorian’izay izy vao niteny hoe “amena.” Naveriny indroa hoe “amena amena” ilay izy indraindray. (Mat. 5:18; Jaona 1:51) Nahazo toky àry ny mpihaino azy hoe tena marina ny teniny. Afaka nanao an’izany i Jesosy satria izy no nahazo alalana hanatanteraka ny fampanantenan’i Jehovah rehetra.—2 Kor. 1:20; Apok. 3:14.

“NY OLONA REHETRA NANAO HOE: ‘AMENA!’, SADY NIDERA AN’I JEHOVAH”

Niteny hoe “amena” koa ny Israelita rehefa nidera an’i Jehovah na nivavaka taminy. (Neh. 8:6; Sal. 41:13) Raha taorian’ny vavaka izy ireo no niteny an’izany, dia nasehony hoe nekeny ilay izy. Afaka nandray anjara daholo àry izay nanatrika teo, ka faly nanompo an’i Jehovah izy ireo. Hoatr’izany no nitranga rehefa nentin’i Davida Mpanjaka tany Jerosalema ny Vata masina ary nanao fety izy ireo. Nisy vavaka nampihetsi-po natao nandritra an’ilay fety. Toy ny hira io vavaka io, araka ny hita ao amin’ny 1 Tantara 16:8-36. Nihetsi-po be “ny olona rehetra” ka “nanao hoe: ‘Amena!’, sady nidera an’i Jehovah.” Tena faly be izy ireo satria niara-nanompo an’i Jehovah.

Niteny hoe “amena” koa ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany rehefa nidera an’i Jehovah. Matetika ny mpanoratra Baiboly no nampiditra an’io teny io tao amin’ny taratasy nosoratany. (Rom. 1:25; 16:27; 1 Pet. 4:11) Ny bokin’ny Apokalypsy aza mitantara fa misy anjely any an-danitra midera an’i Jehovah hoe: “Amena! Miderà an’i Jah!” (Apok. 19:1, 4) Matetika ny Kristianina voalohany no niteny hoe “amena” taorian’ny vavaka natao tany am-pivoriany. (1 Kor. 14:16) Tsy hoe noteniteneniny tamin’izao fotsiny anefa ilay izy.

ZAVA-DEHIBE NY “AMENA” LAZAINAO

Tena ilaina àry ny mamarana ny vavaka amin’ny “amena”, rehefa jerena ny fomba nampiasan’ny vahoakan’i Jehovah an’io teny io taloha. Rehefa mivavaka samirery isika ka miteny hoe “amena”, dia mampiseho hoe tena avy amin’ny fontsika ilay vavaka. Raha olon-kafa kosa no mivavaka ka miteny isika hoe “amena”, na anakampo aza, dia mampiseho hoe ekentsika ilay vavaka. Misy antony hafa koa anefa mahatonga ny “amena” ho zava-dehibe.

Te hifantoka isika rehefa manao zavatra mifandray amin’ny fanompoana an’i Jehovah. Manompo an’i Jehovah isika rehefa manaiky an’izay lazaina ao anaty vavaka. Anisan’ny fanompoana koa izay ataontsika mandritra an’ilay izy. Tiantsika raha avy any am-po ny “amena” lazaintsika. Tsy manao zavatra hafa àry isika fa mifantoka tsara mandritra ny vavaka.

Mampiray saina antsika izany. Miara-mihaino daholo ny olona rehetra ao am-pivoriana rehefa misy manao vavaka ho an’ny besinimaro. (Asa. 1:14; 12:5) Rehefa miara-miredona manao “amena” àry isika, dia lasa miray saina kokoa. Vao mainka i Jehovah te hamaly ny vavaka ataontsika miaraka rehefa samy manao “amena” isika, na lazaina mafy izany, na any am-po fotsiny.

Midera an’i Jehovah isika rehefa miteny hoe “amena”

Midera an’i Jehovah isika. Voamarik’i Jehovah daholo izay ataontsika mba hanompoana azy. (Lioka 21:2, 3) Hitany izay mahatonga antsika hanao zavatra sy izay any am-pontsika. Na dia manaraka fivoriana amin’ny alalan’ny telefaonina aza isika, dia afaka matoky hoe henon’i Jehovah ny “amena” lazaintsika. Miaraka midera an’i Jehovah amin’ireo any am-pivoriana isika rehefa manao an’izany.

Hoatran’ny hoe kely ihany ilay “amena” lazaintsika, nefa tena misy dikany be. Milaza ny rakipahalalana iray momba ny Baiboly hoe: “Feno toky ... ireo miteny hoe ‘amena’, ary tena manaiky an’izay voalaza sady manantena ao am-pony ao hoe ho tanteraka izany.” Enga anie ka hahafaly an’i Jehovah daholo ny “amena” lazaintsika.—Sal. 19:14.