Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

Ahoana no nataon’ny olona taloha raha te handeha sambo?

TSY dia nisy sambo nitondra mpandeha fotsiny tamin’ny andron’i Paoly, fa mpitondra entam-barotra no betsaka. Ahoana àry no natao raha te handeha sambo? Tsy maintsy nanontanintany aloha ilay olona hoe misy sambo mankany amin’izay toerana tiany haleha ve, ary afaka mitondra mpandeha ve ilay izy. (Asa. 21:2, 3) Mety tsy ho any ilay sambo, nefa afaka mandeha amin’ilay izy ihany ilay olona. Rehefa mijanona amin’ny seranana eny an-dalana ilay sambo, dia any indray izy no mitady sambo hafa mankany akaikikaikin’ilay toerana tiany haleha.—Asa. 27:1-6.

Matetika no efa nisy fotoana fandehanan’ny sambo tao anatin’ny taona. Rehefa nisy sambo anefa, dia tsy nanaraka fandaharam-potoana matotra be izy ireny. Rehefa ratsy, ohatra, ny andro dia tsy nisy sambo nandeha. Nampihemotra ny fiaingany koa ny tantsambo sasany minomino foana rehefa nahita fambara loza, ohatra hoe sisan-tsambo simba teo amoron-drano, na goaika mitoreo eny amin’ny tady mihazona ny lain-tsambo. Nanararaotra ny rivotra koa ny tantsambo, ka rehefa tsara ny rivotra dia nanainga ry zareo. Rehefa nahita sambo nanaiky hitondra azy ny olona iray, dia nankeny akaikin’ilay seranana niaraka tamin’ny entany izy, ary niandry filazana hoe kely sisa dia hanainga ny sambo.

Hoy ny mpahay tantara atao hoe Lionel Casson: “Nisy fomba tsotra fitadiavana sambo tany Roma, dia tsy voatery nipenimpenina ela be teny amin’ny seranana ny olona. Teo amin’ny fidiran’ny Reniranon’i Tibre no nisy ny seranana tany. Nisy tany malalaka be voahodidina birao maromaro tao Ostie, tanàna teo akaiky teo. Mpandefa entana avy any amin’ny seranan-tsambo hafa no tompon’ny ankamaroan’ireo birao ireo. Nanana birao iray, ohatra, ry zareo avy any Narbonne [any Frantsa], dia nanana iray koa ny avy any Carthage [any Tonizia].” Rehefa fantatry ny olona iray ireo seranana handalovany mandra-pahatongany any amin’izay tiany haleha, dia nila nanatona an’ireo birao miandraikitra ny sambo mandalo any izy.

Nitsitsy fotoana ny nandeha sambo nefa nety ho nampidi-doza koa. Imbetsaka, ohatra, no vaky ny sambo nandehanan’i Paoly, tamin’ireo dia misionera nataony.—2 Kor. 11:25.