Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 20

Ahoana no Hampaherezana An’ireo Nisy Nametaveta?

Ahoana no Hampaherezana An’ireo Nisy Nametaveta?

‘Mampionona antsika amin’ny fahoriantsika rehetra [ilay] Andriamanitry ny fampiononana rehetra.’—2 KOR. 1:3, 4.

HIRA 134 Harena Nankinin’Andriamanitra Taminao ny Zanakao

HO HITANAO ATO *

1-2. a) Manomeza ohatra mampiseho hoe mila fampaherezana ny olombelona sady afaka mampahery. b) Inona no mahazo ny ankizy sasany?

MILA fampaherezana daholo ny olombelona, ary vao teraka isika dia efa mila an’izany. Afaka mampahery ny hafa koa anefa isika rehetra. Inona, ohatra, no ataon’ny ankizy raha mianjera izy rehefa milalao dia maratra ny lohaliny? Mihazakazaka mankany amin’ny dadany na ny mamany izy sady mitomany. Tsy hahavita hanasitrana an’ilay ratra ry zareo, nefa afaka mampahery azy. Mety hofafany ny ranomason’ilay zanany sady hanontany izy hoe: ‘Fa naninona ianao?’ Mety hanambitamby sy hanafosafo azy koa izy, ary angamba hasiany fanafody ilay ratra. Vetivety ilay zaza dia hangina, ary mety handeha hilalao indray aza izy avy eo. Ho sitrana koa ilay ratra rehefa mandeha ny fotoana.

2 Tsy misy dikany anefa izany raha oharina amin’ny mahazo ny ankizy sasany. Misy, ohatra, nisy nametaveta. Mety ho indray mandeha izany no nitranga taminy, nefa mety ho aman-taonany koa. Na ahoana na ahoana, dia mahatonga ratram-po lalina sy maharitra foana izany. Misy fotoana tratra sy voasazy ilay olona nametaveta, fa indraindray izy ireny hoatran’ny hoe afa-maina. Na vetivety aza anefa izy dia voasazy, dia mety hijaly foana ilay olona nohararaotiny na dia rehefa lehibe aza.

3. Tian’i Jehovah hahazo inona ny ondriny, araka ny 2 Korintianina 1:3, 4? Inona no fanontaniana hodinihintsika ato?

3 Mety ho nisy nametaveta ny rahalahy na anabavy iray tamin’izy mbola kely, ary mbola mampijaly azy sy mandratra ny fony ilay izy hatramin’izao. Ahoana no azo anampiana azy? (Vakio ny 2 Korintianina 1:3, 4.) Azo antoka hoe tian’i Jehovah hahazo fampiononana sy hahatsapa hoe tiana ny ondriny. Andao àry hovaliantsika ireto fanontaniana ireto: 1) Nahoana no mbola mila ampaherezina ireo nisy nametaveta tamin’ny mbola kely? 2) Iza no afaka mampahery azy ireny? 3) Ahoana no azontsika ampaherezana azy ireny?

NAHOANA IZY IREO NO MILA AMPAHEREZINA?

4-5. a) Nahoana no tokony ho azontsika hoe tsy mitovy amin’ny olon-dehibe ny ankizy? b) Inona no mety ho vokany raha nisy nametaveta ny olona iray tamin’ny mbola kely?

4 Tsy mitovy mihitsy ny ankizy sy ny olon-dehibe. Mila mahazo tsara an’izany isika, izay vao ho azontsika hoe nahoana no mila fampaherezana foana ny olona sasany, na dia efa tamin’izy mbola kely aza no nisy nametaveta. Na mitovy aza mantsy ny fampijaliana atao amin’ny olon-dehibe iray sy ny ankizy iray, dia matetika no hafa mihitsy ny vokatr’izany amin’ilay ankizy. Inona, ohatra, no maha samy hafa ny olon-dehibe sy ny ankizy?

5 Tokony ho afaka hatoky an’izay mitaiza sy mikarakara azy ny ankizy, ary mila mifandray akaiky aminy. Mahatonga ny ankizy tsy hanana ahiahy izany sady mampianatra azy ireo hatoky ny olona tia azy. (Sal. 22:9) Mampalahelo anefa fa havana akaiky na naman’ny fianakaviana ihany matetika no mahavanon-doza, ary ao amin’ny trano ipetrahan’ilay ankizy ihany izany no mitranga. Rehefa hararaotin’ny olona atokisany hoatr’izany ny ankizy, dia mety ho sarotra aminy ny hatoky olon-kafa, na dia taona maro atỳ aoriana aza.

6. Nahoana no tena manimba sy mampijaly ny ankizy ny olona mametaveta azy?

6 Tsy mahavita miaro tena ny ankizy, nefa tena manimba sy mampijaly azy ireo ny olona mametaveta azy. Mbola kely loatra ny ankizy, ka tsy vonona ho amin’ny fanambadiana sy ny firaisana mihitsy ny sainy sy ny fony ary ny vatany. Misy vokany ratsy be aminy àry raha terena hanao zavatra vetaveta izy. Mety ho lasa diso hevitra momba ny firaisana izy, na lasa tsy matokitoky an’izay olona te hifandray akaiky aminy, na lasa mihevi-tena ho tsy misy vidiny intsony.

7. a) Nahoana no mety ho tsotra kely amin’ny olona ratsy saina ny hametaveta ankizy? Inona no mety hataony? b) Inona no mety ho vokatr’ireny lainga ireny?

7 Mbola tsy mahay mandinika sy misaina tsara ny ankizy, sady tsy mahay mamantatra loza sy misoroka an’izany. (1 Kor. 13:11) Tsotra kely amin’ny olona ratsy saina àry ny mamitaka sy mametaveta azy ireny. Fahanany lainga ilay ankizy, ohatra hoe: “Ianao ihany ange no nahatonga an’izany e!”, na hoe: “Tsy hisy hiraharaha ianao sady tsy hisy hino raha mitantara an’izany amin’olona.” Mety hilaza koa izy hoe: “Tsy azo tenenina an’iza na iza izany!”, na hoe: “Rehefa tena mifankatia ange ny olon-dehibe sy ny ankizy, dia manao an’izany e!” Mety hanimba ny fomba fisainan’ilay ankizy izany, ary taona maro atỳ aoriana izy vao mety ho tonga saina hoe hay lainga daholo ireny. Mety hihevitra izy hoe simba sy maloto ary tsy mendrika ny hotiavina sy hampaherezina.

8. Nahoana isika no afaka matoky hoe afaka mampahery an’ireo nisy nametaveta i Jehovah?

8 Tsy mahagaga àry raha mbola mijaly ny olona nisy nametaveta, na dia efa ela be atỳ aoriana aza. Heloka lehibe sady faran’izay ratsy ny fametavetana ankizy! Hita maneran-tany io olana io, ka voaporofo fa miaina amin’ny andro farany tokoa isika. Be dia be ny olona ‘tsy tia ny mpianakaviny’ amin’izao, ary ‘vao mainka miharatsy kokoa ny ratsy fanahy sy ny mpisandoka.’ (2 Tim. 3:1-5, 13) Tena ratsy ny tetik’i Satana, ary mampalahelo fa manao izay mampifaly azy ny olona sasany. Mbola mahery lavitra noho i Satana sy ny olona manao ny sitrapony anefa i Jehovah. Tsy misy miafina aminy ny ataon’i Satana. Afaka matoky àry isika hoe fantany tsara ny ratram-pontsika, ary afaka manome ny fampaherezana ilaintsika izy. Sambatra isika manompo an’ilay “Andriamanitry ny fampiononana rehetra! Mampionona antsika amin’ny fahoriantsika rehetra izy, mba hahaizantsika hampionona an’izay ao anatin’ny fahoriana isan-karazany, amin’ny alalan’ny fampiononana izay ampiononan’Andriamanitra antsika.” (2 Kor. 1:3, 4) Iza anefa no ampiasain’i Jehovah mba hampionona an’izay nisy nametaveta?

IZA NO AFAKA MAMPIONONA AZY IREO?

9. Araka ny Salamo 27:10, ahoana no hataon’i Jehovah amin’ny olona tsy raharahain’ny fianakaviany?

9 Azo inoana hoe mila fampaherezana be ireo nisy nametaveta. Tsy noraharahain’ny ray aman-dreniny angamba izy ireny, dia nohararaotin’ny olona. Mety ho olona akaiky azy koa no nametaveta azy. Afaka matoky isika hoe hampahery antsika i Jehovah rehefa mila an’izany isika. Nahafantatra an’izany i Davida mpanao salamo. (Vakio ny Salamo 27:10.) Natoky izy hoe raha misy olona tsy raharahain’ny fianakaviany, dia i Jehovah no ho lasa Rainy ka hikarakara azy. Ahoana no anaovan’i Jehovah an’izany? Mampiasa ny mpanompony tsy mivadika izy. Hoatran’ny fianakaviantsika mihitsy mantsy izy ireo. Nilaza, ohatra, i Jesosy hoe ireo nanompo an’i Jehovah niaraka taminy no rahalahiny sy anabaviny ary reniny.—Mat. 12:48-50.

10. Ahoana no fomba nanaovan’i Paoly ny asan’ny anti-panahy?

10 Inona no mampiseho hoe hoatran’ny fianakaviana iray ny fiangonana kristianina? Eritrereto izay nataon’ny apostoly Paoly. Anti-panahy tsy nivadika izy ary tena niasa mafy. Nanome modely tsara izy ary nampirisika ny hafa hanao hoatr’azy ka hanahaka an’i Kristy. (1 Kor. 11:1) Ahoana no fomba nanaovany ny asan’ny anti-panahy? Hoy izy: ‘Nalemy fanahy teo aminareo izahay, tahaka ny reny mampinono izay maneho fitiavana ny zanany naterany.’ (1 Tes. 2:7) Malemy fanahy sy be fitiavana hoatr’izany koa ny anti-panahy amin’izao, rehefa milaza teny mampahery avy ao amin’ny Baiboly.

Matetika no tena mahay mampahery ny anabavy kivy ny anabavy matotra (Fehintsoratra 11) *

11. Ny anti-panahy irery ve no afaka mampahery an’ireo nisy nametaveta? Hazavao.

11 Tsy ny anti-panahy irery no afaka mampahery an’ireo nisy nametaveta. Andraikitsika rehetra izany. Milaza mantsy ny 1 Tesalonianina 4:18 fa tokony ‘hifampionona mandrakariva’ isika. Tena afaka mampahery an’ireo anabavy mila fampaherezana, ohatra, ny anabavy matotra. Na i Jehovah aza mantsy nampitaha ny tenany tamin’ny vehivavy mampionona ny zanany. (Isaia 66:13) Misy vehivavy maromaro nampionona ny hafa koa resahina ao amin’ny Baiboly. (Joba 42:11) Ahoana no tsapan’i Jehovah rehefa mahita anabavy mampahery anabavy hafa torotoro fo? Azo antoka fa faly be izy. Mety hiresaka mitokana amin’ny anabavy matotra iray àry ny anti-panahy indraindray, dia hangataka aminy mba hanampy anabavy manana olana hoatr’izany. *

AHOANA NO AZONTSIKA AMPAHEREZANA AZY IREO?

12. Inona no tsy tokony hataontsika?

12 Mazava ho azy fa tsy hisikotsikotra an’izay tsy tian’ny mpiara-manompo horesahina isika. (1 Tes. 4:11) Inona àry no azontsika atao ho an’ireo mila fanampiana sy fampaherezana? Hijery hevitra dimy avy ao amin’ny Baiboly isika izao, mba hanaovana an’izany.

13. Araka ny 1 Mpanjaka 19:5-8, ahoana no nanampian’ny anjelin’i Jehovah an’i Elia? Ahoana no azontsika anahafana an’ilay anjely?

13 Manaova zavatra hanampiana azy. Kivy be i Elia mpaminany, tamin’izy nandositra an’ireo olona nitady hamono azy. Te ho faty mihitsy izy tamin’izay. Nandefa anjely mahery be i Jehovah mba hampahery azy. Ahoana no nanampian’ilay anjely an’i Elia? Nomeny sakafo mafana izy ary nasainy nihinana. (Vakio ny 1 Mpanjaka 19:5-8.) Hitantsika avy amin’io tantara io hoe na hatsaram-panahy kely fotsiny aza indraindray dia mety hisy vokany tsara be. Afaka mahandro sakafo ho an’izay rahalahy na anabavy kivy, ohatra, isika. Azo atao koa ny manome fanomezana kely ho azy, na manoratra taratasy kely mampahery. Izay fotsiny dia efa hanome toky azy hoe tia sy miahy azy isika. Afaka manao zavatra hoatr’izany isika, raha tsy mampahazo aina antsika ny hiresaka aminy momba ny fiainany manokana na ny zavatra mampalahelo nahazo azy.

14. Inona koa no ianarantsika avy amin’ilay tantaran’i Elia?

14 Ataovy izay hahatonga azy hahazo aina tsara fa tsy hatahotahotra. Misy zavatra hafa koa azontsika ianarana avy amin’ny tantaran’i Elia. Nanao fahagagana i Jehovah mba hananan’i Elia hery hahatongavana hatrany amin’ny Tendrombohitra Horeba. Teo amin’io toerana io i Jehovah no nanao fifanekena tamin’ny vahoakany, taonjato maro talohan’izay. Tsy natahotra intsony angamba i Elia rehefa tonga tany amin’io toerana lavitra be io. Mety ho nieritreritra mantsy izy hoe tsy ho azon’ireo olona mitady hamono azy intsony izy any. Inona no ianarantsika avy amin’izany? Raha te hampahery olona nisy nametaveta isika, dia ilaintsika aloha ny manao izay hahatonga azy hahazo aina tsara fa tsy hatahotahotra. Tokony hotadidin’ny anti-panahy, ohatra, fa mety tsy ho tian’ny anabavy sasany raha any amin’ny Efitrano Fanjakana no hiresaka an’izany. Aleony kokoa angamba any an-tranony satria tony kokoa izy any. Ny anabavy hafa indray anefa mety ho any amin’ny Efitrano Fanjakana mihitsy no tiany, satria any izy no mahazo aina.

Hanamaivana ny ratram-pony isika raha manam-paharetana rehefa mihaino azy, miara-mivavaka aminy sady manao an’izany amin’ny fo, ary mitady teny mampahery holazaina aminy (Fehintsoratra 15-20) *

15. Inona no atao hoe mihaino tsara?

15 Henoy tsara izy. Hoy ny Baiboly: “Aoka ny olona rehetra ho mailaka hihaino, tsy ho maika hiteny.” (Jak. 1:19) Mihaino tsara ve ianao rehefa misy miresaka aminao? Mety hieritreritra ianao hoe rehefa tsy miteny fa mijery tsara an’ilay olona fotsiny sady tsy manao na inona na inona, dia efa mihaino azy ianao izay. Tsy ampy anefa izany. Rehefa namoaka ny alahelony tamin’i Jehovah, ohatra, i Elia, dia tena nihaino azy i Jehovah. Hitan’i Jehovah hoe natahotra be sy nanirery izy ary nieritreritra hoe tsy nisy dikany daholo ny asa nataony. Nampian’i Jehovah tamim-pitiavana izy mba handresy an’ireo fihetseham-po rehetra ireo. Nasehony tamin’izany hoe tena nihaino an’i Elia izy.—1 Mpanj. 19:9-11, 15-18.

16. Ahoana no ampisehoantsika hoe mangoraka sy miara-ory amin’ny hafa isika rehefa mihaino azy?

16 Maneho fitiavana isika rehefa mangoraka sy miara-ory amin’ny hafa. Ahoana no ampisehoantsika an’izany rehefa mihaino olona kivy? Teny vitsivitsy voahevitra tsara sady mampahery indraindray dia efa ampy, mba hilazana an’izay tsapantsika. Azo atao, ohatra, ny miteny hoe: “Tena malahelo aho hoe izany no nahazo anao! Tsy misy ankizy tokony hatao an’izany mihitsy!” Afaka mametraka fanontaniana iray na roa koa ianao, mba hahitana raha azonao tsara izay nolazainy. Afaka manontany, ohatra, ianao hoe: “Mba hazavao amiko hoe ny tianao hotenenina azafady”, na hoe: “Ny tianao hotenenina ve hoe ... Sa tsy izany?” Hahazo toky ilay olona amin’izay hoe tena mihaino azy ianao, ary miezaka hahazo an’izay manjo azy.—1 Kor. 13:4, 7.

17. Nahoana isika no tokony hanam-paharetana fa “tsy ho maika hiteny”?

17 Mitandrema anefa sao “maika hiteny.” Aza manapaka ny teniny mba hanomezana torohevitra na hanitsiana ny fomba fisainany, fa manàna faharetana. Nalahelo be i Elia tamin’izy namoaka ny tao am-pony tamin’i Jehovah, ary hita tamin’izay nolazainy izany. Nanatanjaka ny finoany i Jehovah avy eo. Mbola nilaza ny fihetseham-pony indray i Elia taorian’izay, ary izay nolazainy teo aloha ihany no naveriny. (1 Mpanj. 19:9, 10, 13, 14) Inona no ianarantsika avy amin’izany? Mety hiresaka imbetsaka momba ny fihetseham-pony ny olona iray rehefa kivy. Mila manam-paharetana hoatran’i Jehovah isika amin’izay, dia mihaino azy tsara. Aleo mangoraka sy miara-ory aminy toy izay miezaka manome vahaolana.—1 Pet. 3:8.

18. Nahoana no afaka mampahery olona kivy ny miara-mivavaka aminy?

18 Miaraha mivavaka aminy ary ataovy amin’ny fo izany. Mety tsy hahavita hivavaka ny olona rehefa kivy be. Mieritreritra angamba izy hoe tsy mendrika ny hiresaka amin’i Jehovah. Raha te hampahery olona hoatr’izany ianao, dia azonao atao ny miara-mivavaka aminy. Tonòny ao anatin’ilay vavaka mihitsy ny anarany. Resaho amin’i Jehovah hoe tena tianao ilay olona sady tena tian’ny fiangonana. Azo atao koa ny mangataka amin’i Jehovah mba hampahery an’io ondriny tena sarobidy aminy io sy hampitony ny alahelony. Tena mampahery be ny vavaka hoatr’izany.—Jak. 5:16.

19. Inona no tokony homanintsika rehefa hampahery olona isika?

19 Fidio tsara ny teny holazainao mba hampiononana azy. Mieritrereta tsara aloha. Raha tsy izany mantsy, dia mety hankarary fo ny teninao. Tadidio fa manasitrana ny teny feno hatsaram-panahy. (Ohab. 12:18) Mivavaha àry amin’i Jehovah mba hahita teny mampahery sy mampionona. Tadidio koa hoe ny teny lazain’i Jehovah ao amin’ny Baiboly no mampahery indrindra.—Heb. 4:12.

20. Inona no eritreretin’ny mpiara-manompo sasany noho izy nisy nametaveta? Inona no tokony hampahatsiahivintsika azy?

20 Mieritreritra ny olona sasany nisy nametaveta hoe maloto izy, tsy misy dikany, tsy misy mpitia, ary tsy mendrika ny hotiavina akory aza. Tena resy lahatra ny amin’izany izy. Lainga daholo anefa izany! Ampiasao àry ny Soratra Masina mba hampahatsiahivana azy hoe tena tian’i Jehovah izy. (Jereo ilay hoe “ Fampiononana avy ao Amin’ny Soratra Masina.”) Tadidio hoe ahoana no nataon’ny anjely iray rehefa kivy be i Daniela mpaminany. Tsara fanahy taminy ilay anjely sady nampahatsiahy azy hoe sarobidy amin’i Jehovah izy. I Jehovah mihitsy no te hampahafantatra azy an’izany. (Dan. 10:2, 11, 19) Tena sarobidy aminy koa ireo rahalahy sy anabavintsika kivy.

 

21. Inona no hiafaran’ireo olona nanao ratsy nefa tsy mibebaka? Inona no tokony hiezahantsika rehetra mandra-pahatongan’izany?

21 Rehefa mampahery ny hafa isika, dia manampy azy hitadidy hoe tian’i Jehovah izy. Tsy tokony hohadinointsika mihitsy fa Andriamanitra manao ny rariny koa i Jehovah. Fantany hoe iza daholo no nisy nametaveta, na dia tsy fantatry ny hafa aza izany. Mahita ny zava-drehetra izy, ary tsy havelany ho afa-maina izay olona nanao ratsy nefa tsy mibebaka. (Nom. 14:18) Mandra-pahatongan’izany anefa, dia afaka miezaka isika rehetra mba hampiseho fitiavana amin’ireny olona nisy nanararaotra ireny. Mampahery be koa ny mahalala hoe hositranin’i Jehovah tanteraka izay rehetra nampijalin’i Satana sy ny tontolony. Kely sisa dia tsy hankarary fo intsony ireny zava-nitranga ireny, ary tsy hitamberina ao an-tsaina akory.—Isaia 65:17.

HIRA 109 Mifankatiava Amin’ny Fo

^ feh. 5 Mety hiaritra zava-tsarotra ny olona nisy nametaveta tamin’ny mbola kely, na dia efa taona maro atỳ aoriana aza. Nahoana? Izany no hodinihintsika ato. Ho hitantsika ato koa hoe iza no afaka mampahery an’ireny olona ireny, ary ahoana no fomba mety tsara hampaherezana azy ireny.

^ feh. 11 Ilay olona nisy nametaveta ihany no tokony hanapa-kevitra hoe handeha hanatona mpitsabo ve izy.

^ feh. 77 SARY: Anabavy matotra mampahery anabavy kivy be.

^ feh. 79 SARY: Anti-panahy roa mitsidika an’ilay anabavy kivy. Nasain’ilay anabavy hiaraka aminy eo koa ilay anabavy matotra.