Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 25

Miantehera Amin’i Jehovah Rehefa Miady Saina

Miantehera Amin’i Jehovah Rehefa Miady Saina

“Ory dia ory aho.”—1 SAM. 1:15.

HIRA 30 Jehovah no Raiko sy Namako

HO HITANAO ATO *

1. Nahoana isika no tokony hanaraka ny fampitandreman’i Jesosy?

IZAO no nolazain’i Jesosy rehefa naminany momba ny andro farany izy: “Mitandrema sao ny fonareo hovesaran’ny ... fanahiana eo amin’ny fiainana.” (Lioka 21:34) Te hampitandrina izy hoe tsy tokony hanahy be loatra momba ny fivelomana na izay mety hitranga isan’andro isika. Nahoana isika no tokony hanaraka an’io fampitandremana io? Satria miatrika olana mampiady saina hoatran’ny olon-drehetra koa isika amin’izao.

2. Inona no mampiady saina ny rahalahy sy anabavintsika?

2 Miara-mitontona daholo indraindray ny olana manjo antsika. Izany no nahazo ny rahalahy atao hoe John. * Narary mafy izy nefa mbola nilaozan’ny vadiny koa, na dia efa 19 taona aza ry zareo no nivady. Maizina taminy ny tany aman-danitra tamin’izay. Tsy vitan’izany fa tsy nanompo an’i Jehovah intsony ny zanany roa vavy. Tsy mora koa ny nanjo an’i Bob sy Linda. Samy tsy an’asa izy mivady, ka tsy maintsy niala tao amin’ilay trano nipetrahany. Tamin’izay koa anefa no fantatra hoe marary be i Linda. Voan’ny aretim-po mety hahafaty azy izy, ary misy aretina hafa koa nanomboka nampihena ny hery fiarovany.

3. Inona no azontsika antoka, araka ny Filipianina 4:6, 7?

3 I Jehovah no namorona antsika ary izy no Raintsika. Tena tiany isika. Afaka matoky àry isika fa azony tsara hoe manao ahoana isika rehefa miady saina. Te hanampy antsika hiatrika olana koa izy. (Vakio ny Filipianina 4:6, 7.) Betsaka ny tantara ao amin’ny Baiboly miresaka momba ny olana natrehin’ny mpanompon’Andriamanitra taloha. Hitantsika ao koa hoe ahoana no nanampian’i Jehovah azy ireny hiatrika ny adin-tsainy. Andao isika handinika ohatra vitsivitsy.

“NANANA FIHETSEHAM-PO TOA ANTSIKA IHANY” I ELIA

4. Inona avy ny olana natrehin’i Elia, ary inona no tsapany rehefa niatrika an’izany izy?

4 Mafy ny fiainana tamin’ny andron’i Elia, ary niatrika olana lehibe maromaro izy. I Ahaba no nanjaka teo amin’ny Israely tamin’izany. Nivadika tamin’i Jehovah anefa izy ary nanambady an’i Jezebela, vehivavy ratsy fanahy sady mpanompon’i Bala. Nampirisihin’izy mivady hanompo an’i Bala ny olona tao amin’ilay firenena. Be dia be ny mpaminanin’i Jehovah novonoin’izy ireo, nefa tafatsoaka i Elia. Nisy mosary lehibe tatỳ aoriana, nefa tsy maty i Elia satria niantehitra tamin’i Jehovah. (1 Mpanj. 17:2-4, 14-16) Niantehitra taminy koa izy rehefa nanohitra an’ireo mpaminanin’i Bala sy ny mpanompony. Nampirisika ny Israelita hanompo an’i Jehovah izy. (1 Mpanj. 18:21-24, 36-38) Imbetsaka i Elia no nahatsapa hoe tsy nanary azy tao anatin’ny sarotra i Jehovah.

Naniraka anjely i Jehovah mba hanampy an’i Elia hahazo hery indray (Fehintsoratra 5-6) *

5-6. Inona no tsapan’i Elia, araka ny 1 Mpanjaka 19:1-4? Ahoana no nampisehoan’i Jehovah hoe tena tiany i Elia?

5 Vakio ny 1 Mpanjaka 19:1-4. Na dia nanampy an’i Elia foana aza i Jehovah, dia natahotra izy rehefa nandrahona ny hamono azy i Jezebela. Nandositra tany amin’ny faritr’i Beri-sheba àry izy. Kivy be izy ary “nangataka ny ho faty” mihitsy. Fa naninona i Elia no namoy fo hoatr’izany? Satria tsy lavorary izy, ary “nanana fihetseham-po toa antsika ihany.” (Jak. 5:17) Nahatsiaro ho tototry ny adin-tsaina angamba izy sady vizana be. Mety ho nieritreritra izy hoe very maina ny ezaka nataony mba hampirisihana ny olona hanompo an’i Jehovah. Toa tsy nisy na inona na inona niova akory teo amin’ny Israely, sady hoatran’ny hoe izy irery sisa no nanompo an’i Jehovah. (1 Mpanj. 18:3, 4, 13; 19:10, 14) Mety ho gaga isika hoe nahoana io mpaminany tsy nivadika io no kivy be hoatr’izany. Azon’i Jehovah tsara anefa ny fihetseham-pony.

6 Nibedy an’i Elia ve i Jehovah satria namoaka ny tao am-pony izy? Tsia. Nampiany kosa i Elia mba hahazo hery indray. (1 Mpanj. 19:5-7) Nahitsin’i Jehovah koa ny fomba fisainan’i Elia tatỳ aoriana, rehefa nasehony azy hoe tena mahery izy. Nampahafantariny azy avy eo hoe mbola nisy olona 7000 tsy nanaiky hanompo an’i Bala teo amin’ny Israely. (1 Mpanj. 19:11-18) Nasehon’i Jehovah tamin’ireo zavatra nataony ireo hoe tena tia an’i Elia izy.

AHOANA NO HANAMPIAN’I JEHOVAH ANTSIKA?

7. Inona no toky ananantsika rehefa dinihina ny fomba nanampian’i Jehovah an’i Elia?

7 Misy zavatra mampiady saina anao ve? Tena mampahery ny mahalala hoe azon’i Jehovah ny fihetseham-pon’i Elia. Manome toky antsika mantsy izany hoe azony koa ny fihetseham-pontsika rehefa manana olana isika. Fantany izay mety ho vitantsika sy tsy ho vitantsika. Hainy hatramin’izay any an-tsaintsika sy any am-pontsika any mihitsy aza. (Sal. 103:14; 139:3, 4) Raha miantehitra amin’i Jehovah hoatran’i Elia isika, dia hanampy antsika hiatrika an’izay olana mampiady saina antsika izy.—Sal. 55:22.

8. Ahoana no hanampian’i Jehovah anao rehefa miady saina ianao?

8 Mety ho kivy be ianao rehefa miady saina, satria mety hieritreritra hoe tapi-dalan-kaleha. Raha izany no mitranga, dia tadidio fa tena hanampy anao i Jehovah. Ahoana no hataony? Ampirisihiny ianao hiresaka aminy an’izay mampanahy anao, ary tena hamaly anao izy rehefa miantso vonjy aminy ianao. (Sal. 5:3; 1 Pet. 5:7) Resaho matetika amin’i Jehovah àry izay olana mahazo anao. Marina fa tsy hiresaka aminao mivantana hoatran’ny nataony tamin’i Elia izy. Hiresaka aminao amin’ny alalan’ny Baiboly sy ny fandaminany kosa anefa izy. Hampionona anao sy hanome fanantenana anao ny tantara ao amin’ny Teniny. Afaka mampahery anao koa ireo mpiara-manompo.—Rom. 15:4; Heb. 10:24, 25.

9. Nahoana no ilaina ny namana azo itokisana?

9 Nomen’i Jehovah namana hanampy azy koa i Elia. Ahoana no nanaovany an’izany? Nampirisihiny izy mba hizara ny andraikiny tamin’i Elisa. Azo antoka fa nanampy an’i Elia hizaka an’izay nanavesatra ny fony io namany io. Hoatr’izany koa isika. Rehefa mamboraka ny ao am-pontsika amin’ny namana iray atokisantsika isika, dia ho afaka hanampy antsika izy mba hizaka an’izay manavesatra ny fontsika. (2 Mpanj. 2:2; Ohab. 17:17) Ahoana anefa raha tsy misy olona hitanao hoe azonao amborahana ny mahazo anao? Mivavaha amin’i Jehovah mba hahita Kristianina matotra hampahery anao.

10. Nahoana no manome fanantenana antsika ny tantaran’i Elia? Nahoana no afaka manampy antsika ny fampanantenan’i Jehovah ao amin’ny Isaia 40:28, 29?

10 Nampian’i Jehovah i Elia rehefa niady saina, ka nahavita nanompo azy nandritra ny taona maro. Manome fanantenana antsika ny tantarany. Miady saina be isika indraindray ka mety ho lany hery tanteraka, ary vizana be ny fontsika. Raha miantehitra amin’i Jehovah anefa isika, dia homeny ny hery ilaina mba hanompoana azy foana.—Vakio ny Isaia 40:28, 29.

NIANTEHITRA TAMIN’I JEHOVAH IZY IREO

11-13. Inona no nanjo ny mpanompon’i Jehovah telo, ary inona no vokatr’izany tamin’izy ireo?

11 Niady saina be koa ny olon-kafa resahina ao amin’ny Baiboly. I Hana, ohatra, tsy niteraka ka nahatsiaro ho afa-baraka. Tsy vitan’izany fa ratsy fanahy taminy ilay rafivaviny sady naneso azy. (1 Sam. 1:2, 6) Mafy loatra ny adin-tsainy ka kivy be izy sady nitomany, ary tsy nahahinan-kanina mihitsy.—1 Sam. 1:7, 10.

12 Nisy fotoana koa i Davida Mpanjaka tototry ny adin-tsaina. Eritrereto ange ny olana natrehiny e! Nitambesatra tao an-tsainy ny fahadisoana maro nataony. (Sal. 40:12) Tena tiany i Absaloma zanany, nefa nikomy taminy dia maty. (2 Sam. 15:13, 14; 18:33) Namadika azy koa ny iray tamin’ny namany akaiky indrindra. (2 Sam. 16:23–17:2; Sal. 55:12-14) Maro tamin’ireo salamo nosoratan’i Davida no ahitana fa mbola natoky an’i Jehovah foana izy na dia kivy be aza.—Sal. 38:5-10; 94:17-19.

Inona no nanampy an’ilay mpanao salamo ho faly manompo an’i Jehovah indray? (Fehintsoratra 13-15) *

13 Nisy mpanao salamo iray hafa koa tena kivy be. Nanompo tao amin’ny “toerana masin’Andriamanitra” izy, ary angamba taranak’ilay Levita atao hoe Asafa. Kivy be izy satria nanomboka nitsiriritra ny fiainan’ny ratsy fanahy, dia lasa tsy faly sy tsy afa-po intsony. Nieritreritra mihitsy aza izy hoe very maina fotsiny ny nanompoany an’i Jehovah.—Sal. 73:2-5, 7, 12-14, 16, 17, 21.

14-15. Inona no ianarantsika avy amin’i Hana sy Davida ary ny mpanao salamo iray hafa?

14 Samy niantehitra tamin’i Jehovah ireo mpanompony ireo. Nivavaka mafy taminy izy ireo, ary naborany taminy daholo ny antony nahatonga azy hiady saina. Mbola nankany amin’ny toeram-pivavahana tamin’i Jehovah foana koa izy ireo.—1 Sam. 1:9, 10; Sal. 55:22; 73:17; 122:1.

15 Nangoraka an’ireo mpanompony tsirairay ireo i Jehovah, ka namaly ny vavaka nataony. Lasa nilamin-tsaina, ohatra, i Hana. (1 Sam. 1:18) I Davida indray niteny hoe: “Maro ny fahorian’ny olo-marina, nefa manafaka azy amin’izany rehetra izany i Jehovah.” (Sal. 34:19) Ary nanao ahoana ilay mpanao salamo? Nilaza izy hoe ‘nandray ny tanany ankavanana’ i Jehovah, ka nanoro azy tamim-pitiavana an’izay tokony hataony. Nihira koa izy hoe: “Izaho kosa, dia ny manakaiky an’Andriamanitra no tsara amiko. I Jehovah Tompo Fara Tampony no ataoko fialofako.” (Sal. 73:23, 24, 28) Inona no ianarantsika avy amin’izany? Mety hiatrika olana tena mafy isika indraindray ka hiady saina. Hahavita hiatrika an’izany anefa isika, raha misaintsaina ny fomba nanampian’i Jehovah ny olon-kafa sy mivavaka aminy ary manao izay asainy ataontsika.—Sal. 143:1, 4-8.

MIANTEHERA AMINY DIA HO VITANAO NY HIATRIKA NY OLANA MAHAZO ANAO

Te hitokantokana ny anabavy iray, nefa nitady fomba hanampiana ny hafa izy dia lasa tsy kivy be intsony (Fehintsoratra 16-17)

16-17. a) Nahoana isika no tsy tokony hitokantokana? b) Inona no azontsika atao raha te hahazo hery indray isika?

16 Misy lesona hafa tena lehibe koa ianarantsika avy amin’ireo mpanompon’i Jehovah ireo. Tsy tokony hitokantokana isika fa hifandray amin’i Jehovah sy ny vahoakany foana. (Ohab. 18:1) Tena niady saina be mihitsy, ohatra, i Nancy satria nilaozan’ny vadiny. Izao no nolazainy: “Imbetsaka aho no tsy te hahita an’iza na iza sady tsy te hiresaka mihitsy. Vao mainka anefa aho nalahelo rehefa nitokantokana.” Nitady fomba hanampiana ny hafa i Nancy, dia lasa tsy kivy be intsony. Hoy izy: “Nihaino azy ireo nitantara ny olana nampiady saina azy aho. Lasa tsy dia nitsetra tena aho rehefa nangoraka an-dry zareo.”

17 Mahazo hery indray isika rehefa mivory. Rehefa any am-pivoriana mantsy isika, dia lasa afaka “manampy sy mampionona” antsika bebe kokoa i Jehovah. (Sal. 86:17) Omeny hery amin’ny alalan’ny fanahy masina sy ny Teniny ary ny vahoakany isika rehefa any. Afaka mifampahery koa isika any am-pivoriana. (Rom. 1:11, 12) Hoy ny anabavy atao hoe Sophia: “Tsy ho nahavita niaritra aho raha tsy teo i Jehovah sy ny mpiara-manompo. Tena nanampy ahy koa ny fivoriana. Mahavita miatrika kokoa ny adin-tsaiko aho, rehefa mampitombo ny fanompoako sy miaraka kokoa amin’ny fiangonana.”

18. Inona no ataon’i Jehovah ho antsika rehefa kivy isika?

18 Rehefa kivy ianao, dia tadidio fa tsy mampanantena fotsiny i Jehovah hoe hanafoana ny adin-tsaina amin’ny hoavy. Dieny izao izy dia efa vonona hanampy anao hiatrika ny adin-tsainao. Ataony izay hahatonga anao ‘haniry’ hiady amin’ny hakiviana sy ny famoizam-po, sady omeny hery ‘hanatanterahana’ an’izany ianao.—Fil. 2:13.

19. Inona no toky ananantsika, araka ny Romanina 8:37-39?

19 Vakio ny Romanina 8:37-39. Manome toky antsika ny apostoly Paoly ao amin’ireo andininy ireo hoe tsy misy afaka mampisaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra. Fa ahoana anefa no hanampiantsika an’ireo rahalahy sy anabavintsika miady saina? Afaka mangoraka hoatran’i Jehovah isika dia manohana azy ireny. Izany no horesahina ao amin’ny lahatsoratra manaraka.

HIRA 44 Vavaky ny Torotoro Fo

^ feh. 5 Be loatra ve ny olana mahazo anao ka mila tsy ho zaka intsony, sa ilay izy tsy mety voavaha mihitsy? Misy vokany eo amin’ny vatana sy ny fihetseham-po ny olana hoatr’izany. Ahoana no anampian’i Jehovah antsika rehefa mitranga amintsika izany? Handinika ny fomba nanampiany an’i Elia isika mba hahitana an’izany. Hijery ohatra hafa ao amin’ny Baiboly koa isika, mba hahitana an’izay tokony hatao raha te hahazo ny fanampian’i Jehovah.

^ feh. 2 Novana ny anarana ato.

^ feh. 53 SARY: Manaitra moramora an’i Elia ny anjely iray, dia manome azy mofo sy rano.

^ feh. 55 SARY: Mpanao salamo iray, izay angamba taranak’i Asafa. Manoratra salamo izy sady mihira miaraka amin’ny Levita hafa hoatr’azy. Falifaly erỳ ry zareo.