Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Te ho Voaro Amin’ilay Fandrik’i Satana ve Ianao?

Te ho Voaro Amin’ilay Fandrik’i Satana ve Ianao?

EFA kely sisa dia hiampita ny Reniranon’i Jordana ny Israelita, ka hiditra ao amin’ilay tany nampanantenain’Andriamanitra azy ireo. Nisy vehivavy tsy israelita tonga nitsidika an-dry zareo tamin’izay, dia nanasa ny lehilahy israelita hamonjy fety. Nieritreritra angamba ny sasany hoe: ‘Aiza indray no hisy hoatr’izany! Hahazo namana vaovao isika any, dia handihy, ary hihinana sakafo matsiro.’ Tsy nifanaraka tamin’ny Lalàna nomen’Andriamanitra ny Israelita ny fanaon’ireo vehivavy ireo sy ny fitondran-tenany. Mety ho nieritreritra anefa ireo lehilahy israelita hoe: ‘Ao fa tsy maninona izany e! Hitandrina tsara fotsiny izahay.’

Inona anefa no nitranga? Hoy ny Soratra Masina: “Nanomboka nanao firaisana tamin’ny zanakavavin’i Moaba ny olona.” Notadiavin’ireo vehivavy vahiny hanompo andriamani-diso ireo lehilahy israelita ireo, raha ny marina, dia voafandrika. Ara-dalàna raha ‘nirehitra tamin’izy ireo ny fahatezeran’i Jehovah.’—Nom. 25:1-3.

Nandika ny Lalàn’i Jehovah ireo Israelita ireo, satria nanompo andriamani-diso sady nijangajanga. Nampalahelo fa an’arivony no maty satria tsy nankatò. (Eks. 20:4, 5, 14; Deot. 13:6-9) Tena voa mafy koa ry zareo satria efa kely sisa ny Israelita tamin’izay dia hiditra ny Tany Nampanantenaina. Raha tsy nandika lalàna àry ireo lehilahy an’arivony ireo, dia ho tafampita soa aman-tsara ny Reniranon’i Jordana ka ho tonga tany amin’ny Tany Nampanantenaina.—Nom. 25:5, 9.

Izao no nosoratan’ny apostoly Paoly momba an’io zava-nitranga io: “Nanjo azy ireny izany mba ho anatra, ary nosoratana ho fampitandremana ho antsika, dia isika izay tratran’ny faran’ireo rafitra nisy teto amin’ity tontolo ity.” (1 Kor. 10:7-11) Azo antoka fa faly erỳ i Satana hoe nanao fahotana lehibe ny Israelita sasany, ka tsy nahazo niditra tao amin’ny Tany Nampanantenaina. Tena mila mandray lesona avy amin’io tantara io isika! Fantatsika mantsy hoe ho faly be koa i Satana raha vitany ny misakana antsika tsy ho tonga any amin’ny tontolo vaovao.

FANDRIKA MAMPIDI-DOZA

Ny Kristianina no tena kendren’i Satana. Tetika efa hainy tsara no ampiasainy, sady tetika efa nahavoa olona be dia be. Hitantsika teo fa nampirisika ny Israelita hijangajanga izy. Mbola io fandrika mampidi-doza io ihany no ampiasainy amin’izao. Fomba mandaitra hitaomany ny olona hijangajanga ny sary vetaveta.

Tsy voatery hisy hahalala hoe mijery sary vetaveta ny olona iray amin’izao fotoana izao. Tsy hoatr’izany anefa taloha. Tsy maintsy nankany amin’ny sinema na mpivarotra boky misy sary vetaveta ny olona vao nahita an’izany. Azo inoana fa menatra ny ankamaroan’ny olona, dia tsy sahy na dia ny hihaodihaody teny amin’ireny toerana ireny fotsiny aza. Tsy hoatr’izany intsony anefa amin’izao. Raha vao manana Internet fotsiny ny olona iray, dia efa afaka mijery sary vetaveta. Afaka manao an’izany izy any am-piasana ary na dia ao anaty fiara aza. Any amin’ny tany maro aza tsy mila mivoaka ny trano akory dia efa afaka mijery an’izany.

Vao mainka mora kokoa aza izao ny mijery sary vetaveta, satria azo jerena amin’ny telefaonina sy tablette ilay izy. Afaka manao an’izany ny olona na mandeha eny an-dalana, na any anaty bisy na lamasinina.

Lasa betsaka kokoa àry no iharan’ny voka-dratsin’ny fijerena sary vetaveta. Tokantrano maro, ohatra, no rava. Lasa mahatsiaro ho tsy misy vidiny koa ny olona mijery an’ireny, ary simba ny feon’ny fieritreretany. Na ny fifandraisany amin’Andriamanitra aza mety ho simba. Tsy hitanao àry ve hoe tena ratsy ny sary vetaveta? Matetika no maharitra ela ny vokany. Azo oharina amin’ny ratra izany. Marina fa mety ho sitrana tsikelikely ilay ratra, nefa mety hamela holatra tsy mety afaka intsony.

Tadidio anefa fa manampy antsika mba tsy ho tratran’io fandrik’i Satana io i Jehovah. Hiaro antsika amin’izany izy raha “mankatò an-tsakany sy an-davany” an’izay lazainy isika, fa tsy manao hoatran’ireo lehilahy israelita. (Eks. 19:5) Mila manaiky isika hoe tena halan’i Jehovah ny sary vetaveta. Inona no manaporofo an’izany?

HALAN’I JEHOVAH IZANY, KA ANKAHALAO KOA

Eritrereto izao: Hafa mihitsy ny lalàna nomen’Andriamanitra ny firenen’Israely. Hoatran’ny manda niaro azy ireo ireny lalàna ireny, ka nampisaraka azy ireo tamin’ny firenena manodidina sady nisakana azy ireo tsy hanaraka ny fanao ratsin’izy ireny. (Deot. 4:6-8) Hita mazava tsara tamin’ireny lalàna ireny hoe halan’i Jehovah ny fijangajangana.

Rehefa avy nitanisa an’ireo zavatra maharikoriko fanaon’ny firenena manodidina i Jehovah, dia niteny tamin’ny Israelita hoe: “Aza manao toy ny fanaon’ny tany Kanana, izay hampidirako anareo. ... Maloto ilay tany, ka hosaziko izy io noho ny fahadisoany.” Masina i Jehovah, ilay Andriamanitry ny Israely. Naharikoriko azy àry ny fitondran-tenan’ny olona tao Kanana, ka naloto no fahitany an’ilay tany.—Lev. 18:3, 25.

Nosazin’i Jehovah ny Kananita, nefa mbola nisy foana ny olona ratsy fitondran-tena. Hoatr’izany ny mponina tany amin’ireo firenena nisy ny Kristianina, 1 500 taona mahery tatỳ aoriana. Nilaza i Paoly hoe ‘efa tsy nahalala menatra intsony’ izy ireny. ‘Nanaram-po tamin’ny fitondran-tena baranahiny hanao izao karazam-pahalotoana rehetra izao’ izy ireo ‘sady tsy nety afa-po fa mbola te hanao foana.’ (Efes. 4:17-19) Be dia be koa ny olona ratsy fitondran-tena amin’izao sady tsy menatra amin’izany. Tokony hiezaka mafy araka izay azo atao àry ny mpanompon’i Jehovah mba tsy hijery sary vetaveta mihitsy.

Noforonin’Andriamanitra araka ny endriny sy misy itovizana aminy isika, ary efa nataony hahay hamantatra hoe inona no mahamenatra ary inona no mety. Hendry izy ka nanome lalàna momba ny fanaovana firaisana. Ny mpivady ihany no avelany hanao an’izany ka hahazo fahafinaretana. (Gen. 1:26-28; Ohab. 5:18, 19) Ahoana anefa no ataon’ny olona mamokatra sary vetaveta na mampirisika ny hafa hijery an’izany? Manao tsinontsinona an’Andriamanitra izy ireny, satria tsy miraharaha ny fitsipiny momba ny fitondran-tena. Hotsarain’Andriamanitra izay tsy miraharaha ny fitsipiny ka mamokatra sary vetaveta na mampirisika ny hafa hijery an’izany.—Rom. 1:24-27.

Ary ahoana indray ny amin’ireo olona manao fanahy iniana mijery sary vetaveta na mamaky boky vetaveta? Misy mieritreritra angamba hoe fialam-boly fotsiny izany ary tsy hanimba azy. Manohana an’ireo olona tsy miraharaha ny fitsipik’i Jehovah anefa izy amin’izany, na dia tsy izay aza no tiany hatao. Asehon’ny Baiboly mazava tsara fa tokony hankahala tanteraka ny sary vetaveta ny mpanompon’i Jehovah. Izao no voalaza ao: “Ianareo izay tia an’i Jehovah, ankahalao ny ratsy.”—Sal. 97:10.

Mety ho sarotra ny tsy hijery sary vetaveta, na dia te hitandrina aza. Tsy lavorary mantsy isika, ary mila miady mafy angamba vao mahavita manohitra ny fanirian-dratsy. Ny fontsika koa tsy lavorary, ka mety hahatonga antsika hitady hirika tsy hankatoavana ny lalàn’i Jehovah. (Jer. 17:9) Betsaka amin’ireo lasa Kristianina anefa no nahavita nandresy tamin’io ady io. Raha miady amin’io fahazaran-dratsy io koa ianao, tsy manome toky anao ve izany hoe ho vitanao ny handresy? Andao hojerentsika hoe ahoana no anampian’ny Tenin’Andriamanitra anao mba tsy ho tratran’io fandrik’i Satana io.

ESORY AO AN-TSAINAO ILAY IZY

Efa hitantsika teo fa loza no vokany rehefa nanatanteraka ny fanirian-dratsiny ny Israelita. Mety hitranga koa izany amin’izao. Hoy i Jakoba, rahalahin’i Jesosy: “Tsapaina ... ny tsirairay rehefa voasariky ny fanirian’ny tenany ihany, ka voafandrik’izany. Ary ny faniriana rehefa kolokoloina, dia miteraka fahotana.” (Jak. 1:14, 15) Raha vao manana fanirian-dratsy ny olona iray ka avelany hitombo ilay izy, dia azo inoana fa hanota izy amin’ny farany. Tokony hesorina ao an-tsaina àry ny eritreri-dratsy, fa tsy vao mainka hokolokoloina.

Manaova zavatra avy hatrany raha vao mitady hieritreri-dratsy. Hoy i Jesosy: “Raha mahatonga anao hanota àry ny tananao na ny tongotrao, dia tapaho ka ario lavitra anao. ... Raha mahatonga anao hanota koa ny masonao, dia esory ka ario lavitra anao.” (Mat. 18:8, 9) Tsy ara-bakiteny akory ireo tenin’i Jesosy ireo. Ohatra fotsiny ireo mba hampisehoana hoe mila fantarintsika izay mety hahatonga antsika hanota, dia avy eo hesorina haingana ilay izy. Ahoana no hampiharantsika an’izany amin’ny sary vetaveta?

Raha sendra mahita sary vetaveta ianao, dia aza mieritreritra hoe: ‘Ao fa tsy maninona io e!’ Tonga dia avilio ny masonao. Vonoy avy hatrany ny tele, na ny ordinatera, na ny telefaonina, na ny tablette, ary zavatra tsara eritreretina. Hahavita hibaiko ny eritreritrao ianao amin’izay, fa tsy hobaikoin’ny fanirian-dratsy.

AHOANA RAHA MIVERINA AO AN-TSAINAO NY SARY VETAVETA NOJERENAO TALOHA?

Tsy mijery sary vetaveta intsony angamba ianao. Ahoana anefa raha miverina ao an-tsainao ireny indraindray? Mety ho ela be vao ho afaka ao an-tsaina ny sary vetaveta, ary mety ho tadidy tampoka. Raha mitranga aminao izany, dia mety ho te hanao zavatra vetaveta ianao. Mety ho te hikasikasika ny filahianao na ny fivavianao, ohatra, ianao. Miomàna mialoha àry satria mety hiverina tampoka ao an-tsainao ireny sary ireny.

Miezaha ho tapa-kevitra kokoa hoe hataonao mifanaraka amin’izay tian’i Jehovah ny eritreritrao sy izay ataonao. Tahafo ny apostoly Paoly. Nilaza izy hoe: “Asiako mafy ny vatako ka andevoziko.” (1 Kor. 9:27) Aza manaiky handevozin’ny fanirian-dratsy àry. ‘Miovà ka havaozy ny sainao, mba handinihanao tsara ka hamantaranao ny sitrapon’Andriamanitra, izay tsara sady ankasitrahana no tonga lafatra.’ (Rom. 12:2) Marina fa mety hahatsiaro ho afa-po ianao raha manatanteraka fanirian-dratsy. Tadidio anefa fa ho afa-po kokoa ianao raha mampifanaraka ny eritreritrao sy ny ataonao amin’ny sitrapon’Andriamanitra.

Mety hahatsiaro ho afa-po ianao raha manatanteraka fanirian-dratsy. Tadidio anefa fa ho afa-po kokoa ianao raha mampifanaraka ny eritreritrao sy ny ataonao amin’ny sitrapon’Andriamanitra

Tsara koa ny mitadidy andinin-teny. Rehefa sendra mieritreri-dratsy ianao, dia tereo hisaintsaina an’ireny andinin-teny ireny ny sainao. Anisan’izany ny Salamo 119:37; Isaia 52:11; Matio 5:28; Efesianina 5:3; Kolosianina 3:5; ary ny 1 Tesalonianina 4:4-8. Hanampy anao ireo andinin-teny ireo mba hankahala ny sary vetaveta hoatran’i Jehovah. Ho hitanao amin’izy ireo koa hoe inona no tiany hataonao.

Ahoana anefa raha mieritreritra zavatra vetaveta ianao indraindray, na tsy aritrao mihitsy fa te hijery sary vetaveta ianao? Araho tsara ny modely navelan’i Jesosy. (1 Pet. 2:21) Naka fanahy azy imbetsaka i Satana taorian’ny batisany. Nanohitra azy foana anefa izy, ary nampiasa andinin-teny isaky ny nanao an’izany. Nilaza izy hoe: “Mandehana ianao, ry Satana”, dia nandao azy i Satana. Tsy nilavo lefona mihitsy i Jesosy, ary tsy tokony hilavo lefona koa ianao. (Mat. 4:1-11) Tsy hijanona mihitsy i Satana sy ny tontolony fa mbola hataony izay hahatonga ny sainao ho feno eritreri-dratsy. Mila miady foana àry ianao mba hanoherana azy ireo. Azo atao tsara ny miala amin’ny fahazarana mijery sary vetaveta! Handresy an’io fahavalonao io ianao rehefa ampian’i Jehovah.

MIVAVAHA AMIN’I JEHOVAH ARY ANKATOAVY IZY

Mivavaha amin’i Jehovah foana dia mangataha fanampiana aminy. Hoy i Paoly: “Ampahafantaro an’Andriamanitra ny fangatahanareo ... Ary ny fiadanan’Andriamanitra izay lehibe lavitra noho ny eritreritra rehetra no hiambina ny fonareo sy ny sainareo amin’ny alalan’i Kristy Jesosy.” (Fil. 4:6, 7) Hahazo ny fiadanan’Andriamanitra ianao amin’izay, ka hahavita hanohitra fakam-panahy. Raha manatona an’i Jehovah ianao, dia ‘hanatona anao’ koa izy.—Jak. 4:8.

Tsy hisy fandrik’i Satana hahavoa anao, raha mifandray akaiky amin’ilay Mpanjakan’izao rehetra izao ianao. Tsy misy fiarovana tsara noho izany! Hoy i Jesosy: “Avy ilay mpitondra an’izao tontolo izao [na i Satana]. Tsy manana fahefana amiko anefa izy.” (Jaona 14:30) Fa maninona i Jesosy no natoky an’izany? Hoy izy: “Miaraka amiko ilay naniraka ahy, fa tsy nandao ahy ho irery izy, satria manao izay sitrany foana aho.” (Jaona 8:29) Tsy handao anao mihitsy koa i Jehovah raha manao izay sitrany foana ianao. Aza mijery sary vetaveta àry, dia tsy hahavita hamandrika anao i Satana.