Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 34

Inona no Hanampy Anao Raha Niova ny Fanendrena Anao?

Inona no Hanampy Anao Raha Niova ny Fanendrena Anao?

“Andriamanitra ... tsy mba tsy marina ka hanadino izay nataonareo, sy ny fitiavana nasehonareo ho an’ny anarany.”—HEB. 6:10.

HIRA 38 Izy no Hampahery Anao

HO HITANAO ATO *

1-3. Inona no mety hahatonga ny rahalahy sy anabavy sasany tsy hanompo manontolo andro intsony na hahazo fanendrena vaovao?

HOY i Robert, vadin’i Mary Jo: “Misionera nandritra ny 21 taona izahay mivady. Tena maminay ireny fotoana ireny. Samy narary anefa ny ray aman-dreninay, dia tsy maintsy nijanona izahay. Faly izahay nikarakara an-dry zareo nefa nalahelo be ihany. Tany amin’ilay tany nanendrena anay mantsy no nandrian’ny fonay.”

2 Izao no nolazain’i William, vadin’i Terrie: “Ranomaso ny anay vao naheno hoe tsy afaka manohy ny fanendrena anay intsony satria narary. Vita hatreo ilay hoe manompo an’i Jehovah any an-tany hafa, nefa tianay erỳ izany.”

3 Izao kosa no notantarain’i Aleksey: “Efa hainay hoe te hanakatona ny biraon’ny sampana ny fanjakana. Rehefa tena nakatona anefa ny sampana ka tsy maintsy niala tao izahay, dia nalahelo be ihany.”

4. Inona no hodinihintsika ato?

4 An’arivony koa ny mpanompo manontolo andro hafa nahazo fanendrena vaovao, anisan’izany ny Betelita. * Tena tian’ireny rahalahy sy anabavy tsy mivadika ireny ny asa nanendrena azy, ka mety ho mafy amin’izy ireny ny hoe tsy manohy an’ilay izy intsony. Inona àry no hanampy azy ireo? Inona no azonao atao ho an-dry zareo? Hanampy antsika rehetra ny valin’ireo fanontaniana ireo, raha miova tampoka ny fiainantsika.

AHOANA NO IATREHANA FIOVANA?

Nahoana no mety ho sarotra amin’ny mpanompo manontolo andro ny miova fanendrena na tsy manohy ny fanompoana nataony intsony? (Fehintsoratra 5) *

5. Inona no mety ho vokany rehefa miova fanendrena isika?

5 Mety hiraiki-po be amin’ny olona isika, na manompo eny amin’ny saha na ao amin’ny Betela. Na ilay toerana anompoantsika aza mety ho lasa tiantsika be. Ara-dalàna àry raha malahelo be isika rehefa miova fanendrena. Manimanina ny mpiara-manompo nilaozantsika mantsy isika sady manahy momba an-dry zareo, indrindra raha fanenjehana no nahatonga antsika handeha. (Mat. 10:23; 2 Kor. 11:28, 29) Mila mizatra kolontsaina hafa koa angamba isika, ary mety ho mafy be izany. Raha miverina mody indray isika, dia mety ho vaovao be amintsika na dia ny kolontsaintsika aza. Hoy i Robert, ilay voaresaka tetsy aloha: “Tsy zatra ny kolontsainay intsony izahay mivady. Na dia ny mitory amin’ny fitenin-drazanay aza tsy manavanana anay intsony. Hoatran’ny hoe izahay indray no vahiny!” Mety ho sahirana koa isika satria lasa mitombo ny fandaniana. Tsy hitantsika angamba izay hatao, dia matahotra sy kivy isika. Inona àry no hanampy antsika?

Tena mila mifandray akaiky amin’i Jehovah sy matoky azy isika (Fehintsoratra 6-7) *

6. Inona no azontsika atao raha te hinamana amin’i Jehovah foana isika?

6 Miezaha hinamana amin’i Jehovah foana. (Jak. 4:8) Ahoana no hanaovana an’izany? Mila matoky ianao hoe “Mpihaino vavaka” izy. (Sal. 65:2) ‘Aborahy aminy ny ao am-ponao.’ (Sal. 62:8) Afaka ‘manao mihoatra noho izay rehetra angatahinao na eritreretinao’ i Jehovah, ary “mihoatra lavitra noho izany mihitsy aza.” (Efes. 3:20) Tsy izay angatahinao ihany no omeny. Mety hanao zavatra tsy ampoizina izy ary mihoatra an’izay noeritreretinao mihitsy aza, mba hamahana ny olana mahazo anao.

7. a) Inona koa no hanampy antsika hinamana amin’i Jehovah foana? b) Araka ny Hebreo 6:10-12, inona no ho vokany raha mazoto manompo an’i Jehovah foana isika?

7 Mila mamaky ny Soratra Masina isan’andro koa ianao sady misaintsaina an’izay vakinao. Misionera ny rahalahy iray taloha, ary izao no nolazainy: “Aza manadino manomana fivoriana, dia manaova Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana isan-kerinandro, hoatran’ny nataonao tany amin’ilay fanendrena anao taloha ihany.” Mandraisa anjara betsaka araka izay azo atao amin’ny fitoriana miaraka amin’ny fiangonanareo vaovao. Tadidio fa tsy manadino an’izay mazoto manompo azy foana i Jehovah, na dia tsy afaka manao an’izay rehetra nataony taloha aza ilay olona.—Vakio ny Hebreo 6:10-12.

8. Nahoana ny 1 Jaona 2:15-17 no manampy anao hanana fiainana tsotra foana?

8 Miezaha hanana fiainana tsotra foana. Aza avela ‘hangeja’ anao ny fanahiana eto amin’ny tontolon’i Satana, ka hahatonga anao tsy hanompo an’i Jehovah intsony. (Mat. 13:22) Mety hampirisika anao hitady vola be mba hanatsarana ny fiainanao ny namanao na ny havanao na ny olon-kafa tsy manompo an’i Jehovah. Mieritreritra ny hanampy anao angamba izy ireny, nefa aza manaraka ny teniny. (Vakio ny 1 Jaona 2:15-17.) Matokia an’i Jehovah. Efa nampanantena izy hoe hanome izay ilainao rehetra “amin’ny fotoana mety”, izany hoe hanampy anao hilamin-tsaina sy hanana finoana matanjaka ary hahazo izay ilainao eo amin’ny fiainana.—Heb. 4:16; 13:5, 6.

9. Araka ny Ohabolana 22:3, 7, nahoana isika no tsy tokony hitrosa raha mbola azo atao? Inona no hanampy antsika hanapa-kevitra tsara?

9 Aza mitrosa raha mbola azo atao. (Vakio ny Ohabolana 22:3, 7.) Mety handany vola be ny mifindra, ka mety ho mora midi-trosa ianao. Mba tsy ho bokan-trosa àry, dia aleo tsy mividy zavatra tsy ilaina akory, na dia aloa tsikelikely aza ilay izy. Tsy haintsika anefa indraindray hoe ohatrinona ny vola tokony hindramina rehefa mitaintaina be isika, ohatra hoe mikarakara fianakaviana marary. Inona àry no azo atao? Tadidio hoe afaka manampy anao hanapa-kevitra tsara ny “vavaka sy ny fitalahoana” amin’i Jehovah. Hamaly anao izy ka hanome anao ny fiadanany, izay ‘hiambina ny fonao sy ny sainao.’ (Fil. 4:6, 7; 1 Pet. 5:7) Hanampy anao ho tony sy hieritreritra tsara izany.

10. Inona no azo atao raha te hahazo namana?

10 Miezaha hifandray tsara amin’ny hafa foana. Itantarao ny fihetseham-ponao sy izay zavatra niainanao ny namanao, indrindra raha efa nandalo an’izao mahazo anao izao izy. Mety hanasitrana ny fonao mantsy izany. (Mpito. 4:9, 10) Mbola ho namanao foana ny namanao tany amin’ilay toerana nanendrena anao taloha. Mila miezaka hahazo namana hafa koa anefa ianao, amin’izao ianao nahazo fanendrena vaovao izao. Tadidio hoe mila miezaka mba ho namana aloha ianao, raha te hahazo namana. Ahoana no hanaovana an’izany? Azonao tantaraina amin’ny hafa, ohatra, ny zavatra tsara nataon’i Jehovah ho anao, dia amin’izay tsapany hoe faly ianao manompo an’i Jehovah. Mety tsy ho azon’ny olona sasany ao amin’ny fiangonana hoe inona no tena itiavanao ny fanompoana manontolo andro. Misy indray anefa mety ho liana amin’izany, dia ho lasa namanao. Tandremo anefa sao ianao na ny zava-bitanao na ny alahelo tsapanao no tena misongadina.

11. Inona no azonao atao mba ho sambatra foana ny tokantranonareo?

11 Narary ve ny vadinao, dia lasa tsy afaka nanohy ny fanompoana nataonareo intsony ianareo? Raha izany, dia aza omena tsiny izy. Raha ianao indray no tsy salama, dia aza manamelo-tena na mieritreritra hoe nandiso fanantenana ny vadinao ianao. Tadidio fa “nofo iray ihany” ianareo sady efa nampanantena teo imason’i Jehovah hoe hifanampy foana, na amin’ny mora na amin’ny sarotra. (Mat. 19:5, 6) Ahoana indray raha tsy maintsy nijanona tamin’ny fanompoana manontolo andro ianareo mivady satria lasa nanan-janaka, nefa tsy nieritreritra ny hiteraka? Aza omena tsiny ny zanakareo. Ataovy tsapany tsara kosa fa sarobidy lavitra noho ny fanendrena anareo izy, ary omeo toky izy hoe “valisoa” avy amin’i Jehovah. (Sal. 127:3-5) Tantarao aminy koa ny zavatra nahafinaritra anareo tamin’ny fanompoanareo taloha. Mety hahatonga azy hanompo manontolo andro koa mantsy izany.

AHOANA NO AZON’NY OLON-KAFA ANAMPIANA?

12. a) Ahoana no azontsika anampiana ny mpanompo manontolo andro mba hanohy ny fanompoany? b) Raha misy miova fanendrena, dia inona no azontsika atao mba ho mora kokoa aminy ilay fiovana?

12 Be dia be ny fiangonana sy mpiara-manompo miezaka manampy ny mpanompo manontolo andro mba hanohy ny fanompoany, ohatra hoe mampahery an-dry zareo. Misy koa manome vola na zavatra hafa ilainy. Ny hafa indray manampy mikarakara ny fianakaviany, satria lavitra ny toerana nanendrena azy. (Gal. 6:2) Ahoana raha misy amin’izy ireny nahazo fanendrena vaovao, dia nafindra ao amin’ny fiangonanareo? Aza mieritreritra hoe tsy niasa tsara izy, na voasazy fa nisy fahadisoana nataony. * Ampio kosa izy mba ho mora kokoa aminy ilay fiovana. Raiso tsara, ohatra, izy dia isaory noho ny asa mafy nataony, na dia tsy mahavita be intsony aza izy izao. Miezaha koa hahafantatra azy bebe kokoa. Be dia be ny zavatra hainy sy efa niainany ary ny fampiofanana azony, dia mianara avy amin’ireny.

13. Ahoana no azontsika anampiana an’ireo nahazo fanendrena vaovao?

13 Mety hila ny fanampianao ry zareo amin’ny voalohany, ohatra hoe rehefa mitady trano sy asa. Mila atoro azy koa angamba hoe ahoana no atao rehefa mandoa jiro, na mikarakara taratasy any amin’ny fokontany, na zavatra hafa ilainy andavanandro. Tadidio koa fa olona tena miezaka hahazo ny fihetseham-pony no ilainy, fa tsy olona malahelo azy fotsiny. Mety hiady saina, ohatra, izy satria marary na misy fianakaviany tsy salama. Mety ho nidonam-pahoriana koa izy, dia miady mafy mba hizaka ny alahelony. * Ny hafa indray tena manina an’ireo namany any amin’ny fanendrena azy taloha, na dia koboniny any am-pony any aza izany. Mifamahofaho be matetika ireo fihetseham-po ireo, ka mila fotoana vao ho voafehiny.

14. Ahoana no nataon’ny mpiara-manompo mba hanampiana ny anabavy iray niova fanendrena?

14 Ho zatra tsikelikely an’ilay fiovana ry zareo, raha manampy azy ianao sady miezaka ho modely. Nahazo fanendrena vaovao ny anabavy iray, rehefa avy nanompo tany an-tany hafa nandritra ny taona maro. Hoy izy: “Nampianatra Baiboly foana aho isan’andro, tany amin’ilay faritaniko taloha. Zara raha nahavita nanokatra Baiboly na nampiseho video anefa aho tatỳ rehefa nanompo. Soa ihany ny mpiara-manompo fa nanasa an’ahy hanao fiverenena mitsidika sy hampianatra miaraka amin-dry zareo. Nihatsara ny fiheverako an’ilay faritany rehefa nahita an-dry zareo be herim-po sy nazoto nampianatra Baiboly aho. Lasa nahay nanombo-dresaka tamin’ny olona tao amin’ilay faritany vaovao koa aho, rehefa nahita ny nataon-dry zareo. Nanampy an’ahy daholo izany mba ho falifaly indray.”

ATAOVY FOANA IZAY TSARA INDRINDRA VITANAO

Rehefa tafaverina any amin’ny taninao ianao, dia mitadiava fomba hanompoana bebe kokoa (Fehintsoratra 15-16) *

15. Inona no azonao atao mba hahomby ianao amin’ilay fanendrena vaovao?

15 Afaka ny hahomby amin’ilay fanendrena vaovao ianao. Aza mieritreritra hoe nisy tsy nety nataonao na hoe tsy dia ilaina intsony ianao, matoa niova ny fanendrena anao. Jereo tsara fa manampy anao foana ny tanan’i Jehovah, dia aza mijanona mitory mihitsy. Manaova hoatran’ireo Kristianina tsy nivadika tamin’ny taonjato voalohany. Na taiza na taiza faritra nalehan-dry zareo, dia “namakivaky an’ilay faritra” izy ireo, “ka nitory ny vaovao tsaran’ny tenin’Andriamanitra.” (Asa. 8:1, 4) Raha miezaka mitory foana ianao, dia mety hisy vokany tsara izany. Nisy mpisava lalana maromaro, ohatra, noroahina hiala tao amin’ny firenena iray. Inona no nataon-dry zareo? Nifindra tao amin’ny firenena teo akaiky teo ry zareo, satria hain’izy ireo ny fiteny iray nampiasaina tany. Tena nila mpitory nahay an’ilay fiteny koa tany. Tsy ampy firy volana akory dia lasa nihabetsaka ny antoko-mpitory nampiasa an’ilay fiteny.

16. Inona no azonao atao mba ho faly foana ianao na dia niova fanendrena aza?

16 ‘Ny fifaliana avy amin’i Jehovah no fiarovana mafy ho antsika’, izany hoe izy io no tena manome hery antsika. (Neh. 8:10) Ny fifandraisantsika amin’i Jehovah àry no tokony hahafaly antsika indrindra fa tsy ny fanendrena antsika, na dia tiantsika hoatran’ny inona aza ilay izy. Miezaha àry hinamana tsara amin’i Jehovah foana, dia mangataha tari-dalana sy fanampiana ary fahendrena avy aminy. Tadidio fa lasa tianao ilay fanendrena anao taloha, satria nanao izay tsara indrindra vitanao ianao tamin’izany mba hanampiana olona. Dia hoatr’izany ihany atao izao. Manaova izay tsara indrindra vitanao, dia ho hitanao fa hampian’i Jehovah ianao mba ho tia an’ilay fanendrena vaovao.—Mpito. 7:10.

17. Inona no tsy maintsy tadidintsika?

17 Tsy maintsy mitadidy isika hoe mandrakizay ny fanompoana an’i Jehovah, fa ny fanendrena antsika amin’izao kosa tsy haharitra. Mety hiova daholo ny fanendrena antsika any amin’ny tontolo vaovao. Nilaza i Aleksey, ilay voaresaka tany aloha, hoe mampiofana azy ho amin’izany ny fiovana iainany amin’izao. Hoy izy: “Haiko tsara hoe tena misy i Jehovah, fa hoatran’ny hoe tsy tena akaiky an’ahy izy taloha. Na ny tontolo vaovao koa aza hoatran’ny hoe mbola ho elaela, na dia fantatro aza hoe tena ho tonga ilay izy. Izao anefa aho lasa mahatsapa hoe tena akaiky be an’i Jehovah, sady hoatran’ny hoe efa ao ambadika ao ilay tontolo vaovao.” (Asa. 2:25) Andao àry isika hiezaka hifandray akaiky amin’i Jehovah foana, na inona na inona fanendrena antsika. Tsy handao antsika mihitsy izy! Hanampy antsika ho faly izy raha mbola manao izay azo atao isika mba hanompoana azy, na aiza izany na aiza.—Isaia 41:13.

HIRA 90 Andao Isika Hifampahery

^ feh. 5 Miova indraindray ny fanendrena ny mpanompo manontolo andro sasany, na ry zareo mihitsy no tsy afaka manohy an’ilay izy intsony. Inona no olana atrehin’izy ireo vokatr’izany? Inona no hanampy azy ireo ho zatra an’ilay fiainany vaovao? Inona no azon’ny olon-kafa atao mba hanampiana sy hampaherezana an-dry zareo? Ary inona no toro lalana hanampy antsika rehetra raha miova ny fiainantsika? Handinika an’ireo isika ato.

^ feh. 4 Betsaka koa ny rahalahy tsy maintsy nanome ny andraikiny ho an’ny rahalahy tanora kokoa, satria efa be taona. Jereo ilay hoe “Tena Tia Anareo i Jehovah, ry Zokiolona Tsy Mivadika”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana Septambra 2018, sy ilay hoe “Miezaha ho Tony Foana na dia Niova Aza ny Fiainanao”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana Oktobra 2018.

^ feh. 12 Tokony hanoratra taratasy fampahafantarana ny anti-panahy tao amin’ny fiangonana nisy azy ireo teo aloha, ka handefa an’izany haingana araka izay azo atao any amin’ilay fiangonany vaovao. Tsy voatery hiandry ela be izy ireo amin’izay vao ho afaka hanohy ny asan’ny mpisava lalana, na ny andraikitry ny anti-panahy, na mpanampy amin’ny fanompoana.

^ feh. 13 Jereo ilay andian-dahatsoratra hoe “Inona no Hanampy Anao Hizaka ny Fahorianao?”, ao amin’ny Mifohaza! No. 3 2018.

^ feh. 57 SARY: Mpivady misionera voatery mandao ny tany nanendrena azy. Manao veloma ny fiangonany izy ireo dia mitomany.

^ feh. 59 SARY: Ilay mpivady teo aloha ihany. Efa any amin’ny taniny ry zareo. Mivavaka mafy amin’i Jehovah foana izy ireo mba hanampy azy hiatrika ny olana mahazo azy.

^ feh. 61 SARY: Nampian’i Jehovah izy mivady, ka lasa afaka manompo manontolo andro indray. Mampiasa an’ilay fiteny nianarany tamin’izy misionera ry zareo mba hitoriana amin’ny olona mampiasa an’ilay fiteny, ao amin’ny faritanin’ny fiangonan-dry zareo vaovao.