Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 40

Miezaha ho Be Atao Amin’izao Farany Efa Tena Akaiky Izao!

Miezaha ho Be Atao Amin’izao Farany Efa Tena Akaiky Izao!

“Aoka ianareo hifahatra tsara sy tsy ho voahozongozona ary ho be atao foana amin’ny asan’ny Tompo.”​—1 KOR. 15:58.

HIRA 58 Tadiavo Ireo Zanaky ny Fiadanana

HO HITANAO ATO *

1. Nahoana isika no resy lahatra hoe miaina amin’ny “andro farany”?

TAORIAN’NY 1914 ve ianao no teraka? Raha izany, dia niaina nandritra ny “andro farany” foana ianao. (2 Tim. 3:1) Nahoana isika mpanompon’i Jehovah no resy lahatra hoe “andro farany” izao? Satria isika rehetra mihitsy no efa nandre momba an’ireo zavatra nolazain’i Jesosy hoe hitranga amin’izao andro izao. Anisan’izany ny ady, mosary, horohoron-tany, areti-mandringana, fitomboan’ny fandikan-dalàna, ary ny fanenjehana ny vahoakan’i Jehovah. (Mat. 24:3, 7-9, 12; Lioka 21:10-12) Hitantsika koa hoe manana an’ireo toetra noresahin’ny apostoly Paoly ny olona.—Jereo ilay hoe “ Hoatran’ny Ahoana ny Olona Amin’izao?

2. Inona no fanontaniana tokony hoeritreretintsika?

2 Efa ela be izany 1914 izany, ka azo antoka hoe miaina amin’ny tapany farany amin’ny “andro farany” isika izao. Tena akaiky àry ny farany, ka mila mahafantatra ny valin’ireto isika: Inona no hitranga amin’ny faran’ny “andro farany”? Inona no tian’i Jehovah hataontsika eo am-piandrasana an’izany?

INONA NO HITRANGA AMIN’NY FARAN’NY “ANDRO FARANY”?

3. Inona ilay filazana hataon’ireo mpitondra fanjakana, araka ny 1 Tesalonianina 5:1-3?

3 Vakio ny 1 Tesalonianina 5:1-3. Ilay “andron’i Jehovah” resahin’i Paoly dia ilay fe-potoana manomboka amin’ny fanafihana an’i “Babylona Lehibe”, na ny fivavahan-diso rehetra, ka mifarana amin’ny Hara-magedona. (Apok. 16:14, 16; 17:5) Aloha kelin’ny hanombohan’io “andron’i Jehovah” io, dia hilaza ireo mpitondra fanjakana hoe misy “fandriampahalemana sy filaminana.” Mampiasa teny mitovy amin’ireo ny mpitondra indraindray, rehefa miresaka ny ezaka ataon’izy ireo mba hampihavanana firenena. * Hafa mihitsy anefa ilay filazana hoe “fandriampahalemana sy filaminana” resahin’ny Baiboly. Nahoana? Satria hieritreritra ny olona amin’io fotoana io hoe tena nahavita nampilamina kokoa an’ity tontolo ity ny mpitondra. Hisy “fandringanana tampoka” anefa aorian’izay.—Mat. 24:21.

Aza mino mihitsy rehefa milaza ireo mpitondra hoe misy “fandriampahalemana sy filaminana” (Fehintsoratra 3-6) *

4. a) Inona no tsy fantatsika? b) Inona kosa no efa fantatsika?

4 Misy zavatra sasany tsy fantatsika momba an’ilay filazana hoe “fandriampahalemana sy filaminana.” Tsy fantatsika, ohatra, hoe inona no hahatonga ny mpitondra fanjakana hanao an’ilay filazana, na hoe ahoana no hanaovan-dry zareo an’ilay izy. Tsy haintsika koa hoe filazana miavaka be indray mandeha fotsiny ve ilay izy, sa filazana maromaro mifampitohitohy. Fantatsika kosa fa tsy tokony hino mihitsy isika hoe nahavita nampisy fandriampahalemana eran-tany ny mpitondra. Tokony ho tonga saina kosa isika hoe izay ilay filazana nasaina nandrasantsika. Izy io no ho famantarana fa efa hanomboka ny “andron’i Jehovah.”

5. Nahoana ny 1 Tesalonianina 5:4-6 no manampy antsika ho vonona amin’ny “andron’i Jehovah”?

5 Vakio ny 1 Tesalonianina 5:4-6. Inona no azontsika atao mba ho vonona amin’ny “andron’i Jehovah”? Hitantsika ao amin’ireo tenin’i Paoly ireo hoe tsy tokony “hatory toy ny hafa” isika. Tsy maintsy ‘mifoha hatrany’ isika, ka ho mailo foana. Tokony ho mailo, ohatra, isika ka tsy hiandany amin’iza na iza, ary tsy hidikiditra amin’ny resaka politika. Ho lasa “anisan’izao tontolo izao” isika raha manao an’izany. (Jaona 15:19) Fantatsika fa ny Fanjakan’Andriamanitra ihany no azo antenaina hampisy fandriampahalemana eran-tany.

6. Ampiantsika hanao inona ny olona, ary nahoana?

6 Tsy hoe miezaka ny tsy hatory fotsiny isika, fa manampy ny hafa hifoha foana koa. Ampiantsika izy ireo hahafantatra an’izay lazain’ny Baiboly fa hitranga maneran-tany. Tadidio fa tara loatra raha efa manomboka ny fahoriana lehibe vao hanapa-kevitra hanompo an’i Jehovah ny olona. Tena maika àry ny asa fitoriana! *

MIEZAHA HO BE ATAO FOANA

Torintsika amin’ny olona hoe ny Fanjakan’Andriamanitra ihany no mahavita mampisy fandriampahalemana sy filaminana eto an-tany (Fehintsoratra 7-9)

7. Inona no tian’i Jehovah hataontsika izao?

7 Efa kely sisa dia hanomboka ny “andron’i Jehovah”, ka tiany hazoto hitory isika. Tokony “ho be atao foana amin’ny asan’ny Tompo” àry isika. (1 Kor. 15:58) Efa nilaza mialoha i Jesosy hoe izany no hataontsika. Rehefa niresaka an’ireo zava-dehibe hitranga mandritra ny andro farany mantsy izy, dia niteny koa hoe: “Ankoatra izany, dia tsy maintsy hotorina any amin’ny firenena rehetra aloha ny vaovao tsara.” (Mar. 13:4, 8, 10; Mat. 24:14) Eritrereto ange e! Isaky ny mitory ianao dia anisan’ny manatanteraka an’io faminaniana io.

8. Manao ahoana ny fandrosoan’ny asa fitoriana?

8 Mihamaro ny olona maheno ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana isan-taona. Eritrereto, ohatra, ny fitomboan’ny isan’ny mpitory eran-tany mandritra ny andro farany. Nisy mpitory 5 155 tany amin’ny tany 43 tamin’ny 1914. Efa 8 500 000 eo ho eo anefa izao ny mpitory any amin’ny tany 240. Na izany aza, dia mbola tsy vita ny asantsika. Mila mitory momba ny Fanjakan’Andriamanitra foana isika, ka mampahafantatra hoe io ihany no vahaolana amin’ny zava-manahirana rehetra mahazo ny olombelona.—Sal. 145:11-13.

9. Nahoana isika no tokony hanohy hitory foana?

9 Tsy ho tapitra ny asa fitoriana raha tsy efa milaza i Jehovah hoe vita izy io. Hoatran’ny ahoana ny fotoana sisa tavela mba hahalalan’ny olona an’i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy? (Jaona 17:3) Tsy fantatsika izany. Fantatsika kosa hoe mandra-pahatongan’ny fahoriana lehibe, dia mbola afaka manaiky ny vaovao tsara sy mifidy hanompo an’i Jehovah izay ‘manana toe-po tsara mba hahazoana fiainana mandrakizay.’ (Asa. 13:48) Ahoana no azontsika anampiana an’ireny olona ireny dieny mbola tsy tara loatra?

10. Ahoana no anampian’i Jehovah antsika mba hahay hampianatra ny marina?

10 Manome an’izay rehetra ilaintsika i Jehovah mba hampianarantsika ny marina. Mampiasa ny fandaminany izy amin’izany. Ampiofanina, ohatra, isika isan-kerinandro amin’ny fivoriana andavanandro. Lasa mahay mampidi-dresaka sy manao fiverenana mitsidika àry isika. Ampiofanina hampianatra Baiboly koa isika amin’io fivoriana io. Tsy izay ihany fa nomen’ny fandaminan’i Jehovah an’ireo Fitaovana Fampianarana isika. Manampy antsika izy ireo mba...

  • hampidi-dresaka,

  • hanao izay hahaliana ny olona,

  • handrisika ny olona hazoto hianatra bebe kokoa momba ny Baiboly,

  • hampita ny fahamarinana rehefa mampianatra Baiboly, ary

  • hanasa ny olona liana hijery ny tranonkalantsika sy ho tonga hivory.

Tsy ampy anefa ny manana an’ireo fitaovana ireo fotsiny. Tsy maintsy ampiasaintsika izy ireo. * Ahoana, ohatra, raha nahita olona liana ianao dia nahafinaritra ny resakareo? Azonao omena taratasy mivalona na gazety izy, amin’izay izy manana zavatra hovakina mandra-piverinao any aminy. Manana andraikitra isika tsirairay isam-bolana, dia ny miezaka ho be atao amin’ny fitoriana.

11. Inona no antony nanaovana an’ilay Fianarana Baiboly Amin’ny Internet?

11 Misy fomba hafa koa anampian’i Jehovah ny olona hahalala ny marina, anisan’izany ny Fianarana Baiboly Amin’ny Internet ao amin’ny jw.org®. * Fa maninona no nasiana an’io fianarana io ao? Satria be dia be ny olona maneran-tany no mitady fianarana Baiboly ao amin’ny Internet isam-bolana. Afaka manampy azy ireny hahita ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra ilay fianarana Baiboly ao amin’ny tranonkalantsika. Tsy dia mazoto hiara-mianatra Baiboly amintsika ny olona sasany. Raha mihaona amin’ny olona hoatr’izany ianao, dia asehoy azy ilay Fianarana Baiboly Amin’ny Internet, na andefaso rohy izy hahitany an’ilay izy.

12. Inona no ho hitan’ny olona ao amin’ilay Fianarana Baiboly Amin’ny Internet?

12 Dinihina ao amin’ilay Fianarana Baiboly Amin’ny Internet, ohatra, ny momba ny Baiboly sy Ilay nampanoratra azy. Dinihina ao koa hoe iza avy no tena resahina ao amin’ny Baiboly, ary inona no fanantenana omen’izy io. Ianarana amin’izany ireto manaraka ireto:

  • Ahoana no anampian’ny Baiboly anao?

  • Iza i Jehovah sy Jesosy ary ny anjely?

  • Nahoana Andriamanitra no namorona ny olombelona?

  • Fa maninona no misy ny fijaliana sy ny faharatsiana?

Ianarana amin’ilay izy koa hoe ahoana no hataon’i Jehovah mba...

  • hanafoanana ny fijaliana sy ny fahafatesana,

  • hananganana ny maty, ary

  • hanoloana ny fanjakan’olombelona amin’ny Fanjakan’Andriamanitra.

13. Tsy mila olona hampianatra azy Baiboly intsony ve ny olona iray raha efa mianatra ao amin’ny Internet? Hazavao.

13 Tsy hoe rehefa mianatra Baiboly ao amin’ny Internet anefa ny olona iray, dia tsy mila olona hampianatra azy Baiboly intsony. Isika mantsy no nomen’i Jesosy tombontsoa hanao mpianatra. Manantena isika hoe hamaky sy hankasitraka an’ireo lesona ao amin’ny Internet ny olona liana, dia avy eo te hahafantatra bebe kokoa momba an’izay hitany tao. Mety hanaiky hampianarina Baiboly izy amin’izay. Isaky ny tapitra ny lesona iray, dia ampirisihina izy mba hangataka olona hampianatra azy Baiboly. Maherin’ny 230 isan’andro ny fangatahana voaraintsika ao amin’ny Internet, ary avy amin’ny olona maneran-tany izany. Tena ilaina ilay hoe misy olona mampianatra!

MIEZAHA FOANA HANAO MPIANATRA

14. Tokony hiezaka mafy hanao inona isika, araka ny Matio 28:19, 20? Nahoana?

14 Vakio ny Matio 28:19, 20. Rehefa mampianatra Baiboly isika, dia tokony hiezaka mafy ‘hanao mpianatra’, izany hoe hanampy an’ilay olona ho lasa mpianatra na mpanara-dia an’i Jesosy, ka “hitandrina izay rehetra” nandidiany. Mila ataontsika azon’ilay olona tsara hoe tena mila mifidy ny hanompo an’i Jehovah sy hanohana ny Fanjakany izy. Mila miezaka manohina ny fon’ny olona àry isika mba hahatonga azy ireo hampihatra an’izay ianarany sy hanokan-tena ho an’i Jehovah ary hatao batisa. Raha manao an’ireo ihany izy vao ho tafavoaka velona amin’ny andron’i Jehovah.—1 Pet. 3:21.

15. Tsy tokony handany fotoana amin’iza isika? Nahoana?

15 Efa hitantsika teo hoe kely sisa dia ho ringana ity tontolo ity. Noho izany, dia tsy afaka mandany fotoana amin’ny olona efa hita fa tsy vonona ho lasa mpianatr’i Kristy isika, ka hoe hanohy hampianatra Baiboly azy ihany. (1 Kor. 9:26) Maika mantsy ny asantsika! Mbola be dia be ny olona tokony haheno ny hafatra momba ilay Fanjakana dieny mbola tsy tara loatra.

AZA MIFANDRAY AMIN’NY FIVAVAHAN-DISO MIHITSY

16. Araka ny Apokalypsy 18:2, 4, 5, 8, inona no tsy maintsy ataontsika rehetra? (Jereo koa ny fanamarihana ambany pejy.)

16 Vakio ny Apokalypsy 18:2, 4, 5, 8. Hitantsika amin’ireo andininy ireo fa misy zavatra hafa tian’i Jehovah hataon’ny mpanompony. Tokony hitandrina tsara ny tena Kristianina mba tsy hifandray amin’i Babylona Lehibe mihitsy. Niangona tany amin’ny fivavahan-diso angamba ny mpianatra Baiboly iray talohan’ny nianarany ny fahamarinana. Mety ho nandray anjara tamin’izay nataon’ilay fivavahana izy, na nanome vola hanohanana azy io. Tokony ho efa tsy mifandray amin’ny fivavahan-diso intsony mihitsy ny olona iray mianatra Baiboly, izay vao azo ekena ho mpitory. Tokony hanoratra taratasy fialana any amin’ny fiangonany taloha izy, na hanao zavatra hafa mampiseho hoe tsy mpikambana any intsony. Hoatr’izay koa no tokony hataony amin’izay fikambanana misy ifandraisany amin’i Babylona Lehibe, raha mpikambana any izy. *

17. Asa hoatran’ny ahoana no tsy tokony hataon’ny Kristianina? Nahoana?

17 Tsy maintsy ataon’ny tena Kristianina azo antoka hoe tsy misy ifandraisany amin’i Babylona Lehibe ny asany. (2 Kor. 6:14-17) Tsy hanaiky ho mpiasa karamain’ny fiangonana mihitsy, ohatra, izy. Raha olon-kafa na orinasa no manakarama azy, ka ampanaovin’izy ireo asa any amin’ny trano natao hampandrosoana fivavahan-diso izy, dia tsy hanaiky hiasa be ao izy, na dia mety ho azony atao ihany aza ny manao zavatra vetivety toy ny vonjy aina. Raha miasa tena izy, dia tsy hitady asa any amin’ny fivavahan-diso na hanao fifanarahana hiasa ho an-dry zareo. Mila mandinika tsara an’ilay lahatsoratra eo amin’ny fanamarihana ambany pejy isika rehefa hanapa-kevitra momba an’ireo. Fa maninona isika no hentitra be hoatr’izany? Satria tsy te handray anjara amin’izay ataon’ny fivavahan-diso sy ny fahotany isika. Maloto mantsy izy ireny amin’Andriamanitra.—Isaia 52:11. *

18. Ahoana no nampisehoan’ny rahalahy iray fa nanaraka ny toro lalan’ny Baiboly foana izy?

18 Eritrereto ny nahazo ny anti-panahy iray manao asa tena. Nisy olona nangataka taminy mba handrafitra zavatra kely tao amin’ny fiangonana iray teo an-tanànan-dry zareo. Ilay olona no hanakarama azy fa tsy ilay fiangonana. Niteny foana ilay rahalahy hatramin’izay hoe tsy hanao asa ho an’ny fiangonana. Efa fantatr’ilay olona izany, saingy tsy nisy mpandrafitra nanaiky an’ilay asa, dia izay no nahatonga azy hiresaka tamin’ilay rahalahy. Nanaraka ny toro lalan’ny Baiboly foana anefa ilay rahalahy dia nanda an’ilay asa. Nisy zavatra nitranga ny herinandro manaraka. Nivoaka tamin’ny gazety ny sarina mpandrafitra iray mametaka lakroa teo amin’ilay fiangonana. Saika ny sarin’ilay rahalahy àry no teo raha nilefitra izy! Dia mba ahoana no ho noeritreretin’ny mpiara-manompo raha izany no nitranga? Ho simba ny lazany! Ary ahoana no ho fihetseham-pon’i Jehovah amin’izany?

INONA AVY NO NIANARANTSIKA?

19-20. a) Inona avy no nianarantsika hatreto? b) Inona no mbola tokony hianarantsika?

19 Raha ny faminanian’ny Baiboly no jerena, dia ilay filazana hoe “fandriampahalemana sy filaminana” no zavatra miavaka hitranga tsy ho ela. Soa ihany anefa fa nampianarin’i Jehovah isika, ka fantatsika hoe sarintsariny fotsiny ilay fandriampahalemana hisy amin’izany sady tsy haharitra. Inona no tokony hataontsika dieny mbola tsy mitranga izany sy ilay fandringanana tampoka aorian’izay? Tian’i Jehovah ho be atao amin’ny fitoriana sy hiezaka hanao mpianatra bebe kokoa isika. Tsy tokony hifandray amin’i Babylona Lehibe mihitsy koa isika, izany hoe hiala tsy ho anisan’ny fivavahan-diso sady tsy hanao asa misy ifandraisany amin’izy io.

20 Mbola hisy zavatra hafa hitranga aorian’izay, mandritra ny faran’ny “andro farany.” Misy zavatra hafa koa tian’i Jehovah hataontsika. Inona izany, ary ahoana no hiomanantsika amin’izay rehetra hitranga atsy ho atsy? Izany no hojerentsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka.

HIRA 71 Tafik’i Jehovah Isika!

^ feh. 5 Tsy ho ela isika dia haheno ny mpitondra fanjakana hilaza hoe vitan-dry zareo ny nampisy “fandriampahalemana sy filaminana.” Izany no ho famantarana hoe efa hanomboka ny fahoriana lehibe. Inona no tian’i Jehovah hataontsika mandra-pahatongan’izany? Handinika an’izany isika ato.

^ feh. 3 Milaza, ohatra, ny Firenena Mikambana ao amin’ny tranonkalany hoe “manao izay hisian’ny fandriampahalemana sy filaminana maneran-tany foana” izy ireo.

^ feh. 6 Jereo ny lahatsoratra ao amin’ny pejy 6 sy 7 ato.

^ feh. 10 Raha te hahalala bebe kokoa momba ny fomba fampiasa an’ireo Fitaovana Fampianarana ireo ianao, dia jereo ilay lahatsoratra hoe “Ampianaro ny Marina ny Olona”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana Oktobra 2018.

^ feh. 11 Mbola amin’ny teny anglisy sy portogey aloha io fianarana io izao, fa hadika amin’ny fiteny hafa amin’ny hoavy.

^ feh. 16 Tsy tokony ho mpikambana ao amina fikambanana iray isika, raha misy ifandraisany amin’ny fivavahan-diso ilay izy. Anisan’izany ny toerana tantanan’ny fivavahana, ohatra hoe toerana fanaovana fanatanjahan-tena, na filomanosana, na fanaovana fialam-boly hafa. Anisan’izany koa ny fikambanan’ny tanora, toy ny YMCA. Mety hilaza ireny fikambanana ireny hoe tsy dia misy idirany amin’ny fivavahana ny zavatra ataony. Raha ny marina anefa, dia fivavahana mihitsy no ao ambadik’ilay izy ary mifandray amin’izany koa ny tanjon’izy ireo.

^ feh. 17 Jereo ny “Fanontanian’ny Mpamaky” ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Aprily 1999, raha te hahalala bebe kokoa an’izay lazain’ny Baiboly momba ny asa misy ifandraisany amin’ny fivavahana.

^ feh. 83 SARY: Mpivady avy nanompo dia maka aina kely ao amin’ny hotely iray. Misy vaovao tampoka amin’ny tele milaza hoe misy “fandriampahalemana sy filaminana.” Liana be amin’ilay izy ny olona ao amin’ilay hotely. Izy mivady kosa tsy mino an’ilay izy.