Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 44

Miezaha ho Mpinamana Be Dieny Mbola Tsy Tonga ny Farany

Miezaha ho Mpinamana Be Dieny Mbola Tsy Tonga ny Farany

“Tia amin’ny fotoana rehetra ny tena namana.”OHAB. 17:17.

HIRA 101 Miara-miasa sy Miray Saina

HO HITANAO ATO *

Mila namana isika mandritra ny “fahoriana lehibe” (Fehintsoratra 2) *

1-2. Inona no hanampy antsika hiatrika zava-tsarotra, araka ny 1 Petera 4:7, 8?

EFA manakaiky ny faran’ny “andro farany”, ka mety hiatrika olana faran’izay mafy isika. (2 Tim. 3:1) Nisy korontana sy ady, ohatra, tany amin’ny firenena iray atsy Afrika, rehefa vita ny fampielezan-kevitra. Tsy dia afaka nivezivezy àry ireo rahalahy sy anabavy nandritra ny enim-bolana mahery. Inona no nanampy azy ireo hiatrika an’izany? Nifindra tany amin’ny faritra tsy dia natahorana ry zareo, dia nipetraka tany amin’ny mpiara-manompo. Hoy ny rahalahy iray: “Tena ilaina ny mana-namana eo akaikinao rehefa hoatr’ireny. Afaka nifampahery tsara izahay.”

2 Ho faly isika raha manana namana tia antsika, rehefa tonga ny “fahoriana lehibe.” (Apok. 7:14) Dieny izao àry isika dia mila miezaka ho mpinamana be. (Vakio ny 1 Petera 4:7, 8.) Betsaka no azo ianarana avy amin’i Jeremia. Nisy zava-tsarotra nitranga talohan’ny nandravana an’i Jerosalema, ary nanampy azy hiatrika an’izany ny namany. * Ahoana no hanahafantsika azy?

INONA NO AZO IANARANA AVY AMIN’I JEREMIA?

3. a) Nahoana i Jeremia no mety ho te hitokantokana? b) Inona no noresahin’i Jeremia tamin’i Baroka, ary inona no vokatr’izany?

3 Avy ao Anatota i Jeremia. Mpikomy ny olona nanodidina azy, ary havany angamba ny sasany. (Jer. 11:21; 12:6) Olona hoatr’izany no niara-niaina taminy nandritra ny 40 taona, fara fahakeliny. Tsy nitokantokana anefa i Jeremia. Nanana mpitan-tsoratra izy. Baroka no anarany ary tsy nivadika taminy izy io. Noresahin’i Jeremia taminy ny fihetseham-pony, ary fantatsika izany satria nosoratana ao amin’ny Baiboly. (Jer. 8:21; 9:1; 20:14-18; 45:1) Azo antoka fa lasa nifandray am-po sy nifanaja izy ireo, rehefa nanoratra ny tantaran’i Jeremia i Baroka.—Jer. 20:1, 2; 26:7-11.

4. Inona no nasain’i Jehovah nataon’i Jeremia? Nahoana izany no nanampy azy sy Baroka mba ho lasa mpinamana be?

4 Nampitandrina ny Israelita momba an’izay hanjo an’i Jerosalema i Jeremia nandritra ny taona maro, ary tsy natahotahotra mihitsy izy. (Jer. 25:3) Mbola te hanampy ny Israelita hibebaka i Jehovah, dia nasainy nosoratan’i Jeremia tao anaty horonam-boky ny fampitandremany. (Jer. 36:1-4) Nanao an’io asa nampanaovin’i Jehovah io i Jeremia sy Baroka, ary naharitra amam-bolana angamba ilay izy. Niara-niasa akaiky izy ireo, ka azo inoana fa nanatanjaka ny finoan’izy ireo ny resaka nataony.

5. Inona no mampiseho fa tena namana i Baroka?

5 Rehefa nila nampahafantarina tamin’ny vahoaka amin’izay ny voalazan’ilay horonana, dia tsy maintsy niantehitra tamin’i Baroka i Jeremia. (Jer. 36:5, 6) Nankany amin’ny tokotanin’ny tempoly àry i Baroka, dia namaky an’ilay izy. Be herim-po izy ka vitany ilay asa na dia nampidi-doza aza. Azo antoka fa faly be tamin’io namany io i Jeremia! (Jer. 36:8-10) Henon’ny andrianan’ny Joda ny nataon’i Baroka, dia nasain’izy ireo novakiny tamin’izy ireo ilay horonana. (Jer. 36:14, 15) Nanapa-kevitra izy ireo avy eo hoe hampitaina amin’i Joiakima Mpanjaka ny tenin’i Jeremia. Nilaza tamin’i Baroka anefa aloha ry zareo hoe: “Mandehana miafina ianareo sy Jeremia, ary aza atao misy mahalala mihitsy izay misy anareo.” (Jer. 36:16-19) Soa ihany ry zareo fa niteny an’izany!

6. Ahoana no nataon’i Jeremia sy Baroka rehefa nisy nanohitra?

6 Tezitra be i Joiakima Mpanjaka raha vao naheno an’ireo teny tao anatin’ilay horonana. Nodorany àry ilay izy ary nasainy nosamborina i Jeremia sy Baroka. Tsy nampihontsina an’i Jeremia anefa izany. Naka horonana hafa indray izy, dia nomeny an’i Baroka ilay izy. Naveriny notononina taminy ny hafatr’i Jehovah, ka nosoratan’i Baroka tao izay “teny rehetra ... efa tao amin’ilay boky nodoran’i Joiakima mpanjakan’ny Joda.”—Jer. 36:26-28, 32.

7. Inona no azo inoana fa nitranga rehefa niara-niasa i Jeremia sy Baroka?

7 Lasa mifandray am-po be matetika ny olona miara-miatrika olana. Azo antoka àry fa lasa mpinamana be i Jeremia sy Baroka rehefa niara-nanolo an’ilay horonana nodoran’i Joiakima. Lasa nahita ny toetra tsaran’i Baroka mantsy i Jeremia, dia i Baroka koa nahita ny toetra tsaran’i Jeremia. Inona no azo atao mba ho mpinamana be hoatr’izany?

RESAHO IZAY ANY AM-PONAO SY ANY AN-TSAINAO

8. Inona no mety hahatonga antsika tsy hinamana be amin’ny hafa? Nahoana anefa isika no tokony hiezaka foana?

8 Mety ho sarotra amintsika ny hamboraka ny ao am-pontsika, raha nisy olona nandratra ny fontsika taloha. (Ohab. 18:19, 24) Na isika mieritreritra hoe tsy afaka minamana be amin’ny olona, satria tsy manana fotoana sy hery ho amin’izany. Tokony hiezaka foana anefa isika. Dieny izao isika dia mila mianatra miresaka an’izay any an-tsaintsika sy any am-pontsika amin’ny mpiara-manompo. Tena ilaina izany raha te ho mpinamana tsara isika. Rehefa ao anatin’ny sarotra isika amin’izay, dia ho eo ry zareo hanohana antsika.—1 Pet. 1:22.

9. a) Ahoana no nampisehoan’i Jesosy hoe natoky ny namany izy? b) Nahoana isika no hinamana kokoa amin’ny olona iray, raha milaza aminy ny any an-tsaintsika sy any am-pontsika? Manomeza ohatra.

9 Natoky ny namany i Jesosy. Ahoana no nampisehoany an’izany? Tsy nisalasala niresaka tamin’izy ireo izy. (Jaona 15:15) Manao hoatran’i Jesosy isika raha miresaka tsara amin’ny hafa ka milaza an’izay any am-pontsika, ohatra hoe ny zavatra mahafaly sy mampanahy ary mandiso fanantenana antsika. Henoy tsara koa izay olona miresaka aminao. Ho hitanao amin’izay hoe misy zavatra betsaka itovizanareo, ohatra hoe eritreritra na fihetseham-po na tanjona. Nahatsapa an’izany i Cindy, anabavy 20 taona eo ho eo, rehefa ninamana tamin’i Marie-Louise. Mpisava lalana i Marie-Louise ary 60 taona mahery. Miara-manompo izy mianaka isaky ny alakamisy maraina. Tsy mifampihafahafa ry zareo rehefa miresaka, dia be dia be ny zavatra resahiny. Hoy i Cindy: “Tiako rehefa tena misy dikany ny resakay sy ny namako, satria lasa fantatro kokoa izy dia azoko kokoa izay tsapany.” Vao mainka mifankatia ny mpinamana rehefa mifampiresaka tsara. Azo inoana fa ho lasa mpinamana kokoa amin’ny olon-kafa ianao, raha ianao mihitsy no miezaka manao an’izany, hoatran’ny ataon’i Cindy.—Ohab. 27:9.

MIARAHA MANOMPO AMIN’IZY IREO

Miara-manompo ny tena mpinamana (Fehintsoratra 10)

10. Araka ny Ohabolana 27:17, inona no vokany rehefa miara-manompo amin’ny hafa isika?

10 Hoatran’ny tamin’i Jeremia sy Baroka no mitranga rehefa miara-manompo amin’ireo rahalahy sy anabavy isika. Lasa mahita ny toetra tsaran’izy ireo isika, dia miana-javatra avy aminy sady lasa tia azy kokoa. (Vakio ny Ohabolana 27:17.) Ahoana, ohatra, no tsapanao raha miara-manompo amin’ny rahalahy na anabavy iray ianao, dia mahita hoe tsy matahotra mihitsy izy manazava an’izay inoany? Ary ahoana raha hitanao hoe tena resy lahatra izy rehefa miresaka momba an’i Jehovah sy ny fikasany? Tsy vao mainka ve ianao tia azy?

11-12. Milazà ohatra mampiseho hoe lasa mpinamana kokoa isika rehefa miara-manompo.

11 Diniho ny tantaran’i Adeline, anabavy 23 taona. Nangataka tamin’i Candice izy mba hiaraka hitory aminy any amin’ny faritany tsy voasa matetika. Hoy i Adeline: “Te hazoto kokoa izahay sady te hankafy fanompoana kokoa. ... Hoatran’ny hoe nila tosika kely izahay, amin’izay mahavita manome ny tsara indrindra ho an’i Jehovah foana.” Inona no vokany rehefa niara-nanompo ry zareo? Izao no nolazain’i Adeline: “Nifampitantara an’izay tsapanay izahay isan-kariva, ohatra hoe inona tamin’ny resaka nifanaovanay tamin’ny olona no nanohina ny fonay, sy hoe ahoana no nahitanay fa tena nitantana anay i Jehovah. Nahafinaritra be anay izany sady nanampy anay hifankahalala kokoa.”

12 Hoatr’izany koa i Laïla sy Marianne, anabavy mpitovo avy any Frantsa. Nandeha nitory nandritra ny iray volana mahery tany Bangui, renivohitr’i Centrafrique, ry zareo. Izao no notantarain’i Laïla: “Nisy olana teo aminay sy Marianne, nefa soa ihany fa nifampiresaka tsara izahay sady tena mifankatia, dia lasa mpinamana kokoa. Vao mainka izy nahafinaritra an’ahy rehefa hitako hoe mora mizatra fiainana vaovao sady tena tia olona ary mazoto manompo.” Tsy voatery hifindra any an-tany hafa ianao vao ho afaka hinamana be amin’ny mpiara-manompo hoatr’izany. Isaky ny miara-manompo amin’ny rahalahy na anabavy ao amin’ny fiangonanareo ianao, dia afaka miezaka hahafantatra azy kokoa sy hinamana aminy kokoa.

MIFANTOHA AMIN’IZAY TSARA ARY MAMELÀ HELOKA

13. Inona no mety hitranga rehefa miaraka be amin’ny namantsika isika?

13 Tsy ny toetra tsaran’ny hafa ihany indraindray no hitantsika rehefa miaraka be amin-dry zareo isika, fa ny toetra ratsiny koa. Inona anefa no hanampy antsika ho mpinamana be foana? Eritrereto indray i Jeremia. Inona no nanampy azy hifantoka tamin’ny toetra tsaran’ny namany sy hanadino an’izay fahadisoana nataony?

14. Inona no nianaran’i Jeremia momba an’i Jehovah, ary nanampy azy hanao inona izany?

14 Nanoratra an’ilay boky mitondra ny anarany i Jeremia, ary izy koa angamba no nanoratra ny 1 Mpanjaka sy 2 Mpanjaka. Rehefa nanoratra an’ireo izy, dia azo antoka fa lasa fantany tsara hoe mamindra fo amin’ny olona tsy lavorary i Jehovah. Nanao ratsy, ohatra, i Ahaba Mpanjaka nefa nibebaka, ka tsy noringanin’i Jehovah ny ankohonany tamin’izy mbola velona. (1 Mpanj. 21:27-29) Fantatr’i Jeremia koa hoe nampahatezitra kokoa an’i Jehovah i Manase raha oharina amin’i Ahaba. Nibebaka anefa i Manase ka namela ny fahotany i Jehovah. (2 Mpanj. 21:16, 17; 2 Tan. 33:10-13) Tsy maintsy ho nanampy an’i Jeremia ireo tantara ireo, ka lasa nanam-paharetana sy namindra fo hoatran’i Jehovah izy rehefa nifandray tamin’ny namany.—Sal. 103:8, 9.

15. Inona no mampiseho fa nanahaka an’i Jehovah i Jeremia ka nanam-paharetana tamin’i Baroka?

15 Nisy fotoana i Baroka tsy nifantoka tamin’ny fanompoany. Nanampy azy anefa i Jeremia, fa tsy tonga dia nieritreritra hoe tsy misy azo antenaina intsony ny aminy. Tsara fanahy i Jehovah ka nanome torohevitra hentitra ho an’i Baroka, dia nolazain’i Jeremia taminy izany torohevitra izany. (Jer. 45:1-5) Inona no ianarantsika avy amin’izany?

Mifamela tanteraka ny tena mpinamana (Fehintsoratra 16)

16. Araka ny Ohabolana 17:9, inona no tokony hatao raha te ho mpinamana foana?

16 Tsy afaka manantena isika hoe ho lavorary ny mpiara-manompo. Rehefa lasa namantsika àry ny rahalahy na anabavy iray, dia mila miezaka mafy isika mba hinamana aminy foana. Raha manao fahadisoana izy, dia angamba isika mila manome azy torohevitra avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Mety ho hentitra ilay izy, nefa tokony ho tsara fanahy foana isika. (Sal. 141:5) Mila mamela heloka koa isika raha nampalahelo na nampahatezitra antsika ny nataony. Tokony hitandrina isika avy eo mba tsy hamoha fota-mandry ka hiresadresaka an’ilay izy indray, na aminy na amin’olon-kafa. (Vakio ny Ohabolana 17:9.) Mila mifantoka amin’ny toetra tsaran’ny mpiara-manompo àry isika fa tsy amin’ny fahadisoany, ary tena ilaina izany amin’izao fotoan-tsarotra izao. Vao mainka hifankatia isika amin’izay ka ho mpinamana be, ary namana hoatr’izany mihitsy no ilaina mandritra ny fahoriana lehibe.

TIAVO FOANA IZY IREO

17. Inona no mampiseho fa tena namana i Jeremia?

17 Tena namana i Jeremia mpaminany, satria nanampy tao anatin’ny fotoan-tsarotra. Natahotra ny hampijalin’ny andriana, ohatra, ilay tandapa atao hoe Ebeda-meleka. Nanavotra an’i Jeremia mba tsy ho faty tao anaty lavaka feno fotaka mantsy izy. Tsy nangina fotsiny i Jeremia rehefa nahafantatra an’izany. Tsy nieritreritra izy hoe hahavita hiady irery ilay namany. Na dia nigadra aza izy, dia nanao izay azony natao mba hampaherezana azy. Nampitainy tamin’i Ebeda-meleka ny hafatra mampahery avy tamin’i Jehovah.—Jer. 38:7-13; 39:15-18.

Mifanampy ny tena mpinamana rehefa misy olana (Fehintsoratra 18)

18. Araka ny Ohabolana 17:17, inona no tokony hataontsika rehefa manana olana ny namantsika?

18 Miatrika olana isan-karazany koa ny mpiara-manompo amin’izao. Be dia be, ohatra, no mijaly satria nisy rivo-doza na horohoron-tany na ady tao amin’ny faritra nisy azy. Rehefa mitranga ny hoatr’izany, dia mety ho afaka hampiantrano an’ireny namantsika ireny ny sasany amintsika. Misy indray mety ho afaka hanome vola. Azontsika rehetra atao anefa ny mangataka amin’i Jehovah mba hanampy azy ireny. Ary ahoana raha maheno isika hoe kivy ny rahalahy na anabavy iray? Mety tsy ho haintsika izay holazaina aminy na izay tokony hatao. Misy azontsika rehetra atao foana anefa. Afaka manokana fotoana hiarahana aminy, ohatra, isika. Afaka mihaino azy sy mangoraka azy koa isika. Ary maninona raha resahina aminy izay andinin-teny mampahery antsika indrindra? (Isaia 50:4) Ny tena zava-dehibe dia hoe eo akaikiny eo isika rehefa mila antsika izy.—Vakio ny Ohabolana 17:17.

19. Nahoana isika no mila miezaka ho mpinamana be dieny izao?

19 Tokony ho tapa-kevitra isika hoe dieny izao dia hinamana be amin’ny mpiara-manompo, ary hiezaka hinamana amin’izy ireo foana. Nahoana? Satria hanandrana hampisara-bazana antsika ny fahavalontsika, ary hampiasa lainga izy ireo mba hanaovana an’izany. Hataon’izy ireo izay hahatonga antsika tsy hifampatoky sy tsy hifanohana intsony. Ho very maina anefa ny ezaka ataon’izy ireo! Hifankatia sy ho mpinamana be foana mantsy isika, ary tsy hisy na inona na inona ho azon’izy ireo atao mba handravana an’izany. Tsy hoe hatramin’ny faran’ity tontolo ity fotsiny isika no ho mpinamana, fa mandrakizay mihitsy!

HIRA 24 Andao ho any An-tendrombohitr’i Jehovah

^ feh. 5 Mihamanatona ny faran’ity tontolo ity, ka tokony hiezaka isika rehetra mba hinamana be amin’ny mpiara-manompo. Ahoana no hanaovana an’izany? Handinika ny ohatr’i Jeremia isika ato. Ho hitantsika koa hoe raha minamana tsara isika izao, dia hanampy antsika izany rehefa misy olana.

^ feh. 2 Tsy milahatra araka ny fotoana nisehoany ny zava-mitranga voatantara ao amin’ny bokin’i Jeremia.

^ feh. 57 SARY: Mampiseho an’izay mety hitranga mandritra ny “fahoriana lehibe” io sary io. Misy rahalahy sy anabavy maromaro mivory ao amin’ny tranon’ny rahalahy iray. Mpinamana be ry zareo dia afaka mifampahery tsara. Ny sary telo manaraka indray dia mampiseho an’ireo rahalahy sy anabavy teo aloha ihany. Efa talohan’ny fahoriana lehibe izy ireo no mpinamana be.