Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 45

Ahoana no Anampian’ny Fanahy Masina Antsika?

Ahoana no Anampian’ny Fanahy Masina Antsika?

“Manana ny hery hiatrehana ny toe-javatra rehetra aho, amin’ny alalan’ilay manome hery ahy.”—FIL. 4:13.

HIRA 104 Fanomezan’Andriamanitra ny Fanahy Masina

HO HITANAO ATO *

1-2. a) Inona no manampy antsika hiatrika an’izay olana mitranga isan’andro? Hazavao. b) Inona no hodinihintsika ato?

“RAHA izay nanjo ahy izay, dia tsy ho tafavoaka mihitsy aho raha ny heriko fotsiny!” Azo antoka fa efa niteny hoatr’izany ny ankamaroantsika. Ianao koa ve? Niteny an’izany angamba ianao rehefa nieritreritra an’izay efa niaretanao, tamin’ny ianao narary mafy na nidonam-pahoriana. Tsapanao hoe tsy ho nahavita niatrika ny andro tsirairay ianao tamin’ireny, raha tsy teo ny fanahy masina nanome anao “hery fanampiny.”—2 Kor. 4:7-9.

2 Tsy ireo ihany ny olana mahazo antsika. Tsy maintsy manohitra an’ity tontolo ity koa isika sady miady mafy amin’ny “fanahy ratsy.” (Efes. 6:12; 1 Jaona 5:19) Afaka manampy antsika handresy an’ireny rehetra ireny anefa ny fanahy masina. Andao isika handinika fomba roa anaovany an’izany. Horesahintsika avy eo hoe inona no azo atao mba hahazoana fanampiana faran’izay betsaka avy amin’izy io.

MANOME HERY NY FANAHY MASINA

3. Milazà fomba iray anampian’i Jehovah antsika amin’ny alalan’ny fanahy masina.

3 Ahoana no anampian’ny fanahy masina antsika? Omeny hery isika hahavitantsika ny andraikitsika, na eo aza ny olana. Nahatsapa an’izany ny apostoly Paoly. Niantehitra tamin’ny “herin’i Kristy” izy, ka afaka nanohy ny fanompoany na dia nisy olana aza. (2 Kor. 12:9) Tsy hoe niezaka mafy nitory fotsiny izy tamin’ny dia misionera faharoa nataony, fa mbola niasa koa mba hahafahany mamelon-tena. Nipetraka tao amin-dry Akoila sy Prisila izy, tamin’izy tany Korinto. Mpanao tranolay hoatran’izy mivady izy, dia niasa tapa-potoana niaraka tamin’izy ireo. (Asa. 18:1-4) Nomen’ny fanahy masina hery àry i Paoly, ka sady nahavita niasa no nanao fanompoana.

4. Inona no nahazo an’i Paoly, araka ny 2 Korintianina 12:7b-9?

4 Vakio ny 2 Korintianina 12:7b-9. Inona ilay “tsilo ao amin’ny nofo” noresahin’i Paoly? Raha misy tsilo tafiditra ao amin’ny vatanao ka tsy afaka ilay izy, dia azo antoka fa hanaintaina be ianao. Te hilaza àry i Paoly hoe nisy olana nampijaly be azy. Nantsoiny hoe “anjelin’i Satana” ilay izy, ary nolazainy hoe ‘namely’ azy tsy an-kijanona. Tsy i Satana na ny demonia angamba no nahatonga an’ilay olana, ka toy ny hoe nampiditra an’ilay tsilo tao amin’ny nofon’i Paoly. Mety ho efa tao ilay “tsilo” no hitan-dry zareo dia vao mainka nalentiny, amin’izay i Paoly manaintaina kokoa. Inona no nataon’i Paoly?

5. Ahoana no namalian’i Jehovah ny vavaka nataon’i Paoly?

5 Tian’i Paoly hesorina taminy ilay “tsilo”, tamin’ny voalohany. Hoy izy: ‘Niangavy ny Tompo intelo aho mba hialan’izany amiko.’ Na dia nivavaka imbetsaka tamin’i Jehovah momba an’ilay tsilo aza i Paoly, dia mbola tao foana ilay izy. Tsy namaly vavaka ve izany i Jehovah? Tena namaly izy! Tsy nesoriny ilay olana, fa nomeny hery hahafahana miaritra i Paoly. Hoy i Jehovah: “Lavorary ny fiasan’ny heriko eo aminao rehefa malemy ianao.” (2 Kor. 12:8, 9) Nampian’i Jehovah i Paoly ka faly sy nilamin-tsaina foana.—Fil. 4:4-7.

6. a) Ahoana no mety hamalian’i Jehovah ny vavaka ataonao? b) Iza amin’ireo andinin-teny ao amin’ny fehintsoratra no tena mampahery anao?

6 Efa nanao hoatran’i Paoly ve ianao, ka niangavy an’i Jehovah mba hanala ny olana nahazo anao? Tsy nety nilamina angamba ilay izy, na vao mainka aza niharatsy, nefa ianao efa mba nitalaho mafy erỳ. Nanahy ve ianao hoe sao dia tezitra aminao i Jehovah? Raha izany dia tadidio ny nataon’i Jehovah tamin’i Paoly. Namaly ny vavaka nataony i Jehovah, ary azo antoka fa hamaly ny vavaka ataonao koa! Mety tsy hanala an’ilay olana izy, fa hampiasa ny fanahy masina mba hanananao hery hiaretana. (Sal. 61:3, 4) Tsy hanary anao mihitsy i Jehovah, na dia mety hahatsiaro ho hoatran’ny hoe ‘nazera’ aza ianao.—2 Kor. 4:8, 9; Fil. 4:13.

MANAMPY ANTSIKA HANDROSO FOANA NY FANAHY MASINA

7-8. a) Nahoana no hoatran’ny rivotra ny fanahy masina? b) Inona ny teny nampiasain’i Petera rehefa niresaka momba ny fiasan’ny fanahy masina izy?

7 Misy fomba hafa koa anampian’ny fanahy masina antsika. Hoatran’ny hoe mandeha sambo isika amin’izao, ary manonja be ny ranomasina. Misy rivotra manosika an’ilay sambo handroso koa anefa. Azo oharina amin’io rivotra io ny fanahy masina. Na mafy be aza mantsy ny onjam-piainana, dia manampy antsika izy io mba hiatrika azy ireny ka ho tonga soa aman-tsara any amin’ny tontolo vaovao.

8 Mpanjono ny apostoly Petera ka nahay tsara momba ny sambo. Tsy mahagaga àry raha nampiasa teny mety hisy hifandraisany amin’izany izy, rehefa niresaka momba ny fiasan’ny fanahy masina. Hoy izy: “Tsy avy tamin’ny sitrapon’olombelona na oviana na oviana ny faminaniana, fa avy tamin’Andriamanitra kosa no nitenenan’ny olona, araka izay nitarihan’ny fanahy masina azy.” Ilay teny grika nadika hoe “nitarihan’ny” dia azo adika koa hoe “nanosehan’ny” na “nitondran’ny.”—2 Pet. 1:21.

9. Inona no sary tian’i Petera ho tonga ao an-tsaintsika, rehefa nilaza izy hoe ‘notarihin’ny’ fanahy masina ny mpanoratra Baiboly?

9 Inona no sary tian’i Petera ho tonga ao an-tsaintsika, rehefa nilaza izy hoe ‘notarihin’ny’ fanahy masina ny mpanoratra Baiboly? Nampiasa teny grika mitovy amin’ny nampiasain’i Petera i Lioka ao amin’ny Asan’ny Apostoly 27:15, rehefa niresaka momba ny sambo ‘nentin’ny’ rivotra. “Sarin-teny mahaliana momba ny sambo” àry no nampiasain’i Petera tamin’io, araka ny fanazavan’ny manam-pahaizana iray momba ny Baiboly. Toa te hilaza i Petera hoe hoatran’ny sambo entin’ny rivotra ka tonga any amin’izay alehany ny mpanoratra Baiboly. Notarihin’ny fanahy masina mantsy izy ireo ka nahavita an’izay tokony hataony. Nilaza koa ilay manam-pahaizana fa “hoatran’ny hoe namelatra ny lain-tsambony” ireo mpanoratra Baiboly, rehefa vonona hanao an’ilay asa. Nanome fanahy masina i Jehovah avy eo, ka toy ny hoe nitsoka rivotra izy nanosika an’ilay sambo. Nanao ny asany amin’izay ireo mpanoratra Baiboly, sady nanaraka ny tari-dalan’ny fanahy masina.

DINGANA 1: Manaova zavatra ara-panahy, ary ataovy tsy tapaka izany

DINGANA 2: Manaova izay tsara indrindra vitanao rehefa manao zavatra ara-panahy (Fehintsoratra 11) *

10-11. Inona avy no tokony hataontsika amin’izay isika ampian’ny fanahy masina? Hazavao amin’ny ohatra.

10 Mazava ho azy fa tsy manome ny fanahy masina mba hanoratana ny Teniny intsony i Jehovah. Mbola mitarika ny vahoakany amin’ny alalan’ny fanahy masina anefa izy. Manao ny anjarany foana àry i Jehovah. Mila manao ny anjarantsika foana koa isika, mba hahazoana ny tari-dalan’ny fanahy masina. Ahoana no hanaovana an’izany?

11 Misy zavatra roa tsy maintsy ataon’ny tantsambo raha tiany hanosika ny sambony ny rivotra. Voalohany, mila entiny eny amin’izay toerana itsofan’ny rivotra ilay sambo. Tsy hihetsika mantsy ilay izy raha mijanona eny amin’ny seranana. Faharoa, mila ampiakariny sy velariny tsara araka izay azo atao ny lain-tsambo. Na dia mitsoka tsara aza mantsy ny rivotra, dia tsy handroso ilay sambo raha tsy azon’ny rivotra ny lain-tsambo. Hoatr’izany koa isika. Tsy hahavita hanohy ny fanompoana an’i Jehovah isika raha tsy ampian’ny fanahy masina. Misy zavatra roa tsy maintsy ataontsika anefa. Voalohany, mila manao zavatra ara-panahy isika mba hahazoana fanahy masina, ka toy ny hoe mankany amin’ny toerana itsofan’ny rivotra. Faharoa, mila manao izay tsara indrindra vitantsika isika rehefa manao an’ireo zavatra ara-panahy ireo, ka toy ny hoe mamelatra tsara ny lain-tsambo. (Sal. 119:2) Raha manao an’ireo isika, dia hanampy antsika handroso foana ny fanahy masina na eo aza ny fanenjehana sy ny olana. Hahavita tsy hivadika koa isika, ka ho tody soa aman-tsara any amin’ny tontolo vaovao.

12. Inona no hodinihintsika izao?

12 Hitantsika hatreto hoe misy fomba roa anampian’ny fanahy masina antsika. Manome hery antsika izy io ary manampy antsika tsy hivadika na dia misy olana aza. Hitantsika koa fa manampy antsika izy io mba hanompo an’i Jehovah foana ka tsy hiala amin’ilay lalana mankany amin’ny fiainana mandrakizay. Inona anefa no tokony hatao mba hahazoana fanampiana faran’izay betsaka avy amin’ny fanahy masina?

INONA NO TOKONY HATAONAO?

13. Araka ny 2 Timoty 3:16, 17, inona no soa horaisintsika avy amin’ny Soratra Masina? Inona anefa no tsy maintsy ataontsika?

13 Voalohany, mianara ny Tenin’Andriamanitra. (Vakio ny 2 Timoty 3:16, 17.) Midika ara-bakiteny hoe “avy amin’ny fofonain’Andriamanitra” ilay teny grika nadika hoe “avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra.” Toy ny hoe notsofin’Andriamanitra ho ao an-tsain’ireo mpanoratra Baiboly àry ny heviny, rehefa nampiasa ny fanahiny izy mba hahalalan’izy ireo an’izany. Rehefa mamaky Baiboly sy misaintsaina an’izay vakintsika isika, dia miditra ao an-tsaintsika sy ao am-pontsika ny fampianaran’Andriamanitra. Handrisika antsika izany mba hanova ny fiainantsika ka hampifaly azy. (Heb. 4:12) Raha te hahazo fanampiana faran’izay betsaka avy amin’ny fanahy masina anefa isika, dia tsy maintsy manokana fotoana hianarana tsy tapaka ny Baiboly sy hisaintsainana tsara an’izay vakintsika. Hisy vokany eo amin’izay rehetra lazaintsika sy ataontsika ny Tenin’Andriamanitra amin’izay.

14. a) Nahoana isika no milaza fa misy fanahy masina any am-pivoriana? b) Ahoana no hahazoana fanampiana faran’izay betsaka avy amin’ny fanahy masina rehefa any am-pivoriana?

14 Faharoa, mila miara-manompo an’i Jehovah isika. (Sal. 22:22) Hoatran’ny hoe toerana itsofan’ny rivotra any am-pivoriana, satria misy ny fanahin’i Jehovah any. (Apok. 2:29) Mivavaka mba hahazo fanahy masina mantsy isika rehefa miara-mivory. Manao hiran’ilay Fanjakana miorina amin’ny Tenin’Andriamanitra koa isika any, ary mihaino fampianarana ara-baiboly ataon’ny rahalahy notendren’ny fanahy masina. Mbola io fanahy masina io koa no manampy an’ireo anabavy hanomana sy hanao ny anjarany. Raha te hahazo fanampiana faran’izay betsaka avy amin’ny fanahy masina anefa isika, dia tokony ho efa nanomana sy vonona handray anjara rehefa tonga ao am-pivoriana. Hoatran’ny hoe mivelatra tsara ny lain-tsambontsika amin’izay, dia vonona hatosik’ilay rivotra.

15. Inona no tokony hataontsika raha tiantsika hanampy antsika ny fanahy masina rehefa manompo?

15 Fahatelo, mandraisa anjara amin’ny fitoriana. Mamela ny fanahy masina hanampy antsika isika rehefa mampiasa Baiboly eny amin’ny fanompoana. (Rom. 15:18, 19) Raha te hahazo fanampiana faran’izay betsaka avy amin’ny fanahy masina anefa isika, dia tsy maintsy mitory tsy tapaka sady mampiasa Baiboly isaky ny afaka manao an’izany. Tianao hahafinaritra kokoa ve ny fanompoanao? Maninona raha mampiasa ny hevitra azo resahina ao amin’ny Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana?

16. Inona no fomba haingana indrindra hahazoana fanahy masina?

16 Fahefatra, mivavaha amin’i Jehovah. (Mat. 7:7-11; Lioka 11:13) Afaka mangataka fanahy masina isika rehefa mivavaka. Izany no fomba haingana indrindra hahazoana azy io. Tsy misy mahasakana ny vavaka ataontsika tsy ho henon’i Jehovah, sady tsy misy mahasakana ny fanahy masina tsy ho tonga any amintsika. Afaka mahazo an’io fanomezana tena tsara io foana isika na dia migadra aza. Na i Satana aza tsy hahasakana an’izany! (Jak. 1:17) Ahoana anefa no tokony hivavahana amin’i Jehovah, raha te hahazo fanampiana faran’izay betsaka avy amin’ny fanahy masina isika? Handinika fanoharana mifandray amin’ny vavaka isika mba hamaliana an’izany. Ao amin’ny Filazantsaran’i Lioka ihany no misy an’ilay izy. *

MANÀNA FIKIRIZANA REHEFA MIVAVAKA

17. Rehefa jerena ny Lioka 11:5-9, 13, inona no ilaina rehefa mivavaka?

17 Vakio ny Lioka 11:5-9, 13. Hita amin’io fanoharan’i Jesosy io hoe ahoana no tokony hataontsika rehefa mivavaka mba hahazoana fanahy masina. Nahazo an’izay nilainy ilay lehilahy tao amin’ilay fanoharana “noho ny fikirizany sy ny fahasahiany.” * Tsy natahotra nangataka fanampiana tamin’ilay namany izy na dia efa alina be aza. Inona no tian’i Jesosy holazaina momba ny vavaka rehefa nilaza an’io fanoharana io izy? Hoy izy: “Mangataha foana dia homena ianareo, mitadiava foana dia hahita ianareo, dondòny foana dia hovohana ianareo.” Raha tiantsika hanampy antsika àry ny fanahy masina, dia tsy maintsy manana fikirizana isika rehefa mangataka azy io.

18. Araka ny fanoharan’i Jesosy, nahoana isika no afaka matoky fa hanome fanahy masina antsika i Jehovah?

18 Hitantsika amin’ilay fanoharana koa hoe nahoana i Jehovah no hanome fanahy masina antsika. Te hikarakara tsara ny vahininy ilay lehilahy noresahin’i Jesosy. Tena te hanome sakafo azy izy, nefa tsy mba nisy azony naroso. Efa alina be koa moa tamin’izay. Noho ny fahasahiany sy ny fikirizany anefa, dia nomen’ilay namany sakafo ihany izy. Inona no tian’i Jesosy holazaina? Raha olona tsy lavorary aza vonona hanampy rehefa mikiry mangataka aminy ny namany, tsy mainka ve fa ilay Raintsika tsara fanahy any an-danitra? Azo antoka fa hanampy antsika izy, ka hanome fanahy masina antsika rehefa mikiry mangataka an’izany isika. Afaka matoky àry isika hoe hamaly ny vavaka ataontsika i Jehovah, rehefa miantso vonjy isika ka mangataka fanahy masina.—Sal. 10:17; 66:19.

19. Nahoana isika no afaka matoky fa tsy ho resin’i Satana?

19 Manao izay fara heriny i Satana mba handresena antsika, nefa afaka matoky isika hoe tsy ho resiny. Fa maninona? Satria manampy antsika ny fanahy masina. Misy fomba roa anaovany an’izany. Voalohany, manome hery antsika izy io mba hahavitantsika miaritra an’izay olana mahazo antsika. Faharoa, manampy antsika hanohy hanompo an’i Jehovah foana izy io mandra-pahatongan’ny tontolo vaovao, hoatran’ny rivotra manosika lain-tsambo. Tapa-kevitra ny hahazo fanampiana faran’izay betsaka avy amin’ny fanahy masina àry ve ianao?

HIRA 41 Mba Henoy ny Vavaka Ataoko

^ feh. 5 Hohazavaina ato amin’ity lahatsoratra ity hoe ahoana no anampian’ny fanahy masina antsika, amin’izay isika hahavita hiaritra an’izay olana manjo antsika. Hojerentsika koa hoe inona no azo atao mba hahazoana fanampiana faran’izay betsaka avy amin’ny fanahy masina.

^ feh. 16 Tena nazoto nivavaka i Jesosy. I Lioka no tena nanasongadina an’izany tamin’ireo mpanoratra Filazantsara rehetra.—Lioka 3:21; 5:16; 6:12; 9:18, 28, 29; 18:1; 22:41, 44.

^ feh. 17 Avy amin’ny teny grika midika ara-bakiteny hoe “tsy misy henatra” ilay hoe ‘fikirizana sy fahasahiana.’ Tsy menatra mihitsy ilay lehilahy tao amin’ny fanoharan’i Jesosy, ka tsy nisalasala namerimberina nangataka an’izay nilainy. Tian’i Jesosy hanao hoatr’izany koa ny mpianany rehefa mivavaka.—Lioka 11:9, 10.

^ feh. 60 SARY: DINGANA 1: Manao zavatra hahazoana ny fanahin’i Jehovah ny mpivady iray, satria tonga any amin’ny Efitrano Fanjakana mba hiara-mivory amin’ny mpiara-manompo. DINGANA 2: Nanomana tsara izy ireo ka mandray anjara amin’ny fivoriana. Manaraka an’ireo dingana roa ireo koa isika rehefa mianatra ny Tenin’Andriamanitra sy mitory ary mivavaka.