Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 47

Inona no Azontsika Ianarana avy Amin’ny Levitikosy?

Inona no Azontsika Ianarana avy Amin’ny Levitikosy?

“Ny Soratra Masina iray manontolo dia avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra, ary mahasoa.”—2 TIM. 3:16.

HIRA 98 Avy Amin’Andriamanitra ny Soratra Masina

HO HITANAO ATO *

1-2. Nahoana ny Kristianina no tokony ho liana amin’ny bokin’ny Levitikosy?

HOY ny apostoly Paoly tamin’ilay tovolahy namany atao hoe Timoty: “Ny Soratra Masina iray manontolo dia avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra, ary mahasoa.” (2 Tim. 3:16) Anisan’izany ny bokin’ny Levitikosy. Ahoana no fahitanao an’io boky io? Misy olona mieritreritra hoe boky feno lalàna tsy azo ampiharina amin’izao andro izao izy io. Tsy hoatr’izany anefa no fahitan’ny Kristianina azy io.

2 Tany amin’ny 3 500 taona lasa tany ho any ny bokin’ny Levitikosy no nosoratana. Narovan’i Jehovah anefa izy io mba ‘ho fianarana’ ho antsika. (Rom. 15:4) Nahoana isika no tokony ho liana amin’io boky io? Satria manampy antsika izy io mba hahafantatra ny fomba fisainan’i Jehovah sy ny fihetseham-pony. Betsaka ny lesona azontsika ianarana ao, fa ny efatra amin’izany no hodinihintsika ato.

AHOANA NO HATAO RAHA TE HANKASITRAHAN’I JEHOVAH?

3. Inona no anton’ireo sorona natao tamin’ny Andro Fandrakofam-pahotana?

3 Lesona voalohany: Tokony hankasitrahan’i Jehovah aloha isika izay vao hekeny ny sorona ataontsika. Nivory ny firenen’Israely isan-taona, tamin’ny Andro Fandrakofam-pahotana. Nanao sorona biby ny mpisoronabe tamin’io andro io, ary nampahatsiahy ny Israelita ireny sorona ireny hoe nila famelan-keloka izy ireo. Nentin’ny mpisoronabe tao amin’ny Masina Indrindra ny ran’ireo biby natao sorona. Nisy zavatra tsy maintsy nataony anefa talohan’izay, ary mbola zava-dehibe noho ny famelana ny helok’ilay firenena ilay izy.

(Fehintsoratra 4) *

4. Araka ny Levitikosy 16:12, 13, inona no nataon’ny mpisoronabe tamin’izy niditra voalohany tao amin’ny Masina Indrindra, tamin’ny Andro Fandrakofam-pahotana? (Jereo ny sary eo amin’ny fonon’ity gazety ity.)

4 Vakio ny Levitikosy 16:12, 13. Eritrereto izay nitranga tamin’ny Andro Fandrakofam-pahotana. Miditra ny tranolay masina ny mpisoronabe. Intelo izy no hiditra ao amin’ny Masina Indrindra amin’io andro io. Rehefa miditra ao izy amin’ny voalohany, dia misy emboka manitra ao anaty fitoerany amin’ny tanany iray, fa vainafo ao anaty fitoerany volamena kosa no amin’ny tanany ilany. Mijanona kely izy rehefa tonga eo amin’ilay ridao manakona ny fidirana ao amin’ny Masina Indrindra. Miditra amim-panajana ao amin’ny Masina Indrindra izy avy eo, dia mijoro eo anoloan’ny Vata misy ny fifanekena. Hoatran’ny hoe eo anatrehan’i Jehovah Andriamanitra mihitsy izy! Ararany moramora eo ambonin’ireo vainafo avy eo ilay emboka manitra masina, ka lasa manitra be ilay efitra manontolo. * Mbola hiditra ao amin’ny Masina Indrindra izy aorian’izay, miaraka amin’ny ran’ireo biby atao fanatitra noho ny ota. Mariho anefa hoe nandoro emboka manitra aloha izy vao nanolotra ny ran’ireo biby ireo.

5. Ahoana no nataon’ny mpisoronabe rehefa niditra tao amin’ny Masina Indrindra niaraka tamin’ilay emboka manitra izy, ary inona no ianarantsika avy amin’izany?

5 Milaza ny Baiboly hoe mitovy amin’ny emboka manitra ny vavaky ny mpanompon’i Jehovah tsy mivadika. (Sal. 141:2; Apok. 5:8) Tadidio fa niditra tamim-panajana teo anatrehan’i Jehovah ny mpisoronabe rehefa nitondra an’ilay emboka manitra, tamin’ny Andro Fandrakofam-pahotana. Inona no ianarantsika avy amin’izany? Mila manaja tsara an’i Jehovah koa isika rehefa mivavaka. Mba eritrereto ange e! Ilay Mpamorona an’izao rehetra izao no mamela antsika hanatona azy sy hifandray akaiky aminy, hoatran’ny Ray mifandray amin’ny zanany. (Jak. 4:8) Tsy mahafaly anao ve izany? Tsy izay ihany fa ekeny ho namany isika. (Sal. 25:14) Tiantsika loatra izany tombontsoa izany ka tsy te handiso fanantenana azy mihitsy isika.

6. Nandoro emboka manitra ny mpisoronabe izay vao nanao sorona. Inona no ianarantsika momba an’i Jesosy avy amin’izany?

6 Tadidio fa tsy maintsy nanolotra an’ilay emboka manitra ny mpisoronabe izay vao afaka nanao sorona, izany hoe nanolotra ny ran’ireo biby. Amin’izay mantsy vao azo antoka hoe hankasitraka azy Andriamanitra rehefa hanao sorona izy. Hoatr’izany koa tamin’i Jesosy tetỳ an-tany. Nisy zavatra tsy maintsy nataony talohan’ny nanaovany sorona ny ainy, ary mbola zava-dehibe noho ny famonjena ny olombelona ilay izy. Inona izany? Tsy maintsy nankatò an’i Jehovah foana izy, mba ho azo antoka hoe hanaiky ny sorona hataony i Jehovah. Nasehony tamin’izany fa tokony hanao ny sitrapon’i Jehovah ny olona. Noporofoiny fa manana zo hitondra ny Rainy, ary manao ny rariny izy rehefa mitondra.

7. Nahoana no nampifaly an’i Jehovah ny fiainan’i Jesosy teto an-tany?

7 Nankatò tanteraka an’i Jehovah i Jesosy nandritra ny fiainany teto an-tany. Tena te hiaro ny fitondran’ny Rainy izy, ary tsy nampiova an’izany na fakam-panahy na fitsapana. Mbola te hiaro an’izany foana i Jesosy, na dia fantany aza hoe tsy maintsy hijalijaly sy ho faty izy noho izany. (Fil. 2:8) Rehefa niatrika ny mafy izy, dia nivavaka sady “nitaraindraina mafy sy nitomany.” (Heb. 5:7) Hita tamin’ny fitalahoany tamin’i Jehovah hoe tsy nivadika taminy izy. Nanampy azy koa izany mba ho tapa-kevitra kokoa ny hankatò azy. Hoatran’ny fofona mamerovero avy amin’ny emboka manitra no fahitan’i Jehovah ny vavaka nataon’i Jesosy. Tena nampifaly an’i Jehovah ny fiainan’i Jesosy iray manontolo sady nanamarina ny zony hitondra.

8. Ahoana no hatao raha te hanahaka an’i Jesosy?

8 Manahaka an’i Jesosy isika raha miezaka mafy mba tsy hivadika amin’i Jehovah sy hankatò azy. Rehefa miatrika ny mafy isika, dia mitalaho aminy mba hampiany satria te hampifaly azy. Asehontsika amin’izany hoe manohana ny zony hitondra isika. Fantatsika hoe tsy hihaino ny vavaka ataontsika i Jehovah raha manao zavatra halany isika. Raha mankatò ny fitsipiny kosa isika, dia afaka matoky hoe ho faly izy hihaino ny vavaka vokatry ny fo ataontsika. Hoatran’ny hoe maheno fofona mamerovero avy amin’ny emboka manitra izy amin’izay. Azo antoka hoe ho faly ilay Raintsika any an-danitra rehefa tsy mivadika sy mankatò azy isika.—Ohab. 27:11.

MANOMPO AN’I JEHOVAH ISIKA SATRIA TIA AZY SY MANKASITRAKA AZY

(Fehintsoratra 9) *

9. Nahoana ny Israelita no nanao sorona iombonana?

9 Lesona faharoa: Manompo an’i Jehovah isika satria mankasitraka azy. Mba hahitana hoe zava-dehibe izany, dia andao handinika ny sorona iombonana nataon’ny Israelita. * Hitantsika ao amin’ny Levitikosy hoe ho “fisaorana” an’i Jehovah no nahatonga ny Israelita iray hanolotra sorona iombonana. (Lev. 7:11-13, 16-18) An-tsitrapo io sorona io fa tsy noterena. Ny fitiavany an’i Jehovah Andriamaniny no nahatonga azy hanao an’izany. Nihinana ny hena tamin’ilay sorona izy sy ny fianakaviany ary ny mpisorona avy eo. Natokana ho an’i Jehovah anefa ny ampahany sasany tamin’ilay biby. Inona izany?

(Fehintsoratra 10) *

10. Inona no mampitovy ny fanompoan’i Jesosy amin’ny sorona iombonana resahin’ny Levitikosy 3:6, 12, 14-16?

10 Lesona fahatelo: Omentsika ny tsara indrindra i Jehovah satria tiantsika. Noheverin’i Jehovah ho ampahany tsara indrindra tamin’ny biby ny tavy. Nilaza koa izy hoe tena sarobidy ny taova sasany, anisan’izany ny voa. (Vakio ny Levitikosy 3:6, 12, 14-16.) Ahoana àry no fihetseham-pon’i Jehovah rehefa nisy Israelita nanome azy an’ireo an-tsitrapo? Faly be izy! Nasehon’ilay Israelita tamin’izany mantsy hoe tena te hanome ny tsara indrindra ho an’Andriamanitra izy. Hoatr’izany no nataon’i Jesosy. Izay tsara indrindra no nomeny an’i Jehovah. Nanompo azy tamin’ny fo manontolo mantsy izy, ary fitiavana no nahatonga azy hanao an’izany. (Jaona 14:31) Tena nahafinaritra azy ny nanao ny sitrapon’Andriamanitra. Tena tiany koa ny lalàny. (Sal. 40:8) Tsy maintsy ho nahafaly be an’i Jehovah ny nahita an’i Jesosy nanompo azy an-tsitrapo hoatr’izany!

Tia an’i Jehovah isika ka ny tsara indrindra no omentsika azy (Fehintsoratra 11-12) *

11. Nahoana ny fanompoantsika no hoatran’ny sorona iombonana? Nahoana izany no mampahery antsika?

11 Hoatran’ny sorona iombonana ny fanompoana ataontsika ho an’i Jehovah. Asehontsika amin’izany mantsy izay tena ao am-pontsika. Ny tsara indrindra no omentsika an’i Jehovah, satria tiantsika amin’ny fo manontolo izy. Mba eritrereto ange e! Hoatran’ny ahoana izao ny hafalian’i Jehovah mahita hoe an-tapitrisany ny olona manompo azy an-tsitrapo, satria tena tia azy? Tsy izay ataontsika ho an’i Jehovah ihany no hitany sy sarobidy aminy, fa ny antony mahatonga antsika hanao an’ilay izy koa. Hampahery antsika ny mitadidy an’izany. Raha be taona, ohatra, ianao ka tsy mahavita betsaka araka izay tianao intsony, dia matokia fa azon’i Jehovah tsara hoe fa maninona ianao no hoatr’izany. Mety hieritreritra ianao hoe kely ihany no azonao omena. Tsy izany anefa no jereny, fa ny fitiavana mahatonga anao hanao izay vitanao. Izay no tsara indrindra avy aminao, dia faly i Jehovah mandray an’izany.

12. Ahoana no fihetseham-pon’i Jehovah rehefa nisy nanome sorona iombonana? Inona no toky ananantsika vokatr’izany?

12 Inona koa no azontsika ianarana avy amin’ny sorona iombonana? Rehefa may ny ampahany tsara indrindra tamin’ilay biby, dia nisy setroka niakatra nankany amin’i Jehovah, dia faly izy. Matokia àry fa faly koa i Jehovah rehefa manompo azy an-tsitrapo sy amin’ny fo manontolo ianao. (Kol. 3:23) Eritrereto hoe mitsiky aminao izy satria mankasitraka anao. Hoatran’ny harena sarobidy ny fanompoana ataonao amim-pitiavana ho azy, ka ankasitrahany foana na kely na be. Hotsaroany mandrakizay mihitsy izany!—Mat. 6:20; Heb. 6:10.

MITAHY NY FANDAMINANY I JEHOVAH

13. Araka ny Levitikosy 9:23, 24, ahoana no nampisehoan’i Jehovah hoe nankasitraka an’ireo mpisorona izy?

13 Lesona fahefatra: Tahin’i Jehovah ny ampahany eto an-tany amin’ny fandaminany. Diniho izay nitranga tamin’ny 1512 T.K. rehefa natsangana teo am-pototry ny Tendrombohitra Sinay ny tranolay masina. (Eks. 40:17) Nisy fankalazana natao tamin’izay mba hanendrena an’i Arona sy ny zanany lahy ho mpisorona, ary i Mosesy no nitarika an’ilay izy. Sambany ireo mpisorona ireo vao nanolotra sorona biby, ary nanatrika teo koa ny firenen’Israely. (Lev. 9:1-5) Ahoana no nampisehoan’i Jehovah hoe nankasitraka an’ireo mpisorona vao notendrena ireo izy? Rehefa nitso-drano ny vahoaka i Arona sy Mosesy, dia nandefa afo avy tany an-danitra izy mba handoroana tanteraka an’ilay sorona teo amin’ny alitara.—Vakio ny Levitikosy 9:23, 24.

14. Nankasitraka an’i Arona sy ny zanany lahy i Jehovah. Nahoana izany no mahaliana antsika?

14 Inona no tian’i Jehovah haseho tamin’ilay afo avy tany an-danitra? Hoe nankasitraka sy nanohana tanteraka an’i Arona sy ny zanany lahy izy. Rehefa nahita an’izany ny Israelita, dia azon’izy ireo hoe mila manohana tanteraka an’ireo mpisorona ireo koa ry zareo. Fa maninona izany no zava-dehibe amintsika? Satria misy mpisorona hafa mifanitsy amin’izy ireo, ary mbola tsara kokoa sy lehibe kokoa ny asany. I Kristy no Mpisoronabe, ary misy mpisorona sady mpanjaka 144 000 hanampy azy any an-danitra.—Heb. 4:14; 8:3-5; 10:1.

Mitarika sy mitahy ny fandaminany i Jehovah. Manohana azy io amin’ny fo manontolo isika (Fehintsoratra 15-17) *

15-16. Ahoana no ampisehoan’i Jehovah hoe mankasitraka ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina” izy?

15 Nanendry rahalahy voahosotra vitsivitsy i Jesosy tamin’ny 1919 mba ho “mpanompo mendri-pitokisana sy malina.” Izy ireo no mitarika ny asa fitoriana sy manome ‘sakafo amin’ny fotoana mety’ ho an’ny mpanara-dia an’i Kristy. (Mat. 24:45) Inona no porofo hoe mankasitraka an’io mpanompo mendri-pitokisana sy malina io i Jehovah?

16 Manao izay ho afany i Satana sy ity tontolo ity mba hampitsahatra ny asan’ny mpanompo mendri-pitokisana. Soa ihany anefa fa ampian’i Jehovah ry zareo. Tsy hahavita an’io asa io mihitsy mantsy raha izay olombelona. Mba eritrereto ange e! Nisy ady lehibe roa, ary nitotongana ny toe-karena eran-tany. Nenjehina foana koa ny vahoakan’i Jehovah sady niharan’ny tsy rariny. Na teo aza izany rehetra izany, dia vitan’ilay mpanompo foana ny nanome sakafo ara-panahy ho an’ny mpanara-dia an’i Kristy eran-tany. Tsy vitan’izany fa be dia be ny sakafo ara-panahy zarainy. Maimaim-poana koa ilay izy ary amin’ny fiteny 900 mahery. Porofo tsy azo lavina izany fa manohana an’io mpanompo io i Jehovah! Hita koa hoe tena mitahy ny fandaminany izy rehefa jerena ny asa fitoriana. “Maneran-tany” mihitsy izao no itoriana ny vaovao tsara. (Mat. 24:14) Azo antoka àry fa mitarika sy mitahy ny fandaminany i Jehovah!

17. Ahoana no ampisehoantsika hoe manohana ny fandaminana ampiasain’i Jehovah isika?

17 Mila mieritreritra an’izao isika: ‘Izaho ve tena faly hoe anisan’ny fandaminan’i Jehovah eto an-tany?’ Mampiasa an’io fandaminana io mantsy izy ary misy porofo mivaingana mampiseho an’izany, hoatran’ilay afo avy any an-danitra tamin’ny andron’i Mosesy sy Arona. Tokony hankasitraka an’i Jehovah isika noho isika anisan’ny fandaminany. (1 Tes. 5:18, 19) Ahoana no ampisehoantsika hoe manohana azy io isika? Ilaintsika ny manaraka ny tari-dalana ara-baiboly omen’izy io amin’ny alalan’ny boky sy gazety sy ny fivoriana ary ny fivoriambe. Manohana azy io koa isika rehefa mazoto mitory sy mampianatra.—1 Kor. 15:58.

18. Tapa-kevitra hanao inona ianao?

18 Enga anie isika ho tapa-kevitra hampihatra an’izay nianarantsika tao amin’ny bokin’ny Levitikosy. Hiezaka, ohatra, isika mba hankasitrahan’i Jehovah, amin’izay hekeny ny sorona ataontsika. Hanompo azy koa isika satria mankasitraka azy. Hanome azy ny tsara indrindra foana isika, satria tia azy amin’ny fo manontolo. Ary farany, hanohana ny fandaminana amin’ny fo manontolo isika, satria mitahy azy io i Jehovah. Asehontsika amin’izany rehetra izany fa tena tombontsoa ho antsika ny hoe Vavolombelon’i Jehovah!

HIRA 96 Harena Sarobidy Ilay Boky avy Amin’Andriamanitra

^ feh. 5 Ahitana lalàna nomen’i Jehovah ho an’ny Israelita ny bokin’ny Levitikosy. Marina fa tsy takina hanaraka an’ireny lalàna ireny ny Kristianina, nefa mbola mahasoa antsika izy ireny. Misy lesona sarobidy ao amin’ny bokin’ny Levitikosy, ary izany no hojerentsika ato amin’ity lahatsoratra ity.

^ feh. 4 Masina ny emboka manitra nodorana tao amin’ny tranolay masina. Tamin’ny fanompoana an’i Jehovah ihany izy io no nampiasain’ny Israelita. (Eks. 30:34-38) Tsy misy fitantarana mihitsy hoe nandoro emboka manitra ny Kristianina voalohany rehefa nanompo an’Andriamanitra.

^ feh. 9 Raha mila fanazavana bebe kokoa momba ny fanatitra iombonana ianao, dia jereo ny Fandalinana ny Soratra Masina eo amin’ilay hoe “Fanatitra”: “Fanatitra iombonana (na fanati-pihavanana).

^ feh. 54 SARY: Niditra tao amin’ny Masina Indrindra ny mpisoronabe teo amin’ny Israelita, tamin’ny Andro Fandrakofam-pahotana. Nitondra emboka manitra sy vainafo izy, dia lasa manitra be ilay efitra manontolo. Niverina tao amin’ny Masina Indrindra izy taorian’izay, dia nitondra ny ra avy tamin’ireo fanatitra noho ny ota.

^ feh. 56 SARY: Israelita manatitra ondry any amin’ny mpisorona. Omeny hatao fanatitra iombonana ilay izy, satria te hisaotra an’i Jehovah izy mianakavy.

^ feh. 58 SARY: Tena tia an’i Jehovah i Jesosy, ka nitandrina ny didiny foana sady nanampy ny mpanara-dia azy hanao an’izany koa.

^ feh. 60 SARY: Anabavy be taona mitory an-taratasy, ka hita hoe manome ny tsara indrindra ho an’i Jehovah na dia marary aza.

^ feh. 62 SARY: Tamin’ny Febroary 2019: Ny Rahalahy Gerrit Lösch, mamoaka ny Baiboly Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao nohavaozina amin’ny teny alemà. Anisan’ny Filan-kevi-pitantanana izy. Faly erỳ ny mpitory any Alemaina mampiasa an’ilay Baiboly vaovao, anisan’izany ireo anabavy roa ireo.