Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 49

Misy Fotoana Iasana ary Misy Fotoana Akana Aina

Misy Fotoana Iasana ary Misy Fotoana Akana Aina

“Andao hitokana any amin’ny toerana mangina, dia mialà sasatra kely.”—MAR. 6:31.

HIRA 143 Andao Hiambina, Hiandry, ary Hiasa

HO HITANAO ATO *

1. Ahoana no fahitan’ny olona maro ny asa?

AHOANA no fahitan’ny ankamaroan’ny olona any aminareo ny asa? Miasa mafy kokoa sy ela kokoa noho ny hatramin’izay ny olona amin’izao, any amin’ny tany maro. Rehefa miasa be loatra anefa ny olona iray, dia tsy manam-potoana hakana aina sy hiarahana amin’ny fianakaviany sady tsy manam-potoana ho an’Andriamanitra. (Mpito. 2:23) Misy olona indray anefa tsy tia miasa mihitsy sady mamorona fialan-tsiny mba tsy hiasana.—Ohab. 26:13, 14.

2-3. Nahoana no modely ho antsika i Jehovah sy Jesosy amin’ny resaka asa?

2 Betsaka ny olona tsy mahay mandanjalanja amin’ny resaka asa. Tsy hoatr’izany anefa i Jehovah sy Jesosy. I Jehovah aloha tena tia miasa e! Izao no nolazain’i Jesosy momba azy: “Ny Raiko tsy mitsahatra miasa mandraka ankehitriny, ary izaho koa tsy mitsahatra miasa.” (Jaona 5:17) Eritrereto fotsiny ny asa mafy nataon’i Jehovah rehefa namorona anjely be dia be sy kintana ary planeta. Tsy vitan’izany fa namorona zavaboary kanto be dia be izy teto an-tany. Tsy mahagaga raha niteny ny mpanao salamo hoe: “Maro be tokoa ny zava-bitanao, Jehovah ô! Tamim-pahendrena no nanaovanao azy rehetra. Heniky ny zavatra nataonao ny tany.”—Sal. 104:24.

3 Nanahaka ny Rainy i Jesosy. Rehefa “nanao ny lanitra”, ohatra, Andriamanitra dia nanampy azy i Jesosy, ary ‘mpiasa tena nahay’ teo anilany. (Ohab. 8:27-31) Faran’izay tsara koa ny asa nataony tatỳ aoriana, tamin’izy tetỳ an-tany. Hoatran’ny sakafo mihitsy no fiheverany ny asa nampanaovina azy, ary hita tamin’izay rehetra nataony hoe Andriamanitra no naniraka azy.—Jaona 4:34; 5:36; 14:10.

4. Inona koa no ianarantsika avy amin’i Jehovah sy Jesosy?

4 Midika ve izany fa tsy ilaina ny maka aina satria niasa mafy i Jehovah sy Jesosy? Tsy izany mihitsy! Marina fa tsy mba reraka i Jehovah ka tsy mila miala sasatra. Milaza anefa ny Baiboly hoe “nitsahatra” izy ary “afa-po” rehefa avy namorona ny lanitra sy ny tany. (Eks. 31:17) Midika angamba izany hoe niato tamin’ny asany izy, dia naka fotoana hankafizana an’izay nataony. Hoatr’izany koa i Jesosy. Niasa mafy izy tamin’izy tetỳ an-tany, nefa naka fotoana hakana aina sy hiarahana misakafo tamin’ny namany.—Mat. 14:13; Lioka 7:34.

5. Inona no sarotra amin’ny ankamaroantsika?

5 Mampirisika ny mpanompon’i Jehovah ho tia miasa ny Baiboly. Tokony hazoto hiasa izy ireo fa tsy ho kamo. (Ohab. 15:19) Mamelona fianakaviana angamba ianao. Miezaka mitory ny vaovao tsara koa ianao, satria izany no andraikitry ny mpianatr’i Kristy rehetra. Na izany aza, dia mila maka aina ianao ary tokony ho ampy tsara izany. Sarotra aminao ve anefa indraindray ny mandanjalanja amin’ny asa sy ny fanompoana ary ny fialan-tsasatra? Ahoana no hahalalana hoe hoatran’ny ahoana no tokony ho habetsahan’ny fotoana hiasana sy hakana aina?

AHOANA NO HAHAIZANA MANDANJALANJA?

6. Inona no manaporofo fa nahay nandanjalanja i Jesosy, rehefa jerena ny Marka 6:30-34?

6 Ilaina ny mandanjalanja amin’ny resaka asa. Izao no nosoratan’i Solomona Mpanjaka: “Ny zava-drehetra dia samy misy fotoana voatondro ho azy avy.” Nilaza, ohatra, izy hoe misy fotoana ambolena, anorenana, itomaniana, ihomehezana, ary andihizana. (Mpito. 3:1-8) Hita amin’izany fa samy tena ilaina na ny miasa, na ny maka aina. Nahay nandanjalanja i Jesosy. Rehefa avy nitory ny apostoly indray mandeha, dia “tsy nanam-potoana hihinanan-kanina akory.” Niteny tamin’izy ireo àry i Jesosy hoe: “Andao hitokana any amin’ny toerana mangina, dia mialà sasatra kely.” (Vakio ny Marka 6:30-34.) Fantatr’i Jesosy hoe tena nila naka aina izy sy ny mpianany, na dia tsy afaka nanao an’izany aza izy ireo indraindray.

7. Hanampy antsika amin’ny inona ny fandinihana ny lalàna momba ny Sabata?

7 Tena mila maka aina isika indraindray na miala kely amin’ny mahazatra. Manaporofo an’izany ny Sabata isan-kerinandro nasain’Andriamanitra notandreman’ny Israelita. Tsy voatery manaraka ny Lalàn’i Mosesy isika, nefa hahasoa antsika ny hijery an’izay lazain’izy io momba ny Sabata. Ho hitantsika amin’izany raha mety na tsia ny fiheverantsika ny asa sy ny fialan-tsasatra.

FOTOANA HAKANA AINA SY HANOMPOANA AN’I JEHOVAH NY SABATA

8. Inona no antony nanaovana ny Sabata, araka ny Eksodosy 31:12-15?

8 Milaza ny Baiboly fa rehefa avy namorona nandritra ny enina andro * Andriamanitra, dia tsy namorona zavatra tetỳ an-tany intsony. (Gen. 2:2) Tena tia miasa anefa izy ary “tsy mitsahatra miasa.” (Jaona 5:17) Nasainy niala sasatra ny Israelita isan-kerinandro rehefa Sabata, hoatran’ny nataony rehefa nitsahatra tamin’ny asa famoronana izy. Nilaza izy hoe famantarana eo aminy sy ny Israelita ny Sabata. Andro “fitsaharana tanteraka” izy io, ary “masina eo anatrehan’i Jehovah.” (Vakio ny Eksodosy 31:12-15.) Tsy nisy na iza na iza nahazo niasa rehefa Sabata, anisan’izany ny ankizy sy ny andevo, ary na dia ny biby fiompy aza. (Eks. 20:10) Afaka nifantoka kokoa tamin’ny fifandraisany tamin’i Jehovah ny olona tamin’io.

9. Ahoana no ahitana fa diso hevitra momba ny Sabata ny olona sasany?

9 Nahasoa ny vahoakan’i Jehovah ny Sabata. Lasa sarotra be anefa ny nitandrina azy io. Namorona fitsipika hentitra be momba ny fomba hanarahana azy io mantsy ny mpitondra fivavahana maro, tamin’ny andron’i Jesosy. Tsy azo atao, hono, na dia ny mioty salohim-barimbazaha aza rehefa Sabata. Nolazain-dry zareo koa hoe tsy mety ny manasitrana amin’io andro io. (Mar. 2:23-27; 3:2-5) Nasehon’i Jesosy mazava tsara anefa fa tsy nifanaraka tamin’ny fomba fihevitr’Andriamanitra izany.

Nifantoka tamin’ny fanompoana an’Andriamanitra ny fianakavian’i Jesosy rehefa Sabata (Fehintsoratra 10) *

10. Ahoana no fiheveran’i Jesosy ny Sabata, rehefa jerena ny Matio 12:9-12?

10 Nitandrina ny Sabata i Jesosy sy ireo Jiosy mpanara-dia azy satria nanaraka ny Lalàn’i Mosesy. * Nasehon’i Jesosy tamin’izay nolazainy sy nataony anefa fa ilaina ny mandanjalanja rehefa mitandrina ny Sabata. Nasehony hoe tsy mampaninona ny manampy olona amin’io andro io, ary tsy nieritreritra mihitsy izy hoe mandika lalàna izany. Nilaza izy hoe: “Azo atao ny manao soa amin’ny sabata.” (Vakio ny Matio 12:9-12.) Hita tamin’ny zavatra nataon’i Jesosy koa hoe azony tsara ny tena antony nahatonga an’i Jehovah hanao ny Sabata. Lasa afaka nifantoka tamin’ny fanompoany an’Andriamanitra ny Israelita, satria tsy nanao ny asa fanaony andavanandro. Azo antoka fa nanararaotra ny andro sabata ny fianakavian’i Jesosy, mba hanatsarana ny fifandraisan’izy ireo tamin’i Jehovah. Manaporofo an’izany ny nataon’i Jesosy tamin’izy tany Nazareta, tanàna nahabe azy. “Niditra tao amin’ny synagoga toy ny fanaony rehefa sabata” izy tamin’izay, dia “nitsangana hamaky teny.”—Lioka 4:15-19.

AHOANA NO FIHEVERANAO NY ASA?

11. Iza no nanome modely an’i Jesosy raha ny asa no resahina?

11 Azo antoka hoe nitovy tamin’ny an’i Jehovah ny fiheveran’i Josefa ny asa, ary nampita an’izany tamin’i Jesosy izy sady nampianatra azy handrafitra. (Mat. 13:55, 56) Maro anaka i Josefa, ary azo inoana hoe hitan’i Jesosy niasa mafy izy isan’andro mba hamelomana an-dry zareo. Tsy mahagaga raha nilaza tamin’ny mpianany i Jesosy tatỳ aoriana hoe: “Mendrika hahazo ny karamany ny mpiasa.” (Lioka 10:7) Hain’i Jesosy tsara àry hoe hoatran’ny ahoana izany miasa mafy izany.

12. Ahoana no fiheveran’i Paoly ny hoe miasa mafy, ary inona ny andinin-teny mampiseho an’izany?

12 Niasa mafy koa ny apostoly Paoly. Marina fa ny hampahafantatra ny olona momba an’i Jesosy sy izay nampianariny no tena nifantohany. Nitady vola koa anefa izy mba hivelomana. Fantatry ny Tesalonianina hoe “niasa mafy sy nisasatra andro aman’alina” izy, amin’izay “tsy hampitondra enta-mavesatra” an’iza na iza. (2 Tes. 3:8; Asa. 20:34, 35) Mpanao tranolay i Paoly, ary izany angamba no tiany hotenenina tamin’izy niresaka momba ny asany. Nijanona tany amin-dry Akoila sy Prisila izy tamin’izy tany Korinto, ary niara-niasa tamin-dry zareo. “Mpanao tranolay” koa mantsy izy mivady. Na dia niasa “andro aman’alina” aza i Paoly, dia tsy midika izany hoe tsy mba niato mihitsy izy. Nisy fotoana izy tsy niasa, ohatra hoe rehefa Sabata. Afaka nanararaotra nitory tamin’ny Jiosy izy, satria tsy niasa koa ry zareo tamin’io.—Asa. 13:14-16, 42-44; 16:13; 18:1-4.

13. Inona no ianarantsika avy amin’i Paoly?

13 Ohatra tsara ho antsika ny apostoly Paoly. Tsy maintsy niasa izy, nefa niezaka foana mba “hanao ilay asa masina momba ny vaovao tsaran’Andriamanitra.” (Rom. 15:16; 2 Kor. 11:23) Nampirisika ny hafa hanao hoatr’izany koa izy. Nilaza izy hoe ‘mpiara-miasa taminy tao amin’i Kristy Jesosy’ i Akoila sy Prisila. (Rom. 12:11; 16:3) Nanoratra i Paoly hoe: “Raha misy tsy mety miasa, dia aoka izy tsy hihinana.” (2 Tes. 3:10) Rehefa nanoratra ho an’ny Korintianina koa anefa izy, dia nasain’i Jehovah nampirisika azy ireo mba “ho be atao foana amin’ny asan’ny Tompo.”—1 Kor. 15:58; 2 Kor. 9:8.

14. Inona no tian’i Jesosy holazaina ao amin’ny Jaona 14:12?

14 Ny fitoriana sy ny fanaovana mpianatra no asa lehibe indrindra amin’izao andro farany izao. Nilaza mihitsy aza i Jesosy hoe hahavita asa betsaka kokoa noho izy ny mpanara-dia azy. (Vakio ny Jaona 14:12.) Tsy te hilaza akory izy hoe hahavita fahagagana hoatr’azy ry zareo. Fa inona no tiany holazaina? Hoe hitory sy hampianatra any amin’ny faritra midadasika kokoa sy amin’ny olona betsaka kokoa ary mandritra ny fotoana ela kokoa ny mpanara-dia azy.

15. Inona no fanontaniana tokony hoeritreretintsika, ary nahoana?

15 Miasa ve ianao? Raha izany, dia eritrereto izao: ‘Olona miasa mafy ve no ahafantarana ahy any am-piasana? Mahavita asa ara-potoana ve aho sady manao izay tsara indrindra vitako?’ Raha eny no valin’ireo, dia azo inoana hoe hatoky anao ny mpampiasa anao. Mety ho liana kokoa amin’ny vaovao tsara koa ny olona manodidina anao any am-piasana. Ahoana indray ny amin’ny fanompoana? Eritrereto hoe: ‘Mpitory mazoto ve no ahalalana ahy? Manomana tsara ve aho alohan’ny hitory? Miverina haingana any amin’ny olona liana ve aho? Mandray anjara tsy tapaka amin’ny lafiny samihafa amin’ny fanompoana ve aho?’ Raha eny no valin’ireo, dia ho faly ianao rehefa manompo.

AHOANA NO FIHEVERANAO NY FIALAN-TSASATRA?

16. Inona no tsy mampitovy an’i Jesosy sy ny apostoly amin’ny olona maro amin’izao andro izao?

16 Nilaza fanoharana momba ny lehilahy iray mpanankarena i Jesosy indray mandeha. Izao no nolazain’ilay lehilahy tamin’ny tenany: “Mialà sasatra, mihinàna, misotroa, mifalia.” (Lioka 12:19; 2 Tim. 3:4) Tsy nieritreritra afa-tsy ny haka aina sy hanao izay mahafinaritra azy izy. Hoatr’izany ny olona maro tamin’ny andron’i Jesosy sy amin’izao andro izao. Fantatr’i Jesosy hoe nila naka aina izy sy ny apostoly indraindray. Tsy variana nanao izay nahafinaritra azy anefa izy ireo.

Afaka mifantoka amin’ny zavatra mahasoa sy mamelombelona isika, rehefa mahay mandanjalanja amin’ny asa sy ny fakana aina (Fehintsoratra 17) *

17. Ahoana no ataontsika rehefa tsy miasa?

17 Manao hoatran’i Jesosy isika amin’izao. Tsy maka aina fotsiny isika rehefa tsy miasa, fa mandeha mitory sy mivory koa. Tena zava-dehibe amintsika ireo, ka miezaka mafy isika mba hanao an’ireo tsy tapaka ho an’i Jehovah. (Heb. 10:24, 25) Na dia rehefa manao vakansy aza isika, dia mandeha mivory foana na aiza na aiza misy antsika. Mitady hirika koa isika mba hiresahana ny vaovao tsara amin’izay olona hitantsika any.—2 Tim. 4:2.

18. Inona no tian’i Kristy Jesosy hataontsika?

18 Tena faly isika hoe tsy mitaky mihoatra noho izay vitantsika i Kristy Jesosy Mpanjaka, sady manampy antsika handanjalanja amin’ny asa sy ny fialan-tsasatra. (Heb. 4:15) Tiany raha mba miala sasatra araka izay ilaintsika isika. Tiany koa anefa raha miasa mafy isika mba hahazoana an’izay ilaintsika, sady mandray anjara tsy tapaka amin’ny fanaovana mpianatra. Mamelombelona mantsy izy io. Hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka hoe inona no ataon’i Jesosy mba hanafahana antsika amin’ny karazana fanandevozana iray tena mampijaly.

HIRA 38 Izy no Hampahery Anao

^ feh. 5 Mampianatra antsika hahay handanjalanja amin’ny resaka asa sy fialan-tsasatra ny Soratra Masina. Resahina ao, ohatra, ny Sabata notandreman’ny Israelita isan-kerinandro. Handinika an’izany isika ato mba hahitantsika raha mety na tsia ny fiheverantsika ny asa sy ny fialan-tsasatra.

^ feh. 8 Tsy andro ara-bakiteny no tiana horesahina eo. Raha mila fanazavana bebe kokoa momba an’izany ianao, dia jereo ilay lahatsoratra ao amin’ny jw.org® hoe “Inoan’ny Vavolombelon’i Jehovah ve ny Fampianarana Sasany Momba ny Famoronana?” (Midira ao amin’ny MOMBA ANAY > FANONTANIANA FAMETRAKY NY OLONA.)

^ feh. 10 Tena nanaja ny lalàna momba ny Sabata ny mpianatr’i Jesosy. Nandrasan’izy ireo ho vita àry ny Sabata, izay ry zareo vao nanohy nanomana ny zavamaniry mani-pofona sy ny menaka manitra hatao amin’ny vatan’i Jesosy.—Lioka 23:55, 56.

^ feh. 56 SARY: Josefa mitondra ny fianakaviany any amin’ny synagoga amin’ny andro sabata.

^ feh. 58 SARY: Raim-pianakaviana miasa mba hamelomana ny fianakaviany. Rehefa tsy miasa izy dia mandeha mivory sy mitory. Manao an’izany izy sy ny vady aman-janany na dia rehefa manao vakansy aza.