Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | MATIO 20-21

“Na Iza na Iza Te ho Lehibe Aminareo dia Tsy Maintsy ho Mpanomponareo”

“Na Iza na Iza Te ho Lehibe Aminareo dia Tsy Maintsy ho Mpanomponareo”

20:28

Te ho hitan’ny olona sy hoarahabaina teny an-tsena ireo mpanora-dalàna sy Fariseo nanambony tena

Te hoderaina sy te halaza ireo mpanora-dalàna sy Fariseo nanambony tena. (Mt 23:5-7) Tsy hoatr’izany kosa i Jesosy. “Tsy tonga mba hotompoina izy fa mba hanompo.” (Mt 20:28) Izay karazana fanompoana hahazoana sitraka sy dera amin’ny hafa ve no tena ataontsika? Raha te ho lehibe eo imason’i Jehovah isika, dia hiezaka mafy hanampy ny hafa, toy ny nataon’i Kristy. Tsy dia voamariky ny olona ny asa toy izany, nefa hitan’i Jehovah. (Mt 6:1-4) Manetry tena ny Kristianina iray sady vonona hanompo ny hafa raha...

  • manadio sy mikojakoja Efitrano Fanjakana

  • manampy ny hafa, anisan’izany ny zokiolona

  • manome vola hanohanana ny asan’ilay Fanjakana