Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Ry Ray Aman-dreny, Ampio ny Zanakareo mba Hanana Fahendrena avy Amin’i Jehovah

Ry Ray Aman-dreny, Ampio ny Zanakareo mba Hanana Fahendrena avy Amin’i Jehovah

Afaka manampy ny zanany mba hanana fahendrena avy amin’i Jehovah ny ray aman-dreny. Anisan’ny fomba tsara indrindra hanaovany an’izany ny fanampiany azy ireo handray soa avy amin’ny fivoriana. Hanampy ny ankizy hianatra momba an’i Jehovah sy ho lasa namany be izay zavatra hitany sy reny any am-pivoriana ary ny fanomezany valin-teny. (De 31:​12, 13) Raha ray aman-dreny ianao, ahoana no azonao anampiana ny zanakao mba handray soa faran’izay betsaka amin’ny fivoriana?

  • Miezaha mba hanatrika fivoriana mivantana.​—Sl 22:22

  • Miezaha hifampahery amin’ny mpiara-manompo aloha na aorian’ny fivoriana.​—He 10:25

  • Ataovy azo antoka hoe manana ny fitaovana ampiasaina any am-pivoriana ny mpianakavy tsirairay, na vita pirinty izany na amin’ny endriny elektronika

  • Ampio ny zanakao hanomana valin-teny amin’ny fomba fiteniny.​—Mt 21:​15, 16

  • Miresaha zavatra mahafinaritra momba ny fivoriana sy ny zavatra ianaranao any

  • Ampio ny zanakao mba handray anjara amin’ny asa atao ao amin’ny Efitrano Fanjakana, ohatra hoe fanadiovana. Ampio koa izy mba hiresaka amin’ireo be taona ao amin’ny fiangonanareo

Mitaky ezaka be ny manampy ny zanakao mba ho akaiky an’i Jehovah ary mety hatahotra ianao indraindray hoe tsy ho vitanao mihitsy izany. Afaka miantehitra amin’ny fanampian’i Jehovah anefa ianao.​—Is 40:29.

JEREO ILAY VIDEO HOE RY RAY AMAN-DRENY, MIANTEHERA AMIN’I JEHOVAH SY NY HERINY. VALIO IRETO AVY EO:

  • Inona no vokany rehefa vizana be i José sy Léa?

  • Maninona ny ray aman-dreny no tokony hangataka hery avy amin’i Jehovah?

  • Niantehitra tamin’i Jehovah i José sy Léa mba hanampy azy ireo. Inona avy no nataony?