Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 2

Ho Vitanao ny Hampahery ny Hafa!

Ho Vitanao ny Hampahery ny Hafa!

“Ireo ... no mpiara-miasa amiko hampandroso ny fanjakan’Andriamanitra, ary mbola ireo koa no nanampy sy nankahery ahy.”—KOL. 4:11.

HIRA 90 Andao Isika Hifampahery

HO HITANAO ATO *

1. Inona no olana atrehin’ny mpanompon’i Jehovah maro tsy mivadika?

TSY mampiady saina fotsiny ny olana mahazo ny mpanompon’i Jehovah eran-tany fa mahakivy mihitsy. Tsy izany ve no hitanao ao amin’ny fiangonanareo? Ny sasany izao marary mafy na nidonam-pahoriana. Misy koa vaky fo satria niala tamin’i Jehovah ny iray tamin’ny fianakaviany na ny namany. Ny hafa indray mijaly satria nisy rivo-doza na loza hafa. Mila fampaherezana daholo ny rahalahy sy anabavy miatrika olana hoatr’izany. Ahoana no azo anampiana azy ireny?

2. Nahoana ny apostoly Paoly no nila nampaherezina indraindray?

2 Niatrika loza nihatra aman’aina ny apostoly Paoly, ary nisesisesy mihitsy izany. (2 Kor. 11:23-28) Nijaly koa izy satria nanana ‘tsilo tao amin’ny nofo’, ary aretina angamba ilay izy. (2 Kor. 12:7) Tsy vitan’izany fa diso fanantenana izy rehefa nandao azy i Demasy, ilay mpiara-miasa taminy. Lasa “tia an’ity tontolo ity” mantsy i Demasy. (2 Tim. 4:10) Kristianina voahosotra i Paoly sady be herim-po ary tia nanampy olona. Na izy aza anefa mba kivy ihany indraindray.—Rom. 9:1, 2.

3. Ahoana no nampaherezan’i Jehovah an’i Paoly?

3 Nahazo ny fampaherezana sy ny fanampiana nilainy i Paoly. Ahoana no nahazoany an’izany? Azo antoka hoe nampiasa ny fanahy masina i Jehovah mba hampaherezana azy. (2 Kor. 4:7; Fil. 4:13) Nampiasa ny Kristianina hafa koa izy. Nilaza i Paoly hoe nisy mpiara-manompo “nanampy sy nankahery” azy. (Kol. 4:11) Nanonona ny anaran’ny sasany tamin’izy ireo mihitsy izy, anisan’izany i Aristarko sy Tykiko ary Marka. Nahavita niaritra izy noho ny fampaherezan’izy ireo. Fa inona no toetra nahatonga azy ireo hahay hampahery be? Ahoana no azontsika anahafana azy ireo rehefa mifampahery isika?

NAMANA TSY MIVADIKA HOATRAN’I ARISTARKO

Ho namana tsy mivadika hoatran’i Aristarko isika, raha tsy manary an’ireo rahalahy sy anabavintsika mihitsy rehefa ao anatin’ny sarotra izy ireo (Fehintsoratra 4-5) *

4. Inona no porofo fa namana tsy nivadika i Aristarko?

4 Kristianina avy any Tesalonika, any Makedonia, i Aristarko. Naman’i Paoly izy ary tsy nivadika taminy mihitsy. Ao amin’ny fitantarana momba ny fitsidihan’i Paoly an’i Efesosy no misy resaka voalohany momba azy. Nanao dia misionera fahatelo i Paoly tamin’izay. Niaraka taminy i Aristarko ka nosamborin’ny vahoaka. (Asa. 19:29) Rehefa avy nafahana i Aristarko dia mbola niaraka tamin’i Paoly ihany, na dia fantany aza hoe mety hampidi-doza izany. Mbola nitady hamono an’i Paoly ny fahavalony tamin-dry zareo tany Gresy, volana vitsivitsy tatỳ aoriana. Nanohana an’i Paoly foana anefa i Aristarko. (Asa. 20:2-4) Nalefa higadra tany Roma i Paoly tamin’ny taona 58 tany ho any, ary lavitra be ilay dia. Niaraka taminy koa i Aristarko tamin’izay ary vaky sambo ry zareo. (Asa. 27:1, 2, 41) Nisy fotoana aza i Aristarko niara-nigadra tamin’i Paoly tany Roma mihitsy. (Kol. 4:10) Tsy mahagaga àry raha nilaza i Paoly hoe nampahery azy io namany tsy nivadika io.

5. Araka ny Ohabolana 17:17, inona no azontsika atao raha te ho namana tsy mivadika isika?

5 Namana tsy mivadika hoatran’i Aristarko isika raha tsy manary an’ireo rahalahy sy anabavintsika mihitsy, na amin’ny mora na amin’ny sarotra. (Vakio ny Ohabolana 17:17.) Mbola mila fampaherezana foana angamba izy ireny, na dia efa milamina aza ilay olana nahazo azy. Hoatr’izany i Frances. * Samy voan’ny kansera ny dada sy mamany, dia maty tao anatin’ny telo volana. Hoy izy: “Misy vokany foana ny fitsapana mafy mahazo antsika, na dia efa ela be atỳ aoriana aza. Dia faly aho rehefa misy mahatadidy hoe mbola tsy sitrana ny foko, na dia efa ela aza no maty i Dada sy Neny. Namana tsy mivadika ny olona hoatr’izany!”

6. Inona no hataontsika raha namana tsy mivadika isika?

6 Vonona hamoy hery sy fotoana ary fananana mba hanampiana an’ireo rahalahy sy anabavy ny namana tsy mivadika. Nanana namana hoatr’izany ny mpivady atao hoe Peter sy Kathryn. Narary i Peter ary nampahafantarin’ny dokotera azy hoe hihombo haingana be ilay aretiny ary hahafaty azy. Hoy i Kathryn: “Mpivady tao amin’ny fiangonanay no nitondra anay tany amin’ny dokotera tamin’io. Teo no ho eo ry zareo dia nanapa-kevitra hoe tsy havelany hiatrika irery an’izany fisedrana mafy be izany izahay. Dia nanohana anay foana ry zareo isaky ny nila fanampiana izahay.” Tsy hitanao hoe mampahery be ve ny namana manampy anao hiaritra ny mafy hoatr’izany? Izany no atao hoe tena namana!

NAMANA AZO ITOKISANA HOATRAN’I TYKIKO

Namana azo itokisana hoatran’i Tykiko ve ianao, rehefa miady mafy noho ny olana mahazo azy ny hafa? (Fehintsoratra 7-9) *

7-8. Araka ny Kolosianina 4:7-9, ahoana no nampisehoan’i Tykiko hoe azo nitokisana izy?

7 Kristianina avy any amin’ny faritany romanina any Azia i Tykiko. Naman’i Paoly izy ary tena azo nitokisana. (Asa. 20:4) Nandamina ny fanangonana vola hanampiana ny Kristianina tany Jodia i Paoly tamin’ny taona 55 tany ho any. Anisan’ireo nantsoiny mba hanampy tamin’izany angamba i Tykiko. (2 Kor. 8:18-20) Nirahin’i Paoly hitondra hafatra izy tatỳ aoriana, tamin’i Paoly nigadra voalohany tany Roma. Nampitondrainy taratasy sy hafatra fampaherezana ho an’ireo fiangonana tany Azia izy.—Kol. 4:7-9.

8 Tsy niova i Tykiko tatỳ aoriana fa mbola namana azon’i Paoly nitokisana foana. (Tit. 3:12) Tsy ny Kristianina rehetra anefa no hoatr’izany. Nigadra fanindroany i Paoly tamin’ny taona 65 tany ho any, dia nosoratany hoe maro tamin’ny Kristianina tany amin’ny faritr’i Azia no nihatakataka taminy. (2 Tim. 1:15) Natahotra fanenjehana angamba ry zareo. Afaka niantehitra tamin’i Tykiko anefa i Paoly, ka nanome azy andraikitra fanampiny. (2 Tim. 4:12) Azo antoka hoe faly i Paoly nanana namana hoatran’i Tykiko.

9. Ahoana no azontsika anahafana an’i Tykiko?

9 Afaka manahaka an’i Tykiko isika ka miezaka ho namana azo itokisana. Tsy mampanantena fotsiny, ohatra, isika hoe hanohana an’ireo rahalahy sy anabavy, fa tena manao zavatra hanampiana azy ireo. (Mat. 5:37; Lioka 16:10) Rehefa fantatr’ireo mila fanampiana hoe azo ianteherana isika, dia tena mampahery azy ireo izany. Izao no nolazain’ny anabavy iray: “Rehefa azo ianteherana ny olona iray, dia tsy miampy ny adin-tsainao. Tsy miasa saina mantsy ianao hoe tena ho tonga hanampy anao ve izy amin’ilay fotoana nomeny.”

10. Araka ny Ohabolana 18:24, olona hoatran’ny ahoana no afaka manamaivamaivana an’ireo miatrika olana na diso fanantenana?

10 Matetika no mahatsiaro ho maivamaivana ny olona miatrika olana na diso fanantenana, rehefa mamboraka ny ao am-pony amin’ny namana azo itokisana. (Vakio ny Ohabolana 18:24.) Tena diso fanantenana, ohatra, i Bijay rehefa voaroaka ny zanany lahy. Hoy izy: “Nila olona azoko nitokisana aho mba hiresahana ny fihetseham-poko.” I Carlos indray nanana tombontsoam-panompoana tena tiany teo anivon’ny fiangonana, nefa nesorina taminy ilay izy satria nanao fahadisoana izy. Izao no nolazainy: “Nila olona azoko nitantarana ny tao am-poko aho, olona tsy natahorako hitsaratsara an’ahy.” Soa ihany ny anti-panahy fa teo, dia nanampy azy hiatrika an’ilay olana. Nampahery azy koa ny nahalala hoe tsy hamoaka ny tsiambaratelony ry zareo.

11. Inona no tokony hataontsika raha te ho namana azo itokisana isika?

11 Inona no azontsika atao mba hahatonga antsika ho namana azo itokisana, ka hazoto hamboraka ny any am-pony amintsika ny olona? Mila manam-paharetana isika. Hanampy antsika hihaino tsara mantsy izany. Ho namana mampahery isika amin’izay. Nilaozan’ny vadiny, ohatra, i Zhanna. Noresahiny tamin’ny namany akaiky ny tao am-pony, dia nampahery azy izany. Hoy izy: “Nanam-paharetana foana ry zareo rehefa nihaino an’ahy, na dia mety hoe namerimberina ny zavatra noresahiko aza aho.”

VONON-KANAMPY HOATRAN’I MARKA

Nahavita niaritra i Paoly satria nanampy azy i Marka. Afaka manampy ny mpiara-manompo koa isika rehefa misy loza mitranga (Fehintsoratra 12-14) *

12. Iza i Marka, ary inona no porofo hoe tia nanampy olona izy?

12 Kristianina jiosy avy any Jerosalema i Marka ary havan’i Barnabasy, misionera fantatr’olona tsara. (Kol. 4:10) Antsoina koa hoe Jaona izy. Mpanankarena angamba ny fianakaviany, nefa tsy ny vola sy harena no zava-dehibe indrindra taminy. Tia nanampy olona foana izy ary nahafaly azy izany. Imbetsaka, ohatra, izy no nanampy ny apostoly Paoly sy ny apostoly Petera, rehefa nanao ny andraikiny izy ireo. Izy angamba no nitady toerana hatorian’izy ireo sy nividy ny sakafony ary nikarakara izay zavatra hafa nilainy. (Asa. 13:2-5; 1 Pet. 5:13) Nilaza i Paoly hoe ‘mpiara-miasa taminy hampandroso ny fanjakan’Andriamanitra’ i Marka, ary “nanampy sy nankahery” azy.—Kol. 4:10, 11.

13. Nahoana ny 2 Timoty 4:11 no mampiseho fa nankasitraka ny fanampiana nomen’i Marka i Paoly?

13 Azo antoka fa nankasitraka ny fanampiana nomen’i Marka i Paoly, dia lasa mpinamana be ry zareo. Nohafaran’i Paoly, ohatra, i Timoty mba hitondra an’i Marka rehefa hankany Roma izy. Izany no nosoratany tao amin’ny taratasy faharoa ho an’i Timoty, tamin’izy nigadra tany Roma tamin’ny taona 65 tany ho any. (2 Tim. 4:11) Tamin’io i Paoly no nigadra farany, ary fantany angamba fa efa hovonoina ho faty izy dia tiany ho eo ilay namany. Tena nanampy azy i Marka. Angamba izy nanome sakafo sy fitaovana fanoratana ho an’i Paoly. Azo inoana fa nahavita niaritra i Paoly nandritra an’ireo andro farany talohan’ny hamonoana azy, satria nampahery sy nanohana azy i Marka.

14-15. Inona no azontsika atao mba hanampiana ny hafa, raha jerena ny Matio 7:12?

14 Vakio ny Matio 7:12. Rehefa misy manjo antsika, dia tena faly isika rehefa misy manampy. Maty tao anaty loza nahatsiravina ny dadan’i Ryan. Izao no nolazain’i Ryan: “Rehefa malahelo be ianao, dia betsaka ny zavatra hoatran’ny hoe tsy vitanao intsony, na dia efa fanaonao aza ilay izy. Dia tena mampahery rehefa misy olona manao zavatra hanampiana anao, na dia kely fotsiny aza.”

15 Azo inoana hoe hahita fomba hanampiana ny mpiara-manompo isika, raha mihaino tsara sy mahay mandinika. Ilay anabavy nanampy an-dry Peter sy Kathryn, ohatra, no nandamina ny fitaterana azy mivady isaky ny nila nankany amin’ny dokotera ry zareo. Efa tsy afaka nitondra fiara intsony mantsy i Peter sy Kathryn. Niresaka tamin’ny olona tao amin’ny fiangonana àry ilay anabavy, amin’izay ry zareo ho afaka hifandimby hitondra azy mivady. Nanampy an’i Peter sy Kathryn ve ilay izy? Hoy i Kathryn: “Hoatran’ny hoe nisy enta-mavesatra be nesorina teo an-tsorokay!” Tadidio foana àry hoe mety hampahery be na dia fanampiana kely fotsiny aza.

16. Inona no ianarantsika avy amin’i Marka?

16 Azo inoana fa tena be atao i Marka. Nanana andraikitra lehibe izy. Izy, ohatra, no nanoratra ny Filazantsara mitondra ny anarany. Na izany aza, dia mbola nanokana fotoana hampaherezana an’i Paoly izy. I Paoly koa tsy nihafahafa nangataka fanampiana taminy. Rehefa nisy namono ny havan’ny anabavy atao hoe Angela, dia tena faly izy hoe tsy nisalasala nampahery azy ny mpiara-manompo. Hoy izy: “Raha tena vonona hanampy anao ny namana iray, dia tokony ho mora iresahana izy. Tsy misalasala na matahotra ny hanampy izy.” Eritrereto àry hoe: ‘Izaho ve vonona hanao zavatra mba hampaherezana ny hafa? Izay ve no fahitan’ny mpiara-manompo an’ahy?’

TAPA-KEVITRA NY HAMPAHERY NY HAFA ISIKA

17. Nahoana isika no hazoto hampahery ny hafa raha misaintsaina ny 2 Korintianina 1:3, 4?

17 Tsy voatery hitady lavitra ianao vao hahita mpiara-manompo mila fampaherezana. Inona no azonao atao? Mety ho azonao resahina amin’ny hafa izay hevitra mampahery noresahina taminao. Nisy nampahery, ohatra, ny anabavy atao hoe Nino tamin’ny bebeny maty. Hoy izy: “Afaka mampiasa antsika mba hampahery ny hafa i Jehovah, raha manaiky hampiasainy isika.” (Vakio ny 2 Korintianina 1:3, 4.) Hoy i Frances, ilay voaresaka teo aloha: “Marina mihitsy ny voalazan’ny 2 Korintianina 1:4. Azontsika ampaherezana ny hafa izay nataon’ny olona mba hampaherezana antsika.”

18. a) Nahoana ny olona sasany no matahotra hampahery ny hafa? b) Inona no azontsika atao raha te hahavita hampahery ny hafa isika? Manomeza ohatra.

18 Marina fa mety hatahotra isika sao tsy hahita holazaina amin’ilay olona kivy, na tsy ho haintsika izay hatao. Tsy tokony havelantsika hisakana antsika anefa izany, fa mila mitady hevitra foana isika. Tsaroan’ny anti-panahy atao hoe Paul ny ezaka nataon’ny mpiara-manompo rehefa maty ny dadany. Hoy izy: “Hitako hoe tsy mora tamin-dry zareo ny nanatona an’ahy. Tsy hitan’izy ireo izay holazaina. Te hampahery an’ahy anefa ry zareo dia nahafaly an’ahy izany.” Nisy horohoron-tany nahery be tany amin’ny faritra nisy ny rahalahy iray atao hoe Tajon. Hoy izy: “Tsoriko aloha fa tsy nisy tadidiko ny hafatra nalefan’ny olona taorian’ilay horohoron-tany. Tadidiko fotsiny hoe tena niahy an’ahy ry zareo matoa nanontany hoe nanao ahoana aho.” Ho vitantsika koa ny hampahery ny hafa raha mampiseho aminy isika hoe tena miahy azy.

19. Nahoana ianao no tapa-kevitra hampahery ny hafa?

19 Vao mainka hiharatsy sy hihasarotra ny fiainana, arakaraka ny anatonan’ny farany. (2 Tim. 3:13) Mbola hila fampaherezana koa isika, satria tsy lavorary sy manao fahadisoana foana ka lasa manana olana. Nahavita niaritra sy tsy nivadika mandra-pahafatiny ny apostoly Paoly, ary anisan’ny nanampy azy ny fampaherezana azony tamin’ny Kristianina hafa. Miezaha àry mba ho namana tsy mivadika hoatran’i Aristarko, sy ho azo itokisana hoatran’i Tykiko, ary ho vonon-kanampy hoatran’i Marka. Hanampy ny rahalahy sy anabavintsika mba hanana finoana matanjaka foana isika amin’izay.—1 Tes. 3:2, 3.

^ feh. 5 Betsaka ny olana nahazo ny apostoly Paoly. Nisy mpiara-manompo nampahery azy tamin’ireny fotoan-tsarotra ireny. Horesahintsika ato ny toetra nananan’izy ireo ka nahatonga azy ireo ho tena nahay nampahery. Hodinihintsika koa hoe inona no azontsika atao mba hanahafana azy ireo.

^ feh. 5 Novana ny anarana sasany.

HIRA 111 Maro ny Antony Mahafaly Antsika

^ feh. 56 SARY: Vaky sambo i Paoly sy Aristarko.

^ feh. 58 SARY: Nirahin’i Paoly hanatitra ny taratasiny ho an’ny fiangonana i Tykiko.

^ feh. 60 SARY: Nanao zavatra hanampiana an’i Paoly i Marka.