Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 3

Sarobidy Amin’i Jehovah Andriamanitrao Ianao!

Sarobidy Amin’i Jehovah Andriamanitrao Ianao!

“Nahatsiaro antsika izy tamin’isika naetry.”—SAL. 136:23.

HIRA 33 Apetraho Amin’i Jehovah Izay Manavesatra Anao

HO HITANAO ATO *

1-2. Inona no manjo ny mpanompon’i Jehovah maro? Inona no mety ho vokatr’izany amin’izy ireo?

ERITRERETO ny manjo an’ireto mpiara-manompo ireto: Notenenin’ny dokotera ny rahalahy tanora iray hoe voan’ny aretina tena ratsy be izy. Very asa ny rahalahy iray 50 taona mahery. Izy anefa tena mazoto miasa. Miezaka be koa izy mba hitady asa fa tsy mety mahita. Tsy mivadika ny anabavy iray. Efa antitra anefa izy ka lasa tsy mahavita firy ho an’i Jehovah intsony.

2 Misy manjo anao ve ny iray amin’ireo? Raha izany, dia mety hieritreritra ianao hoe tsy misy ilana anao intsony. Mety tsy ho falifaly intsony ianao, sady mety hahatsapa hoe tsy misy dikany, ary tsy hifandray tsara amin’ny olon-kafa.

3. Ahoana no fiheveran’i Satana ny olombelona, ary ahoana no ataon’ireo manahaka azy?

3 Manao tsinontsinona ny olombelona i Satana. Tsy mba misy fo mitepo mihitsy izy! Nofitahiny, ohatra, i Eva hoe hahazo fahafahana raha tsy mankatò an’Andriamanitra, nefa efa fantany tsara hoe fahafatesana no ho vokatr’izany. I Satana foana no nifehy ny tontolon’ny varotra sy ny politika ary ny fivavahana hatramin’izay, ary manahaka azy ny ankamaroan’ny olona eto amin’ity tontolo ity. Tsy mahagaga àry raha manao tsinontsinona sy manambany ny hafa ny mpanao raharaham-barotra sy mpanao politika ary mpitondra fivavahana maro.

4. Inona no hodinihintsika ato?

4 Tsy hoatran’i Satana anefa i Jehovah. Tiany ho tsapantsika hoe misy dikany isika. Ampiany koa isika rehefa misy olana mety hahatonga antsika hieritreritra hoe tsy misy ilana antsika. (Sal. 136:23; Rom. 12:3) Horesahina ato hoe ahoana no anampian’i Jehovah antsika: 1) Rehefa mijaly isika satria marary, 2) rehefa sahirana ara-bola, ary 3) rehefa antitra ka mieritreritra hoe tsy mba misy zavatra tsara azontsika omena an’i Jehovah intsony. Hojerentsika anefa aloha hoe nahoana isika no afaka matoky fa sarobidy amin’i Jehovah isika tsirairay.

SAROBIDY AMIN’I JEHOVAH IANAO

5. Araka ny hevitrao, inona no manaporofo hoe sarobidy amin’i Jehovah ny olombelona?

5 Marina fa vita amin’ny vovoka ny olombelona, fa izany akory tsy midika hoe tsy misy dikany hoatran’ny vovoka isika. (Gen. 2:7) Andao handinika porofo vitsivitsy mampiseho hoe sarobidy amin’i Jehovah isika. Noforoniny mba ho afaka hanahaka ny toetrany, ohatra, ny olombelona. (Gen. 1:27) Hita amin’izany hoe nataony ambony kokoa noho ny zavatra noforoniny teto an-tany isika. Isika àry no nasainy nikarakara ny tany sy ny biby.—Sal. 8:4-8.

6. Inona koa no porofo hoe sarobidy amin’i Jehovah ny olombelona tsy lavorary?

6 Mbola sarobidy amin’i Jehovah foana ny olombelona, na dia nanota aza i Adama. Sarobidy be aminy isika, ka nafoiny hatramin’ilay Zanany tena tiany mba hanafahana antsika amin’ny ota. (1 Jaona 4:9, 10) Noho io sorona io, dia hatsangan’i Jehovah izay olona maty vokatry ny fahotan’i Adama, na ny “marina” na ny “tsy marina.” (Asa. 24:15) Hitantsika ao amin’ny Teniny hoe sarobidy aminy foana isika na salama na marary, na manam-bola na tsia, ary na firy taona na firy taona.—Asa. 10:34, 35.

7. Mbola misy porofo hafa ve mampiseho hoe sarobidy amin’i Jehovah ianao?

7 Tsy izay ihany anefa. Nitaona anao koa i Jehovah, ary nodinihiny hoe ahoana no nataonao tamin’ianao nandre ny vaovao tsara. (Jaona 6:44) Rehefa nanomboka nanatona azy ianao, dia nanatona anao koa izy. (Jak. 4:8) Ankoatra izany, dia miezaka mampianatra anao izy ary manokana fotoana ho amin’izany. Fantany hoe hoatran’ny ahoana ny toetranao izao, ary fantany koa hoe mbola afaka mihatsara ianao. Anariny koa ianao satria tiany. (Ohab. 3:11, 12) Porofo mivaingana ireo hoe sarobidy amin’i Jehovah ianao!

8. Nahoana isika no afaka manova ny fahitantsika ny olana mitranga, raha misaintsaina ny Salamo 18:27-29?

8 Lehilahy “tsy manjary” no niheveran’ny olona sasany an’i Davida Mpanjaka. Fantany anefa hoe tia azy i Jehovah ary nanohana azy. Nanova ny fahitany ny olana nianjady taminy izany, ka nahavita niaritra izy. (2 Sam. 16:5-7) Rehefa kivy isika na miatrika olana, dia afaka manampy antsika hanova ny fomba fahitantsika an’ilay zava-mitranga i Jehovah. Afaka manampy antsika hiatrika an’izay olana rehetra mitranga koa izy, ka toy ny hoe hahavita hianika manda mihitsy isika. (Vakio ny Salamo 18:27-29.) Rehefa ampian’i Jehovah isika, dia tsy hisy na inona na inona hahasakana antsika tsy ho faly manompo azy. (Rom. 8:31) Rehefa miatrika zava-tsarotra isika no tena mila mitadidy hoe tian’i Jehovah ary sarobidy aminy. Handinika telo amin’izany isika izao.

REHEFA MARARY

Mety hiady saina isika rehefa marary, nefa hahavita hiatrika an’izany raha mamaky an’izay lazain’i Jehovah ao amin’ny Baiboly (Fehintsoratra 9-12)

9. Inona no mety hitranga rehefa marary isika?

9 Mety hisy vokany amin’ny fihetseham-pontsika ny aretina, ka hahatonga antsika hieritreritra hoe tsy misy ilana antsika intsony. Mety ho menatra isika rehefa hitan’ny olona hoe lasa voafetra ny zavatra vitantsika, na rehefa tsy maintsy miantehitra amin’ny fanampian’ny hafa isika. Na dia tsy fantatry ny olona aza anefa hoe marary isika, dia mbola mety ho menatra ihany isika satria tsapantsika hoe misy zavatra sasany tsy vitantsika intsony. Amin’ireny fotoana ireny mihitsy i Jehovah no mampahery antsika. Ahoana no ataony?

10. Araka ny Ohabolana 12:25, inona no hanampy antsika rehefa marary isika?

10 Mampahery antsika ny “teny soa” rehefa marary isika. (Vakio ny Ohabolana 12:25.) Be dia be ny “teny soa” notehirizin’i Jehovah ao amin’ny Baiboly, mba hampahatsiahivana antsika fa misy dikany aminy foana isika na dia marary aza. (Sal. 31:19; 41:3) Manampy antsika hiatrika ny adin-tsaintsika i Jehovah rehefa mamaky an’ireny isika. Mbola hampahery antsika foana ireny teniny ireny, na dia vakintsika im-be dia be aza.

11. Ahoana no nahitan’i Julio hoe nampian’i Jehovah izy?

11 Diniho ny nanjo an’i Julio. * Mbola tanora izy nefa voan’ny aretina ratsy be. Vetivety dia niharatsy ny fahasalamany, ka lasa nieritreritra izy hoe tsy nisy nilana azy intsony. Izao no nolazainy: “Tsy nampoiziko hoe hisy vokany be amin’ny fihetseham-poko ilay aretina. Tsy nampoiziko koa hoe ho menatra aho satria lasa misarika mason’olona.” Hoy koa izy: “Rehefa niharatsy ny fahasalamako dia lasa saina aho hoe: ‘Ahoana re no hiafarako e?’ Kivy be aho dia nitalaho fanampiana tamin’i Jehovah.” Ahoana no nanampian’i Jehovah azy? Hoy ihany izy: “Tsy dia nahavita nifantoka aho, dia nisy nampirisika an’ahy hamaky andinin-teny fohifohy ao amin’ny Salamo. Misy andinin-teny mampiseho ao hoe tena miahy ny mpanompony i Jehovah, dia ireny no naverimberiko novakina isan’andro. Tena nampionona an’ahy ireny! Rehefa nandeha ny fotoana dia tsikaritry ny olona hoe nitsikitsiky kokoa aho. Nampahery an-dry zareo mihitsy aza, hono, ny nahita an’ahy falifaly. Hitako hoe novalian’i Jehovah ny vavaka nataoko. Nampiany aho dia lasa niova ny fiheverako ny tenako. Hitako tao amin’ny Teniny hoe sarobidy aminy aho na dia marary aza, ary izany no lasa nifantohako.”

12. Ahoana no hahazoanao ny fanampian’i Jehovah rehefa marary ianao?

12 Marary ve ianao izao? Matokia fa fantatr’i Jehovah izay mahazo anao. Iangavio izy mba hanampy anao hanana fomba fijery tsara fa tsy ho kivy loatra. Tadiavo ao amin’ny Baiboly avy eo ireo “teny soa” notehiriziny ho anao ao. Mifantoha amin’izay andinin-teny mampiseho hoe tena sarobidy amin’i Jehovah ny mpanompony. Rehefa manao an’izany ianao, dia ho hitanao hoe tsara fanahy amin’izay tsy mivadika aminy izy.—Sal. 84:11.

REHEFA SAHIRANA ARA-BOLA

Raha mitadidy isika fa nampanantena hanome an’izay ilaintsika i Jehovah, dia tsy hiady saina be loatra rehefa tsy mety mahita asa (Fehintsoratra 13-15)

13. Ahoana no mety ho tsapan’ny raim-pianakaviana very asa?

13 Tian’ny raim-pianakaviana rehetra raha mba afaka mamelona tsara ny ankohonany izy. Eritrereto anefa hoe very asa ny rahalahy iray na dia tsy nisy fahadisoana nataony aza. Mitady asa etsy sy eroa izy fa tsy mety mahita mihitsy. Mety hahatsapa àry izy hoe tsy misy ilana azy. Hahavita hiatrika an’izany anefa izy raha mifantoka amin’ny fampanantenan’i Jehovah. Nahoana?

14. Nahoana i Jehovah no mitana ny teny nataony foana?

14 Mitana ny teny nataony foana i Jehovah. (Jos. 21:45; 23:14) Misy antony maromaro mahatonga azy hanao an’izany. Misy vokany amin’ny anarany, na ny lazany, ohatra, izany. Efa nampanantena izy hoe hikarakara ny mpanompony tsy mivadika, dia raisiny ho adidy mihitsy ny manatanteraka an’izany. (Sal. 31:1-3) Fantatr’i Jehovah koa hoe halahelo be isika raha tsy mikarakara antsika izy, satria isika fianakaviany. Nampanantena izy hoe hanome an’izay ilaintsika eo amin’ny fiainana sy hanampy antsika tsy hivadika, ary tsy hisy hahasakana azy amin’izany.—Mat. 6:30-33; 24:45.

15. a) Inona ny olana natrehin’ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany? b) Inona no toky ananantsika rehefa mamaky ny Salamo 37:18, 19 isika?

15 Ilaintsika ny mitadidy hoe nahoana i Jehovah no mitana ny teniny. Hanampy antsika izany mba tsy hanary toky rehefa sahirana ara-bola. Eritrereto ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany. Rehefa nenjehina mafy ny fiangonana tao Jerosalema, dia “niparitaka nanerana ny faritr’i Jodia sy Samaria izy rehetra, afa-tsy ny apostoly ihany.” (Asa. 8:1) Azo antoka fa lasa sahirana ara-bola ireo Kristianina ireo, satria tsy maintsy nandao ny tranony sy ny asa fivelomany. Tsy nanary an-dry zareo anefa i Jehovah. Mbola faly foana koa ry zareo. (Asa. 8:4; Heb. 13:5, 6; Jak. 1:2, 3) Nanohana an’ireo Kristianina tsy nivadika ireo i Jehovah, ary hanohana antsika koa.—Vakio ny Salamo 37:18, 19.

REHEFA ANTITRA KA TSY MAHAVITA FIRY INTSONY

Izay azonao atao ifantohana na dia mihantitra aza ianao. Hatoky ianao amin’izay hoe sarobidy amin’i Jehovah ary sarobidy aminy koa ny tsy fivadihanao (Fehintsoratra 16-18)

16. Inona no mety hahatonga antsika hisalasala raha sarobidy amin’i Jehovah ny fanompoantsika?

16 Rehefa mihantitra isika, dia mety hieritreritra hoe zara raha misy azontsika omena an’i Jehovah. Mety ho niady saina tamin’izany koa i Davida Mpanjaka. (Sal. 71:9) Ahoana no anampian’i Jehovah antsika?

17. Inona no ianarantsika avy amin’ny Ranabavy Jheri?

17 Eritrereto ny nahazo ny anabavy atao hoe Jheri. Voasa hanatrika fiofanana momba ny fikojakojana Efitrano Fanjakana izy. Tsy nazoto ho any anefa izy. Izao no nolazainy: “Izaho ange efa antitra sady maty vady e! Inona no mba haiko amin’izay fikojakojana? Tsy misy ilana an’ahy any!” Namboraka ny tao am-pony tamin’i Jehovah anefa izy, ny alina talohan’ilay fiofanana. Rehefa tonga tany amin’ny Efitrano Fanjakana izy ny ampitson’iny, dia mbola nieritreritra ihany hoe: ‘Fa inona àry no ataoko atỳ?’ Rehefa nandeha ilay fiofanana, dia nisy mpandahateny nanasongadina hoe rehefa vonona hampianarin’i Jehovah isika, dia izay no tena ilaina. Izao no nolazain’i Jheri: “Nieritreritra aho hoe: ‘Izaho kosa aloha vonona e!’ Dia nitomany aho satria hitako hoe namaly ny vavaka nataoko i Jehovah. Nomeny toky aho hoe misy zavatra sarobidy azoko omena azy, ary vonona hampianatra an’ahy izy.” Hoy koa izy: “Nitaintaina sy kivy aho tamin’izaho niditra ny Efitrano Fanjakana, sady nahatsapa hoe tsy nisy nilana an’ahy. Rehefa vita anefa ilay fiofanana, dia feno toky aho sady feno hery ary nahatsapa hoe hay tena misy ilana an’ahy!”

18. Ahoana no ampisehoan’ny Baiboly hoe sarobidy amin’i Jehovah foana ny fanompoantsika na dia mihantitra aza isika?

18 Matokia fa manana asa hampanaovina anao foana i Jehovah na dia mihantitra aza ianao. (Sal. 92:12-15) Mety hieritreritra ianao hoe voafetra ny vitanao, na hoe tsy misy dikany ny ezaka ataonao. Sarobidy amin’i Jehovah anefa izay rehetra ataonao ho azy, ary izany no nampianarin’i Jesosy. (Lioka 21:2-4) Izay azonao atao àry ifantohana, ohatra hoe miresaka momba an’i Jehovah sy mivavaka ho an’ny mpiara-manompo ary mampirisika ny hafa tsy hivadika. Tadidio koa fa tsy noho ny zavatra vitanao no mahatonga an’i Jehovah hihevitra anao ho mpiara-miasa aminy, fa satria ianao mankatò azy amin’ny fo manontolo.—1 Kor. 3:5-9.

19. Inona no toky omen’ny Romanina 8:38, 39 antsika?

19 Sarobidy be amin’i Jehovah ny mpanompony, ary tena faly isika manompo Andriamanitra hoatr’izany! Noforoniny hanao ny sitrapony ny olombelona, ary rehefa manao an’izany ihany isika vao ho afa-po amin’ny fiainana. (Apok. 4:11) Ity tontolo ity no mety hihevitra antsika ho tsy misy dikany, fa i Jehovah indray tsy menatra antsika mihitsy! (Heb. 11:16, 38) Rehefa kivy àry ianao satria marary na sahirana ara-bola na mihantitra, dia tadidio fa tsy misy na inona na inona hahasaraka anao amin’ny fitiavan’ilay Rainao any an-danitra.—Vakio ny Romanina 8:38, 39.

^ feh. 5 Efa nisy zavatra nitranga ve ka nahatonga anao hahatsapa hoe tsy misy dikany ianao? Tena sarobidy be amin’i Jehovah anefa ianao, ary hampahatsiahy anao an’izany ity lahatsoratra ity. Horesahina ato koa izay azonao atao mba hahatonga anao hatoky foana hoe sarobidy ianao na inona na inona mitranga.

^ feh. 11 Novana ny anarana.

HIRA 30 Jehovah no Raiko sy Namako