Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 4

Ny Fanahy no Manaporofo fa Voahosotra Izy Ireo

Ny Fanahy no Manaporofo fa Voahosotra Izy Ireo

“Ny fanahin’Andriamanitra sy ny saintsika dia miara-manaporofo fa zanak’Andriamanitra isika.”—ROM. 8:16.

HIRA 25 Fanananao Manokana Izy Ireo

HO HITANAO ATO *

Nandatsaka ny fanahy masina tamin’ny Kristianina 120 teo ho eo i Jehovah tamin’ny Pentekosta, ary niavaka be ny fomba nanaovany an’izany (Fehintsoratra 1-2)

1-2. Inona no zavatra niavaka nitranga tamin’ny Pentekosta taona 33?

ALAHADY maraina tamin’izay ary Pentekosta ny andro, tamin’ny taona 33. Nivory tao amin’ny efitra ambony rihana iray ny mpianatr’i Jesosy 120 teo ho eo. (Asa. 1:13-15; 2:1) Nasain’i Jesosy nijanona tao Jerosalema izy ireo, andro vitsivitsy talohan’izay, satria hahazo fanomezana manokana. (Asa. 1:4, 5) Inona no nitranga, tamin’izy ireo tao amin’ilay efitra?

2 “Nisy feo mafy tonga tampoka avy tany an-danitra toy ny rivotra mahery nifofofofo.” Heno eran’ny trano mihitsy ilay feo. “Nisy lela maro toy ny afo” avy eo niseho teo ambonin’ny lohan’ny mpianatra tsirairay, dia lasa “feno fanahy masina” izy rehetra. (Asa. 2:2-4) Nandatsaka ny fanahy masina tamin’ireo olona ireo i Jehovah tamin’izay, ary niavaka be ny fomba nanaovany an’izany. (Asa. 1:8) Izy ireo no voalohany voahosotry ny fanahy masina * sy lasa nanantena hiara-manjaka amin’i Jesosy any an-danitra.

INONA NO MITRANGA REHEFA MIFIDY OLONA HO VOAHOSOTRA ANDRIAMANITRA?

3. Nahoana ireo mpianatra tao amin’ilay efitra ambony rihana no tsy nisalasala mihitsy hoe voahosotry ny fanahy izy ireo?

3 Raha niaraka tamin’ireo mpianatra ireo ianao tamin’izay, dia tsy ho hadinonao mihitsy izay nitranga tao amin’io efitra ambony rihana io. Nisy afo kely hoatran’ny lela nankeo ambonin’ny lohanao, dia lasa niteny tamin’ny fiteny hafa ianao! (Asa. 2:5-12) Tsy hisalasala mihitsy ianao hoe voahosotry ny fanahy masina. Hosoran’i Jehovah fanahy masina amin’ny fomba miavaka hoatr’izany daholo ve anefa ny voahosotra? Mitovy ve ny fotoana anosoran’i Jehovah fanahy masina an-dry zareo? Tsia. Andao isika handinika porofon’izany.

4. Mitovy foana ve ny fotoana nanosoran’i Jehovah fanahy masina ny voahosotra tamin’ny taonjato voalohany? Hazavao.

4 Andao aloha hojerentsika hoe mitovy foana ve ny fotoana anosoran’i Jehovah fanahy masina ny voahosotra. Tsy ireo mpianatra tao amin’ilay efitra ambony rihana ihany no voahosotry ny fanahy masina tamin’ny Pentekosta taona 33. Nisy olona 3000 teo ho eo koa nahazo fanahy masina tamin’io andro io, rehefa natao batisa. (Asa. 2:37, 38, 41) Tsy hoatr’izany foana anefa tatỳ aoriana. Tsy hoe tamin’ny batisany ny voahosotra rehetra no nohosorana ny fanahy masina. Efa taorian’ny batisany, ohatra, ny Samaritanina vao lasa voahosotry ny fanahy. (Asa. 8:14-17) I Kornelio sy ny ankohonany aza mbola tsy vita batisa dia efa nohosorana ny fanahy masina.—Asa. 10:44-48.

5. Araka ny 2 Korintianina 1:21, 22, inona no mitranga rehefa mifidy ny olona iray ho voahosotra i Jehovah?

5 Andao indray hojerentsika hoe inona no mitranga rehefa mifidy ny olona iray ho voahosotra i Jehovah. Mety ho sarotra amin’ny voahosotra sasany ny hanaiky hoe nofidin’i Jehovah izy. Mety hieritreritra izy hoe: ‘Fa maninona àry Andriamanitra no nifidy an’ahy?’ Ny hafa indray mety tsy hieritreritra hoatr’izany. Na ahoana na ahoana anefa, dia nohazavain’ny apostoly Paoly izay mitranga amin’izy rehetra rehefa mifidy azy i Jehovah. Hoy izy: “Tamin’ny alalany koa no nanisiana tombo-kase * anareo rehefa nino ianareo, dia ny tombo-kasen’ny fanahy masina nampanantenaina, izay antoka mialoha ny amin’ny lovantsika.” (Efes. 1:13, 14) Hita amin’izany hoe mampiasa ny fanahy masina i Jehovah mba hampahafantarana mazava tsara amin’ireo Kristianina ireo hoe nifidy azy izy. Ny fanahy masina àry no “antoka” mahatonga azy ireo ho resy lahatra hoe hiaina mandrakizay any an-danitra izy ireo fa tsy eto an-tany.—Vakio ny 2 Korintianina 1:21, 22.

6. Inona no tsy maintsy ataon’ny voahosotra raha te hahazo ny valisoany izy?

6 Tonga dia azo antoka ve fa ho any an-danitra ny Kristianina iray satria izy voahosotra? Tsia. Ny azony antoka dia hoe voafidy ho any an-danitra izy. Tsy maintsy mitadidy an’ireto teny ao amin’ny 2 Petera 1:10 ireto anefa izy: “Vao mainka tokony hanao izay rehetra azonareo atao ianareo mba ho azo antoka ny fiantsoana sy ny fifidianana anareo. Tsy ho lavo mihitsy ianareo, raha manao ireo zavatra ireo foana.” Hitantsika avy amin’izany fa na dia voafidy, na voantso, ho any an-danitra aza ny Kristianina iray, dia rehefa tsy mivadika hatramin’ny farany ihany izy vao hahazo ny valisoany.—Fil. 3:12-14; Heb. 3:1; Apok. 2:10.

AHOANA NO AHALALAN’NY OLONA IRAY HOE VOAHOSOTRA IZY?

7. Ahoana no ahalalan’ny voahosotra hoe voantso izy?

7 Ahoana no ahalalan’ny olona iray hoe voantso ho any an-danitra izy? Mamaly an’izany i Paoly ao amin’ilay taratasy nosoratany ho an’ireo “voantso ho olona masina” tany Roma. Izao no nolazainy ao: “Tsy mitondra anareo ho amin’ny fanandevozana ny fanahin’Andriamanitra, sady tsy mampisy tahotra, fa mahatonga anareo hatsangana ho zanaka kosa. Ary io fanahy io no mahatonga antsika hiantso mafy hoe: “Aba, Ray ô!” Ny fanahin’Andriamanitra sy ny saintsika dia miara-manaporofo fa zanak’Andriamanitra isika.” (Rom. 1:7; 8:15, 16) Mampiasa ny fanahiny àry Andriamanitra mba hampahafantarana mazava tsara amin’ireo voahosotra hoe voantso ho any an-danitra izy ireo.—1 Tes. 2:12.

8. Nahoana ny 1 Jaona 2:20, 27 no manaporofo fa tsy mila olon-kafa hanome toky azy ny voahosotra hoe tena voahosotra izy?

8 Ataon’i Jehovah tsy misalasala mihitsy ireo voahosotra, na dia kely aza, hoe nantsoiny ho any an-danitra. (Vakio ny 1 Jaona 2:20, 27.) Marina fa mila ampianarin’i Jehovah amin’ny alalan’ny fiangonana ny voahosotra, hoatran’ny olon-drehetra ihany. Tsy mila olon-kafa hanome toky azy anefa ry zareo hoe tena voahosotra izy. Efa ilay hery matanjaka indrindra eo amin’izao rehetra izao no nampiasain’i Jehovah, mba hampahafantarana mazava tsara amin’izy ireo hoe voahosotra izy ireo!

“ATERAKA INDRAY” IZY IREO

9. Araka ny Efesianina 1:18, inona no miova rehefa lasa voahosotra ny olona iray?

9 Inona no mitranga amin’ny olona iray rehefa hosoran’Andriamanitra ny fanahiny izy? Mety ho sarotra amin’ny ankamaroan’ny mpanompon’i Jehovah ny hahazo an’izany, ary ara-dalàna izany satria tsy voahosotra izy ireo. Noforonin’Andriamanitra hiaina eto an-tany mantsy ny olombelona fa tsy any an-danitra. (Gen. 1:28; Sal. 37:29) Nifidy olona sasany mba hiaina any an-danitra anefa izy. Rehefa hosoran’i Jehovah fanahy masina àry izy ireo, dia ataony miova tanteraka ny fanantenan’izy ireo sy ny fomba fisainany, ka lasa tsy andrin’izy ireo ny hiaina any an-danitra. Manamarina an’izany ny Efesianina 1:18 hoe: “Efa nampahiratina ny mason’ny fonareo ... mba hahalalanareo ilay fanantenana niantsoany anareo, sy ilay harena be voninahitra tehiriziny ho lovan’ny olona masina.”

10. Inona no dikan’ny hoe “ateraka indray”? (Jereo koa ny fanamarihana ambany pejy.)

10 “Ateraka indray” ny Kristianina iray rehefa voahosotry ny fanahy masina. * Nasehon’i Jesosy fa raha tsy voahosotra ny olona iray, dia sarotra be ny hanazava aminy hoe ahoana marina izany hoe “ateraka indray”, na “ateraky ny fanahy” izany.—Jaona 3:3-8.

11. Inona no miova eo amin’ny fomba fisainan’ny olona iray rehefa lasa voahosotra izy?

11 Inona no miova eo amin’ny fomba fisainan’ny olona iray rehefa lasa voahosotra izy? Tena tiany ny fanantenany hoe hiaina mandrakizay eto an-tany, talohan’izay. Tsy andriny ny hanesoran’i Jehovah ny faharatsiana rehetra sy hanovany ny tany ho paradisa. Efa azony sary an-tsaina angamba hoe mitsangana amin’ny maty ny havany na ny namany, dia iny izy fa mitsena azy. Niova anefa ny fomba fisainany rehefa lasa voahosotra izy. Fa maninona? Lasa tsy nahafa-po azy intsony ve ilay fanantenany hiaina eto an-tany? Niova hevitra ve izy satria niady saina be na nijaly be? Sa izy nieritreritra tampoka hoe hankaleo izany hiaina mandrakizay eto an-tany izany? Tsy izany mihitsy! Nampiasa ny fanahiny kosa i Jehovah mba hanovana ny fomba fisainany sy ilay fanantenana efa nandrandrainy.

12. Araka ny 1 Petera 1:3, 4, inona no tsapan’ny voahosotra rehefa mieritreritra ny fanantenany izy?

12 Tombontsoa be ny hoe voantso ho any an-danitra, ka mety hahatsiaro ho tsy mendrika an’izany ny voahosotra sasany. Na izany aza, dia tsy misalasala mihitsy izy hoe nifidy azy i Jehovah. Tena faly tsy misy hoatr’izany izy rehefa mieritreritra ny hoaviny, ary mankasitraka an’i Jehovah amin’ny fo manontolo.—Vakio ny 1 Petera 1:3, 4.

13. Ahoana no fahitan’ny voahosotra ny fiainany eto an-tany?

13 Midika ve izany hoe te ho faty ny voahosotra? Tsia. Nampitahain’ny apostoly Paoly tamin’ny tranolay ny vatan’izy ireo. Hoy izy: “Eny, mitoloko tokoa isika ato amin’ity tranolay ity sady mitondra ny mavesatra. Tsy ny hanala azy ity mantsy no tiantsika hatao fa ny hitafy ilay iray. Amin’izay dia ny fiainana no hisolo an’ilay mety maty.” (2 Kor. 5:4) Hitantsika avy amin’izany fa tsy hoe leo miaina ny voahosotra, ka te ho faty haingana. Mankafy fiainana kosa izy ireo, ary te hanararaotra ny andro tsirairay mba hanompoana an’i Jehovah miaraka amin’ny fianakaviany sy ny namany. Na inona na inona anefa ataony, dia ao an-tsainy foana ilay fanantenana miavaka ananany.—1 Kor. 15:53; 2 Pet. 1:4; 1 Jaona 3:2, 3; Apok. 20:6.

NANTSOIN’I JEHOVAH VE IANAO?

14. Inona no mety hitranga amin’ny Kristianina iray nefa tsy manaporofo hoe voahosotra izy?

14 Mieritreritra angamba ianao hoe: ‘Sao dia mba voahosotry ny fanahy masina àry aho?’ Raha izany, dia misy fanontaniana lehibe tokony hoeritreretinao ireto: Ianao ve tena tia manao ny sitrapon’i Jehovah? Mafana fo be amin’ny fitoriana ve ianao? Tena mazoto mianatra Baiboly ve ianao, dia mahafinaritra be anao ny mandinika “ny zava-dalin’Andriamanitra”? (1 Kor. 2:10) Tsapanao ve hoe ampian’i Jehovah ianao ka mahita vokatra miavaka eo amin’ny fanompoana? Ianao ve tena mahatsapa hoe manana andraikitra hanampy ny olona hahalala an’i Jehovah? Mahita porofo be dia be ve ianao hoe tena manampy anao i Jehovah? Raha eny daholo no hamalianao an’ireo, dia manaporofo ve izany hoe voantso ho any an-danitra ianao? Tsia, satria afaka mahatsapa an’ireo ny mpanompon’i Jehovah rehetra, na voahosotra izy na tsia. Mampiasa ny fanahy masina i Jehovah mba hanampiana ny mpanompony hahavita an’ireo, na inona na inona fanantenany. Matoa ianao misalasala hoe voahosotry ny fanahy sa tsia, dia efa midika izany hoe tsy voahosotra ianao. Tsy misalasala mihitsy mantsy ny olona antsoin’i Jehovah ho any an-danitra! Azony antoka izany!

Nampiasa ny fanahy masina i Jehovah mba hanomezana hery an’i Abrahama, Saraha, Davida, ary Jaona Mpanao Batisa, ka nahavita zavatra niavaka izy ireo. Tsy nampiasa an’io fanahy io anefa izy mba hahatonga azy ireo hanantena hiaina any an-danitra (Fehintsoratra 15-16) *

15. Inona no porofo fa tsy izay rehetra mahazo fanahy masina dia voafidy ho any an-danitra daholo?

15 Be dia be ny mpanompon’i Jehovah tsy nivadika resahin’ny Baiboly hoe nahazo fanahy masina. Tsy nanantena ho any an-danitra anefa izy ireo. Niasa tamin’i Davida, ohatra, ny fanahy masina. (1 Sam. 16:13) Lasa azony tsara àry ny zava-dalina momba an’i Jehovah, ary nanoratra ampahany amin’ny Baiboly izy. (Mar. 12:36) Na izany aza, dia nilaza ny apostoly Petera hoe “tsy niakatra tany an-danitra” i Davida. (Asa. 2:34) “Feno fanahy masina” koa i Jaona Mpanao Batisa. (Lioka 1:13-16) Nilaza mihitsy i Jesosy hoe tsy nisy lehibe noho i Jaona. Nolazainy koa anefa fa tsy anisan’ireo hanjaka any an-danitra izy. (Mat. 11:10, 11) Marina fa nomen’i Jehovah fanahy masina ireo olona ireo, dia nahazo hery hanaovana zavatra niavaka. Tsy nampiasa an’io fanahy io anefa izy mba hifidianana azy ireo ho any an-danitra. Midika ve izany hoe kely finoana kokoa ry zareo raha oharina amin’ireo voafidy ho any an-danitra? Tsia. Midika fotsiny izany hoe hiaina ao amin’ny Paradisa eto an-tany izy ireo rehefa hatsangan’i Jehovah amin’ny maty.—Jaona 5:28, 29; Asa. 24:15.

16. Inona no valisoa andrandrain’ny ankamaroan’ny mpanompon’i Jehovah miaina amin’izao andro izao?

16 Tsy manantena ho any an-danitra ny ankamaroan’ny mpanompon’i Jehovah miaina amin’izao andro izao. Miandrandra ny hiaina eto an-tany izy ireo rehefa hitondra ny Fanjakan’Andriamanitra, tsy misy hafa amin’i Abrahama, Saraha, Davida, Jaona Mpanao Batisa, ary ny mpanompon’i Jehovah hafa taloha.—Heb. 11:10.

17. Inona no hovaliantsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

17 Mbola eto an-tany ny voahosotra sasany amin’izao. (Apok. 12:17) Ahoana àry no tokony hiheveran’ny voahosotra ny tenany? Ary raha misy olona manomboka mihinana ny mofo sy misotro ny divain’ny Fahatsiarovana ao amin’ny fiangonanareo, dia ahoana no tokony hiheveranao azy? Ahoana raha mitombo ny isan’ny olona milaza ho voahosotra? Tokony hampanahy anao ve izany? Hamaly an’ireo isika ao amin’ny lahatsoratra manaraka.

^ feh. 5 Nomen’i Jehovah fanantenana miavaka ny Kristianina sasany, nanomboka tamin’ny Pentekosta taona 33. Lasa manantena ny hiara-manjaka amin’ny Zanany any an-danitra izy ireo. Ahoana anefa no ahalalan’izy ireo hoe nahazo an’izany tombontsoa izany izy ireo? Inona no mitranga rehefa voahosotra ny olona iray? Hamaly an’ireo isika ato. Nalaina avy amin’ny lahatsoratra iray tao amin’ny Tilikambo Fiambenana Janoary 2016 ny hevitra ato.

^ feh. 2 FANAZAVANA: Voahosotry ny fanahy masina: Mampiasa ny fanahy masina i Jehovah mba hifidianana an’izay olona hiara-manjaka amin’i Jesosy any an-danitra. Amin’ny alalan’ny fanahy masina no anomezany “antoka mialoha” an’ilay olona hoe izany tokoa no hitranga. (Efes. 1:13, 14) Afaka milaza àry ilay olona hoe ny fanahy masina no ‘manaporofo’, na mampahafantatra mazava tsara, aminy fa ho any an-danitra izy.—Rom. 8:16.

^ feh. 5 FANAZAVANA: Tombo-kase. Aloha kelin’ny fahoriana lehibe vao tsy hesorina amin’ny voahosotra intsony ilay tombo-kase. Raha maty alohan’izay izy, dia aloha kelin’ny hahafatesany izany vao tsy hesorina intsony raha tsy nivadika mihitsy izy.—Efes. 4:30; Apok. 7:2-4; jereo ny “Fanontanian’ny Mpamaky” ao amin’ny Tilikambo Fiambenana Aprily 2016.

^ feh. 10 Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 1 Aprily 2009, pejy 3-12, raha te hahazo fanazavana fanampiny momba ny dikan’ny hoe “ateraka indray” ianao.

HIRA 27 Haseho Miharihary Ireo Zanak’Andriamanitra

^ feh. 57 SARY: Migadra noho ny finoanao ve ianao? Sa ianao afaka manao fanompoana tsara satria tsy voarara izany any aminareo? Na ahoana na ahoana, dia afaka miandrandra ny hiaina eto an-tany ianao rehefa hitondra ny Fanjakan’Andriamanitra.