Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 5

Handeha Hiaraka Aminareo Izahay

Handeha Hiaraka Aminareo Izahay

“Mba handeha hiaraka aminareo izahay, fa efa renay fa momba anareo Andriamanitra.”—ZAK. 8:23.

HIRA 26 Izay Natao Azy Ireo dia Natao Ahy

HO HITANAO ATO *

Tombontsoa be ho an’ny ondry hafa (“olona folo”) ny manompo an’i Jehovah miaraka amin’ny voahosotra (“Jiosy iray”) (Fehintsoratra 1-2)

1. Inona no nolazain’i Jehovah fa hitranga amin’ny androntsika?

IZAO no nolazain’i Jehovah fa hitranga amin’ny androntsika: “Hisy olona folo avy amin’ny fiteny rehetran’ireo firenena hihazona ny akanjon’ny Jiosy iray, ka hanao hoe: ‘Mba handeha hiaraka aminareo izahay, fa efa renay fa momba anareo Andriamanitra.’” (Zak. 8:23) Ny Kristianina voahosotry ny fanahy masina no tiana horesahina amin’ilay hoe “Jiosy.” Antsoina hoe “Israelin’Andriamanitra” koa izy ireo. (Gal. 6:16) Ireo “olona folo” indray dia ireo manantena hiaina mandrakizay eto an-tany. Fantatr’izy ireo hoe tahin’i Jehovah ny voahosotra, ary tombontsoa be ny manompo an’i Jehovah miaraka amin’izy ireo.

2. Hazavao ilay hoe ‘mandeha miaraka’ amin’ny voahosotra ireo “olona folo.”

2 Afaka ‘mandeha miaraka’ amin’ny voahosotra ireo manantena hiaina eto an-tany, na dia tsy fantatr’izy ireo aza ny anaran’ireo voahosotra tsirairay mbola tsy lasa any an-danitra. * Nahoana? Milaza ny Baiboly hoe hisy ‘olona folo hihazona ny akanjon’ny Jiosy iray, ka hanao hoe: “Mba handeha hiaraka aminareo izahay, fa efa renay fa momba anareo Andriamanitra.”’ Miresaka “Jiosy iray” ilay andininy. Mariho anefa ilay hoe “aminareo” sy hoe “anareo.” Midika izany fa tsy voahosotra iray fotsiny ilay Jiosy resahina eo, fa ny fitambaran’ny voahosotra. Manompo an’i Jehovah miaraka amin’ny voahosotra àry ny mpanompon’i Jehovah hafa. Tsy mihevitra an’ireo voahosotra ho mpitarika anefa izy ireo, satria fantany hoe i Jesosy no Mpitarika.—Mat. 23:10.

3. Inona no hovaliana ato?

3 Mbola eto an-tany ny voahosotra sasany amin’izao. Mety hisy hieritreritra àry hoe: 1) Raha voahosotra ny olona iray, dia ahoana no tokony hiheverany ny tenany? 2) Ahoana no tokony hiheverantsika an’ireo mihinana ny mofo sy misotro ny divain’ny Fahatsiarovana? 3) Tokony hanahy ve isika raha mitombo ny isan’izy ireo? Hamaly an’ireo ity lahatsoratra ity.

AHOANA NO TOKONY HIHEVERAN’NY VOAHOSOTRA NY TENANY?

4. Inona no fampitandremana ao amin’ny 1 Korintianina 11:27-29? Nahoana ny voahosotra no tokony handinika tsara an’izany?

4 Tokony handinika tsara ny fampitandremana ao amin’ny 1 Korintianina 11:27-29 ny voahosotra. (Vakio.) Ahoana no mety hahatonga ny voahosotra iray hihinana ny mofo sy hisotro ny divay “amin’ny fomba tsy mendrika”? Hanao an’izany izy raha tsy mankatò ny lalàn’i Jehovah, nefa mihinana ny mofo sy misotro ny divain’ny Fahatsiarovana. (Heb. 6:4-6; 10:26-29) Fantatry ny voahosotra fa rehefa tsy mivadika ihany izy vao hahazo “ny lokan’ny fiantsoana avy any ambony, izany hoe ny fiantsoan’Andriamanitra amin’ny alalan’i Kristy Jesosy.”—Fil. 3:13-16.

5. Ahoana no tokony hiheveran’ny voahosotra ny tenany?

5 Manampy ny mpanompon’i Jehovah mba hanetry tena fa tsy hirehareha ny fanahy masina. (Efes. 4:1-3; Kol. 3:10, 12) Tsy mieritreritra àry ny voahosotra hoe tsara kokoa noho ny olon-kafa ry zareo. Fantatr’izy ireo fa tsy voatery hanome fanahy masina betsaka kokoa ho azy ireo i Jehovah. Tsy mieritreritra ry zareo hoe mahay Baiboly kokoa raha oharina amin’ny olon-kafa. Tsy hiteny amin’ny olon-kafa izy ireo hoe: “Ianao koa ange voahosotra e! Tokony hihinana ny mofo sy hisotro ny divay ianao.” Manetry tena kosa izy ireo ka manaiky fa i Jehovah ihany no manasa ny olona ho any an-danitra.

6. Araka ny 1 Korintianina 4:7, 8, inona no tokony hotandreman’ny voahosotra?

6 Tombontsoa be ho an’ny Kristianina voahosotra ny hoe voantso ho any an-danitra. Tsy manantena anefa izy hoe tokony ho hafa mihitsy ny fomba hitondran’ny olona azy. (Fil. 2:2, 3) Fantany koa fa tsy niteniteny tamin’ny olona i Jehovah rehefa nanosotra fanahy masina azy. Tsy gaga àry izy raha tsy tonga dia mino ny olona sasany hoe voahosotra izy. Fantany ilay fampitandreman’ny Baiboly hoe tsy mety ny mino avy hatrany an’izay milaza fa nahazo andraikitra manokana avy amin’Andriamanitra. (Apok. 2:2) Tsy te hisarika ny sain’ny olona koa izy, ka tsy hilaza amin’izay sambany vao mihaona aminy hoe voahosotra. Tsy hirehareha momba an’izany mihitsy izy.—Vakio ny 1 Korintianina 4:7, 8.

7. Inona no tsy hataon’ny voahosotra, ary nahoana?

7 Tsy tokony hieritreritra ny Kristianina voahosotra hoe ry zareo samy zareo ihany no tokony hiaraka. Tsy mandeha mitady voahosotra hafa izy mba hiresaka momba an’ilay fiantsoana azy ireo ho any an-danitra na mba hiara-mianatra mitokana ny Baiboly. (Gal. 1:15-17) Tsy hiray saina ny fiangonana raha manao an’ireo ny voahosotra. Lasa manohitra ny fiasan’ny fanahy masina mantsy izy ireo, satria ny fanahy masina manampy ny vahoakan’Andriamanitra hiray saina sy hihavana.—Rom. 16:17, 18.

AHOANA NO TOKONY HIHEVERANTSIKA NY VOAHOSOTRA?

Tsy tokony hataontsika hoatran’ny olo-malaza ny voahosotra na ny rahalahy hafa manana andraikitra (Fehintsoratra 8) *

8. Nahoana ianao no tokony hitandrina amin’ny fomba itondranao ny voahosotra? (Jereo koa ny fanamarihana ambany pejy.)

8 Ahoana no tokony hiheverantsika ny voahosotra? Tsy mety ny manindrahindra olona, na dia voahosotra rahalahin’i Kristy aza izy. (Mat. 23:8-12) Marina fa mampirisika antsika ‘hanahaka ny finoan’ny’ anti-panahy ny Baiboly. Tsy mampirisika antsika mihitsy anefa izy io hoe olombelona no hatao mpitarika. (Heb. 13:7) Milaza koa ny Baiboly hoe misy olona “mendrika hahazo fanajana roa heny.” Nahoana? Tsy hoe noho ry zareo voahosotra, fa noho ry zareo “mahay mitondra” sy “mikely aina amin’ny fitenenana sy ny fampianarana.” (1 Tim. 5:17) Mety tsy hahazo aina ny voahosotra raha manindrahindra an-dry zareo isika na mifantoka be loatra aminy. * Mety ho ratsy noho izany aza, satria mety hahatonga an-dry zareo hirehareha isika. (Rom. 12:3) Tsy tiantsika ny hanao zavatra hahatonga an’ireo rahalahin’i Kristy hanao fahadisoana lehibe hoatr’izany.—Lioka 17:2.

9. Ahoana no ampisehoantsika hoe manaja ny voahosotra isika?

9 Ahoana no ampisehoantsika hoe manaja ny voahosotr’i Jehovah isika? Tsy hanontany an-dry zareo, ohatra, isika hoe ahoana no nahafantarany fa voahosotra izy. Fiainan-dry zareo izany, ary tsy manan-jo hahalala an’izany isika. (1 Tes. 4:11; 2 Tes. 3:11) Tsy tokony hieritreritra isika hoe satria izy voahosotra dia voahosotra koa ny vadiny, na ny ray aman-dreniny, na ny havany. Avy amin’Andriamanitra mantsy ny fanantenana hiaina any an-danitra, fa tsy lovana avy amin’ny fianakaviana akory. (1 Tes. 2:12) Tsy tokony hametraka fanontaniana mety hampalahelo ny hafa koa isika. Tsy mety, ohatra, ny manontany ny anabavy manambady voahosotra hoe ahoana no tsapany rehefa mieritreritra izy fa tsy hiaraka mandrakizay eto an-tany izy sy ny vadiny. Matoky tanteraka mantsy isika fa ‘hanome fahafaham-po ny fanirian’ny zavamananaina rehetra’ i Jehovah any amin’ny tontolo vaovao.—Sal. 145:16.

10. Nahoana isika no ho voaro raha tsy manindrahindra an’iza na iza?

10 Voaro koa isika rehefa tsy manindrahindra ny voahosotra. Nahoana? Milaza ny Baiboly hoe mety hivadika ny voahosotra sasany. (Mat. 25:10-12; 2 Pet. 2:20, 21) Raha tsy manindrahindra an’iza na iza àry isika dia tsy ho voatarika hanaraka olona, na dia voahosotra aza izy na Kristianina be mpahalala na efa ela nanompoana an’i Jehovah. (Joda 16) Raha mivadika ireny olona ireny na miala amin’ny fiangonana, dia tsy hihena ny finoantsika an’i Jehovah ary mbola hanompo azy foana isika.

TOKONY HANAHY VE ISIKA RAHA MIHABETSAKA FOANA NY ISAN’IZY IREO?

11. Nanao ahoana ny isan’ireo mihinana ny mofo sy misotro ny divain’ny Fahatsiarovana?

11 Nihena foana ny isan’ireo mihinana ny mofo sy misotro ny divain’ny Fahatsiarovana, nandritra ny taona maro. Nitombo anefa izany nandritra an’ireo taona vitsivitsy lasa. Tokony hanahy momba an’izany ve isika? Tsia. Andao hojerentsika ny antony.

12. Nahoana no tsy tokony hampanahy antsika ny isan’ireo mihinana ny mofo sy misotro ny divain’ny Fahatsiarovana?

12 “Fantatr’i Jehovah ny azy.” (2 Tim. 2:19) Fantatr’i Jehovah hoe iza no tena voahosotra. Ny rahalahy manisa an’ireo mihinana ny mofo sy misotro ny divay anefa tsy mahafantatra an’izany. Tafiditra amin’ilay isa àry ireo olona mieritreritra hoe voahosotra nefa tsy tena izy akory. Misy olona sasany, ohatra, lasa tsy nihinana ny mofo sy nisotro ny divay intsony. Misy indray voan’ny aretin-tsaina na mikorontana ny fihetseham-pony, dia lasa mieritreritra izy hoe hiara-manjaka amin’i Kristy any an-danitra. Noho izany, dia tsy fantatsika hoe firy marina ny voahosotra mbola eto an-tany.

13. Milaza ve ny Baiboly hoe firy ny voahosotra ho eto an-tany rehefa hanomboka ny fahoriana lehibe?

13 Hisy voahosotra any amin’ny firenena maro, rehefa ho avy haka azy ireo ho any an-danitra i Jesosy. (Mat. 24:31) Marina fa milaza ny Baiboly hoe kely sisa ny voahosotra ho tavela eto an-tany mandritra ny andro farany. (Apok. 12:17) Tsy voalaza ao anefa hoe firy amin-dry zareo no mbola ho eto an-tany rehefa hanomboka ny fahoriana lehibe.

Ahoana no tokony hataontsika rehefa misy olona mihinana ny mofo sy misotro ny divain’ny Fahatsiarovana? (Fehintsoratra 14)

14. Inona no ianarantsika avy amin’ny Romanina 9:11, 16 momba ny fotoana ifidianan’i Jehovah ny voahosotra?

14 I Jehovah no manapa-kevitra hoe rahoviana izy no hanosotra fanahy masina ny olona iray. (Rom. 8:28-30) Taorian’ny nananganana an’i Jesosy tamin’ny maty i Jehovah no nanomboka nanao an’izany. Toa voahosotra daholo ny tena Kristianina tamin’ny taonjato voalohany. Tsy tena nanara-dia an’i Kristy anefa ny ankamaroan’ny olona nilaza ho Kristianina, nandritra an’ireo taonjato taorian’izay. Na izany aza, dia nohosoran’i Jehovah fanahy masina ireo olona vitsivitsy hitany hoe tena Kristianina, nandritra an’izany fotoana izany. Azo oharina amin’ny vary nolazain’i Jesosy hoe niara-naniry tamin’ny tsimparifary izy ireo. (Mat. 13:24-30) Mbola nanohy nifidy olona ho anisan’ny 144 000 i Jehovah, nandritra ny andro farany. * Raha aloha kelin’ny farany àry i Jehovah no manapa-kevitra hifidy olona sasany ho any an-danitra, dia tsy isika mihitsy no hisalasala raha mety ny ataony! (Vakio ny Romanina 9:11, 16.) * Mila mitandrina isika mba tsy hanao hoatran’ireo mpiasa ao amin’ny fanoharan’i Jesosy. Nimenomenona ry zareo satria tsy tiany ny nataon’ilay mpampiasa tamin’ireo mpiasa tonga farany.—Mat. 20:8-15.

15. Anisan’ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina” ve ny voahosotra rehetra? Hazavao.

15 Tsy izay rehetra manantena hiaina any an-danitra no anisan’ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina.” (Vakio ny Matio 24:45-47.) Hoatran’ny tamin’ny taonjato voalohany ihany, dia mampiasa rahalahy vitsivitsy i Jehovah sy Jesosy mba hanomezana sakafo ara-panahy ho an’ny olona maro. Voahosotra vitsivitsy ihany no nanoratra ny Soratra Grika Kristianina, tamin’ny taonjato voalohany. Hoatr’izany koa amin’izao. Voahosotra vitsivitsy ihany no manome “sakafo” ara-panahy “amin’ny fotoana mety” ho an’ny vahoakan’i Jehovah.

16. Inona no nianaranao tato amin’ity lahatsoratra ity

16 Inona no nianarantsika tato? Nanapa-kevitra i Jehovah hoe hiaina mandrakizay eto an-tany ny ankamaroan’ny mpanompony, fa vitsivitsy ihany no hiara-manjaka amin’i Jesosy any an-danitra. Omen’i Jehovah valisoa daholo ny mpanompony, na ilay “Jiosy” na ireo “olona folo.” Mitovy koa ny lalàna asainy ankatoavin’izy ireo, ary samy tsy tiany hivadika izy rehetra. Tsy maintsy manetry tena daholo izy ireo, ary tokony hiara-manompo azy sy hiray saina. Tsy maintsy miezaka daholo koa izy ireo mba hampisy fihavanana ao amin’ny fiangonana. Mihamanakaiky ny farany, ka andao isika hiezaka hanompo an’i Jehovah sy hanara-dia an’i Kristy foana. “Andiany iray” ihany mantsy isika rehetra.—Jaona 10:16.

^ feh. 5 Hatao amin’ny talata 7 Aprily ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy amin’ity taona ity. Ahoana no tokony hiheverantsika an’ireo mihinana ny mofo sy misotro ny divain’ny Fahatsiarovana? Tokony hanahy ve isika raha mihabetsaka foana ny isan’izy ireo? Hamaly an’ireo fanontaniana ireo isika ato. Nalaina avy amin’ny lahatsoratra iray tao amin’ny Tilikambo Fiambenana Janoary 2016 ny hevitra ato amin’ity lahatsoratra ity.

^ feh. 2 Asehon’ny Salamo 87:5, 6 fa mety hampahafantarin’i Jehovah ny anaran’ireo rehetra miara-manjaka amin’i Jesosy any an-danitra, amin’ny hoavy.—Rom. 8:19.

^ feh. 8 Jereo ilay efajoro hoe “Ny Fitiavana ‘Tsy Manao Izay Tsy Mahamendrika’” ao amin’ny Tilikambo Fiambenana Janoary 2016.

^ feh. 14 I Jehovah no mifidy ny voahosotra tsirairay, na dia milaza aza ny Asan’ny Apostoly 2:33 fa i Jesosy no ampiasainy mba handrotsaka ny fanahy masina amin’izy ireo.

^ feh. 14 Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ny “Fanontanian’ny Mpamaky” ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Mey 2007.

HIRA 34 Tsy Hivadika Mandrakizay Aho

^ feh. 56 SARY: Eritrereto hoe tonga any amin’ny fivoriambe ny solontenan’ny foibe sy ny vadiny, dia mifanosika mankeo aminy daholo ny olona mba haka sary. Tena tsy manaja azy ireo mihitsy izany!