Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 6

Tena Tia Anao i Jehovah Rainao

Tena Tia Anao i Jehovah Rainao

“Koa mivavaha toy izao ianareo: ‘Rainay izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao!’”—MAT. 6:9.

HIRA 135 Miangavy Anao i Jehovah hoe: “Hendre, Anaka”

HO HITANAO ATO *

1. Inona no tsy maintsy nataon’ny olona iray raha te hiresaka tamin’ny mpanjakan’i Persa izy?

ERITRERETO hoe nipetraka tany Persa ianao, 2 500 taona lasa teo ho eo izay. Te hiresaka amin’ny mpanjaka ianao dia nankany Sosana. Tany mantsy izy no nipetraka. Tsy ho sahy hanatona azy anefa ianao raha tsy nahazo alalana avy aminy. Mety hovonoina ho faty ianao raha tsy izany.—Est. 4:11.

2. Ahoana no tian’i Jehovah hanatonantsika azy?

2 Tena faly isika fa tsy hoatran’ny mpanjakan’i Persa i Jehovah! Ambony lavitra noho ny mpitondra olombelona izy, nefa vonona hihaino antsika foana na rahoviana na rahoviana. Tsy tiany hihafahafa hiresaka aminy isika. Tiany hiantso azy hoe ‘Ray’, ohatra, isika. (Mat. 6:9) Teny mampiseho fitiavana mantsy izy io, ary izany no tiany hiantsoantsika azy na dia mitondra anaram-boninahitra miavaka aza izy, anisan’izany ny hoe Mahery Indrindra sy Mpamorona Be Voninahitra ary Tompo Fara Tampony. Tsy manohina ny fonao ve ny mieritreritra hoe tian’i Jehovah ho akaiky azy hoatr’izany ianao?

3. Nahoana isika no afaka miantso an’i Jehovah hoe ‘Ray’? Inona no horesahina ato?

3 I Jehovah no nanome aina antsika. (Sal. 36:9) Tena afaka miantso azy hoe ‘Ray’ àry isika. Tokony hankatò azy isika noho izany. Hahazo fitahiana be dia be isika rehefa mankatò. (Heb. 12:9) Ho afaka hiaina mandrakizay, ohatra, isika, na any an-danitra izany na eto an-tany. Dieny izao anefa isika dia efa mandray soa. Ho hitantsika ato hoe ahoana no ampisehoan’i Jehovah fa Ray be fitiavana izy. Ho hitantsika koa hoe nahoana no azo antoka fa tsy handao antsika mihitsy izy amin’ny hoavy. Andao anefa aloha hijery porofo hoe tena tia antsika ilay Raintsika any an-danitra ary te hanampy antsika.

RAY BE FITIAVANA SY TSARA FANAHY I JEHOVAH

Te ho akaiky anao i Jehovah, hoatran’ny ray be fitiavana te ho akaiky ny zanany (Fehintsoratra 4)

4. Nahoana no sarotra amin’ny olona sasany ny mihevitra an’i Jehovah ho Rainy?

4 Sarotra aminao ve ny mieritreritra hoe Rainao Andriamanitra? Misy mihevitra hoe bitika sy tsinontsinona izy raha oharina amin’i Jehovah. Misalasala ry zareo hoe ilay Andriamanitra Mahery Indrindra ve dia hiraharaha azy. Tsy tian’ilay Raintsika be fitiavana hieritreritra hoatr’izany anefa isika. Nanome aina antsika izy, dia tiany hifandray aminy isika. Rehefa avy nanazava an’izany tamin’ireo olona nihaino azy tany Atena ny apostoly Paoly, dia nilaza fa “tsy lavitra antsika tsirairay” i Jehovah. (Asa. 17:24-29) Tian’i Jehovah tsy hisalasala hiresaka aminy isika, hoatran’ny ataon’ny ankizy amin’ny dadany tsara fanahy sy be fitiavana.

5. Inona no hitantsika avy amin’izay nanjo ny anabavy iray?

5 Tsy mora amin’ny olona sasany ny mihevitra an’i Jehovah ho Rainy, satria tsy mba nahazo fitiavana sy tambitamby tamin’ny dadany izy na zara raha nahazo an’izany. Hoy ny anabavy iray: “Nasiaka be tamiko ny dadako. Sarotra tamiko àry ny nieritreritra hoe ho afaka hifandray akaiky amin’izany Ray any an-danitra izany aho, tamin’izaho nanomboka nianatra Baiboly. Niova anefa izany rehefa lasa fantatro i Jehovah.” Aza kivy raha izany koa no tsapanao. Rehefa mandeha ny fotoana, dia ho hitanao hoe i Jehovah no Ray tsara indrindra.

6. Araka ny Matio 11:27, ahoana no anampian’i Jehovah antsika mba ho resy lahatra fa Raintsika izy sady tia antsika?

6 Ampian’i Jehovah isika mba ho resy lahatra fa Raintsika izy sady tia antsika. Nasainy nosoratana ao amin’ny Baiboly, ohatra, ny teny nolazain’i Jesosy sy ny zavatra nataony. (Vakio ny Matio 11:27.) Nanahaka tanteraka ny Rainy i Jesosy ka afaka nilaza hoe: “Izay nahita ahy dia nahita ny Ray koa.” (Jaona 14:9) Matetika izy no nampiasa an’ilay teny hoe “Ray” rehefa niresaka momba an’i Jehovah. Imbetsaka izy no nanao an’izany ao amin’ireo Filazantsara efatra. Nahoana i Jesosy no namerimberina an’izany? Ny antony iray dia mba hanampiana ny olona hatoky hoe Ray be fitiavana i Jehovah.—Jaona 17:25, 26.

7. Inona no ianarantsika momba an’i Jehovah rehefa dinihina ny fomba nitondrany an’ilay Zanany?

7 Misy zavatra maromaro ianarantsika momba an’i Jehovah, rehefa jerena ny fomba nitondrany an’ilay Zanany. Hitantsika, ohatra, fa nihaino ny vavaka nataon’i Jesosy foana izy sady namaly azy ireny. (Jaona 11:41, 42) Tsapan’i Jesosy koa hoe tia azy sy nanampy azy foana ny Rainy, na inona na inona nanjo azy.—Lioka 22:42, 43.

8. Ahoana avy no nikarakaran’i Jehovah an’i Jesosy?

8 Hoy i Jesosy: “Velona aho noho ny Ray.” (Jaona 6:57) Niaiky izy hoe avy amin’i Jehovah ny ainy, ary izy no nahatonga azy ho velona foana. Natoky tanteraka ny Rainy i Jesosy, ka nampian’i Jehovah mba hahazo an’izay nilainy. Nampian’i Jehovah koa anefa izy mba tsy hivadika, ary izay no tena zava-dehibe.—Mat. 4:4.

9. Ahoana no ahitantsika fa tena tia an’i Jesosy ny Rainy?

9 Ray be fitiavana i Jehovah, ka nataony izay hatokisan’i Jesosy hoe nanohana azy izy. (Mat. 26:53; Jaona 8:16) Tsy narovan’i Jehovah tamin’izay rehetra nampijaly azy izy, fa nampiany hiaritra fitsapana. Natoky i Jesosy hoe tsy haharitra izay fijaliana mety hahazo azy. (Heb. 12:2) Hita hoe tia an’ilay Zanany i Jehovah satria nihaino azy, nanome izay nilainy, nampiofana azy, ary nanampy azy. (Jaona 5:20; 8:28) Hoatr’izany koa ny fomba ampisehoan’ilay Rainao any an-danitra hoe tia anao izy, ary izany indray izao no hodinihintsika.

AHOANA NO AMPISEHOAN’I JEHOVAH HOE TIANY IANAO?

1) Mihaino ny zanany ny ray be fitiavana, 2) manome izay ilainy, 3) mampiofana azy, ary 4) miaro azy. Manao an’ireo aminao koa ilay Rainao be fitiavana any an-danitra (Fehintsoratra 10-15) *

10. Araka ny Salamo 66:19, 20, ahoana no ampisehoan’i Jehovah fa tiany ianao?

10 Mihaino ny vavaka ataonao i Jehovah. (Vakio ny Salamo 66:19, 20.) Tsy feran’i Jehovah ny halavan’ny vavaka ataonao, na izay horesahinao aminy, na hoe impiry ianao no afaka mivavaka. Ampirisihiny kosa ianao mba hivavaka matetika. (1 Tes. 5:17) Afaka mivavaka amin’ilay Andriamanitrao foana ianao na rahoviana na rahoviana, ary na aiza na aiza. Tsy mba sahirana izy ka hoe tsy ho afaka hihaino anao. Vonona hihaino anao foana izy, ary mihaino tsara rehefa miresaka aminy ianao. Vao mainka ianao ho tia an’i Jehovah, rehefa hitanao hoe mihaino anao izy. Nilaza ny mpanao salamo hoe “feno fitiavana” an’i Jehovah izy satria ‘nohenoiny.’—Sal. 116:1.

11. Ahoana no amalian’i Jehovah ny vavaka ataontsika?

11 Tsy mihaino vavaka fotsiny ilay Raintsika, fa mamaly azy ireny koa. Manome toky antsika hoatr’izao ny apostoly Jaona: “Na inona na inona angatahintsika ka mifanaraka amin’ny sitrapony, dia mihaino antsika izy.” (1 Jaona 5:14, 15) Mety tsy ho araka ny antenainao no amalian’i Jehovah ny vavaka ataonao. Mahafantatra an’izay tsara indrindra ho anao anefa izy, dia indraindray tsia no valiny omeny. (2 Kor. 12:7-9) Mety hasainy hiandry koa ianao.

12-13. Ahoana no fomba ikarakaran’ilay Raintsika antsika?

12 Manome izay ilainao i Jehovah. Asain’i Jehovah manome izay ilain’ny ankohonany ny raim-pianakaviana. (1 Tim. 5:8) Tsy hoe mitaky an’izany fotsiny izy, fa manao an’izany koa. Manome izay ilain’ny zanany izy. Tsy tiany hitaintaina ianao hoe ahoana no hahitana sakafo sy akanjo ary trano hipetrahana. (Mat. 6:32, 33; 7:11) Tena Ray be fitiavana izy, ka nataony azo antoka koa hoe hahazo an’izay rehetra ilaina ianao amin’ny hoavy.

13 Manome izay ilainao i Jehovah mba hahatonga anao hifandray tsara aminy, ary izay no zava-dehibe indrindra. Ampahafantariny anao ao amin’ny Teniny, ohatra, hoe hoatran’ny ahoana izy, tiany hatao ahoana ny tany sy ny olombelona, nahoana izy no namorona antsika, ary hanao ahoana ny hoavy. Niahy anao koa izy ka nampiasa ny ray aman-dreninao na olon-kafa mba hampianatra anao momba azy. Mbola manampy anao i Jehovah hatramin’izao, amin’ny alalan’ny anti-panahy be fitiavana sy ny rahalahy sy anabavy matotra. Tsy vitan’izany fa ampianariny miaraka amin’ny fianakavianao ara-panahy koa ianao any am-pivoriana. Hita avy amin’ireo sy ny zavatra hafa ataon’i Jehovah hoe tena mikarakara antsika rehetra izy, hoatran’ny ataon’ny raim-pianakaviana.—Sal. 32:8.

14. Nahoana i Jehovah no mampiofana antsika, ary ahoana no anaovany an’izany?

14 Mampiofana anao i Jehovah. Lavorary i Jesosy fa isika kosa tsy hoatr’izany, dia manitsy antsika ilay Raintsika be fitiavana rehefa ilaina. Anisan’ny fampiofanany antsika izany. Mampahatsiahy antsika ny Teniny hoe: “Izay tian’i Jehovah no anariny.” (Ohab. 3:12) Betsaka ny fomba anaovany an’izany. Mety hahatonga saina anao, ohatra, ny zavatra vakinao ao amin’ny Baiboly na henonao any am-pivoriana, dia lasa te hiova ianao. Mety ho ny anti-panahy koa no hanampy anao hanitsy an’izay tsy mety. Na ahoana na ahoana fomba anitsian’i Jehovah anao, dia tia anao izy matoa manao an’izany.—Jer. 30:11.

15. Ahoana no iarovan’i Jehovah antsika?

15 Manampy anao hiaritra an’izay manjo anao i Jehovah. Manohana ny zanany ny dada iray be fitiavana rehefa miatrika zava-tsarotra ny zanany. Hoatr’izany koa no ataon’i Jehovah. Mampiasa ny fanahiny masina izy mba hiarovana anao amin’izay mety hanimba ny fifandraisanao aminy. (Lioka 11:13) Miaro ny fihetseham-ponao koa izy, izany hoe mampahery anao rehefa kivy ianao na mitebiteby. Mampanantena hoavy tena tsara, ohatra, izy ka lasa mahavita miaritra zava-tsarotra ianao. Na inona na inona mampijaly anao, dia hanafoana an’izany ilay Rainao be fitiavana amin’ny hoavy. Mandalo fotsiny izay olana mianjady aminao, fa ny fitahian’i Jehovah kosa haharitra mandrakizay.—2 Kor. 4:16-18.

TSY HANDAO ANAO MIHITSY ILAY RAINAO

16. Inona no vokany rehefa tsy nankatò an’ilay Rainy be fitiavana i Adama?

16 Lasa nisy olana ny fianakavian’i Jehovah teto an-tany. Tsy nankatò azy i Adama, dia nanjary tsy anisan’ny fianakaviany intsony izy sy ny taranany. (Rom. 5:12; 7:14) Hita hoe tia antsika anefa i Jehovah rehefa jerena ny fomba nandaminany an’ilay olana. Nanao zavatra mantsy izy mba hanampiana ny taranak’i Adama.

17. Inona no nataon’i Jehovah raha vao nikomy i Adama?

17 Nosazin’i Jehovah i Adama, fa ny taranany kosa nomeny fanantenana. Tonga dia nampanantena izy fa mbola ho lasa anisan’ny fianakaviany indray izay olombelona mankatò azy. (Gen. 3:15; Rom. 8:20, 21) Afaka manatanteraka an’izany izy noho ny soron’i Jesosy, ilay Zanany tena tiany. Noporofoin’i Jehovah hoe tena tia antsika izy rehefa nanome an’io Zanany io ho antsika.—Jaona 3:16.

Raha nihataka tamin’i Jehovah ianao nefa mibebaka, dia vonona handray anao indray ilay Rainao be fitiavana (Fehintsoratra 18)

18. Nahoana isika no afaka matoky hoe mbola tian’i Jehovah ho zanany foana, na dia nihataka taminy aza?

18 Na dia tsy lavorary aza isika, dia mbola tian’i Jehovah ho anisan’ny fianakaviany ihany. Tsy mba mihevitra antsika ho enta-mavesatra mihitsy izy. Mety handiso fanantenana azy isika indraindray na hihataka aminy. Manantena foana anefa izy hoe hiverina aminy isika. Nilaza an’ilay fanoharana momba an’ilay zanaka adala i Jesosy, mba hampisehoana hoe hoatran’ny ahoana ny halalin’ny fitiavan’i Jehovah ny zanany. (Lioka 15:11-32) Tsy nanary toky mihitsy ilay dada hoe hiverina ny zanany, ary faly tsy nisy hoatr’izany izy nandray azy rehefa tonga ny fotoana niverenany. Raha nihataka tamin’i Jehovah àry ianao nefa mibebaka, dia matokia fa vonona handray anao indray ilay Rainao be fitiavana.

19. Ahoana no hataon’i Jehovah mba hanafoanana ny zava-dratsy rehetra vokatry ny fahotan’i Adama?

19 Hofoanan’ilay Raintsika ny zava-dratsy rehetra vokatry ny fahotan’i Adama. Rehefa avy nikomy i Adama, dia nanapa-kevitra i Jehovah hoe hisy olona 144 000 hatsangany ho zanaka mba ho mpanjaka sy mpisorona any an-danitra miaraka amin’i Jesosy. Hanampy ny olombelona mankatò mba ho lasa lavorary i Jesosy sy ireo mpitondra ireo, rehefa any amin’ny tontolo vaovao. Hisy fitsapana farany aorian’izay, ka izay mankatò dia havelan’Andriamanitra hiaina mandrakizay. Ho afa-po ilay Raintsika amin’izay, satria ho lavorary ny zanany rehetra eto an-tany. Tena hahafinaritra be izany!

20. Ahoana no ampisehoan’i Jehovah hoe tena tia antsika izy? Inona no horesahina ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

20 Asehon’i Jehovah hoe tena tia antsika izy, ary izy no Ray tsara indrindra. Mihaino ny vavaka ataontsika, ohatra, izy. Tsy izay ilaintsika eo amin’ny fiainana fotsiny no omeny, fa izay ilaintsika mba hifandraisana tsara aminy koa. Mampiofana sy manampy antsika koa izy. Tsy lazaina intsony ny fitahiana be dia be omaniny ho antsika! Tsy manohina ny fonao ve ny mahafantatra hoe tena tia anao ilay Rainao? Afaka mamaly fitia an’i Jehovah koa anefa isika zanany. Horesahina ao amin’ny lahatsoratra manaraka hoe ahoana no hanaovana an’izany.

HIRA 108 Tsy Miovaova ny Fitiavan’Andriamanitra

^ feh. 5 Rehefa mieritreritra an’i Jehovah isika, dia matetika ilay Izy hoe Mpamorona sy Mpanjakan’izao rehetra izao no tonga ao an-tsaintsika. Ray tena tia antsika koa anefa izy, ary misy porofo marim-pototra manamarina an’izany. Handinika an’ireo porofo ireo isika ato. Horesahintsika koa hoe nahoana no azo antoka fa tsy handao antsika mihitsy i Jehovah.

^ feh. 59 SARY: Sary efatra mampiseho dada iray miaraka amin’ny zanany: 1) Dada mihaino tsara ny zanany lahy. 2) Dada manome izay ilain’ny zanany vavy. 3) Dada mampiofana ny zanany lahy. 4) Dada manambitamby ny zanany lahy. Sarin’ny tanan’i Jehovah no ao ambadik’ireo sary efatra. Mampahatsiahy antsika izy io hoe hoatran’ny ataon’ny dadan’ireo ankizy ireo no ataon’i Jehovah amintsika.