Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 8

Miezaha Tsy Hialona mba Hisian’ny Fihavanana

Miezaha Tsy Hialona mba Hisian’ny Fihavanana

“Aoka ... isika hiezaka hampisy fihavanana sy hifampahery.”—ROM. 14:19.

HIRA 113 Ny Fiadanantsika

HO HITANAO ATO *

1. Inona no vokany rehefa nialona an’i Josefa ny rahalahiny?

TIAN’I Jakoba ny zanany lahy rehetra. I Josefa, ilay zanany lahy 17 taona, anefa no tiany indrindra. Nialona an’i Josefa àry ny rahalahiny dia tsy tia maizina azy. Izy anefa tsy naninona an-dry zareo akory. Na izany aza, dia namidin’izy ireo ho andevo izy. Nandainga tamin’ny dadany izy ireo avy eo hoe lanin’ny bibidia ilay zanaka tena tiany. Nandratra ny fon’ny dadany izany. Lasa tsy nifandray tsara koa ny fianakavian’izy ireo. Fialonana daholo no nahatonga an’izany!—Gen. 37:3, 4, 27-34.

2. Araka ny Galatianina 5:19-21, nahoana no tena ratsy ny mialona?

2 Milaza ny Soratra Masina hoe anisan’ny “asan’ny nofo” ny fialonana * ary tena ratsy. Mety tsy handova ny Fanjakan’Andriamanitra izay mialona. (Vakio ny Galatianina 5:19-21.) Matetika io toetra io no mahatonga fifamaliana sy fipoahan’ny fahatezerana ary fifandrafiana, na fifankahalana.

3. Inona no hodinihintsika ato?

3 Hitantsika tamin’ny tantaran’ny rahalahin’i Josefa hoe mety handrava fihavanana sy hanakorontana fianakaviana ny fialonana. Marina fa tsy hanao hoatran’ny rahalahin’i Josefa mihitsy isika. Tsy lavorary sy mamitaka anefa ny fontsika rehetra. (Jer. 17:9) Tsy mahagaga àry raha mialona ihany isika indraindray. Inona anefa no mety hahatonga antsika hialona? Andao isika handinika ohatra ao amin’ny Baiboly mba hahitana an’izany. Hojerentsika avy eo hoe inona no hanampy antsika hampisy fihavanana foana fa tsy hialona.

INONA NO METY HAHATONGA ANTSIKA HIALONA?

4. Nahoana ny Filistinina no nialona an’i Isaka?

4 Rehefa manan-karena kokoa ny hafa. Nanan-karena i Isaka, dia lasa nialona azy ny Filistinina. (Gen. 26:12-14) Notampenan-dry zareo mihitsy aza ny lavadrano nampiasain’i Isaka, nefa ireo no mba nanomezany rano ny biby fiompiny. (Gen. 26:15, 16, 27) Misy hoatran’ireo Filistinina ireo koa amin’izao. Mialona an’izay manana kokoa noho izy ry zareo. Tsy hoe te hahazo an’izay ananan’ilay olona ialonany fotsiny izy ireo, fa tiany koa raha tsy manana an’izany intsony ilay olona.

5. Nahoana ny mpitondra fivavahana no nialona an’i Jesosy?

5 Rehefa tian’ny olona ny hafa. Nialona an’i Jesosy ny mpitondra fivavahana jiosy satria tena mamy hoditra izy. (Mat. 7:28, 29) Nirahin’Andriamanitra i Jesosy ary nampianatra ny marina izy. Nanaparitaka lainga momba azy anefa ny mpitondra fivavahana mba hanimbana ny lazany. (Mar. 15:10; Jaona 11:47, 48; 12:12, 13, 19) Inona no ianarantsika avy amin’izany? Raha misy rahalahy na anabavy tian’ny olona satria manana toetra tsara, dia tsy maintsy miezaka mafy isika mba tsy hialona azy. Tokony hiezaka hanahaka ny toetrany kosa isika.—1 Kor. 11:1; 3 Jaona 11.

6. Ahoana no ahitana hoe nialona i Diotrefa?

6 Rehefa manana tombontsoam-panompoana ny hafa. Nialona an’ireo mpiandraikitra teo anivon’ny fiangonana i Diotrefa, tamin’ny taonjato voalohany. Nanaratsy ny apostoly Jaona sy ny mpiandraikitra hafa izy satria “te ho voalohany”, na te hisongadina. (3 Jaona 9, 10) Marina fa mety tsy hanao zavatra ratsy be hoatran’i Diotrefa isika. Ahoana anefa raha misy mpiara-manompo nahazo tombontsoam-panompoana na andraikitra efa mba nantenaintsika? Mety hialona azy isika, indrindra raha mieritreritra hoe: ‘Samy mahay an’ilay andraikitra izao ihany ve izahay sy izy dia maninona izy no nahazo an’ilay izy?’, na hoe: ‘Izaho aza mbola mahay an’io kokoa noho izy!’

Azo oharina amin’ny tany ny fontsika, ary hoatran’ny voninkazo tsara tarehy ny toetra tsara ananantsika. Toy ny ahidratsy misy poizina kosa ny fialonana. Mety hisakana antsika tsy hanana toetra tsara ny fialonana. Mety ho sarotra amintsika, ohatra, ny haneho fitiavana sy hangoraka ary ho tsara fanahy (Fehintsoratra 7)

7. Inona no ho vokany raha mialona isika?

7 Hoatran’ny ahidratsy misy poizina ny fialonana. Raha avela hamaka ao am-po izy io, dia mety ho sarotra ny hanongotra azy. Vao mainka hialona ny olona iray raha mitsiriritra na manambony tena na tia tena. Mety hisakana azy tsy hanana toetra tsara koa ny fialonana, hoatran’ny ahidratsy misakana ny voninkazo tsy haniry tsara. Mety ho sarotra aminy, ohatra, ny haneho fitiavana sy hangoraka ary ho tsara fanahy. Vao tsapantsika fotsiny àry hoe mitsiry ao am-pontsika ny fialonana, dia tokony hongotantsika. Ahoana no hanaovana an’izany?

MIEZAHA HANETRY TENA SY HO AFA-PO AMIN’IZAY ANANANAO

Inona no hanampy antsika tsy hialona? Rehefa ampian’ny fanahy masina isika, dia hahavita hanongotra ny fialonana ao am-pontsika, ka hanetry tena sy ho afa-po amin’izay ananantsika (Fehintsoratra 8-9)

8. Inona ny toetra tokony hananantsika raha tsy te hialona isika?

8 Tsy hialona isika raha manetry tena sy afa-po amin’izay ananantsika. Raha ireo toetra tsara ireo no mameno ny fontsika, dia tsy hisy toerana ho an’ny fialonana ao. Ireo no hanampy antsika ho faly rehefa misy olona mahazo zavatra tsara. Tsy hihevi-tena ho ambony noho ny olon-kafa mantsy isika raha manetry tena. Tsy hieritreritra koa isika hoe mendrika ny hahazo tombontsoa na zavatra hafa mihoatra noho izy. (Gal. 6:3, 4) Raha afa-po amin’izay ananantsika indray isika, dia ho faly amin’izany fa tsy hampitaha ny tenantsika amin’ny hafa.—1 Tim. 6:7, 8.

9. Araka ny Galatianina 5:16 sy ny Filipianina 2:3, 4, hanampy antsika hahavita inona ny fanahy masina?

9 Mila ny fanampian’ny fanahy masina isika raha tsy te hialona fa hanetry tena sy ho afa-po amin’izay ananantsika. (Vakio ny Galatianina 5:16; Filipianina 2:3, 4.) Afaka manampy antsika izy io mba handinika ny eritreritsika sy ny antony mahatonga antsika hanao zavatra. Mety hisy fialonana na eritreritra ratsy hafa ao amintsika, kanefa rehefa ampian’i Jehovah isika, dia ho vitantsika ny hanala an’izany ka hieritreritra zavatra tsara momba ny hafa. (Sal. 26:2; 51:10) Nahavita tsy nialona i Mosesy sy Paoly, ary handinika ny modely nomen’izy ireo isika izao.

Ankizilahy israelita tonga eo amin’i Mosesy sy Josoa. Milaza izy hoe misy lehilahy roa manao hoatran’ny mpaminany ao an-toby. Asain’i Josoa sakanan’i Mosesy tsy hanao an’izany izy roa lahy. Tsy manaiky anefa i Mosesy. Milaza kosa izy hoe faly izy fa nomen’i Jehovah fanahy masina ireo lehilahy ireo (Fehintsoratra 10)

10. Inona no fitsapana natrehin’i Mosesy indray mandeha? (Jereo ny sary eo amin’ny fonon’ity gazety ity.)

10 Nanana fahefana be i Mosesy, nefa tsy saro-piaro tamin’izany izy. Nanesoran’i Jehovah, ohatra, ny fanahy masina tao amin’i Mosesy indray mandeha, dia nomeny ho an’ny anti-panahy israelita maromaro nijoro teo akaikin’ny tranolay fihaonana. Henon’i Mosesy taoriana kelin’izay hoe nisy anti-panahy roa tsy nankeo amin’ny tranolay fihaonana nefa nahazo fanahy masina koa dia nanao hoatran’ny mpaminany. Nasain’i Josoa nosakanany tsy hanao an’izany izy roa lahy. Ahoana no nataon’i Mosesy tamin’izay? Tsy nialona azy ireo izy. Tsy nalahelo izy hoe nahazo fitahiana avy tamin’i Jehovah ireo lehilahy ireo. Nanetry tena kosa izy dia niara-paly tamin’izy ireo. (Nom. 11:24-29) Inona no ianarantsika avy amin’i Mosesy?

Inona no azon’ny anti-panahy atao raha te hanetry tena hoatran’i Mosesy izy ireo? (Fehintsoratra 11-12) *

11. Ahoana no azon’ny anti-panahy anahafana an’i Mosesy?

11 Anti-panahy ve ianao? Nisy fotoana ve ianao nasaina hampiofana olona hanao andraikitra iray tena tianao? Ianao angamba no mitarika ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana isan-kerinandro, ary tena mahafinaritra anao izany. Ahoana anefa raha asaina mampiofana rahalahy iray ianao, amin’izay izy ho afaka hitarika an’ilay fianarana any aoriana any? Raha manetry tena hoatran’i Mosesy ianao dia tsy hatahotra hoe hisongona anao izy. Ho faly kosa aza ianao hanampy azy.

12. Inona no mampiseho hoe manetry tena sy afa-po amin’izay ananany ny Kristianina maro?

12 Be dia be koa ny rahalahy be taona manao hoatran’i Mosesy. Misy, ohatra, anti-panahy mpandrindra nandritra ny taona maro, nefa rehefa feno 80 taona dia nanaiky hiala tamin’izany andraikitra izany. Manetry tena koa ny mpiandraikitra ny faritra, ka vonona hanao an’izay fanompoana hafa anendrena azy rehefa mahatratra 70 taona. Tao anatin’ireo taona vitsivitsy lasa koa, dia betsaka tamin’ny Betelita eran-tany no voatendry hanompo eny amin’ny saha. Olon-kafa no lasa manao ny andraikitr’ireny rahalahy sy anabavy tsy mivadika ireny, nefa tsy tezitra amin’izy ireny ry zareo.

13. Mety ho nanana antony hialonana an’ireo apostoly 12 ve i Paoly? Hazavao.

13 Tena ohatra tsara koa ny apostoly Paoly satria nanetry tena sy afa-po tamin’izay nananany. Nahavita tsy nialona izy. Nikely aina tamin’ny fanompoana izy, nefa nanetry tena ka niteny hoe: “Izaho no kely indrindra amin’ny apostoly, ary tsy mendrika hantsoina hoe apostoly aho.” (1 Kor. 15:9, 10) Niaraka tamin’i Jesosy ny apostoly 12 nandritra ny fanompoany teto an-tany. I Paoly anefa tsy lasa Kristianina raha tsy taorian’ny nananganana an’i Jesosy tamin’ny maty. Tsy lasa anisan’ny apostoly 12 mihitsy izy, na dia voatendry ho “apostoly ho an’ny hafa firenena” aza tatỳ aoriana. (Rom. 11:13; Asa. 1:21-26) Afa-po tamin’izany anefa izy, fa tsy nialona ny tombontsoa manokana nananan’ireo apostoly 12 sy ny fifandraisan’izy ireo tamin’i Jesosy.

14. Inona no hataontsika raha manetry tena sy afa-po amin’izay ananantsika isika?

14 Raha manetry tena sy afa-po amin’izay ananantsika isika, dia hanao hoatran’i Paoly ka hanaja an’izay nomen’i Jehovah fahefana. (Asa. 21:20-26) I Jehovah no manendry an’ireo anti-panahy eo anivon’ny fiangonana. Tsy lavorary izy ireny nefa “lehilahy ho fanomezana” no fiheveran’i Jehovah azy. (Efes. 4:8, 11) Raha manaja azy ireny isika, ary manetry tena ka manaraka an’izay toromarika omeny, dia hifandray akaiky amin’i Jehovah foana sady hihavana tsara amin’ny mpiara-manompo.

MIEZAHA “HAMPISY FIHAVANANA”

15. Inona no tokony hataontsika?

15 Tsy hihavana amin’ny hafa isika raha mialona. Tokony hongotantsika ao am-pontsika àry ny fialonana. Mila mitandrina koa anefa isika mba tsy hahatonga ny hafa hialona, ka lasa isika indray no hamboly an’ilay ahidratsy ao am-pony. Tsy maintsy manao an’ireo isika raha te hankatò ny didin’i Jehovah hoe: “Aoka ... isika hiezaka hampisy fihavanana sy hifampahery.” (Rom. 14:19) Ahoana no azontsika anampiana ny hafa mba tsy hialona? Ary ahoana no hatao mba hampisy fihavanana?

16. Ahoana no azo anampiana ny hafa mba tsy hialona?

16 Mety hisy vokany be amin’ny hafa ny toe-tsaintsika sy ny ataontsika. Tian’ity tontolo ity ‘hampideradera fananana’ isika. (1 Jaona 2:16) Mahatonga ny hafa hialona anefa izany. Inona àry no azontsika atao? Mila mitandrina isika mba tsy hiresaka foana momba an’izay ananantsika na izay tiantsika hovidina. Tsy tokony hirehareha koa isika raha manana tombontsoa na andraikitra eo anivon’ny fiangonana. Raha izany foana no resahintsika, dia isika indray no hahatonga ny olon-kafa hialona. Hoatran’ny hoe isika mihitsy amin’izay no mampisy tany lonaka ahafahan’ilay ahidratsy maniry. Aleo kosa mitady izay hahasoa ny hafa sady miaiky hoe misy zavatra tsara vitan-dry zareo. Hanampy azy ireo ho afa-po amin’izay ananany isika raha manao an’izany, sady hahatonga ny fiangonana hiray saina sy hihavana tsara.

17. Nahavita nanao inona ny rahalahin’i Josefa, ary nahoana?

17 Mila miady mafy isika mba tsy hialona, nefa matokia fa azo atao ny mandresy an’izany! Eritrereto indray ny rahalahin’i Josefa. Nihaona tamin’i Josefa tany Ejipta ry zareo, taona maro taorian’ny nampijaliany azy. Tsy tonga dia nampahafantarin’i Josefa hoe iza izy, fa notsapainy aloha ny rahalahiny mba hahitana raha niova izy ireo. Nasainy hisakafo ry zareo, dia nataony be dia be ny sakafon’i Benjamina faralahin-dry zareo. (Gen. 43:33, 34) Tsy nialona an’i Benjamina anefa ny rahalahiny. Nitady izay hahasoa azy sy Jakoba rainy kosa izy ireo. (Gen. 44:30-34) Efa tsy be fialonana intsony izy ireo, ka nilamina indray ny fianakaviany. (Gen. 45:4, 15) Raha esorintsika ao am-pontsika koa ny fialonana, dia hihavana tsara ny fianakaviantsika ary hifandray tsara ny fiangonana.

18. Araka ny Jakoba 3:17, 18, inona no ho vokany raha miezaka hampisy fihavanana isika?

18 Tian’i Jehovah isika raha miezaka mba tsy hialona fa hihavana amin’ny hafa. Mila miezaka be isika vao mahavita an’izany. Efa ao anatintsika ao mantsy ny fitsiriritana na fialonana, araka ny hitantsika teo. (Jak. 4:5) Ity tontolo ity koa mahatonga ny olona hialona. Raha manetry tena anefa isika sady miezaka ho afa-po amin’izay ananantsika ary mahay mankasitraka, dia tsy hisy toerana ho an’ny fialonana ao am-pontsika. Hampisy fihavanana isika amin’izay ka ho afaka haniry ny “voan’ny fahamarinana”, izany hoe hahavita haneho toetra tsara isika.—Vakio ny Jakoba 3:17, 18.

HIRA 130 Andao Hifamela

^ feh. 5 Mihavana tsara ny olona eo anivon’ny fandaminan’i Jehovah. Mety ho rava anefa ny fihavanana raha lasa mialona isika. Hodinihintsika ato hoe inona no mahatonga ny olona hialona. Horesahintsika koa hoe inona no hanampy antsika hampisy fihavanana fa tsy hanana an’io toetra ratsy io.

^ feh. 2 FANAZAVANA: Raha jerena ny Baiboly, dia tsy hoe te hahazo an’izay ananan’ny hafa fotsiny ny olona mialona, fa tiany koa raha tsy manana an’izany intsony ny hafa.

^ feh. 61 SARY: Mivory ny anti-panahy ao amin’ny fiangonana iray, dia asain’izy ireo hampiofana anti-panahy tanora iray mba hitarika ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana ny anti-panahy iray be taona. Izy foana no nanao an’io andraikitra io hatramin’izay ary tena tiany izany. Hita anefa hoe nanaiky an’ilay fanapahan-kevitra tamin’ny fo manontolo izy, satria nanome soso-kevitra tsara sy teny fiderana an’ilay rahalahy tanora.